Résumé en VF
Madagascar fera l’objet d’une évaluation par le Groupe d’Action Financière GAFI, l’organisme international de lutte contre le blanchiment d’argent, en 2026. Cette évaluation a lieu tous les quatre ans.  Pour s’y préparer, le SAMIFIN, le Service de Renseignements Financiers malgache, organise cette semaine un atelier d’auto-évaluation. Le pays a déjà suivi la plupart des mesures et recommandations exigées par le GAFI, rassure le directeur général du SAMIFIN, Mamitiana Rajaonarison. Il cite notamment la création d’un système centralisé de collecte et de conservation des données et statistiques relatives au blanchiment. Parmi les priorités, le SAMIFIN cite la lutte contre les sociétés illégales ou non déclarées, notamment les entreprises offshores.
 Résumé en VM
Hiatrika tombana ataon’ny rafitra iraisam-pirenena miady amin’ny famotsiambola na ny GAFI i Madagasikara amin’ny taona 2026. Atao isaky ny efa-taona io tombana io. Ary ho fiomanana amin’izany, dia misy atrikasa atao amin’izao fotoana izao eto Antananarivo mandritra ny dimy andro. 29 amin’ny 40 ny isa azon’I Madagasikara tamin’ny tombana natao farany, tamin’ny 2022. Tanjona Tanjona ny hampiakarana io naoty io ho 36/40 amin’ity hoy ny tale jeneralin’ny SAMIFIN, na ny sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiambola sy ny famatsiambola amin’ny fampiorohorohoana, Mamitiana Rajaonarison. Efa notanterahina avokoa mantsy ireo fepetra notakian’i GAFI na ilay Rafitra iraisam-pirenena miady amin’ny famotsiambola toy ny fananganana rafitra iray manangona ireo atontan’isa momba ny famotsiambola, mba hazahoana sy mitahiry ireo atontan-kevitra. Anisan’ny nimasoana ihany koa ny fanenjehina ireny orinasa mitsangana tsy ara-dalà na sy tsy milaza mazava ireny orinasa an’abaka ireny.





