COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Selon les spécialistes et les anesthésistes, des préparations psychologiques sont nécessaires quand un patient doit faire face à une anesthésie générale ou une opération chirurgicale de longue durée. Inquiétudes, stress, divers sentiments envahissent les patients avant et au moment de l’opération.

Dans la partie deux, le professeur Rabarijaona Mamy nous apprend le métier de “Neurochirurgien”.

Mila fiomanana tsara ireo marary hiatrika ny fandidiana, indrindra ireo hampatoriana manontolo na hoe haharitra ora maro izany, hoy ireo dokotera sy ireo manam-pahaizana manokana mahakasika ny fahasalamana. Tahotra, fitaintainana, maro ireo fihetseham-po izay mifamahofaho anatin’ireo hiatrika fandidiana ka izay no mila hanomanana azy. Tsy izy ihany anefa fa ireo manodidina ihany koa dia mila manampy azy hiatrika io dingana lehibe io.

Hampahafantarina an-tsika eto amin’ny tapany faharoa kosa indray ny asan’ireo mpitsabo mpandidy atao hoe “Neurochirurgien”. Ny Profesora Rabarijaona Mamy no hiaraka amin-tsika mandritra an’izany. 

On parle souvent de mal de ventre ou des incontinences lorsqu’on voyage. Mais quelles en sont les causes ? Qu’est-ce qui se passe réellement dans notre corps lorsqu’on voyage ?

Bien que fréquents, les causes du mal de ventre ne sont pas toujours identifiables. La gastro-entérite, le syndrome de l'intestin irritable, les problèmes urologiques et les gastrites en sont les principaux responsables. Dans la partie deux de l’émission, le docteur Rabenjanahary Tovo va nous nous donner plus d’éclaircissements. 

Voaresaka matetika ny hoe marary kibo na misy tsy fahatomombanana any amin’ny vavony rehefa manao dia, miala amin’ny fonenana mahazatra ka hihazo tanana iray vaovao. Fa inona marina moa izany no tena antony ? Inona no zava-mitranga ao anatin’ny vatan-tsika ao rehefa mifindra toerana ?

Fizarana faharoa : hiresaka mahakasika an’ireo aretina miteraka fikorontanan’ny ao anaty kibo ao ny dokotera Rabenjanahary Tovo.

Il n’y a pas de saison pour que des vers infectent l’être humain.  Les enfants en sont les plus touchés. Malgré tout, les adultes et même les personnes âgées n’en sont pas épargnées.

Nausées, irritation de l’anus ce sont les symptômes les plus fréquents. Dès fois il n’y a aucun signe. Il faut alors toujours faire attention. Le docteur Razakantoanina Maminirina nous explique comment éviter ces vers et comment les enlever de notre organisme.

Tsy mifidy vanin’andro na vanim-potoana ilay hoe misy kankana. Ny ankizy no matetika hahitana azy ity. Na izany aza misy ihany koa izy ity eo amin’ny olon-dehibe eny hatramin’ireo efa nahazo taona aza.

Loiloy, mangididy ny lavaky ny fitombenana no isan’ireo fambara re matetika ho mampilaza ny fisian’ny kankana. Tsy voatery hisy soritr’aretina hiseho ihany koa anefa. Ny fomba isorohana sy fitsaboana azy no ampahafantarina anao eto amin’ny tapany faharoan’ny fandaharana izay hiarahana amin’I Dokotera Razakantoanina Maminirina.

  • Grève des camionneurs à Moramanga : les locaux se font des chiffres d’affaires
  • Route nationale 34 : la circulation revient à la normale
  • Hausse du kapoaka de riz à Mandritsara : des familles se tournent vers le sambitrimbitrika
  • Toamasina : travailler à l’extérieur intéresse de plus en plus les jeunes 

  • Fitokonan’ny mpitatitra fiara vaventy ao Moramanga : misy ireo mahazo tombony
  • Lalam-pirenena faha 34 : miverina amin’ny laony ny fifamoivozana ao Berintsy, Ankilizato, vita ny tetezana
  • Fiakaran’ny vidim-bary eto Mandritsara : malaza ny sambitrimbitrika
  • Mahasarika ireo tanora ao Toamasina ny hiasa any ivelany

A la vue d’un accident de moto, de nombreux témoins se ruent vers le conducteur blessé. Il y en a même ceux qui veulent aider par tous les moyens en pratiquant les premiers secours. Mais est-ce que ces gestes sont adaptées ? Qu’est-ce qu’il faut faire vraiment ?

Deuxième volet de l’émission : le professeur Rabarijaona Mamy va nous expliquer tout ce qu’il faut savoir sur le “Traumatisme crânien”, un des cas le plus recensé en urgence mais aussi lors des accidents de moto.

Betsaka ny fomba hitan-tsika eny anivon’ny fiaraha-monina eny entina hanampiana an’ireo olona tojo lozam-pifamoivoizana amin’ny kodiarandroa. Maro ireo te hanampy kanefa mila fitandremana izany. Misy amin’ireo fihetsika mety handaitra amin’olona sasany kanefa tsy mety amin’ny hafa. Samy hafa ny toe-pahasalaman’ny olona tsirairay avy. Mety hampihitatra ny ratra sy ny fahavoazan’ilay olona ihany koa. Inona avy izany ireo fihetsika mila tandremana ny tena tokony atao?

Tapany faharoa : hanazava mahakasika an’ilay hoe “Traumatisme crânien” ny profesora Rabarijaona Mamy. Aretina mitranga rehefa tojo lozam-pifamoivoizana ambony kodiarandroa. Io rahateo no tena maro mpahazo indrindra amin’ireo aretin’ny loha eny amin’ny hopitaly eny.

La pluviométrie de chaque région dépend de chaque climat. A l’Est, l’anticyclone soufflant depuis l’Océan Indien regroupe plus de nuage pluvieux pour cette partie de l’île. La « Zone de Convergence Inter tropical », une zone où les alizés provenant de l'hémisphère Nord et ceux du Sud se rejoignent, emmène des pluies sur les côtes au Nord de l’Ile. Ces vents humides et pluvieux sont bloqués par les montagnes et n’arrivent pas au Sud, explique un ingénieur météorologue de la Météo Malagasy Herilalaina Rasolonjatovo.

Miankina amin’ny toe-trandro sy volon-tany isaky ny faritra tsirairay ny fizaran’ny orana eto Madagasikara. Misy ilay hoe « anticyclone » any amin’ny Faritra Atsinanana izay rivotra mahery avy any amin’ny ranomesimbe indiana. Manangondrahona betsaka io ka mitondra orana amin’iny toerana iny. Ilay « Zone de Convergence Inter tropical » izay fifandonan’ny rivotra avy amin’ny ilabolatany avaratra sy atsimo kosa dia mitondra orana ho an’ny faritra avaratra. Tohanan’ny tendrom-bohitra samihafa ireo ka tsy tafapaka any amin’ny ilany atsimon’ny Nosy. Mihena rahateo ny heriny eny am-pandehanana, araka ny fanazavan’ny injeniera momba ny toetr’andro eo anivon’ny Météo Malagasy, i Rasolonjatovo Herilalaina.

Le CNARP ou Centre National de Recherches Pharmaceutiques célèbre cette année son 45e anniversaire. 6 départements de ce centre effectuent  des recherches sur les plantes et en produisent des médicaments. Plusieurs recherches sont effectuées pour cette dernière et  un test clinique est nécessaire pour l’approbation. Au mois de décembre 2022, le CNARP organise un symposium international avec le thème bien être et Santé : la complémentarité de la médecine traditionnelle et conventionnelle. Le Directeur des Recherches Associées du CNARP, Ralambonirina Sylvia, s’exprime dans Hono ho aho.  

Mankalaza ny faha 45 taona amin’ity taona ity ny CNARP na Centre National de Recherches Pharmaceutiques. Misy departemanta 6 mikaroka sy mamokatra fanafody ao amin’izy ireo. Misy dingana maro arahina amin’izany izay mifarana amin’ny fanandramana amin’ny olombelona. Nikarakara fihaonambe iraisam-pirenena mikasika ny  fifamenoan’ny fitsaboana nentin-drazana sy ny fitsaboana moderina izy ireo ny volana Desambra 2022. Manazava i Ralambonirina Sylivia, Directeur des Recherches Associées ao amin’ny CNARP.

La pâtisserie est un domaine assez  rythmé. Dans une grande surface de la capitale, la fabrication de gâteaux est assurée par une équipe de 40 personnes. La tâche doit s’achever vers 6h du matin pour pouvoir livrer à temps dans tous les magasins annexes à Antananarivo. L’équipe avance la production en fonction des commandes. La production des pains bâtards se fait également la nuit : mélange des ingrédients vers 16h et cuisson vers 23h.

Amin’ny 6 maraina dia mila vita avokoa ny mofomamy amidy amina tranombarotra lehibe iray eto Madagasikara. Manodidina ny 40 isa ireo mpanao mofomamy mamokatra izany ho an’ny magazay miara-miasa aminy eto Antananarivo. Amin’ny alina ihany koa ny asa fandrahoana ireo mofo dipaina : amin’ny 6 ariva no halona ireo mofo ary amin’ny 11 alina ny fandrahoana azy. Miankina amin’ny komandy ny hanamboaran’izy ireo mofo.

Les musées malgaches sont en situation critique en ce moment. Des problèmes financiers, infrastructures et de trafic illicites. En plus de ça, près de 7000 de nos patrimoines culturels sont encore à l’étranger.

Le manque de formation au niveau des personnels des musées reste encore à soulever indique la présidente du Conseil international des musées à Madagascar, Bako Rasoarifetra.

Cependant, notre interlocutrice propose quelques solutions comme le réaménagement des musées, la création d’une plateforme dédiée au retour de biens culturels. 

 

Tandindomin-doza ny mozea malagasy amin’izao fotoana izao. Misedra olana ara-bola, fotodrafitrasa ary fanondranana an-tsokosoko tsy ara-dalàna izy ireo amin’izao. Ambonin’izany, efa ho 7.000 ireo vakoka malagasy taraiky any ivelany.

Etsy andaniny, eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fampiofanana an’ireo mpiasan’ny mozea hoy ny filohan’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny tranombakoka eto Madagasikara, Bako Rasoarifetra.

Na izany aza, manolotra vahaolana sasantsasany izy. Toy ny fanavaozana ny mozea rehetra, ny fananganana sehatra an’habaka natokana ho an'ny famerenana an’ireo vakoka ara-kolontsaina an-tsika malagasy.

mardi, 17 janvier 2023 05:40

Le Journal du 16 Janvier 2023

  • Chan Algérie 2022 : L’exploit de Madagascar pour son premier match
  • Un cyclone pourrait se former dans les prochaines 48 heures
  • Conflit russo-ukrainien : sans compromis, il y a un risque de guerre de longue durée
  • Ambatomanga, « le silence et la douleur » » : d’autres témoignages sur l’histoire de la colonisation à Madagascar

  • Chan Algérie 2022 : Nibata ny fandresena ny Malagasy tamin’ny lalao nifanandrinany tamin’ny ekipa Ghaneana
  • Mety hisy rivo-doza hiforona ao anatin’ny 48 ora
  • Disadisa Ukraine-Rosia : ho lasa ady lavareny raha tsy misy marimaritra iraisana
  • « Ambatomanga, « le silence et la douleur »: fijorona vavolombelona hafa momba ny fanjanahan-tany teto Madagasikara

  • SAVA : la vente de la vanille mûre au ralenti
  • Vatovavy : Unicef, acteurs locaux et doyens traditionnels améliorent la protection des jumeaux
  • Sabotsibe, Mandritsara : les éleveurs de bovins s’indignent
  • Masindrano, Mananjary : des natifs construisent des puits d’eau douce en réponse aux puits d’eau salée

  • SAVA : zara fa misy mpividy ireo vokatra lavanily mainty
  • Vatovavy : hatsaraina ny zo sy ny fiarovana ireo zaza kambana
  • Sabotsibe Mandritsara : mitaraina ireo mpamonjy tsenan’omby noho ny fahatarana, manome vahaolana ireo zandary
  • Masindrano, Mananjary : masira ireo rano amin’ny fatsakana, vovon-dranomamy 5 isam-pokotany no amboarina

Les jeunes qui ont participé au projet OBS MADA ont connu des difficultés pendant les activités de collectes d’informations.

Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.

Roseline, Obs Mada Ihorombe a reçu des menaces par rapport au signalement des cas d’insécurité qu’elle a fait dans sa région. Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily a été expulsé par un responsable pendant le contrôle des services publics. Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily a été rabaissé par certaines autorités locales pour les actions de plaidoyer. Le Général de Brigade Ravoavy Zafisambatra, du Secrétariat d’Etat de la gendarmerie ainsi que le Général de Brigade, Razafitombo, de l’Etat-major éclaircissent certains points qui expliquent ces problèmes. Ils encouragent également les jeunes à collaborer avec eux dans la mise en place de la sécurité.

Isan’ireo tanora nanatanteraka ny fandaharan’asan’ny OBS MADA tany amin’ny Faritra misy azy i Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily; ary Roseline Obs Mada Ihorombe mikasika ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar,  Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.

 

Mahatsiaro voasakatsakana ireo tanora ireo teo amin’ny fandinihana ireo endrika disadisa : mahazo fandrahonana sy valifaty rehefa mitoroka trangana tsy fandriam-pahalemana, voasivana rehefa manantona biraom-panjakana sy ny sisa. Mitondra fanazavana ny mety ho antony sy ny fepetra raisiny ny solotena avy amin’ny Fiarovam-pirenena : Ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, solotena avy amin’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Ny Jeneraly Razafitombo, solotena avy amin’ny Tafika Malagasy.  Mampirisika ny tanora hiara hiasa aminy hametraka ny fandriam-pahalemana ihany koa izy ireo.

lundi, 16 janvier 2023 10:54

Sifflet du 06 Novembre 2022

  • Hand Ball : l’équipe nationale dame prête pour la 25ème CAN
  • Volley Ball : résumé des résultats
  • Trekking : la troisième édition de l’« Ultra Trek Des Collines Sacrées » (UTCS) riche au programme
  • Rallye Passion 2022 : entre compétition et développement rural
  • Basket Senior : les COSPN sont favoris

  • Hand Ball : efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena vehivavy hiatrika ny CAN faha 25
  • Volley Ball U23 : ny fintin’ny voka-dalao
  • Taranja Trekking : manan-karena ny fandaharam-potoana amin’ny lalao « Ultra Trek Des Collines Sacrées » (UTCS) andiany fahatelo
  • Rallye Passion 2022 : sady milalao no mitondra fampandrosoana ifotony
  • Basket Senior : misongadina ry zareo COSPN
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter