COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesThéâtre radiophonique / Tantara

Kalozara, toute en larme face à leur situation et à la demande de Saotra.

Andian-tantara “Hafatry” – “Arina an-tava” – Fizarana fahafito

Diso fanantenana I Kalozara tamin’ny tsy nandraisan’ny ben’ny tanàna azy. Izy nandeha tongotra hiverina hody iny no nahatazana azy I Saotra ka nanatitra azy. Isan’ny resak’izy roa teny an-dàlana ny amin’ny fomba fitondran’I Stanislas ny tanàna. Etsy andaniny, misy tsy fitiavana an’I Stanislas manosika an’i Kalozara hanohitra mafy an’ity ben’ny tanàna ity. I Saotra kosa miaro an-drainy ary milaza fa na dia maro aza ny asa tiana hatao dia malaina manao adidy ny mponina ao Andranofady, ary tsy afaka hanaovana asa izany. Ankilan’izany resaka rehetra izany dia milaza amin’i Kalozara I Saotra fa mbola tia azy ka vonona ny haka vady azy. Milaza ny hieritreritra anefa I Kalozara, satria matahotra sao hizaka fahoriana raha sanatria ka mandova ny toetran-drainy I Saotra.

Studio Sifaka · SERIE 16 Arina an-tava EPISODE 7

Dépitée du fait qu’elle n’ait été reçue par le maire, Kalozara est rentrée chez elle à pied quand Saotra l’a aperçue depuis sa voiture et lui a proposé de la raccompagner. Parmi leurs sujets de discussion figure la manière dont le maire gère la commune. Kalozara, aveuglée par sa colère contre Stanislas et sa position quant à leur relation, se place en tant que fervente opposante. Saotra explique, quant à lui, que même si son père voulait bien faire les choses à Andranofady, le manque d’argent reste un blocage. Les contribuables ne payent pas leur taxe, ce qui empêche le maire de faire des projets. Outre ce sujet, Saotra réitère sa demande envers Kalozara, lui confirmant qu’il est prêt à l’épouser. Cette dernière hésite pourtant et indique qu’elle y réfléchira. Elle redoute fortement que Saotra soit comme son père.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter