L’émission 3 minutes avec Youth First accorde la parole ce samedi aux jeunes des régions Haute Matsiatra, Itasy, Sofia et Menabe. Majoritairement des étudiants, ils ont affirmé que, pendant le confinement, ils ont pris le temps d'aider leurs parents dans les tâches ménagères et dans leurs activités professionnelles. Ayant eu l'occasion de rentrer chez eux, certains étudiants se disent plus sereins à côté de leurs proches en soulignant qu'à la campagne, la restriction de sortie n’est pas strictement appliquée. Ces derniers ont la liberté de s'atteler au travail des champs et même de livrer les récoltes aux marchés. D’autres ont pu découvrir des cours de cuisine et de pâtisserie, choses qu’ils n’ont pas voulu apprendre auparavant. Mais ils sont tous convaincus que malgré cela, la covid-19 commence à prendre de l’ampleur et qu’il faut respecter les gestes barrières.
3 minitra natokana hanarahana ny fanehoan-kevitry ny tanora niarahan’ny Studio Sifaka tamin’ny solontenan’ny Youth First manerana ny Nosy. Ireo tanora avy ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, Itasy, Sofia ary ny faritra Menabe no haneho ny heviny mikasika ny fiatrehandry zareo ny fihibohana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny maha tanora azy ireo manoloana ny valanaretina coronavirus. Mpianatra ny ankabeazan’ireo naneho hevitra. Nilaza izy ireo fa fotoana nahafahany nanakaiky ny ray aman-dreniny ny fihibohana, maro ny afaka nody ka afaka nifanampy tamin’ny raharaha sy ny asa fivelomana. Tsy dia mafy loatra ny fanaraha-maso ny fihibohana tany amin’ny faritra nisy azy ireo fa nisy kosa ny fanentanana momba ny ady amin’ny covid-19.