Résumé VF
Le projet EAGER – East Africa Girls’ Empowerment and Resilience est à sa deuxième année de mise en œuvre. Fidèle à son engagement d’agir au cœur des inégalités de genre, il lance son programme d’autonomisation économique des femmes.
Destiné aux femmes âgées de 18 à 35 ans, titulaires au minimum du Brevet d’études du premier cycle (BEPC)et résidant dans les zones d’intervention du projet, ce programme vise à former et à accompagner les participantes dans leur recherche d’emploi, la création de leur propre activité ou encore la recherche de stages. Andriantsoa Tahiana, responsable de la communication du projet EAGER, nous en donne les détails dans cette émission.
Résumé VM
Taona faharoa amin’ny fanatanterahana azy ny tetikasa EAGER – East Africa Girls’ Empowerment and Resilience amin’ity 2026 ity. Ady amin’ny tsy fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy no tena antom-pisian’ny tetikasa moa hatramin’ny voalohany. Manomboka ny fandaharanasa ho fanomezana fahaleovantena ara-toekarena ny vehivavy ny tetikasa amin’ity taona ity.
Vehivavy 18 ka hatramin’ny 35 taona, manana farafahakeliny ny mari-pahaizana BEPC na nandalo T9, ary monina any amin’ireo faritra iasan’ny tetikasa no kendrena hisitraka ity fandaharanasa ity. Tanjona ny hanofana sy hanohana azy ireo amin’ny fitadiavana asa, fananganana asa fivelomana ho an’ny tenany, na koa amin’ny fitadiavana sehatra hanaovana fiofanana arakasa. Manome fanazavana misimisy kokoa momba ity fandaharanasa ity, ato anatin’ny fandaharana Hono ho aho i Andriantsoa Tahiana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny tetikasa EAGER.








