Le secteur de l’eau, de l’assainissement, et de l’hygiène présente une opportunité d’investissement à Madagascar. Afin de répondre aux besoins dans ce domaine, il nécessite une contribution des jeunes porteurs de projets. Les partenaires techniques et financiers comme l’UNICEF sont accessibles aux appuis et soutiens de tous projets innovants. Les exemples des projets déjà mis en œuvre sont dans la communication, l’infrastructure etc…
Mba hanomezana fahafaham-po ny filana amin'ity sehatra ity dia mitaky ny fandraisan'anjaran'ireo tanora mpamorona tetikasa. Ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola toa ny UNICEF dia afaka manohana sy miara-miasa amin'ny tetikasa vaovao rehetra. Ohatra amin’ireo tetikasa efa tanterahana amin’izao dia eo amin’ny lafin’ny serasera sy fifandraisana, ny fotodrafitrasa, sns.
L’ARTEC répertorie 40 000 cas de cyberattaques tous les jours. Il s’agit surtout de piratages de comptes et de vol de données. Des attaques numériques qui peuvent arriver aussi bien aux entreprises qu’aux utilisateurs individuels. Comment les reconnaître et les éviter ? Réponse avec Harry Rakotondratompo, professeur à la Haute Ecole d’Informatique Antananarivo.
Trangana Cyberattaques 40 000 isan’andro no voaisan’ny ARTEC. Matetika izany dia fanaovana hosoka kaonty sy fangalarana torohay. Fanafihana nomerika izay mety mahazo ny orinasa sy ny tsirairay. Ahoana no ahafantarana sy isorohana azy ireo ? Ny valiny miaraka amin’i Harry Rakotondratompo, mpampianatra ao amin’ny Haute Ecole d’Informatique Antananarivo.
Antsirabe, Ambatondrazaka sont les principaux points d'importation des vendeurs de nymphe à Analakely.
Certains de ces vendeurs vendent 10 à 20 crapauds par jour. Selon eux, son commerce est plus ou moins rentable. Patricia et son mari font partie des vendeurs de sahobakaka qui sont là depuis des décennies. Les gens les achètent souvent en tant que remède.
Cuisse de nymphe fait partie des plats populaires. Il existe différentes manières de le préparer et de le cuisiner. Vous suivrez tous les détails dans l’émission ketrika sy kandra avec une gérante d’un restaurant Ony Razafindrakoto.
Any Antsirabe, Ambatondrazaka iny no tena fanafaran’ireo mpivarotra sahobakaka eny Analakely.
Misy amin’ireo mpivarotra ireo no mahalafo sahobakaka 10 hatramin’ny 20 isan’andro. Raha ny filazan’izy ireo dia mahavelona ihany ny varotra sahobakaka. Anisan’ny Mpivarotra sahobakaka efa amam-polo-taonany maro i Patricia sy ny vadiny. Ataon’ny olona fanafody matetika no tena hividianan’ny olona an’izy ity.
Anisan’ny sakafo be mpitia ihany koa ny cuisse de nymphe. Misy karazany ireo fomba fikarakarana sy fandrahoana azy. Ho arahinao anatin’ny fandaharana ketrika sy kandra avokoa izay anatin’ny fanazavan’i Razafindrakoto Ony, tompon’andraikitra iray aminà trano fisakafoanana iray.
Reportages :
- Le changement climatique impacte continuellement nos vies surtout pour ceux qui vivent de l’agriculture. Insuffisance de pluie, la saison froide se rallonge… Certains agriculteurs changent leurs façons de cultiver la terre par rapport à ce changement climatique. Pour les autorités, ils ont instauré le calendrier de culture en prenant en compte le climat de chaque région. C’est l’alternative qui permet de réduire l’impact du changement climatique sur l’agriculture. On peut voir dans ce calendrier les étapes de culture, le moment de préparation de la terre, les engrais, le repiquage, …, jusqu’aux moissons.
- Les lumières artificielles qui envahissent l’espace public présentent un risque réel pour l’environnement. Explications avec Rajaonarivelo Andoniaina directeur de l’Observatoire de Besely, sur la pollution lumineuse.
ACTUS :
- Une réunion des pays membre du projet CHEMOBS ou Chemical Observatory s’est tenu à Madagascar le 24 janvier jusqu’au 26 janvier 2023. Ce projet vise à mettre en place une plateforme de surveillance des produits chimiques pour pouvoir ainsi réduire les impacts négatifs sur la santé et l’environnement.
Astuces :
- Les plantes aromatiques et fleurs, antimoustique et répulsive à mouches
Fanadihadiana :
- Miovaova izao ny toetry ny andro. Tato ho ato, taraiky ny orana, mihalava ny vanimpotoana mangatsiaka. Efa manana ny fikafikany anefa ireo mpamboly entina hiatrehana an’ity fiovaovan’ny toetry ny andro ity. Ny fampifanarahana ny tetiandrom-pambolena isaky ny faritra kosa no isan’ ny paikady hamerana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny famokarana sy ny fambolena. Hevitra iray hampitomboana sy hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ara-pambolena. Hita anaty tetiandro avokoa ny ambaratonga arahina mandritra ny fambolena, fotoana hikarakarana ny tany, fanapariahana zezika, fanetsana, fiavana, fanotorana, fihotazana.
- Miteraka loto ihany koa ny hazavana na ireo jiro artifisialy izay ampiasaintsika isanandro. Io ilay hoe « Pollution lumineuse ». Misy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana ihany koa izy ireny. I Rajaonarivelo Andoniaina, talen’ny Observatoire de Besely no sady manampahaizana manokana momba ny habakabaka no hanazava amintsika mahakasika an’ity loto ateraky ny hazavana artifisialy ity.
Vaovao :
- Nanatanteraka fivoriana teto amintsika tamin’ny 24 janoary hatramin’ny 26 janoary teo ireo firenena misitraka ny tetikasa CHEMOBS na Chemical Observatory. Tetikasa izay mikendry ny hametrahana Ivon-toeram-panaraha-maso ny akora simika hahafahana mampihena ny tandindon-doza mety haterany eo amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Fikafika:
-Ireo voninkazo sy hazo manitra manala moka sy lalitra
Quand on dit vacances, nous pensons tout de suite à la mer, à la plage et aux baignades. Mais il y a d’autres manières de profiter pleinement de ces moments de détente. Comme les balades en pirogue. Toutefois c’est à chacun de choisir ce qui lui convient, la pirogue à pagaie ou celle à moteur. Raymond avec sa pirogue à pagaie va nous faire visiter les barrages naturels et les animaux marins dans la mer de Foulpointe. Quant à Dadao, il va nous emmener faire quelques kilomètres avec sa pirogue à moteur pour découvrir les plages de l’île aux Nattes, qui se trouvent dans la pointe Sud de l’île Sainte Marie.
Mieritreritra avy hatrany ny ranomasina sy ny hilomano isika rehefa fotoanan’ny fialantsasatra. Misy fomba hafa anefa afaka hanararaotana izany, toy ny fitsangatsanganana amin’ny lakana. Anjaran’ny tsirairay noho izany ny misafidy izay mety aminy, na ny lakana fivoy na ny lakana mandeha amin’ny maotera. Entin’i Raymond mijery ireo biby any andranomasina sy ny tohodrano voajanahary isika any amin’ny ranomasin’i Foulpointe. I Dadao kosa dia hitondra antsika amin’ny lakana motera amina kilometatra vitsivitsy, hitsidika ireo torapasika mampalaza an’i îles aux Nattes, izay any amin’ny tendrony atsimon’ny nosy Sainte Marie.
Le choléra se manifeste par la diarrhée et des vomissements. C’est une maladie causée par le bacille Vibrio Cholerae, une bactérie contenue dans les selles d’un malade et qui se transmet avec l’eau sale. Suite aux passages des cyclones Cheneso et Freddy, l’OMS avertit Madagascar sur un risque d’épidémie. Pourquoi le risque est-il accru en cas d’inondations ? Réponse avec l’épidémiologiste Maherisoa RATSITORAHINA.
Ny choléra dia mahatonga olona iray hivalana sy handoa. Aretina vokatry ny bacille Vibrio Cholerae izy io, bakteria ao amin’ny dikin’ny marary iray izay mifindra amin’ny alalan’ny rano maloto. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso sy Freddy dia mampitandrina ny mety hisian’ny valan’aretina eto Madagasikara ny OMS. Fa maninona no atahorana kokoa izany rehefa misy tondra-drano ? Mamaly antsika ny manam-pahaizana mikasika ny valan’aretina, Maherisoa RATSITORAHINA.
La filariose se manifeste par le gonflement du pied, appelé également éléphantiasis, ou le gonflement du testicule. C’est une maladie tropicale causée par des vers parasites introduits par les moustiques. Grâce à la sensibilisation à l’utilisation des moustiquaires, le nombre de cas diminue graduellement. Les malades se chargent eux même du traitement s’il y avait un projet de soin spécial pour cette maladie avant à Mananjary.
Miseho amin’ny alalan’ny fivontosan’ny tongotra, antsoina ihany koa hoe éléphantiasis, sy ny fivontosan’ny bonga eo amin’ny lehilahy ny aretina filariose. Voasokajy ho isan’ireo aretina mpahazo ireo firenena eo anelanelan’ny tropika izy io. Vokatry ny fisiana kankana any anaty rà azo taorian’ny kaikitry ny moka. Efa vitsy ireo tranga ankehitriny. Mitsabo tena irery ireo marary sisa tavela raha nisy ny tetikasa manokana mitsabo izany tany Mananjary taloha.
La menthe est une plante herbacée riche en vitamine C, fer, magnésium et manganèse. Elle aide à la digestion. C’est un anti inflammatoire naturel grâce à ces vertus. Un remède naturel contre la toux, grâce aux menthols.
Le cornet est un organe dans le nez. Il se gonfle en cas des allergies nasales. Le traitement consiste à boucher des vaisseaux sanguins du cornet inférieur, grâce à la chaleur ou produits appliqués localement. En cas d’échec, il faut l’enlever à travers une opération.
Manankarena Vitamine C, fer, magnésium ary Manganèse ny solila. Manampy amin’ny fandevonan-kanina, ody fery ary ody kohaka izy noho izy manan-karena menthol.
Ny kambon’orona dia taova ao amin’ny vatan’olombelona. Mivonto kosa izy rehefa misy zavatra tsy zakany ary mbola azo tsaboina izany. Raha tsy mahomby izany dia dorana na tapahina tanteraka ny fitsaboana azy.
Ce n’est pas très courant le traitement avec de l'eau thermale à Antsirabé. Quand on y pense cela nous fait toujours pensé à un moment de détente entre amis ou bien en famille. Cependant il y a plusieurs maladies qui peuvent être guéries par cette méthode. Si on passe au centre à Antsirabé on peut apercevoir des personnes atteintes de maladie cardio-vasculaire, des accidentés de la circulation ou autres, il y a même une liste des maladies traitées affichés sur un grand mur.
Dans la partie deux de l’émission le docteur Andrianaivomamonjisoa Hasimihamina Hobiana va nous expliquer ce qu’est l’acupuncture.
Tsy dia fahenon-tsika matetika ny hoe fitsaboana atao amin’ny ranomafana any Antsirabe any. Toa hitsangatsangana sy hilona rano mafana foana ihany no mahazatra. Aretina maro anefa no tsaboina any ary efa maro ireo nahita vokan-tsoa tamin’izy io. Hita eny avokoa ireo tapaka lalan-dra; ireo malemy izay atositosika amin’ireo seza misy kodiarana ireny, fa efa misy lisitra na aretina maro azo tsaboina kosa hita amina takelaka goavana eo amin’ny fidiran’ny dobo filomanosana.
Eo amin’ny tapany faharoan’ny fandaharana kosa dia hamahavaha an’izany hoe “Acupuncture” na fitsaboana amin’ny fanjaitra volamena ny dokotera Andrianaivomamonjisoa Hasimihamina Hobiana.
La santé sexuelle n’est pas au premier plan pour les jeunes Malgaches surtout le traitement des MST. Selon les médecins les nombres de jeunes qui viennent chez eux pour des raisons sexuelles sont encore insignifiants. Et les hommes sont en plus petit nombre par rapport aux femmes.
Dans ce reportage on va vous emmener dans un Centre de santé de base CSB. Comment se font les prises en charge? Quels sont les bons à savoir, les protections à faire ? Meva, sage-femme, nous explique.
Mahamenatra matetika ny manatona tobim-pahasalamana raha mahakasika ny fananahana, indrindra moa fa hoe misy aretina mahazo. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia vitsy ireo tanora tonga mizaha mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ary anatin’ireo dia vitsy ihany koa ny lehilahy fa matetika na manam-bady aza dia ny vehivavy irery ihany no tena manatona mpitsabo.
Entiko eny amin’ny toeram-pitsaboana fototra na CSB iray isika. Nandeha nanadihady mahakasika ny fandraisana an-tanana sy ny faharisihan’ny tanora hahazo fitsaboana mahakasika ny fananahana aho. Ny Rasazy Meva no nandray ahy.