Razafindrasolo Marie Sandra et Vavy Antoinela exercent leur activité sur la plage du Grand Pavois à Mahajanga. Elles tressent, maquillent à l’argile, massent les touristes à la plage. Derrière les petites attentions qu’elles donnent à leurs clients se trouvent de grandes préparations. Elles dépensent une somme de 10.000 ariary à peu près pour obtenir les matières nécessaires pour le maquillage d’argile et les modèles de tresses qu’elles proposent. Selon les explications de l’économiste Liva Jackson Raherinaivo, l’activité de ces jeunes femmes fait partie des rouages de l’économie. Certes, elles sont dans l’informel mais elles participent au bon fonctionnement de l’économie locale.
Â
Manome tolotra isankarazany ho an’ireo mpizahatany manao fialantsasatra eny amin’ny Grand Pavois, morontsiraka any Mahajanga any i Razafindrasolo Marie Sandra sy Vavy Antoinela. Manaingo tarehy amin’ny alalan’ny tany manga, mandrandrana sy manotra ireo mpiala sasatra no asan’izy ireo. Misy fanomanana ao ambadik’ireo tolotra omen’izy roa ireto ary mandany hatrany amin’ny 10.000 ariary any izy ireo. Araka ny fanazavana omen’ny mpahay toe-karena, Liva Jackson Raherinaivo, mandray anjara amin’ny fanodidiana ny toe-karena ao Mahajanga ireto tovovavy ireto na dia amin’ny sehatra tsy manara-dalana aza.
Le métier de serveur est un métier comme un autre, dixit Hasina, une serveuse. Il faut savoir être courtois, bien communiquer avec les clients. Surtout, il ne faut jamais oublier que le client est roi et que même s’il est désagréable, il faut toujours garder le sourire ou l’interpeller poliment. C’est un métier qui exige une bonne gestion du temps et du volume de travail. D’un autre côté, Rado Andriamanana, propriétaire du lieu de vie Adà oro nous partage son parcours depuis le moment où il a lancé son projet pendant le confinement jusqu’à ce jour.Â
Asa toy ny asa rehetra ny mandroso sakafo hoy i Hasina, izay mpandroso sakafo. Mila mahay mahalala fomba ianao, mahay mifanerasera amin’ireo mpanjifa ao amin’ilay trano fisakafoana. Tsy azo adinoina indrindra fa ny mpanjifa no tompoina na dia manao fihetsika tsy manaja ary indraindray. Mila mitsiky foana ianao ary tenenina am-panajana izy raha ilaina izany. Torohevitra vitsivitsy ireo omen’i Hasina ho an’ireo tanora te hanao izany asa mpandroso sakafo izany, ireo. Etsy ankilan’izay, mitantara ny lalana nodiaviny i Andriamanana Rado, tompon’ny toerana fakan’aina Adà oro. Mizara amintsika ny fikirizana tao anatin’izany sy ny risimpo nananany izy, indrindra moa fa tao anaty fihibohana.
Â
Â
Â
Les cas d'insécurité dans la région Atsimo Atsinanana se multiplient selon l'enquête menée par les jeunes du projet OBSMADA. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.  Cambriolage, viol, etc, selon les chiffres obtenus auprès des forces de sécurité locales, 80% des criminels arrêtés sont des jeunes. La première raison est le chômage, ce qui les pousse à se faire de l’argent facile. Cependant, la région est riche en ressources naturelles, notamment les ressources halieutiques, le girofle, etc. Tovoson Ramiandrisoa, représentant des jeunes, a demandé la mise en place des formations professionnelles dans la région, ainsi que la considération de tous les districts. L’accès aux formations entrepreneuriales et les dossiers de demande devraient être facilités, selon le jeune Sostome Rodriguez Andrianandrasana. De son côté, le chef du service de la jeunesse et du sport de la région Atsimo Atsinanana, Ngah Nickolson Ravelomanjary, invite les jeunes à rejoindre la maison des jeunes. Cette structure a été touchée après le passage du cyclone Batsirai mais il a souligné que leurs rôles étaient d’orienter les jeunes dans leurs choix de parcours. Le directeur des affaires générales la Région Atsimo Atsinanana, Tangidy Stephan Gabriel, a réitéré aussi leurs responsabilités dans la recherche de partenariat pour les projets des jeunes.
Mihabetsaka ny trangana tsy fandriampahalemana ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana araka ny fanadihadiana nataon’ireo tanora anatin’ny tetikasa OBSMADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Ao ohatra ny vaky trano, ny fanolanana sns. Raha ny isa azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana ao antoerana, 80%n’ireo olona nanao asa ratsy voasambotra no tanora. Antony voalohany ny tsy fananan’asan’ny tanora ka mahatonga azy ireo mirona amin’ny asa ratsy. Manankarena anefa ny faritra, ohatra ny harena andranomasina, ny famokarana jirofo sns. Maniry hivelatra ireo tanora hoy i Ramiandrisoa Tovoson. Tokony ampitomboina ireo fiofanana amin’ny sehatra arak’asa , ary tokony hasahana ny distrika rehetra ao antoerana hoy izy. Mila hamoraina koa ny fahazoana misitraka ireo fampiofanana momba ny fandraharaharana sy ny fikarakarana taratasy hangatahana fanampiana hoy ny tanora Andrianandrasana Sostome Rodriguez. Manainga ireo tanora hanatona ny fikambanana anivon’ny “Tranoben’ny tanora “ kosa ny lehiben’ny sampana misahana ny tanora ao amin’ny fitaleavamparitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Faritra Atsimo Atsinanana, Ravelomanjary Ngah Nickolson. Misedra olana ity rafitra ity noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai saingy andrikitr’izy ireo hoy izy ny manoro ireo tanora ny dingana arahana. Mitady mpiara-miombon’antoka miaraka amin’izy ireo ny avy eo amin’ny faritra hoy ny talean’ny fandraharahana ankapobeny ao amin’ny governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Tangidy Stephan Gabriel.
- Région d'Alaotra Mangoro : Le lac Alaotra sera fermé pendant deux mois et la pêche est interdite pendant cette période.
- Région Diana : Les artisans regroupés dans la chambre des métiers et de l'artisanat commencent à recycler les déchets de papier.
- Quelques régions de Madagascar connaissent des coupures de courant prolongées.
- Région au sud de Madagascar:  Plus de 90 000 immigrés en trois ans.
 - Faritra Alaotra Mangoro : Mikatona mandritry ny roa volana ny farihin’Alaotra ary voarara ny fanjonoana mandritra io fotoana io.
- Faritra Diana : Miroso amin’ny fanodidina fako taratasy ireo mpanao asa tanana mivondrona ao amin’ny chambre des métiers et de l’artisanat
- Misedra ny fahatapahan-jiro lavareny ireo faritra sasany eto Madagasikara.
- Faritra Atsimon’i Madagasikara : Maherin’ny 90 000 ireo mpifindra-monina tao anatin’ny telo taona.
- Miandrivazo : La pêche joue un rôle important dans l'économie de la région du Menabe.
- Districts de Belo sur Tsiribihina et Miandrivazo : La distribution de bétails aux éleveurs classés vulnérables se poursuit.
- Région de Diana : Les compétences des enseignants à Antsohihy renforcées.
- Miandrivazo : Mitana anjara toerana lehibe ho an’ny toekarena ao amin’ ny faritra Menabe ny hazan-drano.
- Mitohy ny fizarana biby fiompy ho an’ireo tantsaha sokajiana ho marefo ara-pivelomana ao amin’ ny distrikan’i Belon’i Tsiribihina sy Miandrivazo.
- Faritra Diana : Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra ao Antsohihy.
Â
Â
Â
Â