- Epidémie de tuberculose survenue dans le parc botanique et zoologique Tsimbazaza : un danger alarmant qu’on aurait pu éviter à temps.
- Océan Indien : la deuxième tempête tropicale précoce « Balita » s’est affaiblit en mer.
- La maladie mentale due à la pornographie touche également les mineurs à Madagascar.
- La semaine de la langue italienne pour honorer la langue et la culture italienne.
- Aretina raboka hita amin’ireo biby ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza : loza manambana tokony ho voasoroka ara-potoana.
- Ranomasimbe Indiana : lefy ny herin’ilay fiforonana rivodoza lasa aloha « Balita ».
- Misy amin’ireo tanora marary saina vokatry ny fijerena sary mamoafady no mbola tsy ampy taona.
- Hivelarana amin’ny sehatra asa maro ny fahafehezana ny teny Italianina.
L’acné, ou l’apparition des boutons pour la majorité des cas, sur le visage, ou d’autres parties comme le dos ou le cou, fait partie d’une maladie inflammatoire de la peau. Elle apparait souvent à partir de l’âge de puberté à cause des petits disfonctionnements de l’organisme comme les troubles hormonales. Elle peut donc nous paraître normal, jusqu’à ce qu’on arrive à une étape où nous devenons adultes, mais que l’acné s’intensifie. En ce cas, l’acné résulte de la caractéristique d’une peau graisseuse. Les médecins conseillent de ne surtout pas essayer de les éliminer en les touchant. Il vaut mieux consulter un spécialiste en dermatologie pour soigner les acnés sévères.
Anisan’ny aretina mampivaivay mpahazo ny hoditra ny mony, na ireo kibontsibontsina mipoitra eny amin’ny tarehy sy ny faritra sasany amin’ny vatana toy ny lamosina sy ny tenda. Manomboka amin’ny taonan’ny adolatsento izy io no tena mipoitra, vokatry ny fikorontanan’ny risik’aina madinidinika, ary raha ny tokony hoizy dia mialefy tsikelikely rehefa efatra na dimy taona aty aoriana. Olona manana karazan-koditra matavy no tena hitrangan’izay ka tsy azo atao mihitsy ny mikitikitika azy fa tokony manantona mpitsabo hoditra avy hatrany mba tsy hampihitatra azy ho tonga amin’ilay antsoina hoe “acnés sévères”.
Reportage
Sahanala est une entreprise sociale œuvrant dans 5 grandes filières : la vanille, les noix, la transformation, l'hôtellerie et la pêche. Les bénéfices reviennent directement aux paysans membres et ils ont pu construire des infrastructures. Dans l'éducation par exemple, deux écoles et des points d'eau ont été construits dans les villages de Madirobe et Mosorobe, Vohemar, grâce à la filière vanille. Ainsi les élèves ne font plus des kilomètres de route pour aller à l’école. Les résultats scolaires s'améliorent.
Interview
Le club Vintsy est une organisation rassemblant les jeunes et les étudiants. Sa mission principale est d’inciter et d’éduquer les citoyens à la conservation de l’environnement. Il est implanté dans les écoles primaires, secondaires, lycées et universités. L’ « Amis de Vintsy » est actuellement mis en place pour les jeunes qui n’étudient plus mais veulent contribuer au développement et à la préservation de l’environnement. Concernant le magazine Vintsy, son édition s’est arrêtée depuis 2016 afin de réduire la coupure des arbres pour la fabrication de papier.
Astuces : Découvrons ensemble comment faire des engrais naturels avec le marc de café, la peau de banane et les coquilles d’œufs.
Reportage
Sahanala dia orinasan'ny tantsaha misehatra amin'ny seha-pihariana dimy: ny lavanila, ny voamaina, ny fizahan-tany, ny famadihana ny akora ho vokatra azo aondrana ary ny jono. Miverina mivantana amin'ireo tantsaha ny tombony ka efa nahavitan'izy ireo nanangana fotodrafitr’asa maro. Raha ny lafiny fampianarana: sekoly roa sy fatsakan-drano ho an'ny mpianatra no najoro tao Madirobe sy Mosorobe, Vohemar, noho ny vokatra lavanily ka tsy mandeha alavitra sy miampita rano toy ny teo aloha intsony ny mpianatra. Mihatsara ny voka-panadinana.
Interview
Ny club Vintsy dia fikambanana mampivondrona ireo ankizy sy tanora hitia sy hiaro ny tontolo. Mipetraka eny anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina ny club Vintsy. Misy azy avokoa ny ambaratonga fototra, ny ambaratonga faharoa, ny lisea sy ireo oniversite. Ny fitaomana ny mpiara-belona hikajy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo no tena atao anatin’izany fikambanana izany. Ho an’ireo tanora tsy mianatra kosa dia efa misy ilay antsoina hoe « Amis de Vintsy » azon’izy ireo hidirana raha te handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolo iainana. Mahakasika ilay Boky Vintsy indray dia efa tsy misy intsony ny fanontana azy nanomboka ny taona 2016 ho fanenana ireo hazo tapaka hanaovana boky raha ny fanazavan’i Rafanomezantsoa Hordega izay tompon’andraikitry ny seraseran’ny Univers Vintsy Tana.
Astuces : Fikafika fanamboarana zezika amin’ny alalan’ireo akora tsy ampiasaina ao an-tokantrano toy ny tain-kafe, ny hoditr’akondro ary ny koran’atody.
L’angine se déclenche souvent pendant l’hiver. Lorsqu’elle se manifeste, on a du mal à avaler et à manger. Pour y remédier, on peut faire du gargarisme pendant 5 minutes par jour avec un mélange de citron et miel pour atténuer la douleur. On peut aussi utiliser du thym, soit on le boit comme un thé soit pour un gargarisme. L’automassage avec des huiles essentielles sur la partie du cou est également efficace. Et pour la nourriture, il est déconseillé de manger des produits trop acides pour la simple raison que ça accentuera encore plus la douleur à la gorge.
L’ascite est une maladie caractérisée par un ventre gonflé et rempli d’eau plus que le normal. Selon le Dr RAMANANTSOA Tahiana, l’ascite est la manifestation d’une autre maladie comme la maladie du foie, du cœur, ou des reins. Il faudrait alors identifier l’organe malade et la soigner, avant de traiter l’ascite. L’ascite pourrait être fatale si on ne la diagnostique pas à temps. Plus le corps est rempli d’eau, plus la personne a du mal à respirer et pourrait mourir suffoquée.
Anisan’ny tena mpahazo ny areti-tenda na ny angine rehefa mangatsiaka ny andro. Tsy mahatelin-kanina mihitsy isika indraindray. Azo ampiasaina hanalana izany ireto vokatra natoraly ireto : ny voasary makirana sy ny tantely izay anavaona gararaka isan’andro mandritin’ny 5 minitra eo. Eo ihany koa ny ditaha na ny thyn izay sady afaka anaovana gararaka no atao dite sotroina isan’andro. Anisan’ny azo hanalana ilay marary koa ny fanorana ny tenda amin’ny lohamenaka na huiles essentielles. Safidiana ihany koa ny sakafo hohanina rehefa mihetsika ilay angine, fadiana ny sakafo be asidra na sakafo marikivy, toy ny voasary ohatra na mananasy, ary ny sakafo be menaka.
Ny aretin’ny fivontosan’ny kibo na ny « ascite » dia ny fisian’ny rano mihoatran’ny tokony ho izy anatin’ny vatana. Nambaran’i DR RAMANANTSOA Tahiana anefa fa tsy aretina manokana ny fivontosan’ny kibo na ny « ascite » fa vokatry ny aretina hafa toy ny aretin’ny voa, aretin’ny fo na ihany koa aretin’ny aty. Mila fantatra ilay taova marary ary iny no tsaboina, mety hitarika any amin’ny fahafatesana ihany koa ilay rano rehefa feno loatra ny vatana satria ho feno rano ny vatana ary hanempotra.
Alternative Madagascar est une association de jeune créée en 2020 pendant la période de COVID-19 par des jeunes engagés. Ils ont mis en place le projet Espoir 2.0 pour aider les professionnels de sexe à se retirer de cette profession en les formant à faire d’autres activités tels que la cuisine, la couture, etc… Plus de 140 jeunes femmes à travers 8 régions de Madagascar ont pu être formées, nous explique Matthieu Narendra.
Pour améliorer l’état de la sécurité à Madagascar et promouvoir la lutte contre la violence basée sur le genre, Midera Andriamalala et son équipe ont créé une application nommée « SHE’LD » qui veut dire « Bouclier pour femme ».
Fikambanana tanora niforona tamin’ny taona 2020 teo ny Alternative Madagascar. Tao anatin’ny fotoana nampafana ny Covid 19 no nananganan’izy ireo ny fandaharan’asa Espoir 2.0 mba hanampiana ireo tovovavy mpampanofa tena hiala amin’izany amin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo amina asa madinika toy ny zaitra, fikarakarana sakafo, sns… 140 izao ireo tovovavy manerana ny faritra 8 eto Madagasikara no efa nahazo fiofanana hoy i Matthieu Narendra, filoha mpanorina ny fikambanana.
Mitondra ny anjara birikiny amin’ny ady amin’ny herisetra mifantoka amin’ny mahalahy sy ny mahavavy i Midera Andriamalala sy ny ekipany amin’ny alalan’ny famoronana rafi-baiko mitondra ny anarana hoe « SHE’LD ».
CAF 2022 : Elgeco plus affronte le Marumo Gallants FC.
Musculation Antsohihy : des compétitions à venir pour 2022.
Rallye international de Madagascar : Plus de 193 km de route à parcourir.
Tennis : Sampras Rakotondrainibe participe au championnat régional interuniversitaire du Nord-Est des États-Unis.
CAF 2022 : Elgeco plus hifandona amin’ny Marumo Gallants FC.
Fanatanjahan-kozatra Antsohihy : Hisy amin’izay ny fifaninanana amin’ny taona 2022.
Rallye international de Madagascar : Lalana maherin’ny 193 km no hilalaovana.
Taranja tenisy : Mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Etazonia amin’ny faritra avaratra atsinanana i Sampras Rakotondrainibe.
Au cours de ces 7 derniers jours, entre la fin DU mois de septembre et le début du mois d'octobre, 5 pays ont signalé le plus grand nombre de nouveaux cas. Il s'agit de l'Allemagne, la Chine, la France, le Japon et la Federation de Russie. Les cas recensés varient entre 240 000 et 400 000 pour chaque pays.
Sur la même période, en Afrique, plus de 5 200 nouveaux cas ont été déclarés, repartis principalement dans la partie Sud et partie Est du continent. Ce qui représente une hausse de 15% par rapport a la Semaine précédente.
Aiza ny foiben'ny coronavirus amin'izao fotoana izao?
Firenena 5 no ahitana tranga vaovao betsaka indrindra amin'ny covid-19 tao anatin'ny herinandro izay. Izany hoe teo anelanelan'ny faran'ny volana septambra sy fiandohan'ny volana oktobra. Ireto izany : Allemagne, Sina, Frantsa, Japana sy ny federasionan'ny ny Rosia. Manodidina ny 240 000 hatramin'ny 400 000 avy ny tranga voamarina isaky ny firenena.
Aty Afrika indray, Raha tamin'iny herinandro lasa iny ihany, dia maherin'ny 5200 ny totalin'ny tranga vaovao. Miparitaka kokoa aty amin'ny tapany atsimo sy tapany atsinanan'ny Afrika ireo. Nahitana fiakarany 15% io Isa io Raha oharina tamin'ny tapa-bolana lasa.
- Comment les gérants des parcs nationaux luttent contre les feux de forêts en ce moment ?
- La Responsabilité Sociétale des Entreprises n’est pas obligée par la loi.
- Un haut diplômé n’est pas forcément un bon pédagogue, selon un proviseur d’un lycée public.
Fanisana mpifidy : miantso ny olom-pirenena hitoroka ny tsy fahatomombanana ny CENI.
Fomba hiatrehan’ireo mpiaro ny valan-javaboahary ny doro ala amin’izao.
Miompana kokoa amin’ny asa sosialy ny tamberin’andraikitra ho an’ny fiarahamonina ataon’ireo orin’asa.
Tsy voatery ahay mampianatra izay manana diplaoma rehetra hoy ny proviseran’ny lisea iray.