Le diabète est un état et non une maladie. Elle se définit par le taux de sucre dans le corps humain. Tout le monde peut être diabétique, affirme le Docteur José Ratsitratrinihafa de l’AMADIA ou association malgache pour la lutte contre le diabète. A part les personnes qui doivent impérativement se faire dépister comme les familles ayant des antécédents, les personnes hypertendus ou hypotendus et les personnes obèses, toutes personnes présentant les symptômes du diabète doivent se faire dépister. Parmi ces symptômes: les plaies qui mettent du temps avant de se cicatriser, les personnes qui maigrissent même en mangeant beaucoup et les personnes qui se déshydratent facilement. Le diabète peut affecter les enfants également. Le Dr José Ratsitratrinihafa nous en dit plus.
Tsy aretina ny diabeta fa toe-batana. Ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà no hamaritana azy. Mety ho diabetika avokoa ny olona rehetra hoy ny Dokortera José Ratsitratrinihafa, avy ao amin’ny AMADIA na fikambanana miady amin’ny diabeta. Ankoatra ireo olona manana fianakaviana efa voan’ny diabeta sy ireo olona matavy na misy olana amin’ny tosi-drà dia tokony hanao fitiliana ihany koa ireo olona misy ny fambaran’ny diabeta. Fery tsy mety sitrana, misakafo be nefa miha-mahia, mangetaheta lava na dia efa misotro rano be aza. Ireo matetika no fambara. Tsy mifidy taona ny diabeta, na ny ankizy aza mety ho diabetika. Hanazava misimisy kokoa momba izany ny dokotera José Ratsitratrinihafa.
Pour les diabétiques de type 2, il est possible d’améliorer leur santé et de réduire les complications liées au diabète grâce au style d’alimentation. Ce régime est basé sur les légumes, les fruits mais également les aliments riches en protéine. En général, il est important de respecter une heure régulière pour le repas et pour les gouters. Il est conseillé de ne pas changer brusquement de régime mais de le changer petit à petit pour ne pas chambouler le taux de glycémie.
Le riz étuvé est aussi conseillé pour les diabétiques. Le sucre contenu dans ce type de riz ne provoque qu’une légère hausse du taux de glycémie dans l’organisme par rapport aux autres types de riz. Il est également riche en vitamine B. Anjarasoa Hoela Tiana, nutritionniste, explique le procédé pour l’étuvage du riz.
Hoan’ireo diabetika « type 2 », azo hatsaraina na koloina, amin’ny alalan’ny fandamaninana ny fomba fisakafoanana, ny fahasalamana mba tsy hihitatra ny voka-dratsin’ny diabeta ao amin’ny vatana. Mifototra amin’ny legioma, voankazo tsy dia be siramamy ary sakafo mitondra proteina izany. Tokony tsy miovaova ihany koa ny ora fisakafoanana mba tsy hampikorontana ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatana ary atao tsikelikely ny fanovana ny fomba fisakafoanana.
Ankoatra izay dia isan’ny sakafo mety amin’ny olona diabetika ihany koa ny vary nohatsaraina na « riz étuvé » noho ny siramamy mora levonina ao aminy. Maro ny vokatsoa entin’izany ho an’ny vatana toy ny vitamine B. Manazava ny teknika fanamboarana azy i Anjarasoa Hoela Tiana, matihanina manokana momba ny sakafo.
La briqueterie sur les rizières a des impacts négatifs sur la riziculture. Lorsqu’on enlève la terre argileuse, il ne reste que la terre sablonneuse, selon un technicien agricole Mamy Razanakolona. Il est donc nécessaire de redresser le champ : y ajouter plus d’engrais naturel comme les bouses de zébus, les cendre d’ossement d’animaux etc. Il est préférable de consulter des techniciens pour évaluer l’acidité du sol.
Misy fiantraikany eo amin’ny fambolem-bary ny fanaovana briky eny an-tanimbary. Rehefa alaina ny tanimanga eo ambony dia ny tany fasika sisa no tavela, hoy ny teknisian’ny fambolena Razanakolona Mamy. Mila totofana tany mitovitovy aminy na asiana akora natoraly hafa toy ny zezika na potipotina taolam-biby eo amin’ny tany mba hamerina azy amin’ny laoniny. Tsara raha manontany teknisiana hamantarana ny toetran’ilay tany.
En général, les citoyens, surtout les familles vulnérables sont réticentes lorsqu’il s’agit de déposer des plaintes face au non-respect des droits de l’enfant. Selon leurs explications, elles n’ont pas le temps d’aller et venir dans les institutions responsables à cause de leurs activités quotidiennes déclare Raveloarinanja Dominique, responsable partenariat de l’association Mentor ECCE. Même si elles déposent des plaintes avec des preuves, le coupable est toujours relâché après, selon toujours l’explication de notre invité. Elle a rappelé qu’on peut déposer des plaintes auprès du fokontany. Mais s’il s’agit d’une entrave aux droits de l’enfant de grande envergure, on peut s’approcher des postes de police, de la gendarmerie ou de la brigade féminine de proximité.
Andraikitry ny olom-pirenena ny fiarovana ny zon’ny zaza. Tsy mazoto mitoroka ny olona amin’ny ankapobeny, indrindra fa ireo fianakaviana sahirana, hoy i Raveloarinanja Dominique, tompon’andraikitra amin’ny fiarahamiasa ao amin’ny fikambanana Mentor ECCE. Tsy mety amin’izy ireo ny fivezivezena fa mandany fotoana azy ireo izany hoy ireo fianakaviana, sahirana amin’ny fitadiavana amin’ny andavanandro izy ireo raha ny tatitry ny vahinin’ny fandaharana. Eo ihany koa ny tahotra manoloana ny fiaraha-monina satria samy mifankahita eny foana ny mpitoroka sy ny torohana.
Eny amin’ny fokontany izao dia azo aleha raha te hitoroka ny olompirenena. Fa raha ohatra ka tsy fanajana ny zon’ny ankizy tena mihoapapana ilay izy dia afaka manatona polisy na zandary na ihany koa ao amin’ny brigade féminine de proximité.
L’Impôt Foncier sur la Propriété Bâtie (IFPB) se base sur la qualité du matériel avec lequel la propriété a été bâtie. L’IFPB est calculé en fonction des matériaux utilisés dans la construction de la maison selon les explications du directeur de coordination des projets de la Commune Urbaine d’Antananarivo, Ihaja Rajaonarison. L’IFPB représente à peu près un mois de la valeur locative. Au moment des paiements, le contribuable bénéficie d’allègement autour de 20% à 60%. S’il rencontre des erreurs et s’il veut faire des réclamations, des bureaux de doléances sont mis en place au niveau de chaque arrondissement.
Arakaraky ny akora nanamboarana ny trano no hikajiana ny hetran-trano. Misy jiro ve, tongan’ny fiara ve? Mizara ho sokajy na catégorie samihafa izany. Ny ambany indrindra dia ny catégorie 10, ny farany ambony dia catégorie 20. Araka ny fanazavan’ny talen’ny fandrindrana tetikasa ao amin’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra, Ihaja Rajaonarison. Raha ohatra latsaky ny 1 hetsy ariary ny hetra tokony haloa dia nalatsaka ilay izy natao forfaitaire izany lasa 1 alina ariary. Raha tokony ho isaky ny 3 taona no misy izay fiakaran’ny hetran-trano izay dia tsy nisy izany tao anatin’ny 25 taona, hoy hatrany izy. Raha toa ka misy fitarainana tianao hapetraka dia misy ireo birao natokana ho amin’izany eny an’ivon’ny boriboritany tsirairay.