COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Quand on parle de médecine traditionnelle, on considère toujours qu’il s’agit d’un secteur illégal. Pourtant, il faut savoir que la médecine traditionnelle est protégée par la loi malgache sur la santé publique. Le Docteur Andriamihaja Ravelojaona a indiqué que de nombreuses enquêtes ainsi que des tests ont été effectués avant de leur donner des certifications.

Le traitement par l’argent colloïdale existe également à Madagascar. Il est plus connu comme antibactériens et antivirus. Le naturopathe, Andry Mampifaly nous fournit plus d’informations sur ce sujet.

Matetika vao miresaka fitsaboana nentim-paharazana dia tonga ao an-tsaina foana ny hoe fitsaboana tsy manara-dalàna.  Tsara ho fantatra anefa fa arovan’ny lalàna eto Madagasikara mombany fahasalamana ny asa fitsaboana nentim-paharazana.  Misy fanadihadiana sy fitsirahana maro atao amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo hoy Dokotera Ravelojaona Andriamihaja, mialohan’ny hanomezana azy ireo fankatoavana.

Efa misy eto Madagasikara ihany koa amin’izao ny fitsaboana amin’ny alalan’ny ranom-bolafotsy. Mamono ny otrik’aretina any anaty no tena ahafantarana azy. Ny mpitsabo amin’ny alalan’ny zavaboahary,  Andry Mampifaly no hitondra fanazavana mismisy kokoa mahakasika izay.

mercredi, 20 juillet 2022 13:18

Vrai ou Faux sur les oreillons.

Les oreillons se manifestent souvent par la douleur sur les oreilles, suivie parfois d’une fièvre. Cette maladie touche en général les enfants moins de 5ans mais peut aussi toucher les adultes. Souvent, les gens ne consultent pas le médecin quand ils ont l’oreillon. Le Docteur Antoine Ravelojaona affirme que les oreillons peuvent être guéris sans traitement mais des complications surviennent  dès fois si le sujet est vulnérable. Le vaccin contre les oreillons est déjà inclu dans le vaccin ROR, administré aux enfants avant son premier âge.

Fanaintainana eo amin’ny foto-tsofina, miaraka amin’ny fanaviana. Izay amin’ny ankapobeny no fiandohan’ny aretina donika. Ny zaza latsaky ny dimy taona amin’ny ankapobeny no tena voany saingy mety ho efa lehibe koa anefa vao hisehoany. Matetika dia tsy mandeha any amin’ny mpitsabo ny olona rehefa voany. Tsy tokony atahorana izay raha ambony ny hery fiarovana hoy ny Dokotera Ravelojaona Antoine, saingy kosa mety ho tonga any amin’ny trangana fahasarotana izany raha toa ka marefo ilay olona. Efa tafiditra anatin’ny vaksiny ROR atao amin’ny zaza alohan’ny faha heritaonany ny vaksiny miaro amin’ny donika.

mercredi, 20 juillet 2022 13:01

Le Journal des régions du 20 Juillet 2022

- Vakinankaratra : déroulement du Baccalauréat  pour les  candidats non-voyants du FOFAJA.

- Mananjary : les enseignants FRAM réclament le  paiement des vacations CEPE et BEPC de l’année 2020–2022.

- Boeny : préparatifs du festival Sobahya.

- Vakinankaratra : fizotry ny fanadinana bakalorea hoan’ireo jamba ao amin’ny FOFAJA.

- Mananjary : mitaky ny hanefana ny Vacation CEPE sy ny BEPC nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2022 ireo mpampianatra FRAM.

- Boeny : fanomanana ny festival SOBAHYA.

mercredi, 20 juillet 2022 12:06

Le Journal du 20 Juillet 2022

- Baccalauréat : misy dingana arahana rehefa misy fahatratrarana fanaovana hosoka.

- Astéroid Day : Nampahatsiahy ny niandohan’ny hetsika ny Haikitana Astronomy.

- Zon’ny mpamorona : ny fomba fitsinjarana ireo tamberina ho an’ny mpanakanto.

- Ny maha-zava-dehibe ny fandehanana miala sasatra.

 

mercredi, 20 juillet 2022 07:17

Infos vues par les jeunes du 03 juin 2022

Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Ravalison Antsa Angela, Rakotoarisoa Manitra Billy et Andriamanamisata Riantsoanavalona, étudiants, vont s’exprimer sur le mois de la langue malgache. Ils vont aussi parler des  tickets de bus numériques prochainement testés à Antananarivo et finalement ils vont parler de la journée mondiale des parents, célébrée tous les 1ers juin.

 

Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba hahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio, i Ravalison Antsa Angela, Rakotoarisoa Manitra Billy ary Andriamanamisata Riantsoanavalona no haneho hevitra mahakasika ny iray volan’ny teny malagasy. Hiresaka mahakasika ny tapakila nomerika amin’ny fiara fitateram-bahoaka ary haneho hevitra momba ny andro maneran-tany ho an’ny ray aman-dreny ihany koa izy ireo.

mercredi, 20 juillet 2022 07:13

Infos vues par les jeunes du 24 Juin 2022

La suppression du système enseignants FRAM annoncée par le Ministère de l’Education Nationale, Monitoring sur l’entrepreneuriat et la célébration du 26 juin sont parmi les actus de la semaine sur Studio Sifaka. Trois jeunes dont, Randrianarivelo Tiavina, Linda Rinah et Ezra Be Fitiavana débattent sur ces sujets.  

Isan’ny vaovao nisongadina nandeha teto amin’ny Studio Sifaka tamin’ity herinandro ity ny fanafoanana ny mpampianatra FRAM izay nolazain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ny tantsoroka omen’ireo zoky an’ireo mpandraharaha zandriny. Ary ny endrim-pankalazana ny fetim-pirenena. Tanora telo no hiady hevitra momba izany dia i Randrianarivelo Tiavina, Linda Rinah, Ezra Be Fitiavana.

Durant la crise sanitaire due à la Covid-19, nombreux sont les entreprises qui ont dû changer leur façon de travailler pour que l’entreprise continue à fonctionner. Autrement dit, un pas vers une innovation dans l’administration et l’organisation.  Pourtant, ce pas vers l’innovation ne devrait pas s’appliquer seulement en période de crise, elle devrait être un mode de vie pour les personnels d’une entreprise et pour les entrepreneurs. L’innovation permet non seulement d’améliorer la productivité des employés mais également d’assurer la pérennisation d’une société ou d’un projet.  Les administrations de l’Etat tendent déjà vers cette idéologie à travers la digitalisation de certaines procédures. Dans le domaine de l’entreprenariat, il s’agit entre autres de développer de nouveaux produits et d’améliorer la stratégie de vente et de fonctionnement interne. La limite de l’innovation est la personne en elle-même, cela dépend entièrement de sa capacité à créer des choses à caractère innovant.

Nos intervenants :

  • Riveltd Rakotomanana – Le Ceentre - Le Centre d'Excellence en Entrepreneuriat
  • Niavo Ramamonjisoa - Chargée de programme entreprenariat Ambassade de France
  • José Randrianasolo – Secrétaire générale du FISEMA - Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara

Voakasika mafy tamin’ny krizy nateraky ny Covid 19 ireo orinasa teto Madagasikara nanomboka ny taona 2020.  Tao anatin’izay dia maro tamin’izy ireo no tsy maintsy nanova fomba fiasa hahafahana manohy ny fampiodinana ny orinasa.  Izany fanavaozana izany anefa tsy amin’ny fotoanan’ny krizy ihany no ilàna azy satria singa iray mety hamaritra ny fotoana haharetan’ny orinasa iray. Amin’ny ankapobeny, efa miroso tsikelikely mankany amin’izany fanavaozana izany ny sampandraharaham-panjakana samihafa amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia. Hoan’ny sehatry ny fandraharahana kosa dia any amin’ny famoronana ny tetik’asa no efa mipetraka sahady izay fomba fisainana izay na any amin’ny vokatra ho hatolotra ny mpanjifa na any amin’ny fomba fiasa anatiny. Ny tena ihany no mety ho fetran’ny fanavaozana, ny fahatakarana zava-baovao mitaha ny efa misy.

Ireo mpandray anjara :

  • Riveltd Rakotomanana – Le Ceentre - Le Centre d'Excellence en Entrepreneuriat
  • Niavo Ramamonjisoa - Tompon’andraikitry ny fandaharan’asa fandraharahana ao amin’ny masoivohin’ny Frantsa eto Madagasikara.  
  • José Randrianasolo – Sekretera jeneraly ny FISEMA - Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara

Egypte, Kenya, Sénégal, Afrique du Sud, Rwanda, Tunisie et Nigéria. Ce sont les pays qui ont des projets de productions de vaccins en Afrique. Ces pays ont été dotés de technologie ARN messager ou ARNm pour la production de vaccins Pfizer-BioNTech et de Moderna.

En janvier 2022,  le groupe sud-africain BIOVAC a inauguré l’usine de production de vaccin au Cap. En juin 2022, une seconde usine a également vu le jour à Kigali, Rwanda. Les essais commenceront en  fin 2022 et la production sera prévue pour 2024. Cette dernière est liée au laboratoire pharmaceutique allemand BioNTech.

Ces laboratoires sont en pleine travaux de préparation et de formation. Elles pourront également produire d’autres vaccins  contre le paludisme, la VIH ou la tuberculose, ou aussi des médicaments contre le  diabète et le cancer.

Jusqu’ici, moins de 20% de la population africaine est vaccinée contre la COVID19.

COVID19: aiza ho aiza isika izao amin'ny famokarana vaksiny aty Afrika?

Ejipta, Kenya, Sénégal, Afrika Atsimo, Rwanda, Tonizia ary Nizeria. Ireo aloha no firenena manana tetikasa famokarana vaksiny aty Afrika iadiana amin’ny COVID19. Ny teknolojia ARN messager na ARNm ho an'ny famokarana vaksiny Pfizer-BioNTech sy Moderna no voakasika amin’izany.

Tamin'ny Janoary 2022 no notokanan’ny ny vondrona Afrikana Tatsimo BIOVAC ny orinasa mpamokatra vaksiny ao Cap. Tamin’ny Jona 2022 koa, notokanana ny orinasa hamokarana vaksiny any Kigali, Rwanda. Amin’ny faran’ny taona 2022, no atao ny andrana  voalohany ary ny taona 2024 no mety hanomboka ny famokarana. Mifandray amin’ny laboratoara  alemana BioNTech ity farany ity.

Ao anatin’ny fanomanana sy fiofanana ireo laboratoara ireo amin’izao. Afaka mamokatra vaksiny hafa miady amin'ny tazomoka, ny VIH, ny raboka, na koa fanafody miady amin'ny diabeta sy homamiadana izy ireo.

Hatreto, latsaky ny 20% amin'ny mponina afrikanina no vita vaksiny amin'ny COVID19.

mardi, 19 juillet 2022 12:23

Le Journal du 19 Juillet 2022

- Bakalorea : Manohana ara-tsakafo ireo mpiadina mipetraka alavitra ireo fikambanana sasany sy ireo tsara sitrapo.

- Natokana ho an’ny tanora Afrikana ny vatsim-pianarana Mandela Washington.

- Miakatra ny sandan’ny dolara satria mihena ny fanondranantsika entana.

- Miandrivazo : ratsy ny vokatra tsaramaso noho ny fiovaovan’ny toetr’andro.

 

Diana : les agriculteurs de vanille issus d’une association reçoivent plus de bénéfices dans la vente de leur récolte.

Vakinankaratra : le CHRR Antsirabe offre des consultations gratuites pendant 3 jours.

Menabe : une hausse de 1.000 ar à 5.000 ar sur les frais de transports régionaux.

 

Diana : mahazo tombony kokoa ireo tsantsaha mpamboly lavanila anaty fikambanana nandritra ity taom-piotazana ity.

Vakinankaratra : fizaham-pahasalamana maimaim-poana mandritra ny 3 andro ataon’ny CHRR Antsirabe.

Menabe : niakatra 1.000 ar hatramin’ny 5.000 ar ny saran-dalana hoan’ireo zotra rezionaly.

On utilise surtout le gel hydroalcoolique quand il n’y a pas de point d’eau. Pour que le produit soit efficace, mettre une noix de gel sur la main, bien se frotter entièrement les mains, sur les paumes, le dos des mains, le bout des doigts, les ongles, les espaces entre les doigts. Entre 20 à 30 secondes.

Il faut savoir que le gel désinfecte les mains des bactéries et des virus mais ne lave pas les mains des saletés. Ne pas utiliser excessivement ou fréquemment car cela peut endommager la fonction protectrice de notre peau. 

Une fois en contact avec le gel, notre peau peut se dessécher et on est tenté d’aller se rincer les mains. Pourtant c’est à éviter, il faut bien frotter les mains jusqu’à ce que ça sèche pour laisser le produit éliminer les virus. Si le dessèchement nous dérange, on peut opter pour du gel à base de glycérine végétale. Attention quand même sur les parfums et les couleurs. Elles peuvent contenir des substances allergènes.

Quand on vient d’être en contact avec une personne malade. Il est conseillé de se laver les mains avec du savon puis utiliser encore du gel hydroalcoolique.  

 

COVID19: ahoana ny fampiasana gel hydroalcoholic araka ny tokony ho izy?

 

Ampiasaina matetika ny gel hydroalcoholic rehefa tsy misy rano. Asiana gel indray mitete ny tanana,  kosehina tsara, eo amin'ny felatanana, ny rantsantanana sy ny anelanelan'ny rantsantanana , hoho, sns. Eo amin’ny 20 ka hatramin'ny 30 segondra eo.

Tsara ho fantatra fa mamono ny  bakteria sy ny tsimokaretina ihany ny gel fa tsy manala ny loto. Tsy tokony atao be loatra na matetika fa mety hanimba ny fiarovana ny hoditsika izany. Mampamainamaina ny hoditra ny gel ka alaim-panahy handeha hanakobana tanana isika indraindray. Tsy tokony atao anefa izany, fa mila kosehasana tsara fotsiny ny tanana mandra-pahamainany mba hiasan’ilay gel tsara hanala ny tsimokaretina. Raha toa ka manelingelina ilay tanana maina, afaka misafidy karazana gel vita amin’ny zavamaniry isika. Mila mahay misafidy tsara anefa amin’ireo fofona sy loko ampiasaina amin’izany sao misy singa tsy zakan’ny vatana .

Raha vao mifandray tamin’olona marary ianao. Tsara ny manasa tanana amin'ny savony ary mampiasa gel hydroalcoholic ihany koa avy eo.

mardi, 19 juillet 2022 09:18

Consommation d’œufs

Les œufs de caille sont plus petits que les œufs de poule mais contiennent cinq fois plus de nutriments. Ils sont classés comme des œufs sains car ils ne contiennent pas de mauvais cholestérol, selon la nutritionniste en santé publique à l'Office National de Nutrition,  RASOAMIADANA Fanjaniaina,. De plus en plus de Malgaches en consomment.  Andry en fait partie, il  est un asthmatique, il mange tous les jours des œufs de caille.

Les œufs de poule sont classés comme  aliment riche en protéines et contiennent également beaucoup de nutriments. Comme tous les aliments, il est préférable de les manger crus pour ne pas perdre les nutriments qu'ils contiennent, mais cela dépend aussi de la façon dont chacun aime les consommer, explique RASOAMIADANA Fanjaniaina. La consommation d'œufs doit être équilibrée car elle peut avoir des effets négatifs sur la santé.

Kely ny atodina papelika raha mitaha amin’ny atody akoho, kanefa mitondra otrikaina avo dimy heny . Voasokajy ho atody ara-pahasalamana izy satria tsy ahitana Cholestérol ratsy ao anatiny raha ny fanazavan’ny manapahaizana momba ny fisakafoanana ao amin’ny Ofisim-pirenena momba ny sakafo,  RASOAMIADANA Fanjaniaina,. Efa mihamaro ny Malagasy no manjifa azy ity, anisan’izany i Andry izay misoika, ka mihinana atodina papelika isan’andro izy mba ho fanampin’ny fanafody izay omen’ny mpitsabo azy.

Ny atody akoho dia voasokajy ho sakafo be proteina ary mitondra otrikaina maro ihany koa. Toy ny sakafo rehetra dia hoanina manta no tena tsara amin’ny atody mba tsy hahavery ireo otrikaina entiny, fa miankina amin’izay fomba itiavan’ny tsirairay hihinanana azy ihany koa nefa hoy i RASOAMIADANA Fanjaniaina. Mila lanjalanjaina nefa ny fihinanana atody satria mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana.

Les compétences des étudiants à la fin de leurs parcours scolaires, ne répondent toujours pas aux offres et attentes des recruteurs. Ils ont encore besoin d'être formés, selon  les dirigeants d'entreprise. Est-ce que cela est dû au contenu  du programme scolaire proposé aux élèves depuis le niveau primaire et collégial?  C’est un grand débat sur les réseaux sociaux, les facebookers malgaches rapportent que certaines  leçons  devraient être supprimées du programme scolaire. Est-ce valable ? Selon le sociologue,  Lanto Ratsida, ces leçons développent les connaissances générales des jeunes, et il faudrait  même en rajouter. Les connaissances de base sont importantes car elles aident les jeunes à avoir une capacité d’analyse, a déclaré l’enseignante et directrice adjointe d’une école privée, Domoina Andriamanalina. Ces leçons vont justement permettre aux élèves de faire leur choix sur des spécialisations. Mais il faut laisser libre choix aux élèves et élargir cette étape, s’exprime la représentante du "club de débat" de l'Université de Ravelojaona, Hoby Andrianina Razafimahenina. On doit  équilibrer les heures réservées aux études en classe et le temps consacré  à développer leurs imaginations à travers d'autres domaines comme les arts ou l'artisanat. Les choix proposés doivent être adaptés aux besoins et à la situation des jeunes d'aujourd'hui. Ils ont tous souligné qu'il faut renforcer la mise en lien des leçons avec les pratiques et la vie quotidienne. La méthodologie d’apprentissage doit être mise à jour pour s’adapter à notre période actuelle. L'éducation civique devrait être privilégiée, selon eux.

Tsapa fa mbola tsy mamaly ny tolotra arak’asa  ny fahaizan’ireo mpianatra vao avy nandranto fianarana eto an-toerana. Matetika mbola mila ampihofanina izy ireo hoy ireo mpitantana orinasa. Antony mahatonga izany ve ny fandaharam-pianarana atolotra eny amin’ny ambaratonga fototra sy ny kolejy ? Misy ireo milaza fa misy lesona nianarana, tsy nilaina akory taty aoriana. Marina tokoa ve izany ? Nilaza ny mpandinika ny fiarahamonina, Ratsida Lanto fa ny mifanohitra amin’izay ary no zava-misy. Mampitombo ny fahalalana ankapobeny hananan’ny tanora ireo lesona sy taranja ireo hoy izy ary tsy ampy aza izany ka tokony hoatevenina amin’ny alalan’ny famakiana boky sy fampianarana hafa. Zava-dehibe ireo fahalalana fototra satria manampy ny tanora hahay handinika ny zavamisy manodidina azy, hoy ny mpampianatra sy tale lefitra ao amina sekoly tsy miankina, Andriamanalina Domoina. Efa hampahafantarina sahady  ny momba momba ny sehatra iray izy, hahafahany misafidy avy eo izay sehatra tiany hohalalinina. Eo amin’izay safidy izay anefa ireo mpianatra no mila omena fahalalahana hoy ny tanora misolotena ny  « club de débat » Oniversite Ravelojaona,  Razafimahenina Hoby Andrianina.  Mila lanjalanjaina ny fotoana atokana amin’ny fianarana an-dakilasy sy ny fotoana hivelarana amin’ny sehatra sy taranja hafa toy ny asa-kanto na asa tanana. Mila atao mifanaraka amin’ny filana sy toetry ny ankizy amin’izao fotoana ny safidy omena azy. Samy nilaza izy ireo fa ny fampifandraisana ireo lesona amin’ny fampiharana azy amin’ny fiainana andavanandro no tsy ampy. Mila havaozina ny fomba fampitana ireo lesona amin’ireo mpianatra mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Anisan’ny taranja tokony averina sy omena lanja indrindra ihany koa hoy izy ireo ny fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena.

 

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter