Entreprendre ou travailler pour une entreprise ? Ça reste encore un problématique pour les jeunes après leurs études. A Madagascar, les travailleurs sont encore plus nombreux que les entrepreneurs ; selon les chiffres de l’OIT. TODISOA Tania, jeune ; RAMAHAVALISOA Thonny, entrepreneur ; et Dera Valisoa, salarié se débattent et expliquent leurs choix sur ces deux options.
Handraharaha sa hiasa amin’ny orinasa ? Isan’ny fanontaniana manahirana ny tanora vao nahavita fianarana foana izany. Eto Madagasikara dia betsaka kokoa ny miasa amin’ny orinasa noho ny mandraharaha raha ny tarehimariky ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny asa. Adihevitra mahakasika izay niarahana tamin’i TODISOA Tania, tanora ; RAMAHAVALISOA Thonny, mpandraharaha ary Dera Valisoa, mpiasa amina orinasa.
L’élection du Président de la République est reportée à une nouvelle date si un des candidats décède avant un tour de scrutin. Ou encore si un autre cas de force majeur est constaté par la Haute Cour Constitutionnelle, comme un empêchement par exemple. Dans ces cas, la HCC saisit le gouvernement à prendre dans les quarante-huit heures, un décret pour le report de la date. La HCC demande au parti politique, à la coalition de partis ou aux élus ayant investi ou parrainé le candidat décédé ou empêché de procéder à son emplacement. Ils ont un délai de 15 jours pour le faire. Dans le deuxième tour, c’est le candidat arrivé en troisième position qui remplace le candidat décédé ou empêché. La date de report d’une élection présidentielle ne peut pas excéder trente jours après la date de constatation du cas.
Rehefa inona no mila ahemotra ny datim-pifidianana filoham-pirenena ?
Ahemotra amina daty hafa ny fifidianana filoham-pirenena rehefa misy kanidà iray maty mandritra ny fihodinana voaloha na faharoa amin’ny fifidianana. Na ihany koa misy tranga goavana ankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana hanemorana izany toy ny tsy fahafahan’ny kandidà iray mifaninana ohatra. Raha mitranga ireo dia mibaiko ny goveremanta hamoaka didy hanemotra izany ny HCC ao anatin’ny 48 ora. Manana 15 andro kosa ny antoko politika na vondron’olona nanohana ilay kandida hanolotra kandidà ho solony. Raha mitranga ao anatin’ny fihodinana faharoa kosa ilay fahafatesana na tsy fahafahan’ny kandidà iray dia ilay kandidà nahazo ny laharana fahatelo no mandimby azy ho fidiana. Tsy mahazo mihoatra ny telopolo andro taorian’ny didy fanemorana azy ny fifidianana.
Reportage :
L’équipe de Studio Sifaka a effectué une mission à Tuléar. C’est la seule ville qui possède un musée de recyclage à Madagascar. Nous allons parler de ce dernier dans la première partie de l’émission. Depuis son inauguration en 2019, on constate une diminution des ordures éparpillées dans la ville. C’est WHH qui a mis en place ce projet.
Interview :
Dans la deuxième partie, nous parlerons du Zetra, un ensemble d’environnement qui fait la particularité d’Alaotra. Le Zetra a une place importante dans la protection des espèces qui y vivent, fourni des poissons aux habitants et contribue à l’équilibre écologique.
Astuces :
Astuces pour soigner et entretenir les plantes chez soi
Reportage :
Nivahiny tao Toliara ny ekipan’ny Studio Sifaka. Ao irery ihany no misy mozea mombamomban’ny fako : fako nahodina, fako namboarina mba ho lasa zavatra ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Mahakasika izay no resahintsika ao amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana. Atramin’ny nijoroany ny taona 2019, nahitana fihenana ny fako miparitaka ao Toliara. Ny WHH moa no namorina io tetik’asa io. I Heriniaina Violette moa no itondrantsika hitsidika ity mozea ity.
Interview :
Ao amin’ny tapany faharoa kosa isika dia hiresaka ny atao oe Zetra. Tangoron-javamaniry afantarana iny faritra Alaotra iny. Hiankinan’ny zava-manan’aina maro ao, ny mponina ary ny tontolo iainana any an-toerana mo aizy io. Fanampim-panazavana entin’i Ndriana, iray amin’ireo mpanara-maso ny valan-javaboary ao Andreba Gara.
Astuces :
Fitsaboana sy fikolokoloina ny zava-maniry ao an-trano
Le financement de la campagne électorale d’un candidat peut provenir de plusieurs sources.
Premièrement, il peut provenir de l’apport personnel du candidat, d’un emprunt, d’un prêt ou avance remboursable du candidat ; suivant les conditions financières habituelles sur le marché. Puis, il peut aussi provenir des contributions des partis politiques et des contributions des personnes physiques. Les contributions des personnes morales de droit privé national : comme les sociétés privées ou civiles, les groupements d'intérêt économique, les associations sont aussi acceptés mais à l’exclusion des sociétés commerciales à participation publique.
Le financement peut aussi provenir des recettes accessoires de la campagne électorale à partir des ventes d’objets, ou de recettes de manifestation qu’il organise. C’est-à-dire s’il met en vente ses tee-shirts ou d’autres accessoires ou facture l’entrée à ses manifestations.
L’ensemble de ses contributions du financement peuvent se présenter sous forme de numéraires, de dons, de legs, de concours en nature ou en prestations diverses.
Avy aiza ny mety ho famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra ?
Ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitry ny kandidà iray dia azo avy amin’ny loharanom-bola maromaro.
Avy amin’ny volan’ny mpilatsaka hofidiana manokana izany, voalohany indrindra. Mety ho vola indramina ihany koa, fa tsy maintsy manaraka ny fepetran’ny fampindramam-bola mahazatra. Mety ho avy amin'ny fandraisan'anjaran'ny antoko politika sy ny fanomezana avy amin'ny olon-tsotra ihany koa ny tetibolan’ny fampielezan-kevitra. Ekena ihany koa ny fandraisan'anjaran'ireo fikambanana tsy miankina sy ara-dalàna, ankoatra ny orinasa ara-barotra ampiasain’ny fanjakana vola.
Ny famatsiam-bola ihany koa dia mety azo avy amin'ny fidiram-bola avy amin'ny fampielezan-kevitra na mety avy amin'ny fivarotana zavatra, na avy amin'ny hetsika karakarainy izany. Izany hoe raha mivarotra ny t-shirts na kojakoja hafa izy na fidiram-bola amin'ny hetsika ataony.
Ny fandraisan'anjaran'ny famatsiam-bola rehetra dia mety amin'ny endrika vola, fanomezana, lova, fanampiana ara-pitaovana na fahaiza-manao isan-karazany.
Les personnes désignées par l’ensemble des délégués du candidat au bureau de vote effectueront le décompte des voix.
En cas échéant, les membres du bureau électoral désigneront des électeurs du même fokontany.
Par contre les 5 membres du conseil électoral, composés de président, de vice-président, de deux assesseurs et d’un secrétaire, ne peuvent pas effectuer le décompte.
Lorsque les personnes qui sont chargées de compter les voix seront connues, on vérifie si le nombre de signatures des électeurs et le nombre de votes dans l'urne sont les mêmes. Puis le décompte des votes peut commencer.
A noter que ces personnes ne sont pas rémunérées.
Ny olona atolotry ny fitambaran’ny delegen’ny kandidà eny amin’ny birao fandatsaham-bato no manisa ny vato.
Raha tsy manana olona atolotra anefa izy ireo, dia ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana no manendry mpifidy ao amin’ny fokontany misy azy ireo.
Ny mpikambana 5 ao amin’ny biraom-pifidianana, izay ahitana ny filoha, ny filoha lefitra, ny mpitsara mpanampy roa ary ny sekretera iray mantsy dia tsy afaka manisa vato.
Rehefa fantatra ireo mpanisa vato, dia hamarinina aloha ny isan’ny sonian’ny mpifidy sy ny vato anaty vata. Manomboka amin’izay ny fanisam-bato avy eo.
Marihana fa antsitrapo no hanaovana ny fanisam-bato.