L’Euro s’est progressivement déprécié par rapport à l’Ariary. En fin janvier, elle s’échange à 4 600 ariary contre 4 800 ariary le 16 Janvier. A chaque d’année, les opérateurs économiques importent moins des marchandises en Euro. Cette devise est donc facile à trouver en cette période et se dévalorise. De plus, la devise issue de l’exportation de fin d’année comme les letchis revient au pays et augmente la valeur d’Euro disponible à échanger localement. Explication de Manitra Andriamahefa, un économiste.
Nihena 200ariary ny sandan’ny EURO iray mitaha amin’ny Ariary ny volana Janoary 2023. Fotoana tsy dia hanafarana entana, vidiana amin’ny Euro, avy any ivelany ny volana Janoary. Betsaka ny EURO mijanona eto ka tsy hifampitadiavana loatra. Efa miverina eto ihany koa ny vola avy amin’ny fanondranana letchis izay mampiditra vola betsaka. Fanazavana entin’ny mpahay toe-karena, Andriamahefa Manitra.
REPORTAGE
Les résultats de recherche de l’Institut de Recherche pour le Développement ont été exposés à l’Alliance Française de Madagascar : 97% des eaux dans le monde représentent l’eau de mer. L’eau douce est considérée comme une ressource rare. Madagascar subit le changement climatique et seulement 24% des malgaches ont accès à l’eau potable. La désalinisation est une des solutions pour créer une eau douce.
Tsimok’arret est un jeu créé par Infinity Créative pour sensibiliser les enfants à respecter l’eau douce et connaitre les maladies issus des eaux pollués
INTERVIEW
L’eau de pluie est-elle salubre ?
Explication de Jimmy Lahinambinina, Ingénieur en météorologie
ASTUCE
Comment nettoyer ses plantes ?
REPORTAGE
Naranty tao amin’ny Alliance Française Antananarivo ireo voka-pikarohana momba ny ranomamy nataon’ny Institut de Recherche pour le Développement : 97 isan-jaton’ny rano eto an-tany no ranomasina. Loharano sarobidy ny ranomamy ao anatin’izany. Misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara ary 24 isan-jaton’ny Malagasy ihany no misitraka rano fisotro madio. Fomba iray azo hamoronana ranomamy ny fanalana ny sira amin’ny ranomasina.
Fitaovana iray noforonin’ny Infinity Creative ny kilalao Tsimok’arret hanentanana ireo ankizy tsy handoto rano sy hamantatra ireo aretina azo avy amin’ny rano maloto
INTERVIEW
Madio sa maloto ny ranon’orana ?
Fanazavan’i Lahinambinina Jimmy, Injeniera momba ny toetry ny andro
ASTUCE
Fanadiovana ireo zava-maniry ao an-trano na zaridaina
Le transfert à l’Etat est une sanction donnée au propriétaire pour la non-occupation ou la non exploitation de ses terres durant 5 ans et plus.  Selon la loi, lorsqu’il sera établi qu’une propriété urbaine d’une superficie supérieure à mille mètres carrés n’a pas été exploitée personnellement, soit par le propriétaire, soit par ses ayants droit, cette dernière sera transférée à l’Etat.
Le chef de service des domaines et de la conservation, Norohanta Emilda RAKOTONDRAZANANY nous donne plus d’explication sur ce sujet.
Sazy omena ny tompon-tany noho ny tsy fampiasany ny taniny nandritra ny 5 taona na mihoatra ny famerenan-tany amin’ny fanjakana. Rahefa tonga ny andro hitsirihana ny tany, ka hita marina fa misy velaran-tany an-tanà n-dehibe mihoatra ny arivo metatra tsimivadimandry ny habeny, nefa izy tompony na ny mpan-dova tsy nanamaintimomaly azy mivantana na niala vola tamin’izany, dia lasa fananan’ny Fanjakana madiodio izany tany izany.
Hitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ny « Famerenana tany amin’ny fanjakana » ny lehiben’ny sampan-draharaha ny fananan-tany sy fikajiana ny fananan-tany, RAKOTONDRAZANANY Norohanta Emilda.