Manery ny tsy fisiam-bola ao an-trano. Efa mananontanona ny fahasahiranana, ny vava homana hitombo afaka volana maromaro. Resy lahatra i Meza fa dia ny asa famokarana ihany aloha no tokony atao, saingy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana : tsy mifandray tanana, manaja ny elanelana, manasa tanana amin’ny rano sy savony ary diovina sy sasana ny fitaovam-pamokarana.
Dans le foyer de Meza, les problèmes d’argent se font ressentir. La pauvreté menace son foyer, alors qu’il y aura, dans quelques mois, une nouvelle bouche à nourrir. Meza est convaincu que seule l’agriculture peut les sauver, mais dans le respect des gestes barrières : pas de poignée de main, respect de la distanciation sociale, lavage des mains, ainsi que des matériels agricoles, avec de l’eau et du savon.