COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

jeudi, 01 décembre 2022 14:01

Le Journal des régions du 30 Novembre 2022

- Région d'Alaotra Mangoro : Le lac Alaotra sera fermé pendant deux mois et la pêche est interdite pendant cette période.

- Région Diana : Les artisans regroupés dans la chambre des métiers et de l'artisanat commencent à recycler les déchets de papier.

- Quelques régions de Madagascar connaissent des coupures de courant prolongées.

- Région au sud de Madagascar:  Plus de 90 000 immigrés en trois ans.

 - Faritra Alaotra Mangoro : Mikatona mandritry ny roa volana ny farihin’Alaotra ary voarara ny fanjonoana mandritra io fotoana io.

- Faritra Diana : Miroso amin’ny fanodidina fako taratasy ireo mpanao asa tanana mivondrona ao amin’ny chambre des métiers et de l’artisanat

- Misedra ny fahatapahan-jiro lavareny ireo faritra sasany eto Madagasikara.

- Faritra Atsimon’i Madagasikara : Maherin’ny 90 000 ireo mpifindra-monina tao anatin’ny telo taona.

jeudi, 01 décembre 2022 13:48

Le Journal des régions du 01 Décembre 2022

- Miandrivazo : La pêche joue un rôle important dans l'économie de la région du Menabe.

- Districts de Belo sur Tsiribihina et Miandrivazo : La distribution de bétails aux éleveurs classés vulnérables se poursuit.

- Région de Diana : Les compétences des enseignants à Antsohihy renforcées.

- Miandrivazo : Mitana anjara toerana lehibe ho an’ny toekarena ao amin’ ny faritra Menabe ny hazan-drano.

- Mitohy ny fizarana biby fiompy ho an’ireo tantsaha sokajiana ho marefo ara-pivelomana ao amin’ ny distrikan’i Belon’i Tsiribihina sy Miandrivazo.

- Faritra Diana : Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra ao Antsohihy.

jeudi, 01 décembre 2022 13:45

Le Journal du 01 Décembre 2022

  • La peur du résultat empêche la majorité des citoyens à effectuer le dépistage du SIDA.
  • LFI : le pourcentage alloué à l’achat des produits contraceptifs encore flou.
  • SIIGAC : une plateforme de renseignement sur la lutte contre la corruption.

  • LFI : tsy voafaritra mazava ny teti-bola hividianana ireo fomba fandrindram-piterahana
  • SIIGAC : vovonana nomerika momba ny ady amin’ny kolikoly.
  • Fikarohana fanafody : tombony ny fananana ny raok’andro Malagasy.

mardi, 29 novembre 2022 13:29

Le Journal du 29 Novembre 2022

  • Refonte de la liste électorale dans les universités malgaches : les étudiants non recensés.
  • Bourses en Russie : les étudiants boursiers malgaches rencontrent des problèmes au niveau des bourses.
  • Covid 19 : rétablissement petit à petit du port de masque à Madagascar.
  • Art contemporain malgache : Is’ART Galerie à Ampasanimalo a réouvert sa salle d’exposition La semaine dernière

 

 

 

 

  • Covid 19: mamerina tsikelikely ny fanaovana aro vava orona eto Madagasikara.
  • Misedra olana amin’ny resaka vatsim-pianarana ireo mpianatra malagasy any Rosia.
  • Famelabelaran-kevitra momba ny Hira Gasy tao amin’ny musée d’art et d’archéologie, Antananarivo tamin’ny herinandro.

mardi, 29 novembre 2022 13:00

Le Journal des régions du 29 Novembre 2022

  • Région Analanjirofo : des solutions ont été proposées pour améliorer la culture des algues à Sainte-Marie.
  • Région Fitovinany : un nouveau centre dédié aux personnes handicapées et aux personnes âgées a été inauguré à Manakara.
  • Région de Menabe : Les habitants et commerçants de Miandrivazo jettent leurs ordures dans les canaux en raison de l'absence de poubelles.

  • Faritra Analanjirofo : Nohavaozina ireo rindran-damina mahakasika ny fambolena Lomotra ao Sainte-Marie.
  • Faritra Fitovinany : napetraka ao Manakara ny ivon-toerana vaovao natokana handraisana an-tanana ireo manana fahasembanana sy ny zokiolona.
  • Faritra Menabe: Eny amin’ny dalina sy ny lakandrano ireo mponina sy mpivarotra no manary fako ao Miandrivazo.
mardi, 29 novembre 2022 12:53

Le Journal des régions du 26 Novembre 2022

  • Région de la Haute Matsiatra : L'objectif du foire Ampela Miketrika consiste à aider les femmes dans le développement de leurs activités professionnelles.
  • Région de Vatovavy : La plupart des habitants de Mananjary sont confrontés à de graves difficultés et ont bénéficié d'une assistance.
  • Semaine internationale de prévention du VIH SIDA : environ 500 personnes tests effectués à Antsiranana I pendant 5jours.
  • Région de Vatovavy : des examens médicaux sont gratuits à Mananjary.

  • Faritra Haute Matsiatra : Tanjona amin’ny foire Ampela Miketrika ny hanampiana ireo vehivavy amin’ny fampivelarana ny seha-piariany.
  • Faritra Vatovavy : Ianjadian’ny fasahiranana lalina ny ankamaroan’ny mponina ao Mananjary ka notolorana fanampiana.
  • Herinandro Iraisam-pirenena ho an'ny Fitiliana ny VIH SIDA : manodidina ny 500 ireo notiliana tao Antsiranana I nandritry ny 5 andro.
  • Faritra Vatovavy : misy ny varavarana misokatra ho fitiliana maiamaipoana ny fahasalamana ao Mananjary.

Huit heures minimum, c’est la durée de sommeil idéale chez un adulte. La nuit est le seul moment où le corps humain récupère toutes les énergies perdues pendant la journée. Se détacher des écrans, limiter la consommation alimentaire, mais surtout prendre soin de ses postures pendant la nuit contribuent à la bonne qualité de sommeil requise par notre corps.

Adiny valo farafahakeliny no fe-potoana tokony hatokana amin’ny torimaso. Ny alina mantsy no hany fotoana hahafahan’ny vatantsika mamerina ny hery lany rehetra nandritra ny tontolo andro. Ny fialana amin’ny efijery na écran, famerana ny sakafo ohanina sy ny rano sotroina, fa indrindra ny fizàrana amin’ny fomba fatory dia isan’ny mandray anjara lehibe amin’ny kalitaon’ny torimaso.

De nombreuses personnes combinent en même temps le sport et le tabac. Cette pratique parait inoffensive, mais en réalité sa consommation est deux fois plus nuisible pour la santé chez un sportif. Manque d’oxygène, poumon goudronné, réduction de la performance sportive, ce sont entre autres les effets négatifs du tabac sur le corps d’un sportif. Deux éléments irrémédiables. Toutefois, pratiquer des activités sportives réduit en majeur partie l’addiction au tabac selon les médecins.

Betsaka ny olona mampikambana ny fanatanjahantena sy ny fifohana sigara. Misy ny mihevitra fa manena ny voka-dratsin’ny sigara ny fampiarahana azy roa ireo. Mitombo avo roa eny nefa ny voka-dratsy ateraky ny sigara ho an’ny olona mpanatanja-tena satria mihena ny rivotra ao amin’ny vatana, mihatery sy mihamafy ny avokavoka ka miantraika amin’ny fomba fiaina izany. Mihena ny tanjaka indrindra ho an’ny mpikotrana. Tsy azo ampiarahina araka izany ny sigara sy ny fanatanjahantena, saingy manampy amin’ny fialana sigara kosa ny fanatanjahantena hoy ireo mpitsabo.

Reportage

Le changement climatique a de grands impacts sur l’élevage dans la Commune Mahazaza Mahitsy, selon quelques éleveurs. La nourriture pour bétail comme le foin est actuellement insuffisante due à l’absence de pluie. Certains éleveurs vendent leur zébu pendant la saison sèche et souhaitent en racheter quand la pluie revient ou quand les herbes repoussent. De l’autre côté, l’aviculture subit aussi des dégâts. Les bactéries pour les poules pondeuses se multiplient rapidement, elles sont stressées et s’entretuent entre elles à cause de la chaleur intense.

Interview

Les déchets plastiques sont réutilisés dans l’enseignement pour une école privée à Ambohimanga Rova. L’établissement accepte des déchets plastiques en guise d’écolage si les parents n’en ont pas les moyens. Les élèves créent aussi des jouets à partir des plastiques recyclés, selon la directrice de l’école, Razanatahiana Florence.

Astuce

Des pesticides naturels

Actus

  • Les CRCO feux sont mis en place par le ministère de l’Environnement
  • Le Festival Akomba Malandy, un évènement de sensibilisation pour la protection de ce type de primate dans la Commune Mahadrodroka Région Sofia

Reportage

Misy fiantraikany betsaka amin’ny fiompiana ny fiovaovan’ny toetry ny andro hoy ireo mpiompy vitsivitsy eny amin’ny kaominina Mahazaza Mahitsy. Tsy ampy ny vilin’omby noho ny tsy fisian’ny rotsak’orana. Misy ireo mivarotra ny ombiny vokatr’izay ary hiverina hividy indray rehefa mirotsaka ny orana. Miparitaka ny bakteria ho an’ny akoho manatody lava ary mifamono izy ireo rehefa madisadisan’ny hafanana.

Interview

Ampiasaina amin’ny fampianarana ny fako plastika ho an’ny sekoly iray eny Ambohimanga Rova. Mividy fako plastika izy ireo ary ireo ray aman-dreny izay tsy mahaloa sara-pianarana dia afaka mandoa izany amin’ny fako plastika ho onitr’izany. Mety ho kilalaon’ny mpianatra ihany koa no hanodinana ireo plastika ireo hoy ny talen-tsekoly, Razanatahiana Florence.

Torohevitra

Fanaovana odibibikely natoraly

Actus

  • Natsangana ny CCO Feux isam-paritra
  • Nanaovana hetsika manokana Festival Akomba Malandy io karazana varika io any amin’ny Kaominina Mahadrodroka Faritra Sofia

Les hémorragies ou l’infection après avortement constituent des risques mortels pour la femme. Le droit aux soins après avortement est un droit humain. Selon le responsable assurance et qualité au sein du PSI Madagascar, Docteur Lalatiana Rakotondrazaka, les soins après avortement sont composés de 5 éléments. Les soins de base comme la prise de médicament ou le recours à l’aspiration, la prévention de l’avortement à travers le planning familiale ainsi que le dépistage d’IST (Infection Sexuellement Transmissible), de VIH et de cancer du col, le soutien affectif et la relation avec la communauté pour éviter l’avortement. Le Docteur Lalatiana Rakotondrazaka précise que ces soins ne considèrent pas les antécédents de la femme concernée, que ce soit avortement ou autre chose. Elles bénéficient de ces soins parce que ce sont leur droit tout simplement. Les centres « Top réseau » procurent ces soins ainsi que les hôpitaux publics.

 

 

Ny fandehanan-drà be loatra na ny fiforonana nana arinan’ny fanalan-jaza dia mety hitarika fahafatesana ho an’ireo vehivavy. Anatin’ny zon’olombelona ny mahazo fikarakarana sy fitsaboana aorinan’ny fanalan-jaza. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra fiantohana sy kalitao ao amin’ny PSI Madagasikara, Dokotera Rakotondrazaka Lalatiana,  misy karazany 5 ireo fikarakarana sy fitsaboana arinan’ny fanalan-jaza ireo. Ny fitsaboana mahazatra amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody na fitrohana, fisorohana izany amin’ny alalan’ny fanabeazana aizana sy ny fitiliana ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fanohanana ara-pihetseham-po ary ny fifandraisana amin’ny fiaraha-monina mba hisorohana izay fanalan-jaza izay. Manamarika ny Dokotera Rakotondrazaka Lalatiana fa tsy mijery ireo izay nataon’ilay vehivavy teo aloha, na fanalan-jaza na tsia, ny fahazoany ireo fikarakarana sy fitsaboana ireo. Mahazo izany izy satria zony izany. Eny amin’ny “Top réseau” sy eny amin’ny hopitalim-panjakana no hahitana izany fikarakarana sy fitsaboana izany.

Suite à l’interpellation d’un lanceur d’alerte la Transparency International-Initiative Madagascar évoque une suspicion de corruption dans la filière litchi à Madagascar, après 3 ans d’enquêtes. L’exportation vers l’Union Européenne est surtout mise en doute. Selon les explications du conseillé en plaidoyer de l’association, Docteur Fréderic Lesne, , des éléments indiqueraient qu’il y aurait eu des pots de vin, des blanchiments et des détournements d’argent. Toutefois, il précise qu’il n’y a pas encore de certitude. C’est pour cette raison que Transparency International Initiative Madagascar a effectué une dénonciation auprès du PAC (Pôle Anti-Corruption) de Madagascar mais aussi auprès du parquet national financier de France parce qu’il y aurait des faits punissables sur le territoire français.

 

 

Nanao fanadihadiana nandritra ny 3 taona mikasika ny sehatra letisia ny Transparency International Initiative Madagascar, taorian’ny fampanenona lakolosy tao amin’izy ireo. Manahy ny fisiana kolikoly izy ireo amin’ireo vokatra aondrana any amin’ny vondrona eropeana. Araka ny fanazavana nomen’ny mpanolotsaina amin’ny haitaky ao amin’ny fikambanana, Dokotera Fréderci Lesne, dia mety misy resaka tsolotra, fanodikodinam-bola sy famotsiam-bola ao ambadika ao. Etsy an-daniny anefa, mbola tsy mitompon-teny fatratra izy ireo. Izany no mahatonga azy ireo nametraka angon-kevitra fanairana eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara na ny PAC (Pôle Anti-Corruption). Nametra izany teo amin’ny “parquet national financier » any Frantsa ihany koa izy ireo satria mety misy tranga hisiam-panamelohana eo amin’ny faritanin’I Frantsa.

Chrysalide est un centre spécialisé qui accompagne les enfants ayant des troubles mentaux ou physiques. Ursulle Rabenjamina, fondatrice du centre nous emmène à la rencontre de deux jeunes enfants du centre. Tiantsoa est atteint d’une paralysie cérébrale qui l’empêche de bien parler et Antonia a d’important problème de vue. A part les soins médicaux prodigués aux enfants, ils étudient également au sein du centre. Etant une école spécialisée, les enfants sont accompagnés  au cas par cas. Il n’y a pas de classe comme dans les autres écoles. L’enseignement des enfants se base sur leur capacité respective et ils sont accompagnés selon leur rythme et selon leur connaissance et/ou talent.

Ivo-toerana fampianarana sy fitsaboana ireo ankizy hafakely ny Chrysalide. Nampahafantatra ankizy roa izay manaraka ny fianarana sy fitsaboana ao i Ursulle Rabenjamina, filoha mpanorina ny ivo-toerana. I Tiantsoa sy Antonia, misy olana ao amin’ny ati-doha ary eo amin’ny maso. Mikasika ny fampianarana ireo ankizy, tsy misy kilasy efa voafaritra tahaka ireny any an-tsekoly mahazatra ireny fa raisina tsirairay araka ny mahazo azy ilay ankizy ary hampianarina araka izay manavanana azy.

lundi, 28 novembre 2022 12:45

Le Journal du 28 Novembre 2022

  • Rubéole et rougeole : des maladies fréquentes dans les écoles chaque année.
  • COP27 : les grandes lignes à retenir selon Marie Christina Kolo.
  • Exposition écologique : des déchets qui font objet de décor des tableaux.
  • Coupe du monde du football, un énorme retombé économique pour le pays hôte.

  • Bonibony sy kitrotro : aretina fahita any an-tsekoly isan-taona.
  • COP27 : mitatitra ireo teboka lehibe i Marie Christina Kolo.
  • Fampirantiana momba ny tontolo iainana : fako no nandrafetana ireo sary
  • Tompon-daka maneran-tany ho an’ny baolina kitra, tombony ara-toekarena miompampana ho an’ny firenena mpampianatrano.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter