La métrorragie au cours de la grossesse se manifeste par un saignement pendant cette période. Il ne s’agit pas d’une règle menstruelle car c’est impossible au moment de la fécondation. Il est important de consulter un médecin car cela peut être un risque de fausse couche ou d’un accouchement prématuré. Un œuf clair est un phénomène où l’œuf fécondé n’évolue pas en fœtus.
Tsy fadim-bolana ny rà mitsika rehefa mitoe-jaza fa tsy fahatomombanana eo am-pitondrana vohoka. Eo amin’ny faha telo-volana eo izany no mety mitranga ary tokony hanantona mpitsabo haingana. Mety hahafa-jaza izany na hahateraka tsy tonga volana. Ny hoe « œuf clair » kosa indray dia tsy fahatomombanan’ny vohoka : tsy mivadika ho zaza ilay atody fa ranon-dohany fotsiny ihany toy ny lamokan’atody.
L’effort physique après un moment de repos doit se faire petit à petit pour éviter la fatigue. Il est également déconseillé de changer brusquement l’alimentation pour perdre du poids, surtout après les fêtes. Pour accumuler de l’énergie petit à petit, veiller à prendre un petit déjeuné complet le matin, notamment une nourriture ou une boisson sucrée, selon le médecin, docteur Bira Jimmy RAKOTOERISON. La protéine aide à gagner plus de poids pourtant la consommation de protéine chimique apporte de mauvaise conséquence pour la santé.
Alefa tsikelikely ny fampiasam-batana rehefa avy niato kely tamin’ny fety, na ihany koa rehefa te hampihena vatana. Mila sakafo feno sy ampy izany mba tsy hahareraka ny vatana mandritra ny fanazarantena atao. Tsara raha mihinana na misotro rano mamimamy amin’ny maraina satria manome hery betsaka sy mampatanjaka ny vatana izany, hoy ny dokotera ara-panatanjahantena RAKOTOERISON Bira Jimmy. Ilaina hampitomboana vatana ihany koa ny proteina saingy miteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana ny fihinanana proteina simika be loatra.
Le métier d’enseignement, c’est une question de vocation renforcée par une formation professionnelle. Nos invités Jean Claude Randriamahazo, pédagogue ; Jen Raharinivo, enseignant et Ratolojanahary Sylvain, étudiant sortant de l’Ecole Normale Supérieure sont tous d’accord que la vocation ne suffit pas pour exercer le métier de l’enseignement. Il faut aussi suivre une formation en pédagogique pour la mettre en valeur. Vice versa, il faut prendre l’enseignement comme passion même si on a suivi des formations professionnelles.
Antso hamafisina amin’ny fiofanana ny asa fampianarana fa tsy ampy raha antso fotsiny na fiofanana fotsiny no hoentina mampianatra. Niombon-kevitra amin’izany i Randriamahazo Jean Claude, mpampiofana ho mpampianatra ; Raharinivo Jen, mpampianatra ary i Ratolojanahary mpianatra nivoaka tao amin’ny sekoly ENS. Niady hevitra momba ny fahaiza-manao tokony hananana raha te hiditra amin’ny asa fampianarana izy ireo.
Le marché du carbone est un mécanisme d’échange de droits d’émission de gaz à effet de serre. Selon Lantoniriana Ratovonjanahary, technicienne en environnement, les entreprises ou pays industrialisés récompensent les pollutions qu’ils émettent, auprès des associations, entreprises ou pays qui possèdent des aires protégées ou des projets environnementaux. Pour le cas de l’ONG WCS, il vend des carbones à travers des nombreuses aires protégées à Madagascar. Sur le marché international, le prix d’une tonne de carbone varie entre quinze à quatre-vingt mille ariary. Jusqu’ici, Madagascar est classé comme le puit de carbone.
Interview
Madagascar dispose de quelques sites d’exploitation pétrolière comme Bemolanga, Tsimiroro et Antanifotsy. Ces sites renferment du pétrole, des huiles lourdes, du gaz, du fioul a indiqué Rajoharison Herman, expert en hydrocarbure. En 2014, Madagascar a commencé à exporter des huiles lourdes tous les six mois via l’usine de Tsimiroro.
Astuces
Comment prendre soin des plantes après l’hiver ? Tout d’abord, il est important d’enlever les branches qui ne poussent plus, ensuite il faut aérer le sol en le labourant. Il faut arroser les plantes tous les jours et enfin les exposer au soleil.
Mot du jour Les Gaz à Effet de Serre sont des gaz naturels présents dans l'atmosphère terrestre et qui captent les rayons du soleil. Mais l’augmentation de la concentration de ces gaz favorise le réchauffement climatique.
Reportage
Ao anatin’ny tsenan’ny karbona dia misy ny mpividy ary misy ny mpivarotra. Ireo orinasa na firenena mamoaka entona mandoto be loatra no mpividy. Ireo fikambanana na orinasa na firenena manana ala arovana na tetik’asa amin’ny fampiasana angovo madio ohatra no mpivarotra. Raha ny famaritan’i Ratovonjanahary Lantoniriana, izay manam-pahaizana momba ny tontolo iainana dia fanonerana ilay loto navoakan’ ireo firenena mpandoto no ividianany karbona any amin’ny firenena na orinasa hafa iray. Ho an’ny fikambanana WCS izao, mivarotra karbona amin’ny alalan’ny ala arovana maromaro eto Madagasikara izy ireo. Manodidina ny dimy arivo sy iray alina hatramin’ny valo alina ariary izao no vidin’ny iray taonina amin’ny karbona eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Interview
Bemolanga, Tsimiroro sy ao Antanifotsy, isan’ireo toeram-pitrandrahana solika eto Madagasikara. Solitany, entona fandrehitra, menaka mavesatra, gazoala, sns : hita amin’ireo toerana ireo avokoa. Ny taona 2014 no nanomboka nanondrana menaka mavesatra hatramin’ny 70 000 barila isaky ny enim-bolana i Madagasikara, amin’ny alalan’ny orinasa ao Tsimiroro.
Astuces
Toy izao ny fomba hikarakarana ny zava-maniry rehefa vita ny ririnina ka hiatrika ny fotoan’ny hay tany indray. Rantsanana ny zava-maniry. Ahetsika kely atao ohatran’ireny miava voly ireny daholo ireo tany manodidina azy. Tondrahana isan’andro amin’izay ny zava-maniry. Ary farany, ho an’ireo voninkazo ao an-trano, avoaka ho azon’ny tanin’andro rehefa amin’ny atoandro mba hahazoany hery indray tao aorian’ny ririnina.
Mot du jour : « entona mpangeja hafanana »
Maro ireo karazana entona voajanahary eny amin’ny habakabaka eny. Mitroka ny ampahany amin’ny tara-masoandro no asany eny. Misy koa ireo vokatry ny asan’ny olombelona. Rehefa be loatra ny entona mpangeja hafanana dia miakatra ny hafanan’ny tany.