Depuis le début de cette année, une vague de suicide a été identifié dans presque toutes les régions de Madagascar. Diverses raisons poussent les gens à se suicider notamment le chômage ou la déception amoureuse. La plupart des personnes qui se sont suicidées sont des hommes. Les personnes suicidaires ne veulent pas forcement mourir. Ce sont des personnes qui traversent des épreuves et font appels à l’aides. Kolo RANDRIAMANANA, une psychologue psychothérapeute nous en parle.
Nisesy ny tranga famonoantena tamin’ity fiandohan’ity taona ity. Nahitana izany tranga izany avokoa ny faritra eto Madagasikara. Maro no antony amonon’ny olona tena, toy ny tsy fananana asa na koa olana ara-pitiavana. Lehilahy ny ankamaroan’ireo olona namono tena. Tsy te ho faty matetika ireo olona mamono tena fa olona mandalo fotoan-tsarotra ary miantso vonjy amin’ny manodidina. Manazava ny andinindininy mahakasika izay i Kolo RANDRIAMANANA, Psychologue-psychothérapeute.
La vindicte populaire semble devenir un mode de fonctionnement dans la société malgache, et même approuvée par de nombreuses personnes. Souvent confondue avec le Dinam-pokonolona, cette justice populaire, appelée aussi fitsaram-bahoaka en malgache, va à l’encontre des lois. Ainsi, une personne qui a été victime d’une vindicte populaire ou ses proches peuvent déposer une plainte contre les personnes qui ont commis cet acte. Le manque de confiance envers le système judiciaire est l’une des causes de la vindicte populaire. Mialy Nomenjanahary Juge au Tribunal d’Anosy Antananarivo nous donne plus de détails dans l’émission.
Lasa toy ny fahazarana eto amintsika ny fanaovana fitsaram-bahoaka. Araka izay fiantsoana azy izay dia fitsarana ataon’ny vahoaka ihany amin’ny olona heveriny fa meloka io, izay indraindray toa afangaron’ny olona amin’ny Dinam-pokonolona. Voararan’ny lalà na anefa ny fitsaram-bahoaka ary manan-jo hitory ireo olona nanao izany izay hiarany na ny havany. Ny tsy fahatokisana ny fitsarana mahefa matetika no antony fitsaram-bahoaka. Manazava mahakasika izany ato anatin’ny fandaharana i Mialy Nomenjanahary, Mpitsara mpamoaka Didy eo anivon’ny Fitsarana Anosy Antananarivo.
Le jeune politicien Jimmy Ranitratsilo fait partie des 30 finalistes pour le prix Young African Leaders Awards. C’est un prix qui récompense un jeune porteur de changement africain. Les candidats sont évalués en fonction de leur contribution dans un domaine précis. Pourquoi participer à ce type de concours ? Et comment optimiser sa candidature ? Le finaliste se confie.
Anisan’ireo mpitarika 30 tafiakatra amin’ny dingana famaranan’ny fifaninanana Young African Leaders Awards ny tanora mpanao pôlitika Jimmy Ranitratsilo. Izy io dia fifaninanana hanomezana fankasitrahana ny tanora nitondra fiovana teo amin’ny sehatra iray. Inona no tombotsoa amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana toy itony ? Ary ahoana no fomba hanatsarana ny fandraisana anjara ? Mamboraka izany ny mpifaninana tafiakatra amin’ny dingana famaranana.
Des bonnes pratiques peuvent atténuer les douleurs pendant l’accouchement, de même que les malaises et les humiliations pendant un examen gynécologique. Mais depuis leur présence à Madagascar depuis 15 ans, Douleurs Sans Frontières a observé que ces pratiques ne sont pas respectées. Comment reconnaître ces violences ? Et comment les patientes peuvent-elles se faire aider ? Réponse avec David RAKOTOMALALA, assistant médical chez Douleurs Sans Frontières.
Misy ny fomba fanao tsara izay mampihena ny fanaintainana eo am-piterahana, ary misoroka ireo tsy fahazahoana aina sy fanalam-baraka mandritra ny fizaham-pahasalamana mikasika ny fananahana. Nandritra ny niasan’izy ireo teto Madagasikara tao anatin’ny 15 taona anefa dia nahita ny Douleurs Sans Frontières fa tsy voahaja ireo fomba fanao tsara ireo. Ahoana no fomba ahafantarana ireo herisetra ireo ? Ahoana no ahafahan’ireo lasibatra mahazo fanampiana ? Mamaly antsika i David RAKOTOMALALA, mpanampy mpitsabo ao amin’ny Douleurs Sans Frontières.
Les recrutements internes permettent aux entreprises d’économiser du temps et de l’argent. C’est un employé même qu’on recrute pour un autre poste. Vu les avantages pour l’entreprise et le salarié qui est promu, comment faire valoir le mérite contre le favoritisme ? Francia RAHOLIARISOA, assistante chargée de recrutement et de motivation à Accès Banque Madagascar nous livre les bonnes pratiques à adopter.
Mitsitsy ny vola sy ny fotoanan’ny orinasa ny fampidirana mpiasa ao anatiny na recrutement en interne : mpiasa ao amin’ilay orinasa ihany no raisina amin’ny andraikitra hafa. Eo anatrehan’ireo tombotsoa azon’ny orinasa sy ilay mpiasa niakatra andraikitra, ahoana no hampanjakana ny fahamendrehana ary iadiana amin’ny fijerena tavan’olona ? Manoro ireo fomba fanao tsara i Francia RAHOLIARISOA, mpanampy eo amin’ny fampidirana sy fanentanana mpiasa ao amin’ny Accès Banque Madagascar.
A Madagascar, les jeunes mères célibataires sont les jeunes les plus vulnérables. Souvent déscolarisées et mal vues par la société, elles ont du mal à trouver un travail décent et subissent divers types de violence. C’est pour leur venir en aide qu’est né le projet Sandratra. Un projet qui a aidé 300 mères célibataires d’Antananarivo à être indépendantes. Que vivent-elles au quotidien et quels sont leurs besoins ? Réponse avec RANDRIARIMANANA Feno, chef du projet Sandratra.
Eto Madagasikara dia ireo tovovavy niteraka tsy nanambady no tanora marefo indrindra. Matetika izy ireo dia voatery nandao ny sekoly ary ahilikin’ny fiarahamonina. Sarotra ho azy ireo noho izany no mahita asa mendrika, ary mbola iharan’ny herisetra isankarazany ihany koa. Ny hanampy azy indrindra no nipoiran’ny tetik’asa Sandratra, tetikasa nanampiana reny tsy manambady miisa 300 tao Antananarivo mba hahaleo tena. Inona no iainan’izy ireo amin’ny andavanandro ary inona no fanampiana ilainy ? Mamaly antsika RANDRIARIMANANA Feno, mpandrindra ny tetikasa Sandratra.
De nouveaux thèmes d’actualité ont suscité l’attention de nos jeunes participants lors du débat de ce vendredi. Zoharilala Fanomezantsoa Ny Hasina, Andriarimananjara Fanomezana Sarobidy et Rakotonirina Anjara Joël ont partagé leurs idées par rapport au nouvel an malgache et comment le valoriser, à la place de la femme en milieu professionnel, et aux cas de violence policière rencontrés dans le pays.
Niady hevitra mikasika ireo lohahevitra tena nisongadina nandritra ny vaovao iny herinandro iny indray ireo tanora, vahinin’ny Studio Sifaka tao anatin’ny ady hevitra notontosaina ny zoma teo. Zoharilala Fanomezantsoa Ny Hasina, Andriarimananjara Fanomezana Sarobidy ary Rakotonirina Anjara Joël no nandray anjara tamin’izany. Niompana tamin’ny ny lanja tokony omena ny taom-baovao malagasy, ny toeran’ny vehivavy any amin’ny toeram-piasana, ary ny herisetra ataon’ny polisy ny ady hevitra.
L’intérêt des femmes n’est pas pris en compte lors de la consultation effectuée par l’entreprise extractive. Ces femmes perdent leur terre ou leur ressource en matières premières pour l’artisanat. C’est l’intérêt du chef de famille ou du chef traditionnel qui est priorisé. Transparency international Initiave Madagascar a mis le point sur l’importance de l’application de la politique sur le genre dans la loi. Valery Ramaherison, chargé projet Mines du TIII nous explique plus.
Voakitika ny fiharian’ny vehivavy rehefa misy ny tetikasa fitrandrahana toy ny taniny na tanimboly misy zava-maniry anaovany asan-tanana. Tsy voaantso amin’ny fidinana ifotony ataon’ny orinasa mialohan’ny hanombohana ny fitrandrahana ny vehivavy fa ny loham-pianakaviana sy ny olobe no laharam-pahamehana.Tokony ampidirina anaty lalà na ny fampiharana ireny miralenta na resaka genre ireny raha ny sosokevitra natolotry ny Transparency International Initiative Madagascar taorian’ny fanadihadiana nataony. Hiresaka ny momba ny fisehon’izany i Valery Ramaherison, misahana ny tetikasa fitrandrahana eo anivon’ny TIII.
Les jeunes ne s’intéressent pas aux élections. Ils ne se rendent pas compte de l’importance de voter, leur choix sur leur vie. Une formation en leadership a été mis en œuvre par la Fondation Friedrich Ebert Stiftung pour les aider à communiquer et s’échanger avec les partis politiques. Dr Hanta a Andrianasy, coordinateur programme FES nous explique davantage.
Variana amin’ny fitadiavana ny olom-pirenena ka tsy liana amin’ny fiainam-pirenena. Taomina manokana ny tanora handray anjara amin’ny fifidianana. Hofanina hahay hiserasera sy hifandresy lahatra amin’ny tanora namany izy ireo fa indrindra hifanakalo hevitra amin’ny mpanao politika. Mikarakara fiofanana momban’ny fahaiza-mitantana ho an’ny tanora ny Friedrich Ebert Stiftung. Hiresadresaka amin-tsika Dr Hanta Andrianasy, mpandrindra ny fandaharan’asa FES.
L’observatoire Safidy a rapporté leur première observation du processus effectué par la CENI sur la refonte de la liste électorale. Les observateurs ont effectué des suivis dans 108 districts répartis dans les 23 régions. Ils ont apporté des recommandations. Stella Razafimahefa nous en dit plus.
Nanara maso ny dingana nataon’ny CENI tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny avy eo anivon’ny firaisamonim-pirenena Sampana Mpanara maso ny Fifidianana Safidy. Distrika 108 manerana ny faritra 23 no notsirihan’ny mpikamban’izy ireo. Misy ny sosokevitra narosony hanatsarana ny fomba fiasa mba ahazo antoka ny lisim-pifidianana. Vahinin-tsika i Stella Razafimahefa tompon’andraikitra eo anivon’ny Safidy fanaraha-maso ny fifidianana.
Les symptômes du paludisme peuvent tromper, et parfois sont considérés comme une simple fièvre. Alors pour savoir s’il s’agit bien de cette maladie mortelle, il faut faire un test auprès des centres de santé public ou privé. Notons que c’est gratuit. Mais les soins dépendent de l’évolution de la santé du malade. Des frais peuvent alors être à la charge du patient. Le Médecin inspecteur SDSP Mandritsara Jackie Randrianarisoa explique.
Mety mamitaka ny soritr’aretin’ny tazomoka, ary matetika hafangaron-tsika amin’ny tazo tsotra. Noho izany dia mila manao fitiliana eny amin’ny tobim-pahasalamana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, mba hahafantarana raha ilay aretina tazomoka mahafaty tokoa ilay izy. Marihina fa maimaim-poana izany. Miankina amin’ny fivoaran’ny fahasalaman’ny marary anefa ny fitsaboana. Tsy maintsy handoa vola vidim-panafody izy mandrapahasitrany. Manazava ny Médecin inspecteur SDSP Mandritsara Jackie Randrianarisoa.
Le Chef Lalaina réputé pour ces pizzas, le Chef Toky pour ses cuisines tropicales, et Tiavina une fanatique de la cuisine malgache, tous les trois vont nous mettre l’eau à la bouche dans cet échange de compétences en cuisine. Nombreux points sont encore à améliorer pour que nos saveurs puissent s’étaler pleinement à l’international, selon ses professionnels, même si quelques chefs réputés ont déjà représenté notre pays à l’étranger.
Nous disposons de nombreux épices, mais il suffit de savoir les utiliser et les exploiter. Ecoutez Ndao Hilaoeky pour plus de détails.
I Chef Lalaina malaza amin’ny fanamboarana pizza, i Chef Toky amin’ny nahandro avy any amin’ny faritra, ary Tiavina mpankafy ny nahandro malagasy. Izy telo mianadahy ireo no hampilona an-tsika anaty tontolon’ny sakafo, amin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo. Mbola maro ny teboka mila hatsaraina mba hampipaka tanteraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsiron-tsakafon-tsika, hoy ireo matihanina ireo, na dia efa nisolo tena an’i Madagasikara tany ivelany aza ny chef malaza sasany.
Manana laron-tsakafo maro isika, fa mila hay ny mampiasa sy mitrandraka azy. Henoy ary ny Ndao Hilaoeky hahafantaranao misimisy kokoa ny momba izay.
La maison de la reine Betty datant du 17 siècle, qui est maintenant devenue un musée, renferme toute l’Histoire de Sainte Marie. Le nom « île au Madame » rend hommage à cette femme, qui autrefois représentait la grande monarchie de cette île. Plus tard, sa maison a été transformée en bureau administratif. Mais suite à un incendie, tout a été déplacé sur l’île même, en construisant de nouveaux bureaux. L’ancienne maison Betty est maintenant un musée depuis 2003 après des réhabilitations. Actuellement, le quartier administratif qui se situe non loin du musée, rassemble toutes les directions régionales : le centre fiscal, la perception principale, l’Agence Portuaire Maritime et Fluviale, la cité administrative et celle du préfet, ainsi qu’une société de pêche et le port.
Ny tranon'ny Mpanjakavavy Betty tamin'ny taonjato faha-17, izay lasa tranombakoka ankehitriny, dia mirakitra ny tantaran'i Sainte Marie manontolo. Ny anarana hoe "Ilot au Madame" dia natao ho fahatsiarovana an’ity Mpanjaka ity, izay nanamarika ny vanim-potoana fahampanjaka tany an-toerana. Navadika ho biraom-panjakana ny tranony taty aoriana. Saingy taorian'ny hain-trano nisy, dia nafindra teo akaiky teo ihany io birao io, ary efa nahavitana trano vaovao maro hafa. Taorian’izay dia niova ho tranombakoka ny tranon’i Betty teo aloha, tamin'ny taona 2003. Amin'izao fotoana izao, dia mivondrona tsy lavitra ny mosea ny ivonketra, ny fangalana fisotroan-dronono, ny fitaleavam-paritra rehetra, ny tranon’ny mpiasam-panjakana miasa ao sy ny tranon’ny prefet, ny APMF, ny orinasa jono ary ny seranan-tsambo.