La puberté est un moment de l’adolescence durant lequel le corps se modifie. Parfois elle peut engendrer des difficultés pour les jeunes. Certains peuvent avoir une fragilité psychologique. Quels rôles jouent les parents ?
Dingana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny vatan’ny tanora ny fahamaotina. Misy ny fiovana eo amin’ny vatana fa mety hiteraka fiovana eo amin’ny ara-tsaina ihany koa io. Manahoana ny fifampizarana eo amin’ny tanora sy ny ray aman-dreny makasika izany.
Nous avons de multitude d’huiles végétales qu’on peut utiliser dans notre alimentation. Britney Rasoloarsion nous partage les bienfaits des huiles alimentaires pour la santé. La consommation sans considération de ce produit peut mettre notre santé en danger et nous exposer au cancer.
Maro ireo karazana menaka fampiasa andrahona sakafo toy ny mena-boanjo, menaka oliva, menaka soja ary ny maro hafa koa. Misy ny vokan-tsoa azo avy amin’izy ireny ho an’ny fahasalamana. Ilaina ihany koa ny fandanjalanjana ny fihinanana azy satria mety hisy fiatraikany ratsy. Mizara amin-tsika ny tsara ho fantatra i Britney Rasoloarison.
La rage, un virus qui affecte les chiens, les chats ou d’autres animaux sauvages existent encore à Madagascar. On recense plus de 20 000 cas d’hospitalisation des enfants dus aux morsures des chiens selon le centre de traitement antirabique. Ce qu’il faut savoir sur la rage.
Mbola anisan’ny miady amin’ny haromotana i Madagasikara. Maro ny tranga miseho amin’ny alika, ny saka ary ny biby toy ny gidro. Misy ireo fepetra tokony ho raisina raha sanatria sendra ny biby maneho trangana haromotana na raha sanatria voakaikitra ianao.
La vie publique n’intéresse pas les jeunes malgaches. L’éducation en est une cause mais la situation économique et sociale aussi aggrave ce fait. Les jeunes consacrent plutôt leurs temps à des activités personnels. Pourtant, nos intervenants dont le sociologue, Dera Valisoa politiste et Falim Andriamiarimanana membre de l’association Liberty 32 espèrent qu’on peut encore changer cette situation en résolvant les problèmes autour.
Tsy liana amin’ny raharaham-pirenena ny tanora amin’izao fotoana izao. Ny tsy fahampian’ny fanabeazana eo ihany fa ny olana ara-ekonomika sy sosialy no antony tsy irobohan’izy ireo tanora ireo amin’ny raraham-pirenena. Aleony kokoa mitady izay hivelomana toy izay amin’izany. Mbola azo atao anefa ny manarina izany hoy ireo vahiny nandray anjara tamin’ny ady hevitra, Lanto, mpahay fiarahamonina, Dera Valisoa mpahay politika ary i Andriamiarimanana Falim, avy ao amin’ny Liberty 32 raha toa ka voavaha ny olana.
Comme à chaque vendredi, le Studio Sifaka invite des jeunes à s’exprimer à propos des actualités chaudes de la semaine. Hanitriniala, Rio et Larry, étudiants en droit à l’Université d’Antananarivo discutent de la liste électorale, des fraudes douanières et de l’EPS au baccalauréat.
Toy ny isaky ny zoma, manasa tanora ny Studio Sifaka haneho hevitra momba ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Hiresaka mahakasika ny lisi-pifidianana, hosoka eny amin’ny fadin-tseranana ary ny EPS amin’ny bakalorea i Hanitriniala, Rio ary i Larry, mpianatra lalana eny Ankatso.
Madagascar exporte diverses épices dans 15 pays. Parmi ces épices, le gingembre et ses dérivés sont prisés par les industries cosmétiques et pharmaceutiques. Dans la première partie, nous suivrons le trajet de cette épice, en allant dans les plantations jusqu’à l’exportation ; En passant par les premières transformations, avec le gérant d’une petite usine dans la région Itasy. Dans la seconde partie, nous parlerons de la place des épices dans l’économie malgache, et l’évolution de ce secteur en 2023.
Manondrana sakafo mpanome tsiro na épices any amin’ny firenena 15 maneran-tany i Madagasikara. Amin’ireo sakafo mpanome tsiro ireo, ny sakamalao sy ny vokatra azo avy aminy dia ikoizan’ireo indostria mpamokatra fikarakarana endrika amam-bika sy mpamokatra fanafody. Ho jeren-tsika ao amin’ny tapany voalohany ny lalan’ny sakamalao, manomboka any amin’ny fambolena hatrany amin’ny fanondranana. Miresaka amin’ny mpitantana orinasa famadihana sakamalao isika amin’izany. Ao amin’ny tapany faharoa kosa dia hijery ny anjara toeran’ireo sakafo mpanome tsiro eo amin’ny toe-karen’i Madagasikara isika, ny fivoaran’io seha-pihariana io ho an’ny taona 2023.