Noana ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona. Niverina indray ny fihetsiketsehana teny an-toerana nanomboka ny faha 16 ny volana martsa 2022 lasa teo. Mitaky ny famoahana ny vatsim-pianarana ara-potoana izy ireo.
“Mandiso fanantenana ny ataon’ny tompon’andraikitra. Efa nisy ny dinika ambony latabatra nivanaovanay fa tsy nisy ny fanatanterahina izany. Manao kilalao ny fianaranay izy ireo” hoy ny mpianatra iray eny an-toerana. Tsy ampy intsony ny eo am-pelatanan’ny mpianatra. Miantraika mivantana hatrany anaty vilanin’izy ireo izany. Miantehitra tanteraka amin’ny vatsim-pianarana izy ireo indrindra fa ny mpianatra lavitra ny ray aman-dreny. Tsy ampy ny vatsy alefan’ny ray aman-dreninay hoy ny fanazavan’ny sasany amin’izy ireo manoloana ny fahasahiranana misy. Voatery mitrosa amin’ny fividianana ny sakafo ilainy an-davanandro izy ireo. Misy fotoana tsy mihinana mihitsy rehefa tsy misy mampindrana sy mifanampy amin’izany. Misy akony tanteraka eo amin’ny fianaran’izy ireo izany hoy ny mpianatra. Satria misy fotoana tsy miakatra intsony any am-pianarana izy ireo fa voatery mitady asa an-tselika ahafahana mampiditra vola hividianana sakafo sy hivelomana. Betsaka ihany koa ny miala an-daharana manoloana ny tsy fisiana sy ny fitadiavana izay ho arotsaka izay. “Ny kibo noana ny saina mivezivezy”, izany no lasa teny filamatra eny an-toerana tato ho ato.
Efa nisy matetika ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra raha ny fanazavan’izy ireo hatrany: “Efa nitafa tamin’ny tompon’andraikitra izahay nangataka fanazavana manoloana ny fahataran’ny vatsim-pianarana fa tsy nahazo valiny mahafa-po mihitsy” hoy Rakotomaniraka Ny Hasina, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona. Raha tsiahivina, niafara tamin’ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny fitakiana nataon’ny mpianatra teny an-toerana ny faha 16 martsa, lasa teo. Mpianatra roa no voasamboatra nandritra izany hetsika izany. Voasazy handoa lamandy izy ireo taorian’ny valim-pitsarana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra dia efa nivoaka ny tetiandro amin’ny famoahana ny vatsim-pianarana. Hisitraka izany manomboka amin’ity herinandro ity ny mpianatra raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Noho ny resaka fandaminana sy ny fampanarahina ny fenitra amin’ny famoahana izany amin’ny tekinolojia maoderina no anton’ny fahatarana, hoy ny tompon’andraikitra. Efa malaza eny amin’ny oniversite manerana an’i Madagasikara ilay tetikasa vaovao “e-poketra”. Tetikasa manaraka ny tekinolojia sy mampangarahara ny fizarana ny vatsim-pianarana. Na izany aza dia milaza ny mpianatra fa tsy tokony hihitatra mihitsy amin’ny fahataran’ny vatsim-pianarana izany. Fa efa mipetraka hatramin’izay ny tsy fanajana ny zon’izy ireo sy fanodikodinam-bola misy amin’ny resaka vatsim-pianarana eo anivon’ny anjerimanontolo ity. Milaza ny hanamafy ny tolona ny mpianatra raha mbola misy indray ny fampanantenana poakaty sy ny tsy famahana haingana ity olana mateti-pitranga ity.
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)
Le partage en masse d’une publication sur les réseaux sociaux a récemment, attiré l’attention des protagonistes en droits humains concernant l’intégrité physique. Le choc : une jeune étudiante descendant du bus 114, ligne desservant Ambohibao-, a été victime d’un attouchement physique : sa poitrine gauche agrippée par le receveur. Incident suivi d’une dégradation morale, voire de moquerie selon la victime.
Les chiffres sont concrets. Dans le cadre d’un sondage effectué auprès de 40 femmes présentes à Analamanga Park lors du Rary Aro Mada Bootcamp du 20 au 26 mars 2022, 37 affirment avoir déjà subi une agression dans les lieux publics. Ce genre d’incident est banalisé, ayant pour principal victime toutes catégories de femme, classe confondue y compris les femmes transgenres.
Par ailleurs, nous pouvons observer le même phénomène en France. Selon les données rapportées par France 3, en 2017, 100% des utilisatrices des transports en commun affirment avoir été victimes d’agressions sexuelles ou d’harcèlement sexistes lors d’au moins un de leur trajet. Le harcèlement dans les lieux publics se fait fréquemment dans les transports en commun ou dans la rue, ayant pour principale cause la culture du viol. Selon ONU Femmes, la culture du viol est l’environnement social dans lequel on justifie et normalise les violences, les agressions sexuelles et sexistes.
Que dit la loi ?
Madagascar ayant signé et ratifié la déclaration universelle des droits de l’homme, la législation est tenue au respect de l’article 4 stipulant la sécurité et le respect d’autrui. Selon l’association de juristes Juritechmad, les agressions sexuelles ou le harcèlement sexiste constituent une atteinte à la pudeur et aux droits de la personne. Celle-ci ajoute que malgré les répressions prévues par le code pénal, la meilleure solution pour faire cesser le harcèlement de rue n’est autre que l’éducation et la sensibilisation.
Conséquences sur les victimes
Les attouchements sans consentement sont considérés comme des agressions sexuelles et entraineraient de graves séquelles psychologiques sur les victimes telles que la peur, l’anxiété, l’agoraphobie jusqu’à des séquelles mentales comme la dépression selon une étude réalisée par des chercheuses de l’Université de l’Etat du Missouri.
Par chance, la jeune fille du bus 114 a pu porter plainte justifiant l’intervention de la gendarmerie. Le coupable a été arrêté, trainé en justice et incarcéré. Un bon début de changement, toutefois reste encore insuffisant selon les nombreuses études sur la question.
Fallait-il vraiment en arriver là pour que pour que la justice, la société réagissent ? Et si le changement commençait par la conscientisation des jeunes sur la problématique du harcèlement de rue.
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)
Hatramin’ny nidiran’ny valan’aretina COVID-19 dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny vehivavy tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritra Vakinakaratra. Izany fitomboan’isa izany dia vokatry ny tsy fahafahana nianatra ary indrindra ny tsy fahampian’ny enti-manan’ny ray aman-dreny mamaly ny filany toy ny ara-bola, sy ara-tsakafo, sns...
15 taona i Felana, mpivarotena monina ao Antsirabe. Manan-janaka iray izy ary nanambarany fa vokatry ny faneren’ny reniny azy no nanaovany izany asa izany. “mbola te hanohy fianarana sy hiaina tahaka ny fiainan’ny adolantsento aho kanefa indrisy!” hoy i Felana. Voalazan’ny lalam-panorenana andininy faha-23 fa “manan-jo hianatra ny ankizy tsirairay ary andraikitry ny ray aman-dreniny ny fanatanterahana izany”. Manamafy izany ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona andininy faha-26, izay milaza fa “tokony hianatra avokoa ny ankizy tsirairay”.
Noho izany asa fivarotan-tena nataony izany dia voahilikilika sy tsy misy mpihaino izy. “Mahazo teny marary , voaheso” hoy hatrany izy. Ny fanambarana iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy andininy fahasivy anefa dia milaza fa “ny ankizy dia tokony ho arovana manoloana ireo tranga fanilikilihana, na fampiasana tsy ara-drariny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.”
Raha ny tarehimarika voaangon’ny ONG ASSOS Antsirabe dia manodidina ny 17%n’ireo mpivaro-tena eny amin’ny toerana ahitana azy ireo dia saika zaza tsy ampy taona avokoa.
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)
Zaza 1 amin’ny 2 eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 15 taona no tsy afaka mamarana ny sekoly fanabeazana fototra eto Madagasikara raha toa ka ankizy 3 amin’ny 10 no miala an-tsekoly amin’ny fiafaran’ny taona voalohany amin’ny ambaratonga fototra araka ny fananadihadiana nataon’ny Multiple Indicator Cluster Surveys na ny MICS ny taona 2018. Mbola hita taratra amin’ny fiarahamonina izany.
Voaporofo tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony izay nataona tanora iray mpiaro ny zon’olombelona ny volana febroary lasa teo, tany amin’ny Fokontany Lalangina, Kaominina Iarintsena, distrikan’Ambalavao. Tokantrano iray nanaovana fanadihadiana no nahitana zaza miisa enina latsaky 18 taona avokoa. Iray amin’ireo zaza ireo sisa no miditra antsekoly raha toa ka voatery niato tamin’ny fianarany teo amin’ny kilasy faharoa sy fahatelo ny 5 noho ny tsy fahafahan’ny ray amandreny intsony amin’ny fiantohana. “voatery mampihegnina ny kilonga amin’ny fianarana anay fa sahirana, izy ireo ihany koa no manampy anay amin’ny velo-po.” hoy ny ray aman-drenin’ireo zaza 6 nanaovana fanadihadiana. Mbola nanamafy ihany koa ny talen-tsekoly ao amin’ny EPP Antavy ao anatin’ny fokontany Lalangina, Rasana Marie Clarisse "Maro tokoa ireo zaza tsy mahavita ny ambaratonga fototra hatramin’ny farany fa miala andaharana noho ny fahasahiranan’ny ray amandreny. Mitetina 60.000 ariary no tsy maintsy aloha ho an’ny zaza iray isaky ny taom-pianarana. Io vola io izay hanampiana ireo mpampianatra FRAM mampianatra ao amin’ny sekoly” hoy izy. Ny lalàm-panorenana Malagasy 2010, andininy faha 23 andalana voalohany anefa milaza fa manan-jo hianatra sy handray fanabeazana ny ankizy tsirairay avy, ka tompon’andraikitra amin’izany ny ray aman-dreny, ary hajaina ny fahalalahana hisafidy izay ananany. Manamafy ihany koa ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay nosoniavin’i Madagasikara, voarakitra ao amin’ny andininy faha 26 izay milaza fa manan-jo hahazo fanabeazana ny olon-drehetra ary tokony ho maimaim-poana izany farafaharatsiny any amin’ny fampianarana ambaratonga fototra. Etsy ankilan’izay, misy ny lalàna manokana momba ny zo sy fiarovana ny ankizy, ny lalàna faha 2007-023 izay mitaky adidy amin’ny ray aman-dreny na mpiantoka manoloana ny fandefasana ny ankizy hianatra. Tsy ny ray amandreny ihany anefa fa tompon’adraikitra ary manana adidy amin’ny lafiny fanabeazanam-pirenena ihany koa ny fanjakana.
Ny taona 2020, nanambara ny filoham-pirenena Malagasy Rajoelina Andry, nandritra ny kabary izay nataony tany Ambatondrazaka fa vola mitentina 16 miliara ariary no natokan’ny fanjakana ho an’ny fanabeazam-pirenena, nanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2020 sy 2021. Etsy ankilan’izay, misy ihany koa amin’izao ny tetikasan’ny fitondram-panjakana antsoina hoe Vatsin’ankohonana, izay entina anampiana ny tokantrano marefo ara-pivelomana, amin’ny fampidirana ny zaza an-tsekoly no sady hanohanana ny fidirammbolan’ny tokantrano iray. Vola mitentina 40.000 ariary ka hatramin’ny 60.000 ariary isaky ny 2 volana mandritry ny 3 taona no zaraina. Misitraka ity tetikasa ity ireo ao anatin’ny distrikan’Ambalavao monina ao amin’ny fokontany Lalangina. Saingy tsy ny tokantrano sahirana rehetra hoy ny sefo Fokontany ao an-toerana no misitraka izany fa efa misy ny masontsivana ka ny tokantrano sahirana sady manana zaza latsaky ny 12 taona ihany no afaka mahazo izany.
Satria tsy misy ny fanaraha-maso ny fampiasan’ny raiamandreny ny vola fanampiana voarainy, dia ahiana ny mety tsy ahatongavan’izany mivantana any amin’ny tohana ho an’ny fianaran’ny ankizy
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)
Une exposition prématurée à des images ou à des vidéos concupiscentes (vicieux, charnels, …) de façon involontaire ou délibérée devient un phénomène d’actualité sur les réseaux sociaux.
En novembre 2021, une étoile montante du cinéma malgache a été victime de diffamation sur Facebook. Effectivement, une vidéo montrant des images intimes de façon explicite a fait le buzz. Cette vidéo a été vue par la plupart des internautes malgaches, sans discrimination d’âge, incluant des mineurs. En effet, l’application Facebook limite à 13 ans l’âge minimum de ses utilisateurs, peut-on lire dans ses paramètres. Or, aucune vérification sur la véracité des informations fournies ne se fait lors de l’inscription, d’où tout le monde même les moins de 13 ans peut naviguer librement sur la plateforme et donc pourrait accéder à n’importe quelle vidéo diffusée dans ce réseau social.
Nous savons à quel point l’influence des pornographies sur les enfants pourrait être fatale sur leur futur. Ce que confirme le Pr Philippe Duverger, pédopsychiatre au CHU d’Angers. « Voir des images pornographiques entraîne la sidération et un sentiment de culpabilité chez l’enfant qui reste le plus souvent silencieux », explique-il. Ces expériences peuvent entraîner des « traumatismes psychiques ».
La protection des enfants relève une question de droit humain. Tiavina Luc, jeune défenseur des droits de l’homme au sein de la communauté Rary Aro Mada affirme lors d’une interview : « on a adopté une convention relative aux droits des enfants puisque ce sont les minorités qui ont besoin de protections renforcées et c’est à travers ces mécanismes juridiques qu’on pourra instituer une protection effective et on pourra même écarter toute forme de violence envers les enfants … Personnellement, en tant que défenseurs des droits humains, je pense qu’il est nécessaire d’adopter une politique contre ce genre de manifestation, la propagation des images à caractère pornographique notamment en mettant une politique avec les opérateurs téléphoniques mais également avec les parents par exemple en limitant l’usage des smartphones, des ordinateurs et d’internet par les enfants ». Nous faisons donc face à une violation des droits de l’Homme.
Certes, la mise en sécurité des enfants face à ce genre de chose relève de la responsabilité parentale mais qu’en est-il de la citoyenneté en ligne ? Ne sommes-nous pas tous concernés ? Quid de la responsabilité étatique ? Une jeune femme juriste au sein du JuritechMad expose sa réflexion sur le sujet : « C’est une affaire publique dans le sens où ça démontre une atteinte à la pudeur et aux bonnes mœurs. C’est plus une question de responsabilité parentale qu’étatique puisqu’aucune loi ne régit vraiment les réseaux sociaux à Madagascar, l’Etat n’est pas impliqué dans l’affaire administrative de Facebook car celle-ci est une application étrangère autonome. Certes, la brigade de lutte contre la cybercriminalité existe dans le pays mais elle ne régule en aucun cas les partages des images à caractères pornographiques sur Facebook, et n’empêche en aucun cas le visionnage de ces derniers par les mineurs et les plus jeunes enfants ». En effet, la brigade de lutte contre la cybercriminalité ne peut agir directement sans le signalement d’un témoin ou d’un extra. La censure de ce genre de contenu prend donc du temps. Alors : à qui la faute ? Que faut-il faire ?
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)
"Tous les individus sont égaux en droit et en dignité en matière de santé de la reproduction (...)"dit la Loi 2017-043. A Madagascar, une observation de la société civile souligne que les questions liées à la santé sexuelle et reproductive (SSR) ne sont pas des sujets qui ont une grande ampleur dans la vie quotidienne par peur des représailles.
Selon les chiffres publiés dans le Plan Stratégique National en Santé de la Reproduction des adolescents et des jeunes en 2017, 70% des jeunes sont dans l'insuffisance d'information. Il est mentionné dans le même document, que cette dernière est causée par le manque d'échanges interpersonnels ainsi que le manque de matériels d'informations, comme les canaux médiatiques.
Il est écrit dans ce rapport que seul 1% des jeunes ayant répondu à l'enquête sont dans la capacité d'avoir au moins un canal de transmission. Comme par exemple la télévision, la radio, les journaux ou encore internet. Pour la plupart des jeunes enquêtés, l'inaccessibilité de ces canaux proviennent du manque de moyen financier. Cela peut également être des difficultés individuelles comme les déficiences en lecture et/ou l'analphabétisme ne permettant pas de lire la presse écrite.
Inefficacité des campagnes de sensibilisation sur l’hygiène menstruelle
A cause du manque d'information, les jeunes se soucient moins de l'importance de leur hygiène.
Si l'hygiène corporelle est primordiale pour tous les individus, la singularité de la menstruation l'est encore plus pour les femmes. La femme ne peut jouir du droit à une bonne hygiène menstruelle à cause du manque d’eau potable. A côté, il y a la cherté des serviettes hygiéniques jetables qui s’élève à 400 ariary l’unité au minimum, pour une utilisation minimale de 10 pièces par mois.
En effet, les nombreuses campagnes menées sur l’utilisation des protections hygiéniques lavables ne présentent pas encore de résultats effectifs. D’après un sondage effectué auprès des jeunes femmes de 18 à 26 ans, participantes au Rary Aro Mada Bootcamp à Analamanga Park du 20 au 26 mars 2022, une femme sur cinq affirme utiliser des serviettes lavables pendant sa période de menstruation.
Fausses informations sur le planning familial
Dans l’insuffisance de la vulgarisation des informations, les rumeurs sur les effets néfastes des moyens de planification familiale (dispositif intra-utérin, implant, pilules contraceptives, etc.), avancées dans la société créent une polémique et poussent certains jeunes à opter pour d’autres options, qui sont juridiquement illégales à Madagascar. Sariaka, une étudiante de 19 ans dans une université publique témoigne : « J’ai un petit copain, il m’encourage à faire le planning familial. Mais je n’ose pas, parce que des amis m’ont dit que l’utilisation de ces méthodes de planification familiale entraîne un cancer de l’ovaire. En ce moment, j’hésite encore …, j’y penserai peut-être puisque cela fait maintenant deux fois que j’ai recours à l’avortement et ça fait vraiment très mal ».
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)