Le sorgho est une céréale comme le maïs, le riz, le blé et l'orge. C’est une plante herbacée, très répandue à l’état sauvage sous les climats tropicaux et subtropicaux. Elle résiste aux changements climatiques. Dans la partie Sud-Est du pays, des paysans en cultivent et nous partagent les processus de culture et leur consommation.
Voamadinika mitovitovy haavo amin’ny katsaka ny apemba. Maniry any amin’ny tany maina na dia eo aza ny fiovan’ny toetr’andro. Ny mponina amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy dia efa mamboly azy ity. Mizara ny fomba fambolena sy ny fihinanany ampemba ity tantsaha iray avy any Amboasary ity.
Les fruits contribuent au bon fonctionnement de notre organisme. Nous sommes actuellement en pleine saison de récolte de divers fruits comme le melon, pastèque mangue, ananas, litchi... Voici quelques recommandations pour faciliter la digestion de ces fruits et leur manipulation.
Vanim-potoana ahitana voankazo betsaka sy maro karazana amin’izao. Isan’izany ny manga, litchi, mananasy, votango, paiso sy ny maro hafa koa. Mitondra voka-tsoa ho an’ny fahasalamana ny fihinanana azy ireny fa mila fitandremana ihany koa ny fikirakirana azy mba ho ara-pahasalamana hatrany.
Connu pour la suppression temporaire de la douleur durant une intervention chirurgicale. L’anesthésie facilite la procédure médicale. Mirana Ravallison, anesthésiste nous partage ce qu’il faut savoir sur l’anesthésie dans notre émission Santénakà.
Fanalana fanaitainana matetika no fahafantaran’ireo mararay ny anesthésie. Misy olona tsy handairana anesthésie ve ? Inona avy ireo tsara ho fantatra momba ny toem-pahasalaman’ny olona iray mialoha ny ampiasana ny anesthésie. Ireo tsara ho fantatra mahakasika ny anesthésie sy ny fampiasana azy ary ny fitandremana tokony atao amin’ny fahasalamana no resahintsika ato anaty fandaharana Santénakà.
Malgré les progrès, la tradition reste importante pour nous, Malgaches. Les Malgaches se sentent malheureux et tristes s'ils ne peuvent pas faire leur devoir envers les ancêtres, s’ils ne peuvent pas faire le « Famadihana » ou y assister. C'est un moment de joie et les larmes sont interdites.
« Sao-drazana » c’est l’argent qu’on donne en cadeaux à la famille lors du Famadihana. « Lapa » c’est le nom du lieu clôturé en Bâche installé pour la cérémonie, et "Afa-boady sy Nahefa Adidy" sont ceux qui ont accompli le Famadihana et c'est pourquoi ils sont félicités.
Na eo aza ny fandrosoana dia mbola manan-danja amintsika Malagasy ny famadihana.
Mahatsiaro ho ory sy malahelo ny Malagasy raha toa ka tsy mba afaka manao ny adidiny amin’ireo efa lasan-ko razana na tsy mba afaka mandeha amin’ny Famadihana. Fa inona avy ireo atao hoe Famadihana ? Fotoam-pifaliana izy io ka fady ny mandatsa-dranomaso.
Sao-drazana no fiantso ny vola tso-drano atolotra rehefa famadihana, lapa no anaran’ny toerana voafefy jiafotsy na labasy atsangana hanaovana ny lanonana, ary “Afa-boady sy nahefa Adidy” ireo nahatontosa ny famadihana ka izay no iarahabana azy.
Le « Lebaleba » qui consiste à ne pas pleurer la mort des personnes âgées, est une coutume propre à l’ethnie Antambahoaka. Selon Tody Velo Vincent, spécialiste en sorabe dans cette ethnie, ses personnes ont achevé leur devoir dans ce monde, lorsqu’ils ont atteint un certain âge, notamment à partir de 80 ans. Ça devrait donc être une réjouissance plutôt qu’un malheur.
Le « Sambatra » est une forme de circoncision pratiquée dans cette même ethnie. Celui-ci n’a lieu que tous les 7 ans. Parmi ses spécificités, tout garçon non circoncis doit passer à cette phase, peu importe son âge.
Hafa kely ny fomba atao rehefa misy ray aman-drenibe maty ho an’ny foko Antambahoaka. Atao “Lebaleba” hoy ny fiantson’izy ireo azy. Araka ny fanazavan’i Tody Velo Vincent, mpahay sorabe, mpahay fomba sady katibon’ny foko Antambahoaka dia tsy hitomaniana ny fatin’ireto farany, tsy andrasana toy ny atao amin’ireny fiandrasam-paty mahazatra ireny ihany koa fa tokony heverina ho zavatra tsara sy tokony hahafaly izany satria nahavita be izy manomboka eo amin’ny faha 80 taonany eo.
Endrika famorana manana ny maha izy azy any Mananjary ny Sambatra. Isaky ny fito taona no hanaovana azy io ary tsy ny zazalahy irery ihany no voakasika fa ireo rehetra mbola tsy voafora, eny fa na efa lehibe aza. Ny taona 2021 no nisy Sambatra farany ary tsy hiverina izany raha tsy ny taona 2028 indray.