Â
12 décembre, proclamée journée internationale de la neutralité par les Nations Unies. Cette neutralité est un droit. Elle consiste à prévenir la paix entre les Etats au bord d’un conflit à travers des moyens pacifiques. Durant le sommet des Nations Unies en Octobre dernier, Madagascar a annoncé qu’il condamne cette guerre mais reste neutre. Le pays n’aura pas à prendre de décisions politiques, économiques à l’encontre d’un autre pays. Pour élargir l’idée, la paix dans le monde peut être maintenue quand les autres Etats restent neutres face à un conflit entre deux pays, notamment dans le cas de l’Ukraine-Russie. Ces autres pays auraient pu être des médiateurs de paix.
Intervenante : Aline Rasoafara, experte en relations internationales
12 desambra, nataon’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fiandaniana. Zon’ny firenena iray ny tsy miandany. Misoroka ny disadisa eo amina firenena izay ahiana hiady izany, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo paikady tsy mampiasa herisetra. Nambarantsika tany amin’ny fihaonana an-tampon’ny firenena mikambana tamin’ny volana oktobra teo fa tsy miandany isika manoloana io ady io. Amin’izay toerana izay i Madagasikara dia mitazona ny filaminany izy satria tsy handray fepetra mihitsy amin’ny olona iandaniana na tsy iandaniana. Raha raisina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ilay hevitra, tsy nihitatra toy izao io ady io hoy izy raha samy niteny ireo firenena rehetra hoe fiandrianan’I Rosia sy Ukraine no voakasika ao ka izy ireo ihany no mandamina izany. Afaka mandray anjara amin’ny fametrahana ny filaminana izy ireo ao anatin’izany. Â
Vahiny : Rasoafara Aline, manampahaizana manokana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena
Â
Le borderline est un trouble de la personnalité qui se caractérise par des instabilités émotionnelles, relationnelles et des comportements impulsifs. Les personnes atteintes de ce trouble sont pour la plupart des victimes de violence lors de son enfance, explique Dr Hajamanantena.
HPI ou Haut Potentiel Intellectuel, caractéristique d’une personne ayant une capacité intellectuelle supérieure.  Un QI (Quotient intellectuel) de 125 à 130. Ces personnes sont parfois exclues par la société ou par son entourage car ils ont des problèmes relationnels. Interview avec Dr Randrianarisoa Hanitriniaina.
Ny « borderline » dia  fikorontan-toetra miseho amin’ny endrika maro toy ny tsy fahaizana mifandray amin’ny manodidina, ny fahakizitinana na fahatezerana tampoka. Ny olona niaina herisetra nandritra ny fahakeliny no matetika manana izay toetra Borderline izay hoy i Dr Hajamanantena.
HPI (Haut Potentiel Intellectuel). Hamaritana olona iray izay manana fahaizana mihoatra lavitra noho ny hafa. Voafaritra eo amin’ny 125 hatramin’ny 130 ny QI hananany. Matetika voahilika eo amin’ny fiaraha-monina na any an-tsekoly noho ny fananany toetra na fahazarana hafa kely toy ny hoe mitokatokana. Fanazavan’i Dr Randrianarisoa Hanitriniaina.
Cette année, le festival de l’écologie est consacré à la justice environnementale.  Madagascar revendique les compensations face aux pollutions provoquées par les pays industrialisés. Madagascar n’a pas encore reçu la compensation de 1000 dollars par an promis par les pays pollueurs a indiqué le directeur des programmes du CRRAD-OI, Volahery Randriamanantenasoa.
Hiompana kokoa amin’ny fitakiana ny rariny ara-tontolo iainana ny hetsika Festival de l’écologie. Takiana indrindra amin’izany  ny tombontsoa ho an’i Madagasikara manoloana ny fandotoana ataon’ireo firenena lehibe. Tsy mbola nisitraka ilay 1000 dolara isan-taona, onitra noho ny fahasimbana ara-tontolo iainana nampanantenain’ireo firenena mpandoto ireo i Madagasikara hatramin’izao raha ny fanazavan’ny talean’ny fandaharan’asa avy ao amin’ny CRAAD-OI, Randriamanantenasoa Volahery.
Les éleveurs de la commune Antsahamaina gagnent en moyenne quarante mille ariary par jour, pour chaque vache laitière. D’ailleurs, la culture des fourrages est impérative lorsqu’on Å“uvre dans cette filière afin d’assurer leur alimentation et le rendement. La race bovine norvégienne pie rouge, pie noire et le Holstein conviennent le plus au climat à Madagascar. Leur prix coûte environ cinq millions d’ariary. Â
Mampiditra manodidina ny efatra alina ariary isan’andro isaky ny omby vavy eo ireo tsantsaha mpiompy omby vavy be ronono ao amin’ny Kaominina Antsahamaina. Tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fambolena vilona rehefa hoe hiompy azy hoy ireo tantsaha. Ireo karazana omby vavy be ronono antsoina hoe Pie Rouge sy Pie noire ary ny Holstein no be mpifidy noho ireo mahazaka kokoa ny toe-tany eto Madagasikara. Manodidina ny dimy tapitrisa ariary eo kosa ny vidiny raha ny nambaran’ny teknisianina momba ny fiompiana, Andriambololona Yvon.