Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Rakotomanga Sanda, Rakotondrainibe Hasina et Andrianantenaina Hoby Nomena, étudiants en informatique, vont s’exprimer sur les difficultés rencontrées par les parents pendant la rentrée scolaire face à l’inflation. Ils vont aussi parler de la journée internationale de l’alphabétisation et finalement Du « Sommet sur l’adaptation au changement climatique en Afrique »
Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba ahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio i Rakotomanga Sanda, i Rakotondrainibe Hasina sy i Andrianantenaina Hoby Nomena no haneho hevitra mahakasika ireo olana sedrain’ny ray aman-dreny manoloana ny fiakaram-bidim-piainana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Hiresaka ny andro maneran-tany ho an'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra koa izy ireo ary ny Fihaonan’ireo firenena matanjaka amin’ireo firenena afrikanina momba ny fiovaovan’ny tontolo iainana.
La Diarrhée ainsi que les maux de ventre sont les plus fréquents pendant la saison chaude dans les hautes terres. Cette saison rime également avec la récolte des fruits, à l’origine de la multiplication des déchets organiques et de l’apparition des mouches. Les microbes se propagent ainsi plus rapidement explique un médecin au sein du CSB2 Antsahamamy.
L’albumine est un élément dans notre sang. C’est une protéine naturelle produit par le foie, explique le docteur Ratovoson Solozaka. L’excès du taux de l’albumine dans le corps est néfaste pour la santé car il peut boucher la veine du patient.
Ny areti-kibo sy aretim-pivalanana no matetika miseho rehefa fotoanan’ny hafanana aty afofoan-tany, hoy ny mpitsabo iray ao amin’ny CSB2 Antsahamamy Antananarivo. Ny loto vokatry ny hoditra voankazo no tena mahatonga izany. Eo ihany koa ny fahabetsahanan’ny lalitra mpitondra ny mikraoba rehefa mafana ny andro.
Ny « albumine » dia ao amin’ny vatan’ny olona tsirairay fa ny tahany ambony loatra no manimba ny fahasalamana. Mampivonto ny lalan-drà izy io ka mety hanentsina azy, ny fitiliana ihany no ahafahana mamantatra izay hoy ny tokotera dokotera Ratovoson Solozaka.
- Toamasina : 60% des jeunes ont participé activement à la formation au recensement citoyen.
- Matière Mathématique : Le Ministère de l'Education Nationale organise un concours pour les élèves de terminale de catégorie S ou C le 4 novembre prochain.
- Andriambilany Ambatolampy : Commune classée digne en terme de gouvernance locale au titre foncier.
- 50 permis côtiers seront accordés à ceux qui terminent la formation de matelotage, qui a commencé le 15 septembre et se terminera le 5 octobre.
- Toamasina : 60 % ireo tanora nazoto nandray anjara tamin’ny fihofanana momba ny fanisam-bahoaka.
- Taranja Matematika : Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpianatra kilasy famaranana sokajy S na C ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny 04 Novambra izao.
- Andriambilany distrikan’Ambatolampy : Kaominina anisan’ny voasokajy ho mendrika amin’ny lafiny fitantanana eny ifotony amin’ny fananantany.
- Permis côtier 50 no omena ireo mahavita fiofanana tatsambo nanomboka ny 15 Septambra teo ary hifarana hatramin’ny 05 oktobra izao.
- Le 11 ème accord de pêche entre Madagascar et l’Union Européenne débutera en 2023.
- A Madagascar, l’infection néonatale touche 10 pour 100 des nourrissons.
- Coopération entre les anciens et les jeunes dans la protection des Droits Humains.
- Une petite découverte culinaire au salon de la gastronomie.
- Hiatra manomboka ny 2023 ny fifanarahana jono lamatra eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eropeana.
- Zaza iray amin’ny folo no tratran’ny aretina vokatry ny otrik’aretina.
- Fifanampiana eo amin’ny olobe sy ny tanora aty Taolagnaro amin’ny fiarovana ny zon’olombelona.
- Fitsidihana kely ara-tsakafo ny foaran’ny sakafo sy ny lakozia.
Le nombre de cas de violences sexuelles perpétrées par des hommes envers les femmes et les enfants se multiplie dans la région de Vakinankaratra. Le taux est élevé à Betafo, selon les données recueillies par les jeunes, formés dans le projet OBSMADA, au sein du service de la population du district. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka. Si le nombre de cas en 2021 était de 53, on compte 90 cas depuis le mois de janvier jusqu’en août 2022, dont des cas de viols en majorité. Le plus jeune est un enfant de 7 mois. Des personnes en situation d’handicap sont aussi concernées, a affirmé la jeune Noeline Nadine RAMINOARIJAONA. Les gens ont peur de dénoncer ce fait car dans la plupart des cas, le présumé coupable est souvent un membre de la famille, a-t-elle précisé. Les familles optent alors souvent pour des résolutions à l’amiable. Pourtant, une fois le crime prononcé, les responsables au niveau de la direction régionale de la population suit l’affaire, en aidant les victimes dans les démarches, selon le chef de service de la population, de la protection sociale et de la promotion de la femme, du district de Betafo, Rivo Harifetra ANDRIAMAROSOLO. Chaque entité concernée devrait faciliter les procédures suggère-t-il, à commencer par la délivrance de certificats médicaux, les démarches auprès des forces de l’ordre et aussi au niveau de la justice. On devrait faire connaître les lois et les procédures à suivre à la population, rétorque le jeune Lova Niaina Patrick RAMAMONJISOA. Selon lui, la population et les autorités devraient suivre de près l’application de la peine. Selon nos invités, le chômage est l'une des raisons de l'augmentation des cas, mais il y a aussi la toxicomanie. Selon l'adjointe au maire de Betafo, Zolinirina Randriamiandra, on doit revaloriser la matière « éducation civique » dans les écoles. Un centre d’écoute et de conseil juridique devrait être mis en place dans les communes et surtout des structures inclusives et un centre de loisir pour les jeunes.
Mitombo isa ny herisetra ara-nofo ataon’ ny lehilahy amin’ny vehivavy ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Ambony indrindra ny taha eto Betafo, araka ny angon-kevitra nataon’ireo tanora niofana ato anatin’ny tetikasan’ny OBSMADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Raha 53 no isan’ny tranga voahangona ny taona 2021, miisa 90 izany ny Janoary hatramin’ny Aogositra 2022. Tranga fanolanana zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Zaza menavava 7 volana no zandriny indrindra ary misy amin’ireo iharan’ny herisetra ihany koa ny olona manana manana fahasembanana ara-batana hoy ny tanora, RAMINOARIJAONA Noeline Nadine. Tsy mahasahy mitoroka ireo olona voakasik’izany amin’ny ankapobeny hoy izy satria fiankaviana ihany matetika no manao ilay herisetra. Raharaham-pihavanana araka izany no hamahan’izy ireo ny olana. Manaraka ny raharaha avy hatrany anefa hoy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny mponina, ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, distrikan’I Betafo, ANDRIAMAROSOLO Rivo Harifetra raha vao fantatr’izy ireo ny tranga. Mila hamoraina ireo dingana lalovana amin’izany hoy izy. Ohatra ny fanamorana ny famoahana ny taratasy fanamarinam-pahasalamana, manaraka izany ihany koa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Mila hampahafantarina ny mponina ny lalàna sy ny dingana arahina ary mila araha-maso tsara ny fampiharana ny sazy hoy ny tanora RAMAMONJISOA Lova Niaina Patrick, satria misy ireo tsy maty manota. Anisan’ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tranga moa araka ny filazan’ireto vahiny ireto ny tsy fananana asa fa indrindra ny fifohana zavamahadomelina. Tokony averina atao taranja matanjaka any ampianarana ny fitaizana ho olom-banona hoy ny Ben’ny tanàna lefitra ao Betafo, Randriamiandra Zolnirina. Tokony apetraka hoy izy ireo ny ivon-toerana fandraisana fitarainanana sy fanomezana torohevitra eny amin’ny Kaominina ary indrindra ihany koa ny rafitra mampiaty sy toerana fialamboly ho an’ny tanora.
- IGE : 52 milliards ariary de denier public détourné, la pénalisation des accusés est tant attendue.
-ITG : bref état des lieux en Afrique
- Journée Mondiale du tourisme : les Patrimoines à Promouvoir
-Semaine du génie électrique à Vontovorona : focus sur la transformation des déchets en électricité.
-52 miliards ariary ny fananam-panjakana voahodikodina tao anatin’ny 8 volana, andrasana ny tohin’ny raharaha.
-I Afrika sy ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-medikaly.
- Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany : Homena sehatra manokana ny vakoka
-Herinandron’ny « génie électrique » eny Vontovorona : azo avadika ho herinaratra koa ny fako.
- FIA 2022 : les agriculteurs adaptent leurs cultures au changement climatique.
- Comment se fait une plaidoirie ?
- Les marchands ambulants de Petite Vitesse Antananarivo commence à revenir petit à petit.
- Le nombre des enfants jumeaux recueillis auprès des centres à Mananjary se réduit.
- Voatery manova paik’ady fambolena ny tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro
- Ny fomba ifehezana ny Haitaky ho an’ny tanora eto Madagasikara.
- Manomboka miverina tsikelikely indray ireo mpivarotra eny amin’ny Petite Vitesse.
- Efa mihavitsy ireo zaza misy manatitra eny amin’ireo ivon-toerana mitaiza zaza kambana ao Mananjary.