COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Oui, le stress serait un facteur favorisant l’apparition du covid long, selon le résultat d’une étude publiée dans la revue scientifique JAMA Psychiatry et conduite par un professeur à l’université Harvard. Les chercheurs ont suivi 3000 infirmiers et agents de santé souffrant du covid-19 pendant 19 mois.  Ils ont observé que les sujets atteints de troubles psychiques avant l’infection, avaient 30% à 50% de chance de développer le covid long.

Ces troubles psychiques se manifestent le plus souvent par le stress, l’anxiété, la dépression ou la solitude.

Eny, mety hampitarazoka ny aretina covid-19 ny fikorotanan-tsaina, raha ny valina fikarohana iray nivoaka tamin’ny gazety boky siantifika JAMA Psychiatry, notarihin’ny profesora iray ao amin’ny Oniversite Harvard. Mpitsabo mpanampy sy mpiasan’ny fahasalamana miisa 3000 no nandray anjara tamin’izany, nandritra ny 19 volana. Rehefa narahi-maso izy ireo dia hita fa ambony kokoa ny taha mety hahazoana covid-19 maharitra any amin’ireo olona nahitana fikorotanan-tsaina talohan’ny aretina. 30 hatramin’ny 50% isanjato eo izany taha izany.

Mety hiseho amin’ny endrika samihafa ny fikorotanan-tsaina, toy ny hoe rarintsaina, tebiteby lava, fahaketrehana ara-tsaina na fitokana-monina.

mardi, 25 octobre 2022 12:33

Le Journal du 25 Octobre 2022

  • COP 27 en Égypte : la Grande île réclame la justice environnementale.
  • Microsoft Excel Collegiate Challenge : L’équipe malgache « Kajy » au premier rang.
  • Santé : 90 % des médicaments dans le marché noir sont prescrits par les médecins.
  • Université d’été « Tany Vao » : formation des jeunes chercheurs aux méthodes de recherches modernes et plus efficaces.

  • Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambositra : taranja 18 no ampianarina.
  • COP 27 any Egypta : hitaky ny tokony ho anjara famatsiam-bolany i Madagasikara.
  • Microsoft Excel Collegiate Challenge : laharana voalohany ny ekipa malagasy « Kajy ».
  • Tany Vao : fanamafisana ny fahaizam-manaon’ireo tanora mpikaroka eny amin’ny anjery manontolo.

  • Ankazobe : Les feux sont finalement maitrisés dans la réserve d’Ambohitantely.
  • 30% environ des enfants vivants dans la commune Namorona, district de Manakara sont atteints de malnutrition.
  • Un nouveau lycée technique professionnelle (LTP) vient d’être instauré à Arivonimamo, dans la région Itasy.
  • Nosy Be : La première édition du festival Marokintana se tiendra le 3,4 et 5 novembre prochain.

  • Ankazobe: Voafehy ny afo ao amin’ny ala arovan’Ambohitantely.
  • Manodidina ny 30% amin’ ireo zaza ao amin’ny kaominina Namorona distrikan’ny Manakara no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo.
  • Nahazo lisea teknika vaovao ny ao Arivonimamo, faritra Itasy.
  • Nosy Be: Ny faha 3, 4 ary 5 novambra ho avy izao no hotontosaina ny festival Marokintana andiany voalohany.

La Gestion durable de la forêt d’Andriamisara à Ambalakida pour éviter les conflits entre les jeunes a fait l’objet d’un débat.  A la fois un endroit clé pour l’environnement et la vie sociale, la forêt d'Andriamisara Ambalakidara est aussi source de miel utilisé pour le « fanompoambe » un événements culturel considéré comme pilier de l’identité des Sakalava Boina. En ce moments ce site rencontre des problèmes sur la gestion mais aussi sur l’intrusion des habitants dans la forêt pour y cultiver et exploiter massivement les essences de bois comme le « Masonjohany ». Selon le rapport des jeunes du projet OBS MADA les jeunes venants des fokontany environnants sont aussi en conflits pour protéger chacun leurs intérêts. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.

Les autorités locales ont alors décidé de faire de la forêt d’Andriamisara à Ambalakida un patrimoine national. Le ministère de la culture par le biais du chef de service culture Armand Alida, a alors émis la pleine participation du ministère dans le processus d’inscription du site comme patrimoine culturel. Des actions palpables avec un calendrier bien défini a été mis en place lors du débat. De son côté BENJA RAMIHONE Pasquet, Chef Cantonnement de l’Environnement et des Forêts Mahajanga II, Direction Inter-Régional de l’Environnement et du Développement Durable Boeny Betsiboka  a insisté sur le fait qu’une double gestion entre le ministère de la culture et de l’environnement est possible pour plus de sécurité.

Hametrahana fitantanana maharitra sy mahomby ny Atialan’Andriamisara ao Ambalakida. Tanjona ny haiala amin’ireo disadisan’ny samy mponina indrindra ireo tanora. Toerana manana lanjany goavana mantsy ny atiala izay sady hiankinan’ny fiainan’ny mponina ao an-toerana amin’ny fivelomana sy ny tontolo iainana fa ihany koa toerana iray hany hakana ny tantely izay ilaina mandritran’ny « fanompoambe » fomba amam-panao izay maneho ny maha izy ara-kolontsaina an’ireo sakalavan’i Boina. Miatrika olana goavana amin’ny fitantanana mantsy ity toerana fa ihany koa ny amin’ny fidiran’ireo mponina izay mipetraka ivelan’ny atiana mamboly sy mamotika ny ala indrindra amin’ny fitrandrahana ny « Masonjohany ». Araka ny tatitr’ireo tanoran’ny tetikasa OBS MADA miady sy mifampiandry kendry tohana ihany koa ireo tanora amin’ireo fokontany manodidina satria samy miaro ny tombotsoany. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.

Nanapakevitra noho izany ireo manam-pahefana isan’ambaratongany any an-toerana fa ho avadika vakoka ara-kolontsaina ity Atiala Andriamisara ao Ambalakida ity. Nanoro izay tokony ho atao rehetra moa ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera avy tamin’ny alalan’I Armand Alida talen’ny sampana kolontsaina any an-toerana, hanampy ihany koa hahahaingana kokoa ny fanatontosana ny tetikasa. Efa hita soritra sahady ireo izay tokony ho atao rehetra ho amin’izany ary hifanolo-tanana avokoa na ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana na ny prefektiora, na ny faritra sy ny ben’ny tanana. Nanambara sy nanamafy moa i BENJA RAMIHONE Pasquet, Chef Cantonnement de l’Environnement et des Forêts Mahajanga II, Direction Inter-Régional de l’Environnement et du Développement Durable Boeny Betsiboka fa azo atao tsara ny fiaraha-mitantana sy miaro eo amin’ny minisitera roa tonta.

Beratsimanina est l’un des Fokontany les plus riches dans la région de Betsiboka, Zébu, produit de l’élevage et de l’agriculture, l’or, …. Ce qui fait de lui une localité très fréquentée. Malgré cela, la route pour arriver à Beratsimanana est très difficile, ce qui entraine une insécurité persistante selon le rapport des jeunes du projet OBS MADA. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.

Il fut un temps où il n’y avait pas de force de l’ordre pour faire face à cette insécurité. Le Maire de Beratsimanana a donc émis le souhait de mettre en place une « Poste Avancé de la Gendarmerie ». Selon lui cela réduirait l’insécurité de 45%. Selon les responsables auprès de la préfecture et de la Région, l’insécurité n’est pas si intense que cela, mais elle existe quand même et concerne tout le district. Un cambriolage avec meurtre a même eu lieu à Maevatanana récemment. Les responsables auprès de la préfecture et de la Région encouragent donc les parents à éduquer et inciter les jeunes à avoir un emploi décent.  Après le briefing de la gendarmerie sur les étapes de mis en place de ce « Poste Avancé », Ils ont aussi proposé leur aide pour que Beratsimanana puisse avoir son poste avancé le plus vite que possible.

Beratsimanina no isan’ireo Fokontany be harena any Betsiboka toy ny omby, vokatra, volamena ka ifamezivezen'ny olona maro.  Sarotra anefa ny lalana manjohy an’ity toerana ity hany ka hitrangana tsy fandriam-pahalemana matetika ny lalana miala eo amin’ny lalam-pirenena fahaefatra  hihazo an’i Beratsimanana araka ny fanadihadiana nataon’ireo tanoran’ny OBS MADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.

Misy fotoana tsy misy ny Mpitandro filaminana ka mampirongatra an’io tsy fahandriam-pahalemana io ka mampihorohoro ny olona. Nanolo-kevitra ny ben’ny tanàna ny hananganana « Poste avancé » an’ny zandary any amin’io toerana io izay hevarina  hampihena ny tsy fandriam-pahamemana hatrany amin’ny 45%. Ny teo anivon’ny Prefektiora sy ny solotenan’ny governora nanamafy fa tsy azo atao hoe mirongatra io tsy fandriam-pahalemana io kanefa kosa tena iainana isan’andro aminn’ny faritra Betsiboka iray manontolo. Vao herinandro izay no nisy tranga fanafihana tamina kaominina iray hafa tao Maevatanana. Ny fibeazana sy fanomezana asa ny tanora no isan’ireo soson-kevitra nipoitra fa nanamafy kosa anefa ny rehetra nanatrika fa hanamaivana an’ity tsy fandriampahalemana ity ny fisian’ilay « Poste Avancé » an’ny zandary ho an’I Beratsimanana. Taorian’ny fanazavana rehetra azo avy tamin’ny solotenan’ny zandarmaria dia tapaka  fa hifanampy ny rehetra, ben’ny tanàna, ny faritra, ny governora hahafahana mametraka haingana ity tobin’ny zandary ity.

lundi, 24 octobre 2022 12:43

Le Journal du 24 Octobre 2022

  • Immunité Parlementaire : un droit de protection des parlements s’ils ne sont pas pris en flagrant délit.
  • Santé publique : La bataille contre la Poliomyélite continue pour Madagascar.
  • La relation diplomatique entre le Norvège et Madagascar.
  • Ecole de la Gendarmerie Nationale d'Ambositra : 18 matières y sont enseignées.

  • « Immunité Parlementaire »: zo fiarovana ny solombavambahoaka sy loholona raha tsy tratra ambodiomby nandika lalàna izy.
  • Fahasalamam-bahoaka: Mitohy ny ady amin’ny lefakozatra eto Madagasikara.
  • Diplaomasia: Ireo fifandraisana nisy teo amin’ny Norvezy sy Madagasikara.

  • Célébration de la journée mondiale de l’énergie à Toamasina : le lancement du projet volobe II a été parmi les thématiques préoccupants.
  • Menabe Antimena : les nations unies collaborent avec l’Etat malagasy pour la relocalisation des habitants.
  • Région Boeny : les 127 étudiants sortants en tourisme contribueront au développement du tourisme local.
  • Sambava : La foire économique et écologique 2022 s’est achevée hier.

  • Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny angovo tao Toamasina: kendrena ho tontosaina tsy ho ela ao an-toerana ny tetik’asa volobe II.
  • Menabe Antimena: Andrasana ny fiaraha-miasan’ny etazonia sy ny fanjakana Malagasy amin’ny fifindra-monin’ ireo mponina ao amin’ny faritra arovana.
  • Faritra Boeny: Handray anjara amin’ny fampandehanana ny sehatry ny fizahan-tany ireo mpianatra 127 vao nahavita fianarana.
  • Sambava: Nifarana omaly ny tsenabe ara-toe-karena sy ara-tontolo iainana 2022.

Il fut un temps où les responsables de DINA Besaboha ont été indépendants dans toutes les décisions qu’ils prenaient. En ce moments, l’application du dina rencontre beaucoup d’obstacle et l’insécurité monte en flèche selon le rapport des jeunes du projet OBS MADA. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.

Plusieurs entités se sont réunies pour chercher des solutions face à ce fléau. Jeunes, représentant de l’état tel que Hajasoa Thomas Hucquet, TAC Anahidrano, Mandrantomanana Rufin, Commissaire de Police à Antsohihy, Rakotoarijaona Jean Kennedy Bastien du Dinan'i Besaboha et Razafisolo Randriamanantena, secretaire du Dina au nuveau du District et représentant du Préfet ont répondu présent. Il a été décidé que seul l’entraide pourrait faire avancer l’application du Dina selon la loi. Une renforcement des capacités des membres du Dina surtout pour la rédaction de Procès verbale est aussi nécessaires sans cela on ne peut punir les malfaiteurs

Nisy fotoana Tsy nisy mihitsy ny teritery mahazo ny mpiray DINA ary mahafehy ny asany ny mpitarika ny DINA Besaboha. Amin’izao anefa miatrika olana goavana ny fampiharana ny Dina hany ka miakatra ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana araka ny fanadihadiana nataon’ireo tanoran’ny OBS MADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.

Nikaon-doha nitady vahaolana ireo tanora sy ny avy ao amin’ny Dina ary ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana ka isan’izany i Hajasoa Thomas Hucquet, TAC Anahidrano, Mandrantomanana Rufin, Commissaire de Police ao Antsohihy, Rakotoarijaona Jean Kennedy Bastien avy ao amin’ny Dinan'i Besaboha ary Razafisolo Randriamanantena, mpitan-tsoratry ny Dina ao amin'ny distrika izay misolo tena ny Prefet.  Tapaka fa hisy ny fifanampiana amin’ny rehetra hahafahana mampihatra ny Dina amin’ny ara-dalana sy ny fanamafisana traikefa ifotony, indrindra amin’ny fanaovana ny tatitra mba hahafahana tena manasazy ireo mpanao asa ratsy.

vendredi, 21 octobre 2022 12:31

Le Journal du 21 Octobre 2022

  • La concertation entre le secteur privé et le secteur public pour la ratification du Zlecaf est toujours en cours.
  • Construction et habitat : 700 000 habitations en manque pour les villes de Madagascar.
  • Joanie Anyssa et Muriel Erica choisies parmi 40 Basketteuses pour suivre une formation en Basketball au Sénégal dans le cadre de la Fiba Africa Regional Youth Camp.
  • Le concours The Voice Africa est ouvert aux talentueux chanteurs Malgaches.

  • Mbola anaty fakan-kevitra miaraka amin’ny sehatra tsy miankina hatrany ny fanjakana mikasika ny Zlecaf.
  • Tsy ampy 700 000 isa ny trano fonenana amin’ny tanan-dehibe eto Madagasikara.
  • Joanie Anyssa sy Muriel Erica no voafidy tamin’ireo mpilalao baskety miisa 40, nanaraka ny fiofanana amin’ny taranja baskety tany Sénégal tao anatin’ny Fiba Africa Regional Youth Camp.
  • Misokatra ho an’ireo malagasy manan-talenta ny fifaninanan-kira The Voice Africa.

vendredi, 21 octobre 2022 12:24

Le Journal des régions du 21 Octobre 2022

  • Ambovombe : une forte tempête de sable a envahi la ville depuis deux jours.
  • Opération fistule : Ils se rendent dans plusieurs régions pour la chirurgie des femmes atteintes de la fistule.
  • Région de Sofia : 8 000 titres fonciers seront distribués aux habitants.
  • Toliara : les personnes handicapées locales ont reçu un soutien alimentaire et sanitaire.

  • Ambovombe : nisehoana tiomena nahery vaika nandritra ny roa andro.
  • Fandidiana aretina mamany lava : Mitety faritra maromaro ireo eo anivon’ny Opération fistula amin’ny fandidiana ny aretina.
  • Faritra Sofia : karatany miisa 8 alina no ho zaraina amin’ireo mponina.
  • Toliara : nahazo tosika ara-tsakafo sy aram-pahasalamana ireo olona manana fahasembanana tany an-toerana.

Effectivement, la covid- 19 a fait baisser l’espérance de vie particulièrement sur le continent européen et aux Etats-Unis.  C’est la revue scientifique Nature Human Behaviour qui a publié cette étude réalisée sur une trentaine de pays. 

Dans les pays de l’Union Européenne, l’espérance de vie a baissé d’un an pour les femmes comme pour les hommes. La chute est beaucoup plus marquée en Bulgarie, Slovaquie et aux Etats-Unis, avec un écart de 2 à 3 ans et demi, observée depuis le début de la pandémie.

C’est la vaccination qui a fait la différence, selon les chercheurs. Les pays au taux de vaccination élevé ont pu conserver leur espérance de vie d’avant covid. Aussi, la population américaine étant particulièrement touchée par l’obésité et le diabète par rapport à l’Europe, a été plus vulnérable.  

Eny, lasa nampihena ny fahalavan’ny andro iainana amin’ny ankapobeny ny fisian’ny valanaretina Covid-19, indrindra any amin’ny firenena eoropeana sy any Etazonia. Ilay gazety boky siantifika Nature Human Behaviour no nanao io fikarohana io tamina firenena telopolo teo.

Any Eoropa izao dia nihena herintaona ny fahalavan’ny andro iainana, na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Ambony kokoa io isa any any Bulgarie, Slovaquie sy Etazonia, satria manodidina ny 2 hatramin’ny 3 taona sy tapany io fihenanana io. Ireo mponina any Etazonia rahateo dia maro no tratran’ny diabeta sy anatin’ny fahatavezana.

Tsikaritra kosa fa tsy nihetsika firy ny fahalavan’ny andro ianana any amin’ireo firenena nahavita nanao vaksiny betsaka, hoy ireo manam-pahaizana.

La filière gemmologie a connu son exploit lors de l'événement GEOFORUM 2022 au Mining Business Center Ivato Antananarivo. La gemmologie est le traitement des pierres depuis son extraction jusqu'à ce qu'elles deviennent un bijou. C'est une nouvelle filière dans la branche géologie. Beaucoup de jeunes s’y intéressent déjà depuis son ouverture l’année dernière. De nombreux métiers peuvent également être exercés dans cette formation, comme devenir un professionnel en matière de pierres précieuses. Selon l'explication de RAZAFIMAROSON Ivan Tomy, professeur et chercheur, les jeunes peuvent désormais suivre cette formation à l'Université d'Antananarivo et à l'Ecole Polytechnique de Vontovorona.

Niavaka  nandritry ny hetsika GEOFORUM 2022 teny amin’ny Mining Business Center Ivato Antananarivo ny seham-pampianarana Haivatosoa na Gemmologie. Ny haivatosoa moa dia fikirakirana vato manomboka any amin’ny fitrandrahana azy hatramin’ny ahatongavany ho lasa firavaka. Anisan’ny traikefa vaovao ao anatin’ny haibolantany izy ity. Ary efa manomboka betsaka ireo tanora no misafidy azy raha oharina tamin’ny herintaona zay nisokafany voalohany. Maro ihany koa ireo asa azo atao anatin’ity lalam-piofanana iray ity ; anisan’izany ny fahatongavana ho matihanina amin’ny resaka vatosoa, indrindra fa anisan’ny tena mampidi-bola betsaka izy amin’izay fikirakirana vato sarobidy azy izay. Ao amin’ny oniversite Antananarivo aloha no misy an’ity sampa-piofanana ity sy eny amin’ny polytechnique Vontovorona araka ny fanazavan’i RAZAFIMAROSON Ivan Tomy, mpampiantra mpikaroka.

jeudi, 20 octobre 2022 13:18

Le Journal du 20 Octobre 2022

- Guerre Ukraine-Russie : la place de Madagascar reste floue.

- Circulation dans la capitale : les taxi-bicyclettes revendiquent à leur tour le droit de circuler librement.

- Comment les personnes en situation de handicap suivent des formations professionnelles ?

- Le ravintsara, le ravimboafotsy ou l’aferontany : les petits marchés sont mal approvisionnés.  

- Raharaha Ukraine-Russie : tsy mazava ny toeran’i Madagasikara

- Fifamoivoizana eto an-drenivohitra : mitaky ny mba hifamezivezen’izy ireo an-kahalalahana ihany koa ireo taxi-bicyclettes 

- Ahoana no fomba anarahan'ny olona manana fahasembanana fanofanana arak'asa?

-Miharatsy ny ravin-kazo fampiasa amin’ny fitsaboana izay varotana eny an-tsena.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter