COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

La pluviométrie de chaque région dépend de chaque climat. A l’Est, l’anticyclone soufflant depuis l’Océan Indien regroupe plus de nuage pluvieux pour cette partie de l’île. La « Zone de Convergence Inter tropical », une zone où les alizés provenant de l'hémisphère Nord et ceux du Sud se rejoignent, emmène des pluies sur les côtes au Nord de l’Ile. Ces vents humides et pluvieux sont bloqués par les montagnes et n’arrivent pas au Sud, explique un ingénieur météorologue de la Météo Malagasy Herilalaina Rasolonjatovo.

Miankina amin’ny toe-trandro sy volon-tany isaky ny faritra tsirairay ny fizaran’ny orana eto Madagasikara. Misy ilay hoe « anticyclone » any amin’ny Faritra Atsinanana izay rivotra mahery avy any amin’ny ranomesimbe indiana. Manangondrahona betsaka io ka mitondra orana amin’iny toerana iny. Ilay « Zone de Convergence Inter tropical » izay fifandonan’ny rivotra avy amin’ny ilabolatany avaratra sy atsimo kosa dia mitondra orana ho an’ny faritra avaratra. Tohanan’ny tendrom-bohitra samihafa ireo ka tsy tafapaka any amin’ny ilany atsimon’ny Nosy. Mihena rahateo ny heriny eny am-pandehanana, araka ny fanazavan’ny injeniera momba ny toetr’andro eo anivon’ny Météo Malagasy, i Rasolonjatovo Herilalaina.

Le CNARP ou Centre National de Recherches Pharmaceutiques célèbre cette année son 45e anniversaire. 6 départements de ce centre effectuent  des recherches sur les plantes et en produisent des médicaments. Plusieurs recherches sont effectuées pour cette dernière et  un test clinique est nécessaire pour l’approbation. Au mois de décembre 2022, le CNARP organise un symposium international avec le thème bien être et Santé : la complémentarité de la médecine traditionnelle et conventionnelle. Le Directeur des Recherches Associées du CNARP, Ralambonirina Sylvia, s’exprime dans Hono ho aho.  

Mankalaza ny faha 45 taona amin’ity taona ity ny CNARP na Centre National de Recherches Pharmaceutiques. Misy departemanta 6 mikaroka sy mamokatra fanafody ao amin’izy ireo. Misy dingana maro arahina amin’izany izay mifarana amin’ny fanandramana amin’ny olombelona. Nikarakara fihaonambe iraisam-pirenena mikasika ny  fifamenoan’ny fitsaboana nentin-drazana sy ny fitsaboana moderina izy ireo ny volana Desambra 2022. Manazava i Ralambonirina Sylivia, Directeur des Recherches Associées ao amin’ny CNARP.

La pâtisserie est un domaine assez  rythmé. Dans une grande surface de la capitale, la fabrication de gâteaux est assurée par une équipe de 40 personnes. La tâche doit s’achever vers 6h du matin pour pouvoir livrer à temps dans tous les magasins annexes à Antananarivo. L’équipe avance la production en fonction des commandes. La production des pains bâtards se fait également la nuit : mélange des ingrédients vers 16h et cuisson vers 23h.

Amin’ny 6 maraina dia mila vita avokoa ny mofomamy amidy amina tranombarotra lehibe iray eto Madagasikara. Manodidina ny 40 isa ireo mpanao mofomamy mamokatra izany ho an’ny magazay miara-miasa aminy eto Antananarivo. Amin’ny alina ihany koa ny asa fandrahoana ireo mofo dipaina : amin’ny 6 ariva no halona ireo mofo ary amin’ny 11 alina ny fandrahoana azy. Miankina amin’ny komandy ny hanamboaran’izy ireo mofo.

Les musées malgaches sont en situation critique en ce moment. Des problèmes financiers, infrastructures et de trafic illicites. En plus de ça, près de 7000 de nos patrimoines culturels sont encore à l’étranger.

Le manque de formation au niveau des personnels des musées reste encore à soulever indique la présidente du Conseil international des musées à Madagascar, Bako Rasoarifetra.

Cependant, notre interlocutrice propose quelques solutions comme le réaménagement des musées, la création d’une plateforme dédiée au retour de biens culturels. 

 

Tandindomin-doza ny mozea malagasy amin’izao fotoana izao. Misedra olana ara-bola, fotodrafitrasa ary fanondranana an-tsokosoko tsy ara-dalàna izy ireo amin’izao. Ambonin’izany, efa ho 7.000 ireo vakoka malagasy taraiky any ivelany.

Etsy andaniny, eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fampiofanana an’ireo mpiasan’ny mozea hoy ny filohan’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny tranombakoka eto Madagasikara, Bako Rasoarifetra.

Na izany aza, manolotra vahaolana sasantsasany izy. Toy ny fanavaozana ny mozea rehetra, ny fananganana sehatra an’habaka natokana ho an'ny famerenana an’ireo vakoka ara-kolontsaina an-tsika malagasy.

mardi, 17 janvier 2023 05:40

Le Journal du 16 Janvier 2023

  • Chan Algérie 2022 : L’exploit de Madagascar pour son premier match
  • Un cyclone pourrait se former dans les prochaines 48 heures
  • Conflit russo-ukrainien : sans compromis, il y a un risque de guerre de longue durée
  • Ambatomanga, « le silence et la douleur » » : d’autres témoignages sur l’histoire de la colonisation à Madagascar

  • Chan Algérie 2022 : Nibata ny fandresena ny Malagasy tamin’ny lalao nifanandrinany tamin’ny ekipa Ghaneana
  • Mety hisy rivo-doza hiforona ao anatin’ny 48 ora
  • Disadisa Ukraine-Rosia : ho lasa ady lavareny raha tsy misy marimaritra iraisana
  • « Ambatomanga, « le silence et la douleur »: fijorona vavolombelona hafa momba ny fanjanahan-tany teto Madagasikara

  • SAVA : la vente de la vanille mûre au ralenti
  • Vatovavy : Unicef, acteurs locaux et doyens traditionnels améliorent la protection des jumeaux
  • Sabotsibe, Mandritsara : les éleveurs de bovins s’indignent
  • Masindrano, Mananjary : des natifs construisent des puits d’eau douce en réponse aux puits d’eau salée

  • SAVA : zara fa misy mpividy ireo vokatra lavanily mainty
  • Vatovavy : hatsaraina ny zo sy ny fiarovana ireo zaza kambana
  • Sabotsibe Mandritsara : mitaraina ireo mpamonjy tsenan’omby noho ny fahatarana, manome vahaolana ireo zandary
  • Masindrano, Mananjary : masira ireo rano amin’ny fatsakana, vovon-dranomamy 5 isam-pokotany no amboarina

Les jeunes qui ont participé au projet OBS MADA ont connu des difficultés pendant les activités de collectes d’informations.

Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.

Roseline, Obs Mada Ihorombe a reçu des menaces par rapport au signalement des cas d’insécurité qu’elle a fait dans sa région. Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily a été expulsé par un responsable pendant le contrôle des services publics. Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily a été rabaissé par certaines autorités locales pour les actions de plaidoyer. Le Général de Brigade Ravoavy Zafisambatra, du Secrétariat d’Etat de la gendarmerie ainsi que le Général de Brigade, Razafitombo, de l’Etat-major éclaircissent certains points qui expliquent ces problèmes. Ils encouragent également les jeunes à collaborer avec eux dans la mise en place de la sécurité.

Isan’ireo tanora nanatanteraka ny fandaharan’asan’ny OBS MADA tany amin’ny Faritra misy azy i Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily; ary Roseline Obs Mada Ihorombe mikasika ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar,  Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.

 

Mahatsiaro voasakatsakana ireo tanora ireo teo amin’ny fandinihana ireo endrika disadisa : mahazo fandrahonana sy valifaty rehefa mitoroka trangana tsy fandriam-pahalemana, voasivana rehefa manantona biraom-panjakana sy ny sisa. Mitondra fanazavana ny mety ho antony sy ny fepetra raisiny ny solotena avy amin’ny Fiarovam-pirenena : Ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, solotena avy amin’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Ny Jeneraly Razafitombo, solotena avy amin’ny Tafika Malagasy.  Mampirisika ny tanora hiara hiasa aminy hametraka ny fandriam-pahalemana ihany koa izy ireo.

lundi, 16 janvier 2023 10:54

Sifflet du 06 Novembre 2022

  • Hand Ball : l’équipe nationale dame prête pour la 25ème CAN
  • Volley Ball : résumé des résultats
  • Trekking : la troisième édition de l’« Ultra Trek Des Collines Sacrées » (UTCS) riche au programme
  • Rallye Passion 2022 : entre compétition et développement rural
  • Basket Senior : les COSPN sont favoris

  • Hand Ball : efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena vehivavy hiatrika ny CAN faha 25
  • Volley Ball U23 : ny fintin’ny voka-dalao
  • Taranja Trekking : manan-karena ny fandaharam-potoana amin’ny lalao « Ultra Trek Des Collines Sacrées » (UTCS) andiany fahatelo
  • Rallye Passion 2022 : sady milalao no mitondra fampandrosoana ifotony
  • Basket Senior : misongadina ry zareo COSPN
lundi, 16 janvier 2023 10:48

Sifflet du 02 Novembre 2022

  • Jeux de la Francophonie : coup d’envoi le 29 octobre 2023 à Kinshasa
  • Tennis : Miotisoa Rasendra domine le jeu jusqu’au bout pendant le GRADE 3
  • « Basket Dance Party » à Antsiranana : pour éduquer les jeunes lycéens

  • Lalaon’ny Tany miteny frantsay : hanomboka ny 29 oktobra 2023 atsy Kinshasa
  • Taranja tennis : nisongadina hatrany i Miotisoa Rasendra nandritra ny GRADE 3
  • « Basket Dance Party » atsy Antsiranana : ho fitaizana ireo tanora amin’ny lisea
lundi, 16 janvier 2023 10:41

Sifflet du 26 Octobre 2022

  • « Match intercommunal 2022 » à Miandrivazo : pour préserver les jeunes du tabagisme
  • Basket Senior : les détails du programme
  • Rallye Passion Antsirabe : sortir du lot … et bien plus !

  • « Match intercommunal 2022 » ao Miandrivazo : Hiarovana ny tanora amin’ny zava-mahadomelina
  • Basket Senior : antsipirihiny amin’ny fandaharam-potoana
  • Rallye Passion Antsirabe : hiavaka amin’ny efa fanao mahazatra ity andiany 2022 ity
lundi, 16 janvier 2023 10:34

Sifflet du 30 Octobre 2022

  • Foot U23 : Madagacar s’incline de 4 à 0 face au Gabon
  • Basket Senior : la formule « Final Four » pour les hommes et dames N1A
  • Judo : Le « Tournoi de la Toussaint » marque cette semaine
  • CAN Beach soccer 2022 : la victoire revient au Sénégal
  • Pétanque : la ligue de la région Antsinanana en difficulté

  • Kitra U23 : Raraka tamin’ny isa 4 no 0 manoloana an’i Gabon ny Barean’ny Madagasikara
  • Basket Senior : raikitra ny « Final Four » ho an’ny lehilahy sy vehivavy N1A
  • Hanamarika ity herinandro ity ny « Tournoi de la toussaint » ho an’ny taranja judo
  • CAN Beach soccer 2022 : i Sénégal no nibata ny amboara
  • Taranja tsipy kanetibe : misedra olana ny ligin’Atsinanana

3 travailleurs sur 10 sont mineurs  à Madagascar. Ne connaissant pas les droits liés au travail, ils s’exposent aux pires formes de celui-ci. L’exploitation sexuelle en fait partie. Ambinina Raveloarison responsable au sein de l’ECPAT France, parle de la stratégie commune déployée par les défenseurs des droits de l’enfant pour lutter contre ce fléau. Entre sensibilisation auprès des communautés vulnérables et plaidoyer auprès des autorités locales. Ils offrent un soutien psychologique, financier et juridique aux enfants victimes et à leurs familles. Pour l’heure, près de 1000 enfants et 500 adultes ont été touchés par leur sensibilisation. Toutefois, la pandémie du coronavirus a été un défi majeur pour la protection des enfants.

Ankizy tsy ampy taona miisa 3 amin’ny 10 no miditra amin’ny tontolon’ny asa aloha loatra eto amin-tsika. Maro no tsy mahalala ny lalàna mifehy ny asa ka eo no manomboka ny fanararaotana samihafa. Anisan’izany ny herisetra ara-nofo. Nilaza i Ambinina Raveloarison, avy ao amin’ny ECPAT France fa anisan’ny fisorohana azo atao ny fampahafantarana eny anivon’ny fiaraha-monina. Omena tosika ara-tsaina sy ara-pitaovana kosa ireo efa niharan’ny herisetra. Manamafy izany ady izany kosa ny fanaovan’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy haitaky eny anivon’ireo manam-pahefana. Nanasarotra io ady io anefa ny fisian’ny valan’aretina coronavirus teto amin-tsika. Ankizy 1000 sy olon-dehibe 500 mahery no efa nofanina hiaro tena sy hitoroka ireo tranga hitany.

La capacité d’accueil des grandes villes ne suit plus. C’est aussi le cas pour la capitale de Madagascar, Antananarivo. Entre exode massif et exposition démographique, la qualité du niveau de vie de cesse de baisser. Le phénomène « bidonville » gagne du terrain. Cette situation crée des tensions sociales selon le directeur du projet PIATT, Jaona Andriamahazo. Pour y remédier, le projet PIATT a construit des infrastructures de normes et inclusives telles des bureaux de fokontany, des centres de santé, des routes etc. Les résidents ont aussi été formés pour leur bon entretien. Un projet qui continue son expansion dans d’autres villes de l’est de l’île.

Mitombo izay tsy izy ny mponina an-tanan-dehibe ka mahatonga ny fari-piainany ho tsy zarizary raha ny nambaran’ny tale eo anivon’ny Programan’asa Ifarimbonana hanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary (PIATT), Jaona Andriamahazo. Miteraka disadisam-piaraha-monina maro izany. Antony namolavolana ity tetikasa ity. Foto-drafitra iombonana maro (birao, tranom-pokonolona, toeram-pitsaboana, lalana sns) no namboarina. Ara-pahasalamana sy manaja ny zo maha-olona izy ireo. Nofanina ihany koa ireo mpisehatra rehetra eny ifotony, toy ireo tamin’ny fokontany efatra eto Antananarivo sy ao atsinanan’ny nosy. Tanjona ny ampaharitra ireo zava-bita.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter