Tafaraka matsaka rano eny am-patsakana i Santa sy Ihangy. Na dia eo aza ny disadisan’ny vadin’izy roa, tsy mba nifampiavonavona kosa izy. Somary nalemilemy Ihangy ka naka aina kely aloha. Mety izy ilay bevohoka no mahatonga azy tsy ampy hery. Gaga i Santa satria efa zaza fahaenina kanefa mbola tsy zatra ihany. Nitsotra Ihangy, fa tsy manan-kohanina ny ankohonany, tsy nisakafo izy alina, fa naleony nomena ny zanany izay anjara keliny. Liana amin’ny resany ho tsy manan-kohanina i Santa, satria raha ny ahiahin’i Mahaly, dia ry zareo no noheveriny fa nangalatra ny vokatra teny amin’ny tanimboliny noho ny valifatin’i Meza. Manazava Ihangy, fa i Meza koa mimenomenona ao an-trano, fa noheveriny ihany koa, fa i Mahaly no nanao an-kasomparana nangalatra ny vokatra teny an-tanimboliny. Vokany, fatiantoka mihatra aman’aina, na ny atokona aza tsy misy. Milaza i Santa fa misy mpanao hala-botry mihitsy izany eo an-tanà na, ka tsy tokony hifanendrikendrika i Meza sy Mahaly fa samy voa. Mangataka fanampiana amin’i Santa Ihangy. Hanome i Santa, saingy manantitrantitra ny handamina ny saim-badiny avy mba tsy hisian’ny ady. Milaza ny samy handeha any amin’ny sefo fokontany koa izy roalahy hametraka fitarainana. Mikakaka mihomehy fotsiny sisa izy roa.
Santa et Ihangy se rencontrent au point d’eau du village, et prenent le temps de discuter malgré les tensions entre leurs maris. Ihangy se plaint d’avoir peu de force et se pose pour reprendre son souffle. Elle confie à son amie que le problème vient du fait qu’ils n’ont rien à manger chez eux. Santa se demande si les doutes de Mahaly, son mari, ne seraient pas fondés et que c’est bien Meza et sa famille qui volent dans les champs. Ihangy, explique que Meza lui même pense la même chose de Mahaly, car ils ont également été victime de vol. D'ailleurs, autant Mahaly que Meza pense deposer plainte auprès du fokontany.