Selon un reportage du Junior Reporter Club de la région Analanjirofo, le chef de la Circonscription scolaire du district de Sonierana Ivongo affirme que la reprise des activités pédagogiques s’est bien passée après 3 semaines de suspension des cours. En outre, focus sur la sensibilisation des jeunes au respect des droits des enfants au niveau du district de Fenerive Est.
Araka ny fanadihadiana izay notanterahin’ireo tanora mpanao gazetin’ny Junior Reporter Club na JRC tao amin’ny faritra Analanjirofo niaraka tamin’ny lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana ao amin’ny distrikan’ny Sonierana Ivongo, nizotra an-tsakany sy an-davany ny fiverenan’ny mpianatra an-dakilasy taorian’ny 3 herinandro niatoan’ny fampianarana. Tokony hampitomboina kosa ny fampahafantarana ny tanora ireo zon’ny zaza sy zon’ny ankizy araka ny fanadihadiana izay notanterahina tao Fenoarivo Atsinanana.