-Pétanque : championnat de Madagascar, les clubs UBM et PAC Analamanga, BIC Matsiatra Ambony se sont démarqués.
-Football : ouverture du championnat de football Nosy le 15 octobre pour la saison 2022 et 2023.
-Handball : Mahajanga va accueillir la Coupe des Clubs de l’Ocean Indien 2022, du 15 au 23 octobre.
-Tsipy kanety be : fifaninana iadiana ny amboara nasionaly, nandrombaka ny amboara ny klioba UBM sy PAC Analamanga ary BIC Matsiatra Ambony.
-Baolina Kitra : hisokatra ny 15 Oktobra ny fifaninana baolina kitra ao Nosy ho an’ny taom-pilalaovana 2022 sy 2023.
-Handball : any Mahajanga no handraisana ny Coupe des Clubs de l’Ocean Indien 2022, ny 15 hatramin’ny 23 Oktobra izao.
- Seulement 7 communes disposent de sapeurs-pompiers à Madagascar.
- Comment les fokontany s’organisent-ils pour les cas d’insécurité dans leur quartier ?
- Infrastructures sanitaires publiques : Le mode de gestion des particuliers.
- Des alternatives durables pour réduire le coût des constructions immobilières à Madagascar.
- Kaominina 7 ihany no manana sampana mpamonjy voina eto Madagasikara.
- Ahoana no ataon’ny eny anivon’ny fokontany mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny faritra hiandraiketany?
- Fahadiovana : Miantso ireo liana hitantana trano fivoahana ny kaominina.
- Mampidina ny vidin’ny fanamboarana trano ny fampiasana akora manaja ny tontolo iainana.
La conception des médicaments à base de plantes médicinales suit plusieurs étapes de recherche. Les chercheurs de l’Institut Malgaches de Recherche Appliqués (IMRA) réalisent des enquêtes à partir de l’automédication naturelle de la population locale. Ils s’inspirent également des résultats de recherche dans des revues scientifiques, mémoire de recherche des étudiants etc. Puis ils récoltent des plantes et procèdent à une analyse en laboratoire pour distinguer les éléments composants. Les produits finis de l’IMRA sont enregistrés à l’Office Malgache de la Propriété Intellectuelle pour éviter les contrefaçons. Le Professeur Rafatro Herintsoa, Président de la Comité Scientifique au sein de l’IMRA nous en apporte plus d’explication.
Dingana maro no ataon’ireo mpikaroka zava-maniry atao fanafody eo anivon’ny IMRA na Institut Malgache de Recherches Appliqués vao afaka mamoaka vokatra iray. Loharano ahafahan’izy ireo manao ny fikarohana ny fanamarihana ny lovan-tsofina heno eny amin’ny fiaraha-monina, fijerena ireo rakitra tadidy, manao fihotazana ary entina karohina eny anivon’ny laboratoara. Arovana eo anivon’ny OMAPI ireo vokatra vita mba hiadiana amin’ny hosoka, araka ny fanazavan’ny Profesora Rafatro Herintsoa, Filohan’ny Komity Siantifika eo anivon’ny Imra.
Interdit depuis le mois de mai 2020, le rapatriement des corps des décès liés à la Covid 19 est désormais autorisé sous certaines conditions. Pour ce faire, il faut préparer l’attestation de décès, l’attestation de la cause du décès, le permis d’inhumé obtenu auprès de la commune où le corps sera transféré et une demande adressée à la préfecture de police. L’adjoint au préfet de police, Rakotondravaly Danielli Pascal explique que seuls les décès datant d’au moins un an peuvent être exhumé.
Voarara nanomboka ny volana may 2020 ny fandevenana ny razana lavon’ny Covid-19 ivelan’ny faritra nahafaty ilay olona. Ankehitriny, efa azo atao izany. Misy ireo fepetra tsy maintsy arahina ary misy atontan-taratasy tsy maintsy omanina. Razana feno herintaona no azo hafindra raha ny fanazavan’i lefitry ny prefen’Antananarivo, Rakotondravaly Danielli Pascal.
Plusieurs clients se sont plaints du fait que certains cash point demandent des frais pour les dépôts d’argent via Mvola. Les opérateurs mobiles ainsi que la direction de protection des consommateurs auprès du ministère de l’industrie et du commerce affirment que le fait de percevoir des frais sur les dépôts sont contraires à la loi et à aux engagements des cash point envers les opérateurs. Haingo Andriamadison, commissaire du commerce et directrice de la protection des consommateurs auprès du ministère de l’industrie et du commerce nous explique que des sanctions seront entamées pour ceux qui persistent à faire cette pratique.
Herinandro vitsy lasa izay, nitaraina ny mpanjifa noho ireo Cash point maka sarany rehefa manao petra-bola na « dépôt ». Nanamafy ireo tambazotra misahana ny fifandraisan-davitra niaraka tamin’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra, fa tsy azo atao ny maka sarany amin’io tolotra io. Raha mbola minia manao izany ireo mpandraharaha madinika amin’ny Cash point dia hiroso amin’ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra hoy i Haingo Andriamadison, kaomiseran’ny varotra sady talen’ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra.
Les Inspecteurs Général d’Etat ont pour mission de faire des inspections sur l’utilisation des fonds et bien publics. Ils sont sous tutelle de la présidence de la République. Après rapport et publication des résultats, ils font des recommandations aux responsables de la Collectivité concerné ou à la justice qui vont prendre les décisions y afférant à l’endroit du coupable. Le Directeur Général de l’IGE, Daniel Randrianarivony nous en apporte plus d’Explications.
Ny IGE dia sampana iray eo anivon’ny fiadidina ny repoblika, misahana manokana ny fitsirihana ireo fitantanam-bola sy ny fananam-panjakana. Aorian’ny tatitra izay ataony dia manao tolo-kevitra amin’ilay sampandraharaham-panjakana izy ireo ny amin’ny fepetra azo raisina. Anjaran’izay iantefany kosa no manapaka hevitra momba ilay mpiasam-panjakana tompon’andraikitra amin’ny fahadisoam-pitantanana. Manazava misimisy kokoa momba izay ny Tale Jeneralin’ny IGE, Daniel Randrianarivony.
La valeur d’un dollar américain est passée de 3 500 ariary à plus de 4 000 ariary en mois de Juin. La diminution du volume d’exportation de marchandises vers des pays utilisant le dollar en est la principale cause. Mais la dépréciation d’une monnaie n’est pas forcément néfaste pour l’économie de notre pays, explique l’économiste Zo Andriatsitohaina. Il s’agit d’une opportunité pour multiplier et soutenir la production locale.
Niakadanja mihoatra amin’ny ariary ny sandan’ny dolara amerikana. Lasa 4 000 ariary raha 3 500 ar teo aloha manodidina ny volana jona teo. Ny fahavitsian’ny dolara miditra eto amintsika no antony. Nihena ny fanondranatsika entana izay mampiditra dolara anefa isika manafatra entana betsaka amina tsena iraisam-pirenena mampiasa dolara. Tsy voatery ho ratsy ho an’ny toekarena ny fitotongan’ny sandambola raha hay ny mampitombo ny famokarana sy misintona mpividy betsaka ho aty Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Andriatsitohaina Zo.
Le fer joue un rôle important dans le bon fonctionnement du corps humain. Les aliments riches en fer sont nombreux : ils peuvent être d'origine animale ou végétale. Ainsi, la carence en fer peut être compensée par une alimentation saine et équilibrée. Les enfants de 6 mois à 5 ans sont parmi ceux qui en ont le plus besoin. En effet, selon le pédiatre, Arnault Pfersdorff, c'est à cet âge que leur organisme est en pleine croissance.
Les femmes enceintes sont également classées comme ayant besoin de plus de fer. La sage-femme, Francia ANDRINARISOA nous donne plus d'explications.
Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fiasan'ny vatan'olombelona ny fer. Betsaka ny sakafo be fer: mety ho avy amin'ny biby izany ary mety ho avy amin’ny legioma ihany koa. Ny tsy fahampian'ny fer dia azo fenoina amin'ny sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Ny ankizy 6 volana ka hatramin’ny 5 taona no anisan’ny tena mila izany satria ny filazan'ny dokoteran-jaza, Arnault Pfersdorff, dia amin'izao vanim-potoana izao no tena mitombo ny vatany.
Voasokajy ho isan’ireo mila fer betsaka ihany koa ny vehivavy bevohoka. Hanome fanazavana bebe kokoa mahakasika izany ny mpampivelona, Francia ANDRINARISOA.
Il y a deux différentes façons de compter l’évolution d’une grossesse : en semaine de grossesse (SG) ou en semaine d’aménorrhée (SA). Cette dernière, qui se compte à partir du premier jour des dernières règles, reste la plus utilisée selon la la Sage-femme Ny Avo. Prenons un exemple. Si le début de vos dernières règles a commencé à la date du 9 octobre, vous serez à votre première semaine d’aménorrhée (1SA) le 16 octobre, la deuxième semaine sera le 23 octobre (2SA). Vous serez à 4 SA le 6 novembre et ainsi de suite. La durée d’une grossesse en moyenne varie de 40 SA à 41 SA et 6 jours. Mais le bébé est déjà à terme à 37 SA. Pour les prématurés, il en existe 3 sortes : les prématurés extrêmes : 22 SA à 26 SA ; les grands prématurés : 27 SA à 34 SA ; les prématurés tardifs : 35 SA à 36 SA. Ces bébés prématurés rencontrent beaucoup de difficultés à la naissance. Certains ont du mal à respirer du fait que les poumons ne sont pas encore bien constitués. D’autres n’ont pas acquis le réflexe de la succion, étant donné que le cerveau n’est pas non plus bien constitué.
Manomboka amin’ny andro voalohany nahatongavan’ny fadimbolana farany no fanisana ny semaine d’Aménorrhée (SA). Io fomba fanisa io matetika no hanisana ny fotoana mahabevohoka araka ny fanazavana nomen’i Rasazy Ny Avo. Raha ohatra ka ny 9 oktobra no andro voalohan’ny fadimbolanao farany dia ny 16 oktobra izany no 1 SA anao, ny 2 SA kosa di any 23 oktobra. Tonga amin’ny 4 SA ianao ny 6 novambra hatrany hatrany. Maharitra eo anelanelan’ny 40 SA sy 41 SA sy 6 andro eo ho eo ny vohoka amin’ny ankapobeny. Fa efa matoy tsara ny zaza rehefa tonga eo amin’ny 37 SA. Ho an’ireo zaza teraka tsy tonga volana, misy karazany 3 izy ireo : ny « prématurés extrêmes » : 22 SA hatramin’ny 26 SA ; ny « grands prématurés » : 27 SA hatramin’ny 34 SA ; ny « prématurés tardives » : 35 SA hatramin’ny 36 SA. Misedra olana maro ireo zaza teraka tsy tonga volana ireo. Misy sasany sarotra amin’ny ny miaina amin’ny avokavoka mbola tsy matoy tsara. Ao ny tsy mbola mahay minono tsara satria ny atidoha mbola tsy matoy tsara ihany koa.
Les contes thérapeutiques aident les enfants à affronter leur peur ou leur angoisse, comme par exemple la peur du noir ou le fait d’aller sur le pot. Le conte thérapeutique est parfois interactif. Selon les explications du psychologue Ashley Razafindrabe, le lecteur aide le protagoniste à trouver une solution à son blocage. De ce fait, l’enfant à qui on lit le conte peut aider le personnage à avancer dans son périple. Ainsi, il peut lui-même contourner ses problèmes dans la vie quotidienne. A part les contes thérapeutiques, les livres d’enfants en général peuvent aider au développement personnel de l’enfant. Comme le cas d’Abby,3 ans et demi, ses parents n’ont pas eu de mal à l’apprendre à se mettre sur le pot après l’avoir lu un livre sur le sujet.
Ny « conte thérapeutique » na angano manampy ny zaza hisedra ireo olana amin’ny andavanandrom-piainany dia manampy azy hivoatra eo amin’ny maha izy azy. Ohatra amin’izany ny fahatahorana amin’ny maizina na mandeha mimpy amin’ny « pot ». Matetika miandry fihetsika avy amin’ny mpamaky ity karazana angano ity. Araka ny fanazavan’ny mpahay toetr’olona Razafindrabe Ashley, manampy ny mpandray anjara fototra ao anatin’ilay tantara hahita vahaolana amin’ny sedra miankady azy ny mpamaky. Izay no mahatonga ity angano ity hahita ho azy ireo vahaolana amin’ny sedra iainany amin’ny andavanandrony. Ankoatra izay angano manampy ny zaza hisedra olana izay, ny boky ho an’ankizy amin’ny ankapobeny dia manampy azy ireo hampivoatra ny maha izy azy ny tenany. Ohatran’I Abby izao, tsy nampianarina nipipy tamin’ny “pot” izy fa tonga dia izy ihany no nanolo-tena hanao izany rehefa avy namaky boky mitantara ankizy nipipy tamin’ny “pot”.
L’albinisme est une maladie génétique rare due au manque de mélamine dans le corps. La mélamine est responsable de la pigmentation de la peau, des cheveux et des yeux. Par manque de pigmentation, les albinos sont très pales, ont des cheveux très blonds et dans certains cas, les yeux rouges. Selon les explications de l’enseignant chercheur, spécialiste en génétique, Fanomezana Ratsoavina, une personne sur 5 est atteinte d’Albinisme en Afrique. La maladie n’est pas contagieuse. Mais une personne génétiquement disposée à la maladie a 25% de chance de la transmettre à ses descendants. La plupart des croyances malgaches attribue l’albinisme à de la sorcellerie et c’est ce qui est à l’origine des kidnappings d’albinos selon les articles parus dans les quotidiens locaux.
Aretina manaranaka ary vitsy mpanana ny varira. Ny hahafantarana fa varira ny olona iray dia fotsy be ny hodiny, mavomavo ny volony rehetra eny hatramin’ny volomasony aza satria tsy ampy ilay singa atao hoe melamine izy ireo. Io melamine io no manome loko matroka ny hoditra na ny volo na ny maso. Aty afrika izao dia olona 1 amin’ny 5 arivo sy ray alina no voa araka ny fanazavana nomen’ny mpampianatra mpikaroka manampahaizana manokana momba ny tarazo, Ratsoavina Fanomezana. Tsy mifindra ny aretina. Raha samy manana io aretina io avokoa na ny ray na ny reny, izany hoe tsy hita amin’ny endrika ivelany, afaka manana zanaka varira izy ireo amin’ny tahany 25%. Eto Madagasikara, ny tsy fahafantarana an’ity aretina ity dia mahatonga hevi-draikitra manoloana ny aretina. Maro ny milaza fa sampy no nahatonga azy io araka ny voalaza tamin’ireo lahatsoratra an-gazety miresaka ity aretina ity.
Les Droits Humains doivent être respectés tant dans l’espace numérique que dans la vie de tous les jours explique Mamelasoa Ramiarinarivo directeur exécutif de l’ONG Ilontsera. Le droit numérique est composé du droit à la liberté d’expression et à la liberté d’opinion, du droit à l’information. Selon toujours les explications du directeur exécutif de l’ONG, cette liberté connait une limite. Comme on dit « ma liberté s’arrête là où commence celle des autres ». Nous possédons également des lois qui régissent l’espace numérique comme la loi sur la cybercriminalité, des lois qui régissent les signatures électroniques, celles qui s’occupent des transactions monétaires comme le mobile money. Ce sont toutes des formes auxquelles se manifeste le droit numérique. Donc à travers ces expressions, les Droits Humains se doivent d’être respectés également.
Tokony ho hajaina toy ny ety ivelan’ny habaka na « espace numérique »ihany koa ny zon’olombelona rehefa ao anatin’izay habaka izay araka ny fanazavana omen’ny tale mpanatanteraka ao amin’ny ONG Ilontsera, Ramiarinarivo Mamelasoa. Ny zo hahafahana maneho hevitra an-kalalahana, ny zo hahazo fahalalana ireo no mandrafitra ny zo an’habaka araka ny fanazavana hatrany. Misy fetra ihany anefa izay fahalalahana izay. Mipetraka eo amin’ny fahalalahan’ny hafa izay fetra izay. Manana rafi-dalàna maromaro ihany koa isika toy ny lalàna mifehy ny « cybercriminalité », ireo lalàna mahakasika ny sonia elektronika, ireny mandrindra ny fifanakalozana ara-bola toy ny mobile money ireny. Endrika hisehoan’ny zo an’habaka daholo ireo voatanisa ireo ka tokony ho tandrovina ihany koa ny zon’olombelona rehetra manoloana ireo endrika ireo.