L’Organisation Mondiale de la Santé l’a confirmé. Depuis le mois de septembre. 135 cas sont confirmés et 50 décès.
Mais comment se présente cette épidémie ?
La maladie à virus Ebola (MVE) est une maladie virale qui touche les humains et les animaux. Le virus est découvert dans la zone subsaharienne d’Afrique, il y a plus de 30 ans. Après, il y a eu plusieurs vagues, comme en 2003, 2016 ou en 2021 même en Congo.
Et quels sont les symptômes ?
Fièvre, hémorragie, éruption cutanée. Accompagné de frissons, fatigue, douleurs musculaires et maux de tête. L’Ebola se transmet, soit après contact avec les animaux infectés soit à travers des liquides comme les sueurs provenant des personnes contaminées. Pour Ounganda, c’est la 4ème épidémie d’Ebola du pays.
Les écoles sont fermées depuis ce mois de novembre. Deux districts sont en confinement. Le pays manque de vaccins et de médicaments. L’OMS a lancé un appel financement pour appuyer l’Ouganda dans cette lutte.
Marina ve fa mihanaka indray ny Ebola any Ouganda?
Eny, nanamafy izany ny vondron’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana. Nanomboka tamin'ny Septambra teo. 135 ny tranga voamarina ary 50 no maty.
Ahoana ny fitrangany ?
Aretina avy amin’ny tsimokaretina ny Ebola. Mety mahazo ny olombelona sy ny biby. Firenena tao amin’ny Afrique subsaharienne no nahitana azy, 30 taona lasa izay. Nihanaka matetika izy taorian’izay, ohatra tamin’ny 2003, 2016, tamin’ny 2021 aza tany Congo.
Ary inona avy ireo soritr'aretina?
Manavy, mibontsina, misy fery amin’ny hoditra toy ny karazana vay, havizanana sy aretin'andoha. Mety hifindra ny Ebola rehefa mifandray amin’ireo biby voan'ilay aretina na amin'ny alalan'ny tsiranoka toy ny hatsembohan’ny olona misy azy ihany koa. Ho an'i Ounganda, faninefany amin’ity izao ny firenena no tratran’ny valan'aretina.
Nikatona ny sekoly nanomboka tamin’ity volana novambra ity. Distrika roa no mihiboka. Tsy ampy ny vaksiny sy fanafody. Ka nanao antso avo momba ny famatsiam-bola hanohanana an'i Ogandà ny OMS.
La participation des jeunes dans les structures de décision est une garantie pour la bonne gouvernance. Cependant, les jeunes de la région de Fitovinany qui se sont formés dans le projet OBSMADA constatent qu'on ne leur donne pas assez de place au niveau des différentes entités étatiques. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka. De nombreuses associations de jeunes ont fait des requêtes, par exemple, pour organiser l'événement Batrelaka afin de promouvoir le tourisme de la région. Il y avait aussi des propositions venant des associations sportives sur des actions d’assainissement. Cependant, certaines demandes restent toujours sans réponse. Les jeunes se sentent alors marginalisés, la vie de la région devient vulnérable. Pour éviter que les jeunes deviennent des acteurs de conflits, les jeunes Jean Albert Randrianirina et Tata Francis Razafimamamonjy ont représenté les jeunes pour une plaidoirie. L'adjoint au maire de Manakara, William Gilles Randriamanampisoa a suggéré l’adhésion des jeunes dans la Structure Locale de Concertation. Cependant, les responsables respectifs ont besoin de rencontrer périodiquement les jeunes, pour une consultation, a suggéré le gouverneur de la région de Fitovinany, Lucien Laurel Razafitsotra. Selon lui, les jeunes doivent aussi apprendre le sens des actes citoyens et de volontariat. Le débat a fait surgir les types d'accompagnement pour les jeunes, pour les impliquer dans le processus de développement. Cependant, les jeunes ont été invités à sensibiliser leurs pairs pour opérer des projets et à devenir de bons citoyens.
Antoka amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fampandraisana anjara ny tanora anatin’ireo rafitra mpandray fanapahankevitra. Hatreto anefa, mahatsapa tena ireo tanora avy amin’ny faritra Fitovinany fa mbola tsy omena lanja eo anivon’ireo rafitra. Izay no angonkevitra nataon’ireo tanora niofana tao anatin’ny tetikasa OBSMADA avy ao antoerana. Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Misy ireo fikambanana tanora manao fangatahana manokana ohatra ny hikarakarana ny hetsika Batrelaka mba hanetsehana ny fizahantany sy ny tsena eto amin’ny faritra. Teo ihany koa ny tolokevitra avy amin’ireo fikambanana tanora toy ny mpanao fanatanjahantena mba handray anjara amin’ny fanadiovana. Kanefa mbola misy amin’ireo fangatahana no tsy mivaly. Rehefa tsy omena sehatra matetika ny tanora dia mahatsiaro tena ho lasa anjorombala. Lasa marefo ny fiainan’ilay faritra ka mety lasa ny tanora indray no hitarika disadisa. Niainga tamin’izay no nitaritan’ny tanora Randrianirina Jean Albert sy Razafimamamonjy Tata Francis ny hay takin’izy ireo. Fomba azon’izy ireo handraisana anjara ny fidirana anatin’ireo rafitra fakan-kevitra toy ny Structure Locale de Concertation eny anivon’ny Kaominina hoy ny ben’ny tanàna lefitra eto Manakara, Randriamanampisoa William Gilles. Mila mihaona matetika amin’ireo tanora anefa ireo tomponandarikitra tsirairay avy, hahafahana manao ny fakankevitra hoy ny Governoran’ny faritra Fitovignany, Razafitsotra Lucien Laurel. Mila mianatra ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olompirenena anefa ny tanora hoy izy ka manome lanja ny asa antsitrapo. Nandritra ny ady hevitra no niresahana mikasika ireo karazana tohana ho an’ny tanora, na ara-kevitra na ara-teknika mba hampandraisana anjara azy ireo anatin’ny fampandrosoana. Eo ihany koa anefa ny andraikitra andrasana amin’ny tanora dia fanentanana sy fitaizana ireo naman’izy ireo mba ho vonona amin’ireo tetikasa sy ho lasa olombanona.
Noana ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona. Niverina indray ny fihetsiketsehana teny an-toerana nanomboka ny faha 16 ny volana martsa 2022 lasa teo. Mitaky ny famoahana ny vatsim-pianarana ara-potoana izy ireo.
“Mandiso fanantenana ny ataon’ny tompon’andraikitra. Efa nisy ny dinika ambony latabatra nivanaovanay fa tsy nisy ny fanatanterahina izany. Manao kilalao ny fianaranay izy ireo” hoy ny mpianatra iray eny an-toerana. Tsy ampy intsony ny eo am-pelatanan’ny mpianatra. Miantraika mivantana hatrany anaty vilanin’izy ireo izany. Miantehitra tanteraka amin’ny vatsim-pianarana izy ireo indrindra fa ny mpianatra lavitra ny ray aman-dreny. Tsy ampy ny vatsy alefan’ny ray aman-dreninay hoy ny fanazavan’ny sasany amin’izy ireo manoloana ny fahasahiranana misy. Voatery mitrosa amin’ny fividianana ny sakafo ilainy an-davanandro izy ireo. Misy fotoana tsy mihinana mihitsy rehefa tsy misy mampindrana sy mifanampy amin’izany. Misy akony tanteraka eo amin’ny fianaran’izy ireo izany hoy ny mpianatra. Satria misy fotoana tsy miakatra intsony any am-pianarana izy ireo fa voatery mitady asa an-tselika ahafahana mampiditra vola hividianana sakafo sy hivelomana. Betsaka ihany koa ny miala an-daharana manoloana ny tsy fisiana sy ny fitadiavana izay ho arotsaka izay. “Ny kibo noana ny saina mivezivezy”, izany no lasa teny filamatra eny an-toerana tato ho ato.
Efa nisy matetika ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra raha ny fanazavan’izy ireo hatrany: “Efa nitafa tamin’ny tompon’andraikitra izahay nangataka fanazavana manoloana ny fahataran’ny vatsim-pianarana fa tsy nahazo valiny mahafa-po mihitsy” hoy Rakotomaniraka Ny Hasina, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona. Raha tsiahivina, niafara tamin’ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny fitakiana nataon’ny mpianatra teny an-toerana ny faha 16 martsa, lasa teo. Mpianatra roa no voasamboatra nandritra izany hetsika izany. Voasazy handoa lamandy izy ireo taorian’ny valim-pitsarana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra dia efa nivoaka ny tetiandro amin’ny famoahana ny vatsim-pianarana. Hisitraka izany manomboka amin’ity herinandro ity ny mpianatra raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Noho ny resaka fandaminana sy ny fampanarahina ny fenitra amin’ny famoahana izany amin’ny tekinolojia maoderina no anton’ny fahatarana, hoy ny tompon’andraikitra. Efa malaza eny amin’ny oniversite manerana an’i Madagasikara ilay tetikasa vaovao “e-poketra”. Tetikasa manaraka ny tekinolojia sy mampangarahara ny fizarana ny vatsim-pianarana. Na izany aza dia milaza ny mpianatra fa tsy tokony hihitatra mihitsy amin’ny fahataran’ny vatsim-pianarana izany. Fa efa mipetraka hatramin’izay ny tsy fanajana ny zon’izy ireo sy fanodikodinam-bola misy amin’ny resaka vatsim-pianarana eo anivon’ny anjerimanontolo ity. Milaza ny hanamafy ny tolona ny mpianatra raha mbola misy indray ny fampanantenana poakaty sy ny tsy famahana haingana ity olana mateti-pitranga ity.
Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)