L’espace a contribué au développement de l’homme à travers la science et la technologie. Selo Andoniaina Rajaonarivelo, président de l’association Haikintana, ça peut contribuer dans le monde de l'environnement pour voir où se passe les feux de brousse, pour voir aussi où sont les différents points d'eau que l'on pourrait utiliser pour éteindre ces feux de brousse là . Et grâce à l'espace, on peut déterminer différents points où les criquets peuvent arriver à pondre. Androniaina Rajaonarivelo évoque que des jeunes malgaches possèdent du potentiel pour contribuer à l’évolution du spatial dans notre pays.
Isan’ny nanampy tamin’ny fandrosoan’olombelona tamin’ny alalan’ny siansa sy ny teknolojia ny habaka tsy taka-maso. Araka ny fanazavan’i Andoniaina Rajaonarivelo afaka manara-maso ny avy eny ambony eny, ny fandehan'ny tany, hoe misy rano ve amin'ny faritra iray sa tsy misy, ahitana ihany koa hoe misy vokatra ve ao amin'ny toerana iray, ahitana ilay hoe rendement. Ambaran’i Andoniaina Rajaonarivelo fa misy ireo tanora malagasy izay manam-pahaizana amam-pahalalà na ka afaka manampy amin’ny fivoaran’ny tontolon’ny habaka tsy taka-maso eto amin’ny firenena.
Selon le code électoral en vigueur à Madagascar, le second tour d'un scrutin présidentiel a lieu si aucun candidat n'obtient la majorité absolue des votes exprimés au premier tour. C’est-à -dire 50% des voix. Les deux candidats ayant obtenu le plus grand nombre de voix sont admis au second tour.
Exceptionnellement, si l’un des deux candidats décède ou fait face à un cas de force majeure avant la date du second tour, c’est le candidat qui se trouve en troisième position à l'issue du premier tour qui le remplace. Et en cas d'égalité de voix entre les deux candidats au second tour, il est impératif d’organiser un nouveau scrutin selon toujours le code électoral.
Le second tour doit être organisé dans les 60 jours à partir de la proclamation des résultats du premier tour. Généralement, les deux candidats ont 7 jours pour faire leur campagne au second tour, contre 30 jours pour le premier tour du scrutin présidentiel.
Mandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena : rehefa inona no manao fiodinana faharoa ?
Araka ny lalà m-pifidianana manankery eto Madagasikara, tsy maintsy irosoana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena raha tsy misy kandidà mahazo ny antsamanilan’ny vato, izany hoe 50% ireo kandida rehetra nifaninana. Ireo roa voalohany mahazo vato be indrindra noho izany no miatrika ny fihodinana faharoa.
Raha sendra maty na tratran’ny tsy azo anoharana kosa ny iray amin’ireo kandidà mifaninana amin’ny fiodinana faharoa dia ilay mità na ny laharana fahatelo no miakatra manolo azy. Ary raha mitovy tanteraka indray ny vato azon’ny andaniny sy ny ankilany dia tsy maintsy manao latsa-bato vaovao araka ny lalà m-pifidianana.
Tsy maintsy atao anatin’ny 60 andro aorian’ny fanambarana ny voka-pifidianana fiodinana voalohany ny fifidianana fiodinana faharoa. Amin’ny ankapobeny, manana 7 andro ireo kandidà amin’ny fihodinana faharoa hanaovana fampielezan-kevitra raha 30 andro izany ho an’ny fihodinana voalohany.
Pendant la période de la campagne électorale, c’est la CENI qui met à la disposition des candidats, des listes de candidats ou des entités en faveur d’une option, des emplacements destinés exclusivement à recevoir des affiches électorales. C’est interdit d’y placarder des affiches qui ne concernent pas la propagande électorale. Ces emplacements doivent être situés dans des endroits fréquentés habituellement par les électeurs, et doivent être éloignés des bureaux de vote. Sur ces emplacements, une surface égale est attribuée à chaque candidat, ou listes de candidats, ou options.
Inona no fitsipika mifehy ny takelaka mandritra ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana ?
Mandritra ny fotoana fampielezan-kevitra, dia omen’ny CENI toerana voatokana hametahana takelaka ny kandidà , lisitra kandidà na safidy iray. Voarara ny mametraka afisy tsy misy ifandraisany amin’ny fampielezan-kevitra eo. Eo amin’ny toerana ivezivezen’ny mpifidy matetika no tokony hisy azy, ary tokony hanalavitra ny birao fandatsaham-bato. Eo amin’ireo takelaka ireo ihany koa dia tokony hitovy ny velarana ananan’ny kandidà tsirariray avy, na lisitra kandidà na safidy iray.
Avant de construire une maison, il est nécessaire de faire un plan. Et pour ça, il faut faire appel à un professionnel. Chacun est libre de choisir entre un simple dessinateur, ou un architecte. Et contrairement à ce que nous pensons, l’architecture n’est pas réservée qu’aux grands projets, mais aussi aux particuliers. Toutefois, leurs services ne sont pas à la portée de tous. Comment remédier à cette barrière dans ce cas ? Fidy, un architecte nous donne son point de vue.
Mialohan’ny hanorenana trano, dia mila manao drafitra. Ny matihanina manokana momba ny tao trano no antsoina hanao izany. Malalaka ny safidy ho an’ny tsirairay na mpanao maritrano tsotra na ny architecte. Ary mifanohitra amin'ny heverantsika azy matetika ; ny maritrano dia tsy natokana ho an'ny tetikasa lehibe ihany, fa ho an'ny olon-tsotra ihany koa. Na izany aza, tsy takatry ny be sy ny maro ny mampanao asa amin’izy ireny. Ahoana ny fomba hamahana izany sakana izany ? Mizara ny heviny i Fidy, manampahaizana momba ny maritrano.
La célébration de la semaine de la santé mentale a commencé le 10 Octobre. La psychologie sociale peut être un levier de développement de la société. Dr Sandimampita Razafimbola, directeur du département de psychologie sociale et interculturelle à l’Université d’Antananarivo, va nous donner plus d’explication concernant cela dans notre émission Hono Ho’A.
Nanomboka ny 10 Oktobra teo ny herinandro natokana ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Azo atao ho fampivoarana ny fiaraha-monina ny fampiasana ny fitsaboana izany, na ny psychologie sociale. Arahintsika ny fanazavana entin’ny talen’ny sampam-pampianarana momba ny psykolojia sy kolontsaina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, Dr Sandimampita Razafimbola.
La campagne de l’élection présidentielle à Madagascar commencera demain. Nous allons parler des manifestations, des propagandes et les autorisations y afférentes dans notre émission Hono Ho’A d’aujourd’hui. Le général Angelo Ravelonarivo, préfet de police d'Antananarivo est notre invité pour plus explications.
Hanomboka rahampitso ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Hiresaka ny fihetsiketsehana sy ny propagandy ary ny fahazoan-dalana amin’izany isika anio, miaraka amin’ny prefektioran’Antananarivo, Ravelonarivo Angelo, tamin’ny alalan’ny antso antelefonina.
Aujourd’hui dans notre émission Hoho Ho’A, nous allons parler de la vindicte populaire. C’est un phénomène qui a pris de l’ampleur dans quelques régions de Madagascar. Mais qu’est-ce qu’on peut faire pour éviter cela ? Lalatina Rakotondranaivo va nous apporter quelques explications et répondre à nos questions.
Androany isika dia hiresaka momba ny fitsaram-bahoaka. Maromaro taohoato no nitrangan’izany tamin’ny faritra vitsivitsy teo Madagasikara. Fa ahoana marina no afahana misoroka izany ? Mamaly ny fanontaniantsika i Lalatina Rakotondranaivo ato anatin’ny fandaharana Hono Ho’A.
Le 28 Septembre est la journée internationale du droit d'accès à l'information complète et fiable. On constate que la plupart des citoyens n’ont pas accès à l’information durant cette préparation de l’élection. Les informations concernant la vie sociale n’est pas partagée, certains responsables du service public ne peuvent pas s’exprimer librement, il y a aussi les sources d’informations qui sortent des informations incomplètes ou par fois fausses. Selon une étude d’Internews, 4 journalistes sur 10 ont des difficultés à chercher les informations. Nous allons décortiquer cela avec Tsimihipa Andriamazavarivo, le coordinateur du projet Tolotsoa dans l’émission Tolotsoa.
Salama aby o ! Andro iraisam-pirenena ho an’ny zo hisitraka vaovao feno sy azo antoka ny 28 Septambra. Hita mandritra izao fanomanana fifidianana izao fa mbola maro ireo olom-pirenena no tsy afaka misitraka izany. Maro ohatra ireo vaovao mahakasika ny fiainam-bahoaka no tsy mivoaka, misy koa ny hoe tsy afaka maneho hevitra ireo tompon’andraikitra, misy koa ny loharanom-baovao manome vaovao tsy feno na diso. Ankoatra izay, nanambara ny voka-pikarohana nataon’ny Internews fa mpanao gazety 4 amin’ny 10 no manana olana amin’ny fikarohana vaovao, izay misy fiantraikany amin’ny vaovao azon’ny olom-pirenena. Famoaboasana ny momba izay, miaraka amin’ny mpandrindra ny tetikasa Tolotsoa, Tsimihipa Andriamazavarivo, ato amin’ny antso an-davitra ato.