Cette année, le festival de l’écologie est consacré à la justice environnementale. Madagascar revendique les compensations face aux pollutions provoquées par les pays industrialisés. Madagascar n’a pas encore reçu la compensation de 1000 dollars par an promis par les pays pollueurs a indiqué le directeur des programmes du CRRAD-OI, Volahery Randriamanantenasoa.
Hiompana kokoa amin’ny fitakiana ny rariny ara-tontolo iainana ny hetsika Festival de l’écologie. Takiana indrindra amin’izany ny tombontsoa ho an’i Madagasikara manoloana ny fandotoana ataon’ireo firenena lehibe. Tsy mbola nisitraka ilay 1000 dolara isan-taona, onitra noho ny fahasimbana ara-tontolo iainana nampanantenain’ireo firenena mpandoto ireo i Madagasikara hatramin’izao raha ny fanazavan’ny talean’ny fandaharan’asa avy ao amin’ny CRAAD-OI, Randriamanantenasoa Volahery.
Les éleveurs de la commune Antsahamaina gagnent en moyenne quarante mille ariary par jour, pour chaque vache laitière. D’ailleurs, la culture des fourrages est impérative lorsqu’on œuvre dans cette filière afin d’assurer leur alimentation et le rendement. La race bovine norvégienne pie rouge, pie noire et le Holstein conviennent le plus au climat à Madagascar. Leur prix coûte environ cinq millions d’ariary.
Mampiditra manodidina ny efatra alina ariary isan’andro isaky ny omby vavy eo ireo tsantsaha mpiompy omby vavy be ronono ao amin’ny Kaominina Antsahamaina. Tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fambolena vilona rehefa hoe hiompy azy hoy ireo tantsaha. Ireo karazana omby vavy be ronono antsoina hoe Pie Rouge sy Pie noire ary ny Holstein no be mpifidy noho ireo mahazaka kokoa ny toe-tany eto Madagasikara. Manodidina ny dimy tapitrisa ariary eo kosa ny vidiny raha ny nambaran’ny teknisianina momba ny fiompiana, Andriambololona Yvon.
L’école Elysia est une école inclusive qui prend en charge l’éducation des enfants autistes, dyslexiques, trisomiques ou encore atteints d’autres troubles avec des cas légers. Elle met en œuvre, à travers sa pédagogie alternative, une méthode valorisant chaque enfant avec leurs capacités. Les éducateurs sont tous spécialisés a indiqué la directrice Ranoarivony. Ils travaillent étroitement avec les spécialistes comme des orthophonistes, des kinésithérapeutes, des pédopsychiatres, des coachs spécialisés à l’apprentissage de ces enfants.
Sekoly mampiaty, mikolokolo sy mampianatra zaza hafakely ny sekoly Elysa eny Ivandry. Izany hoe ireo zaza Autiste, na tsy miteny na trisomique na manana olana hafa ihany koa. Raisina an-tanana sy ampianarina tsirairay araka ny maha izy azy avy ireo zaza ireo. Mpampianatra sy olona voahofana manokana no mandray an-tanana azy ireo ato hoy i Ranoarivony Seheno, izay mpitantana ity sekoly ity. Misy ao izao ny mpampianatra momba fitenenana, manam-pahaizana momba ny saina, momba ny fanetsehana vatana sns.
La fédération malgache des sourds à Madagascar revendique l’adoption de la langue des signes comme langue officielle. Faute de traduction, les membres de cette communauté ont du mal à avoir les informations utiles, surtout lorsqu’ils vont dans les bureaux administratifs. Cette adoption de la langue des signes comme langue officielle encouragera les intéressées à se professionnaliser dans le domaine de la traduction et l’interprétation en langue des signes.
Interview de Fidy Manantsoa Randrianarivelo le président de l’agence de service d’interprétation et de traduction.
Mangataka ny hampidirana ny tenin’ny tanana ho teny ofisialy ny federasion’ny marenina eto Madagasikara. Sarotra hoan’ny olona marenina mantsy ny mahazo ny fanazavana mifanaraka amin’izay ilainy rehefa manatona birao-mpanjakana noho ny tsy fisian’ny tolotra fandikan-teny tanana hoazy ireo eny amin’ireny toerana ireny. Hampitombo ny fahalinan’ny olona hisehatra amin’izany fandikana teny tanana izany ihany koa ny fampidiriana izany ho teny ofisialy.
Araho anatin’ity resadresaka niarahako tamin’i Fidy Manantsoa Randrianarivelo, filohan’ny masoivohon’ny mpandika teny tanana ity ny votoatin’izany fangatahana izany.
L'ergothérapie est une manière de soigner les personnes en situation de handicap physique ou mental à travers leurs loisirs habituels.
Sarobidy, une petite fille de 5 ans atteinte de trisomie 21. Depuis son premier mois, elle suit des séances d’ergothérapie à l'HJRA. Ses proches constatent des progrès, même si elle n’est pas complètement guérie.
Le nutraceutique de son côté, est une méthode de traitement par des aliments. C'est-à-dire qu’on utilise les ingrédients alimentaires courants pour guérir une maladie.
Les citrons stimulent à la fois le système immunitaire et peuvent également guérir la fièvre par exemple. Il y a aussi le moringa ou ananambo, utilisé comme complément alimentaire.
Chaque région de Madagascar dispose de produits nutraceutiques ou d'ingrédients alimentaires pour soigner des maladies, selon les chercheurs du département de recherche du CNARP.
Ny « ergothérapie dia fomba fitsaboana iray ireo olona manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina amin’ny alalan’ireo fialam-boly fanaony mahazatra.
5 taona izao i Sarobidy izay ankizy trisomie 21. Nanomboka izy vao iray volana dia efa notsaboina tamin’ny alalan’ny ergothérapie eny amin’ny HJRA. Amin’izao efa mahita fivoarana aminy ireo mpitaiza azy na dia tsy mbola sitrana tanteraka aza izy.
Ny nutraceutique indray dia fomba fitsaboana iray amin’ny alalan’ny sakafo. Izany hoe ireo akora fihinana mahazatra no ampiasana atao fanafody hanasitranana aretina iray. Ohatra hoe ny voasary mankirana izay sady manampy hery fiarovana no afaka manasitrana tazo ihany koa. Eo ihany koa ny ananambo izay ampiasana atao fanampin-tsakafo.
Samy manana ny produits nutraceutiques, izany hoe, ireo akora fihinana entiny hitsaboana aretina ny faritra tsirairay eto Madagasikara, hoy ireo mpikaroka tao amin’ny sampam-pikarohana CNARP.