Débat des jeunes sur les actualités marquantes de cette semaine. Les menaces face à l’avancée de l’intelligence artificielle à Madagascar, l’interdiction des manifestations politiques et les harcèlements publics. Des sujets au cœur de la discussion de nos trois jeunes invités, RAZAFINDRAMIHARANA Santatriniaina Marie Aimée, Rakotosolofo Toky Nirina et Randriambololona Rija Michael.
Ady hevitra hiarahana amin’ireo tanora momba ny songadim-baovao tamin’ity herinandro ity. Lafy ratsin’ny intelligence artificielle amin’ny fampianarana eto Madagasikara, fandrarana ny hetsika politika ary fanaovana fihetsika mamoafady amin’ireo tovovavy eny an-kalamanjana, ireo no lohahevitra noresahin’i RAZAFINDRAMIHARANA Santatriniaina Marie Aimée, Rakotosolofo Toky Nirina ary Randriambololona Rija Michael, vahinin’ny fandaharana.
L’enseignement supérieur est un problème préoccupant dans la région Bongolava. Chaque année, la circonscription scolaire basée à Tsiroanomandidy enregistre près d’un millier de bacheliers. Or, seulement moins de la moitié ont accès aux universités locaux qui ne comptent qu’au nombre de trois au maximum. D’ailleurs, les filières existantes ne laissent pas beaucoup de choix aux jeunes. Ravaoarimalala Ralison Hanta, responsable au sein de l’université CNTEMAD Tsiroanomandidy, Ramarosandratana Yvon, jeune employé et Fanomezantsoa Tolojanahary Patrick, universitaire de Tsiroanomandidy en discutent.
Olana goavana sedrain’ny tanora ao amin’ny faritr’i Bongolava ny sehatry ny fampianarana ambony. Mpianatra maherin’ny arivo eo isan-taona no afaka baccalauréat ao an-toerana. Zara raha ny antsasany amin’ireo anefa no afaka manohy fianarana noho ny fahavitsian’ny sekoly ambony, izay miisa telo eo farafahabetsany. Etsy an-kilany, vitsy ny taranja azon’ireo tanora safidiana. Miady hevitra momba io zava-misy io i Ravaoarimalala Ralison Hanta, tompon’andraikitra eo anivon’ny CNTEMAD Tsiroanomandidy, Ramarosandratana Yvon, tanora misehatra amin’ny asa ary i Fanomezantsoa Tolojanahary Patrick, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony ao Tsiroanomandidy.
Razafindrakoto Hary est un formateur de valiha. Il a bien hérité ce talent par son grand-père mais en même temps il a appris et a fut des nombreuses recherches sur le Valiha pendant des années. Actuellement, il est le premier responsable de l’école nationale de Valiha « Valiha Academy »
Entant que travailleur social, Vahantsaina a importé le concept « Conférence concert » lors de chaque conférence avec les jeunes. Il joue surtout le musique de bien-être. Par conséquent, les jeunes sont plus actifs lors de l’échange.
Efa maherin’ny telopolo taona izao no nanaovan’i Razafindrakoto Hary ny asa amin’ny maha mpampanofana valiha. Nolovainy tamin’ny raibeny ny fandalinana izany fa mbola nianatra sy nanao fikarohana marobe momban’ny valiha ihany koa anefa izy tao aorian’izay. Izao dia izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ilay sekoly « Valiha Academy »
Mpiasa sosialy i Vahantsaina. Ny mampiavaka azy amin’ny maro anefa dia noho ny azy ravahiny mozika rehefa mampanao laha-dinika, ilay antsoiny hoe « Conférence concert ». Vokatr’izay dia haingana sy mavitrika kokoa ireo tanora izay mandray anjara amin’ilay laha-dinika.
Les Etats Unis, le Royaume-Uni, le Canada, l’Australie et de nombreux pays européens ont déjà fait ce pas. D’abord, parce que la plateforme chinoise est accusée de recueillir beaucoup trop de données à ses utilisateurs. Depuis leur localisation, l'appareil qu'ils utilisent et même les textes qu’ils copient. Mais le gouvernement américain s’inquiète surtout de l’utilisation de ces données et à quoi elles vont servir. En effet, la sécurité nationale pourrait être menacée si ces informations sont parvenues aux services des renseignement chinois, expliquent les législateurs américains.
Les autorités américaines pensent également que Tik Tok présente un danger pour les jeunes utilisateurs. Ces derniers seraient exposés à des contenus pornographiques et à des propagandes russes. Depuis quelques semaines, le PDG de Tik Tok a dû s’expliquer devant le congrès américain sur ces accusations.
Fa maninona no raràna ny fampiasana Tik Tok any amin’ny firenena sasany ?
Ny Etazonia, Royaume-Uni, Canada, Australie sy firenena sasantsasany ao Eoropa izao dia isan’ny mandrara ny fampiasana Tik Tok. Voalaza hoe betsaka loatra mantsy ny antontan-kevitra alain’ny Tik Tok amin’ireo mpampiasa azy, toy ny hoe ny mombamomba azy ireo, ny toerana misy azy, ny zavatra soratany sns. Manahy noho izany ny governemanta amerikanina hoe ampiasaina amin’ny inona ireo antontan-kevitra ireo, sao tonga eny ampelatanan’ny sampan-draharaha mpanaramaso any Chine. Loza mitatao ho an’ny fiarovam-pirenena mantsy izany hoy izy ireo.
Ankoatr’izay, dia hitan’izy ireo fa mety hanimba ny ankizy sy tanora ny fampiasana Tik Tok. NIsy tamin’ireo ankizy ohatra no efa nahita horonantsary mamoafady tao na koa fampielezankevitra ataon’ny firenena rosiana. Amin’izao fotoana izao moa dia mandalo eny amin’ny congresy amerikanina ny filohan’ny Tik Tok hanazava ireo fanamelohana ireo.