COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

mardi, 09 août 2022 07:11

Nous et la culture numérique

Bien plus que de simples utilisateurs, les jeunes malgaches s’initient progressivement à la création d’outils d’intelligence artificielle. Pour promouvoir la culture numérique à Madagascar, Christelle Julias, ingénieur en Intelligence artificielle, suggère la réduction du prix d’accès à internet et l’intégration de l’intelligence artificielle dans le programme scolaire. D’autre part, la société Huawei soutient les universités comme le MISA à Ankatso en termes d’équipements et compétences pour valoriser la culture numérique à Madagascar.

Tsy mpampiasa fotsiny fa efa mpamorona fitaovana misy « intelligence artificielle » ihany koa ny tanora  Malagasy amin’izao fotoana izao.  Ny fampihenana ny vidin’ny aterineto sy ny fampidirana ny resaka « Intelligence artificielle » anaty fandaharam-pianarana manomboka any amin’ny kilasy ambany no soso-kevitry i Christelle Julias, izay manam-pahaizana momban’ny fikirakirana Intelligence artificielle, hampiroboroboana kolotsaina nomerika ity eto Madagasikara. Fa ankoatra izay dia manohana ireo sekoly ambony amin’ny resaka fitaovana sy fahaiza-manao ihany koa ny orinasa Huawei hampiroboboana izay kolontsaina nomerika izay, isan’izany ohatra ny MISA eny Ankatso.

vendredi, 05 août 2022 12:52

Le Journal du 05 Août 2022

- Situation des lois sur la protection des lanceurs d’alerte dans le monde.

- Produits d’importation périmés au port de Toamasina : Une question de défaillance en terme de conditionnement.

- Quelles sont les distinctions honorifiques à Madagascar ?

- L’émission Tsorabitsika reprendra à partir de demain.

 

- Mbola vitsy ireo firenena afrikanina manana lalàna miaro ny mpisintona lakolosy.

- Inona ny fepetra haazoana mari-boninahim-pirenena ?

- Diplaoma hosoka : Misy fanamarinana manokana  atao hamantarana azy.

- Fandaharana tsora-bitsika, nanamarika fahazazan’ny olona maro.

 

vendredi, 05 août 2022 12:09

Infos vues pas les jeunes du 05 Août 2022

Les jeunes ont exprimé leurs opinions dans Ndao Hilaoeky. Liantsoa Ramiadanjatovo, ​​​​une jeune bachelière de 2021, Herivahatraina Andonirina Tsiry et Manantenantsoa Norelia, première année à l’université, sont les  invités. L'enseignement de la matière mathématique de base, le multiple meurtre à Ankazobe et les divertissements à développer pour les jeunes, ce sont les thèmes abordés.

Naneho hevitra indray ireo tanora ao anatin’ny Ndao hilaoeky. Ramiadanjatovo Liantsoa, vao afaka  baccalauréat ny taona 2021, Herivahatraina Andonirina Tsiry sy Manantenantsoa Norelia, taona voalohany eny amin’ny amabaratonga ambony, no vahinin’ny fandaharana. Ny fampianarana ny taranja matematika eny amin’ny ambaratonga fototra, ny mikasika ilay famonoan’olona tao Ankazobe ary ny fialamboly tokony hovelarina ho an’ny tanora. Ireo no lohahevitra noresahana.

 

vendredi, 05 août 2022 11:53

Le Journal des régions du 05 Août 2022

- Menabe : célébration du rite traditionnel « Fitampoha » à Belo sur Tsiribihina du 4 au 12 août 2022.

- Atsinanana : remise en place du « Bokimbahiny » pour préserver la sécurité.

-Alaotra Mangoro : distribution de masse de copie de naissance à Amparafaravola.

 

-Menabe : hetsika arapombandrazana Fitampoha ao Belo sur Tsiribihina ny 4 hatramin’ny 12 Aogositra 2022.

-Atsinanana : averina ny fampiasana ny bokimbahiny ho fitandroana ny fahalemana.

-Alaotra Mangoro : hetsika fizarana kopia faobe tao Amparafaravola.

jeudi, 04 août 2022 12:51

Le Journal du 04 Août 2022

- Faux diplôme universitaire : traqués à l’aide d’une demande d’authentification.

- Fier Mada : les jeunes se lancent aussi dans l’agriculture.

- Forum National de l’éducation : deux jours de concertation pour la transformation permanente de l’éducation à Madagascar. 

- « bebe Mémé » s’est éteinte à l’âge de 94 ans.

 

 

- Fier Mada : Mandray anjara mavitrika ny tanora.

- Dinika nationaly momba ny fanabeazana : roa andro nanapahana ny rafi-pampianarana vaovao tokony hapetraka eto Madagasikara.

- Nodimandry teo amin’ny faha 94 taonany i Meme, mpilalao tantara sy sarimihetsika.

- Fifamoivoizana any amin’ny distrikan’Arivonimamo : ny fiatrehan’ireo mpisehatra an’izany.

 

- Analanjirofo : 2ème édition du championnat de Madagascar de Karate-Do, dans la commune de Mahambo, district de Fenoarivo Atsinanana.

- Vatovavy : revalorisation de la culture de café.

- Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Sofia et Betsiboka : formation sur le respect des protocoles sanitaires pour lutter contre le COVID-19.

 

- Analanjirofo : donaben’i Madagasikara amin’ny Karate-Do andiany faharoa any amin’ny Kaominina Mahambo, district Fenoarivo Atsinanana.

- Vatovavy : averina omen-danja ny voly kafe.

- Antsinanana, Analanjirofo, Boeny, Sofia ary Betsiboka : fampiofanana momba ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana  iadiana amin’ny COVID-19.

La prévention du cancer du col va de la vaccination au dépistage. Les vaccins, gardasil et cravarix contre le papillomavirus humain (HPV), responsable du cancer du col, ne sont pas encore disponibles à Madagascar. Mais à l’étranger, la vaccination se fait à partir de l’age de 14 ans. A part la vaccination, le dépistage peut diminuer le risque de contracter le papillomavirus. Se faire dépister avant l’apparition des symptômes permet d’intervenir avant que le cancer ne soit à un stade élevé. Selon les explications du docteur Christine Bergeron, gynécologue, entendues sur RFI, dès qu’une femme est sexuellement active elle devrait se faire dépister. Et même si elle ne l’est pas, elle devrait le faire à partir de 25 ans. Un deuxième dépistage est nécessaire un an après si le résultat est négatif. Si le résultat est toujours négatif, le dépistage doit se faire tous les 3 ans jusqu’à l’âge de 30 ans. Après, c’est tous les 5 ans jusqu’à 60 ans. Il faut savoir également que tous les CSBII de Madagascar font le dépistage gratuitement. Le docteur Andrianarison Vonjy Angelo, oncologue et radiothérapeute du Clinique Ivokoloaina nous fait savoir que le cancer du col de l’utérus est contracté lors d’un rapport sexuel non protégé. Les symptômes telles que les saignements, des pertes anormaux se manifestent 10 ou 15 ans après avoir été infecté par le HPV. Si le cancer est détecté à temps, il est plus facile de le guérir.

 

 

Ny fisorohana ny homamiadan'ny vozon-tranonjaza dia manomboka amin'ny vaksiny ka hatramin'ny fitiliana. Tsy mbola misy eto Madagasikara ny vaksiny gardasil sy cravarix miady amin’ny otrikaretina papillomavirus (HPV) mahatonga ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza. Fa any ivelany, ny vaksiny dia azo atao manomboka eo amin’ny faha-14 taona eo. Ankoatra ny vaksiny, ny fitiliana dia mampihena ny mety hisian’izay homamiadana izay. Ny fanaovana fitiliana alohan'ny hisehoan'ny soritr'aretina dia ahafahanao miady amin’ilay homamiadana hisorohana ny fahasarotana amin’ny trangan’aretina.  Araka ny fanazavan’ny dokotera Christine Bergeron, manampahaizana manokana momba ny vehivavy, heno tao amin’ny RFI, raha vao miditra amin’ny firaisana ara-nofo ny vehivavy dia tokony hanao fitiliana. Na dia mbola tsy ao anatin’izany ary izy dia tokony hanao fitiliana ihany manomboka eo amin’ny faha-25 taonany. Rehefa avy nanao ny fitiliana voalohany tsy maintsy manao indray rehefa afaka herintaona. Avy eo, atao isaky ny 3 taona hatramin'ny 30 taona izany. Aorian’izay dia isaky ny 5 taona hatramin’ny faha-60 taonany. Ny CSBII rehetra eto Madagasikara dia manao fitiliana maimaim-poana avokoa. Nambaran’ny dokotera Andrianarison Vonjy Angelo, oncologue sady radiotherapeute avy ao amin’ny Clinique Ivokoloaina fa ny firaisana ara-nofo tsy voaaro no mahatonga ny homamiadan’ny  vozon-tranonjaza. Ny soritr'aretina toy ny fandehanan-dra, ny « perte » dia miseho 10 na 15 taona aorian'ny nidiran’ny HPV ao amin’ny vatana. Raha hita ara-potoana ny homamiadana dia mora sitrana.

 

Le webcup est une compétition de développement web entre les pays de l'Océan Indien. Cette année, Madagascar est une fois de plus nominé parmi les groupes finalistes. Les participants repartis entre une à cinq personnes par groupe ont 24 heures pour finir leur site web selon les critères requis par le jury. Le plus convaincant sera donc nominé.

 

Ny webcup dia fifaninanan'ireo firenena ao amin'ny ranomasim-be Indiana manamboatra tranonkala. Mbola isan'ireo anaty dingana famaranana i Madagasikara amin'ity taona ity raha toa ka efa nahazo ny amboara ny taon-dasa. Mitsinjara ho olona iray ka hatramin'ny efatra isaky ny vondrona ireo mpandray anjara ary manana 24 ora hamitana ny tranonkalan'izy ireo araka izay lohahevitra takian'ny mpitsara. Izay maharesy lahatra sy matihanina indrindra no mandresy.

mercredi, 03 août 2022 13:05

Le Journal du 03 Août 2022

 - La fréquence de l’allaitement n’est pas respectée pour les femmes au travail.

- Traite des êtres humains à Madagascar : le travail des enfants et les exploitations sexuelles sont les plus présents.

- On a officiellement 310 Géomètres Experts Topographes à Madagascar.

 

 

 

- Tsy voahaja ny fampinonona zaza ho an’ireo reny miasa.

- Fampiasana olombelona amin’ny tsy ara-drariny eto Madagasikara : Ny fanambadiana an-tery sy ny fampiasana zaza tsy ampy taona no tena mibahan-toerana.

- 310 ireo Géomètres Experts eto Madagasikara.

- Nanokatra tranokalam-pifandraisana vaovao ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany any Mahajanga hisarihana ireo mpitsidika.

mercredi, 03 août 2022 12:51

Le Journal du 02 Août 2022

- Massacre dans l’Ankazobe : Une preuve qui montre jusqu’ à quel niveau le conflit foncier peut être dangereux.

- 1 % des enfants des foyers les plus pauvres ont accès aux mathématiques selon l’Unicef.

- Variole du singe : aucune mesure particulière n’a été prise pour Madagascar.

- Exposition « Mahajanga, port du bout du Monde » : le port de Mahajanga favorise un échange culturel très riche. 

 

 


 - Famonoana olona tao Ankazobe : Porofo mampiseho fa mitera-doza ny ady tany.

- 1 isan-jaton’ny ankizy avy amin’ny fianakaviana sarihana no mahazo fampianarana matematika fototra.

- Variole du Singe : tsy mbola misy fepetra manokana noraisina eto Madagasikara.

- Fampirantiana an-tsary : mampitombo ny fifanakalozana ara-kolotsaina ny fisian’ny seranan-tsambo Mahajanga.

 

 

 

D’où viennent les Malgaches ? Une des questions qui traversent souvent l’esprit de la plupart des Malgaches. Une exposition s’est tenue au Trano Sary Ambohidahy qui a donné un aperçu des recherches déjà faites pour répondre à cette question. Parmi les grandes nouvelles apportées par cette exposition est l’utilisation des tests ADN pour en apprendre plus sur nos origines.  Les recherches ont été réalisées en 2016, les échantillons sont ensuite envoyés en Amérique. Le Docteur Rindra  Rakotoarivony est l’initiateur de ce projet.  Lui et son équipe ont conduit leurs recherches en Imerina, Betsimisaraka, dans la partie Ouest et Nord de l’ile.  « On a choisi ses villes avec soin et a cherché une partie de la population qui présente des traces plus anciennes et qui ne sont pas susceptibles de contenir un métissage contemporain.» explique-t-il.

La plus grande découverte c’est la présence d’ADN chinois, en plus du gène austronésien et africain que la majorité des Malgaches possède.

Avy aiza moa isika Malagasy? Sarotra no hamahavaha izany ary matetika mizarazara ny hevitra. Misy anefa ireo teknika moderna izay azo hamaritana azy ity toy ny fikarohana araka ny foto-tarazo na Test AND izay navoitran’ny fampirantiana tetsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Anisan’ny nanaovana an’io fikarohana io teto amintsika, notarihin’i Ny dokotera Rakotoarivony Rindra sy ny ekipany.

Mponina tamina faritra vitsivitsy izay noheverina fa ela nisiana teto Madagasikara sy tsy mbola nifangaro tamin’ireo kolontsaina vahiny no tena nifantohan’ity fikarohana ity, izay natomboka ny taona 2016. Nalefa tany Amerika ireo singa nanaovana fizahana. Zava-baovao nanaitra tamin’izay ny hoe  misy fiaviana sinoa ihany koa isika malagasy, ankoatry ny maha Aostroneziana sy Afrikana antsika.

« Mangez cinq fruits et légumes par jour pour être en bonne santé » On entend souvent cette sensibilisation passer à la radio et à la télé. Et si les fruits et légumes que les marchands nous vendent tous les jours ne sont pas sains ? Les pesticides, les engrais chimiques utilisés dans certaines cultures sont nuisibles même pour nous humains.

Selon l’OMS, un homme sur cent attrape une intoxication alimentaire à cause de l’utilisation d’apports chimiques dans l’agriculture et dans la façon de traiter les aliments. 420.000 personnes en meurent chaque année. Acheter local et directement chez les fermiers/agriculteurs ne garantit pas toujours que les produits sont sans danger. Andrianarivo Soamarharavo Judicaëlle, expert en éco-culture chez Écovillage nous apprend plus à ce sujet.

Araka ny fanambaran’ny dokotera sy ireo manam-pahaizana manokana mahakasika ny fahasalamana sy ny sakafo, ilaina ny mihinana voankazo sy legioma isankarazany sy maroloko isanandro. Ny indro kely  anefa tsy voatery ho azo antoka avokoa ireo vokatra voankazo sy legioma izay hitantsika eny an-tsena eny. Isan’ny tsy voazava anatin’ny fanentanana mantsy dia mety hisy ihany koa ny vokadratsin’ny fihinanana voankazo na legioma raha toa ka misy vokatra simika, na zesika io, na ireo famonoana bibikely, lasa anatin’izy ireny.

Araka ny fanambaran’ny fikambanana maneran-tany momba ny fahasalamana, OMS, olona iray amin’ny zato eto an-tany no marary vokatry ny fihinanana sakafo misy poizina nohon’ny fomba fambolena azy ka roa alina sy efatra hetsy ireo maty.  Misy fenitra arahina izany  ny amin’ny famokarana sy fitandremana atao rehefa hanjifa eny fa na ny vokatra avy amin’ireo tantsaha malagasy aza. Eo no mipetraka ilay hoe “Bio”.  Manazava misimisy kokoa mahakasika an’izany  ny mpisehatra matihanina eo amin’ny fambolena mahakasika an’ity vokatra « Bio » ity,  Andrianarivo Soamaharavo Judicaelle avy ao amin’ny Ecovillage.

La loi sur la cybercriminalité et la loi sur la communication sont souvent confondues.  A l’origine, la loi sur la communication pénalise les journalistes pour des délits liés à l’exercice de leur travail. La loi sur la lutte contre la cybercriminalité, elle, s’applique à tous les utilisateurs d’internet qui commettent des infractions pénales au moyen d’un système informatique, tels les cyber-attaques, piratage, etc… 

En cette Journée mondiale de la liberté de la presse, Gerard Rakotoniriana, journaliste et ancien président de l’ordre des journalistes de Madagascar nous explique les points à retenir sur ces deux lois, fréquemment utilisé à l’encontre des journalistes.

Hafangaron’ny olona matetika ny lalàna mifehy ny serasera sy ny lalàna mifehy ny heloka an’habaka. Amin’ny ankapobeny, ny lalàna mifehy ny serasera no hitsarana ireo mpanao gazety raha manao fandikan-dalàna ao anatin’ny fanatanterahana ny asany izy.  Ny lalàna mifehy ny heloka an’habaka kosa dia mametra sy manasazy ireo heloka ao anaty aterineto. Mety hoe fangalarana kaonty, fanafihana rafitra an’habaka, sns… 

Amin’ity andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity, hanazava ny tena mahasamihafa ireo lalàna ireo sy ny fampiharana azy amin’ny mpanao gazety i Gerard Rakotoniriana, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha. 

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter