L’utilisation et le remboursement des aides financières internationales sont basées sur des contrats établis avec les bailleurs. Un pays fait recours à ces aides lorsque la réserve dans le budget de l’Etat n’est pas suffisante pour subvenir aux besoins de la population. Lorsqu’une somme venant des partenaires correspond à la construction des infrastructures publiques, le remboursement des dettes peut se prolonger sur plusieurs années avec un taux très bas. C’est ce qu’on appelle une « concessionnalité de la dette » selon l’économiste Rado Ratobison. Il y a également l’option partenariat public-privé dans lequel une autorité publique fait appel à des prestataires privés pour financer et assurer la gestion d’un service public. Dans certains cas, si le bailleur est satisfait de l’utilisation de la somme empruntée, il peut annuler le paiement de la dette.
Arakaraky ny fifanarahana atao amin’ny mpamatsy vola ny fandehan’ireo fampindramam-bola avy any ivelany ireny. Manao izay findramam-bola izay ny firenena iray rehefa tsy ampy ny tahirin’ny fanjakana hanefana ny filan’ny mponina. Rehefa misy sorabola mifanaraka amin’ny foto-drafitrasa iombonana ireny dia matetika amin’ny fotoana maharitra ny famerenana ilay vola miaraka amin’ny taha ambany dia ambany. Izany no antsoina hoe « concessionnalité de la dette » hoy ny mpahay toekarena Ratobison Rado. Mety ho hita amin’ny endriny hafa ihany koa ny famerenena ny vola toy ilay « partenariat public-privé ». Raha ohatra ka mahafapo ny mpampindram-bola ny fampiasàna ilay vola dia azony atao ny manafoana ilay famerenam-bola.
La pratique des us et coutumes engendre une cohésion sociale. C’est ce qui harmonise, orchestre une société. Mais l’objectif en est d’établir la paix entre les membres de cette société. D’un autre côté, de la cohésion ne nait pas forcément la paix. D’autres effets peuvent en découler selon la qualité de la relation qu’entretiennent ces membres. Le débat a commencé par une définition de la culture de la paix. Selon les intervenants, c’est cette culture de la paix qui maintient la société en vie, l’organise, et la structure. Pour que la paix se consolide en pratiquant les us et coutumes, il faut tout d’abord respecter la hiérarchie sociale selon Niranto Rabearson du Rary Ary Analamanga. Rary Aro Mada est un projet de l’Unesco, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, qui vise à renforcer l'engagement des jeunes dans la défense des droits de l’homme. Pour Gérard Rakotonirina, journaliste, il faut surtout respecter la culture. Chaque région, chaque localité a sa propre culture. Et il faut profiter de cette diversité pour consolider la paix à travers les us et coutumes. Certes, certaines pratiques font blocage au développement. Mais néanmoins, les anciens cherchent toujours la justice dans toute situation de confrontation.
Ny fanatanterahina ireo fomba amam-panao no miteraka fifampikasohana ara-tsosialy. Izay no mampirindra sy mandamina ny fiaraha-monina. Ny tena tanjona anefa ny hisian’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eo amin’ny mpiara-belona. Etsy an-daniny, tsy voatery ho filaminana sy fandriam-pahalemana foana no mimpoitra avy amin’izay fifampikasohana izay. Misy vokany hafa mivoitra eo arakaraky ny kalitaon’ny fifandraisana ao amin’ilay fiaraha-monina. Nanomboka tamin’ny famaritana ny atao hoe kolontsain’ny filaminana sy fandriam-pahalemana ny ady hevitra. Araka ny nambaran’ireto mpandray anjara, ity kolontsainan’ny filaminana sy fandriam-pahalemana ity no mamelona ny fiaraha-monina, mandrindra sy mitazona azy hitsangana. Mba hanamafy orina izay filaminana izay, mila hajaina ny atanan-tohatra eo an’ivon’ny fiaraha-monina, hoy I Rabearson Niranto nandritra ny ady hevitra. Ny Rary Aro Mada dia tetikasan'ny Unesco, vatsian'ny Fonds pour la consolidation de la paix, izay mikendry ny fampandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy fametrahana fandrimpahalemana. Rakotonirina Gérard, mpanao gazety, kosa nilaza fa ny kolontsaina mihitsy no mila hajaina. Samy manana ny fomba amam-panaony ny faritra tsirairay sy ny toerana tsirairay. Tokony hanararoatra izay fifahasamihafana izay mba hanamafisana orina ny fandriam-pahalemana. Na dia misy aza ireo fomba sasany manakana ny fandrosoana, miezaka hatrany ireo olobe, raiamandreny, hanaja ny rariny manoloanana tranga iray.
« La musique au service de la nature », tel est l’intitulé du concert MAMAFY qui s’est tenu à Andohalo le 1er octobre dernier, pour célébrer la journée internationale de la musique. Mais quelle est la mission des artistes face aux problématiques de notre époque ? Selon Rolf Razafindrakoto, un des protagonistes du mouvement, il faut dénoncer le manque de civisme et la perte des valeurs ancestrales, en tant que musicien. Il appelle donc la jeunesse à se réveiller et à s’unir. Pour ce faire, il a mis en avant des associations œuvrant dans l’éducation, les droits humains et l’environnement. Ces dernières travaillent sans repris au niveau des écoles et dans la société. Ce sont les vrais héros du développement insiste Rolf. « Rano », « Tany », ou encore « Aza », figurent parmi les chansons militantes de Rolf pour la nature.
« Ny mozika miasa ho an’ny natiora », izay no lohateny nampitondraina ilay hetsika MAMAFY natao teo Andohalo, ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika ny 1 Oktobra lasa teo. Inona ary no adidin’ny mpanakanto manoloana ireo olana goavana misy ankehitriny ? Manazava i Razafindrakoto Rolf, mpandray anjara fototra amin’ny hetsika MAMAFY, fa maro ireo olana mitranga eo amin’ny fiaraha-monina amin’izao noho ny fahaverezan’ny soatoavina. Ny mozika hoy izy dia fitaovana enti-manentana ny olom-pirenena handray andraikitra sy hiray hina. Tohana ho an’ ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana ihany koa ny hetsika MAMAFY amin’ny fanomezana sehatra azy ireo. Ankoatra ny mozika, mitety sekoly ihany koa ireo mpisehatra manao fanentanana sy mampianatra maimaim-poana. Ho an’i Rolf manokana, maro no sangan’asa efa navoakany mahakasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana nanomboka tany amin’ny taona 1990, toy ny « Rano », « Tany » sy « Aza ».
- Les feux de brousse à Madagascar deviennent un rituel annuel, mais qu’est ce qui se passerait pour les futures générations d’ici quelques années ?
- Les critères d’évaluation des politiques et des institutions en Afrique selon la Banque mondiale
- Le code pénal malgache concernant la peine de mort n’est pas encore à jour.
- Mode malgache : participation au Fashions Week 2023 à Milan pour le premier prix du concours « Mode Durable »
- Doro ala sesilany isan-taona eto Madagasikara : tandindomin-doza ireo taranaka afaka taona vitsivitsy.
- Ireo fepetra fanombanana ny politika sy ny andrim-panjakana aty Afrika araka ny Banky iraisam-pirenena.
- Mbola tsy voafafa anaty lalàna famaizana Malagasy hatramin’izao ny lalàna manameloka ho faty.
- Lamaody malagasy: makany amin’ny « Fashions Week » 2023 any Milan izay mandrombaka ny fifaninanana « Mode Durable »
- Epidémie de tuberculose survenue dans le parc botanique et zoologique Tsimbazaza : un danger alarmant qu’on aurait pu éviter à temps.
- Océan Indien : la deuxième tempête tropicale précoce « Balita » s’est affaiblit en mer.
- La maladie mentale due à la pornographie touche également les mineurs à Madagascar.
- La semaine de la langue italienne pour honorer la langue et la culture italienne.
- Aretina raboka hita amin’ireo biby ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza : loza manambana tokony ho voasoroka ara-potoana.
- Ranomasimbe Indiana : lefy ny herin’ilay fiforonana rivodoza lasa aloha « Balita ».
- Misy amin’ireo tanora marary saina vokatry ny fijerena sary mamoafady no mbola tsy ampy taona.
- Hivelarana amin’ny sehatra asa maro ny fahafehezana ny teny Italianina.
L’acné, ou l’apparition des boutons pour la majorité des cas, sur le visage, ou d’autres parties comme le dos ou le cou, fait partie d’une maladie inflammatoire de la peau. Elle apparait souvent à partir de l’âge de puberté à cause des petits disfonctionnements de l’organisme comme les troubles hormonales. Elle peut donc nous paraître normal, jusqu’à ce qu’on arrive à une étape où nous devenons adultes, mais que l’acné s’intensifie. En ce cas, l’acné résulte de la caractéristique d’une peau graisseuse. Les médecins conseillent de ne surtout pas essayer de les éliminer en les touchant. Il vaut mieux consulter un spécialiste en dermatologie pour soigner les acnés sévères.
Anisan’ny aretina mampivaivay mpahazo ny hoditra ny mony, na ireo kibontsibontsina mipoitra eny amin’ny tarehy sy ny faritra sasany amin’ny vatana toy ny lamosina sy ny tenda. Manomboka amin’ny taonan’ny adolatsento izy io no tena mipoitra, vokatry ny fikorontanan’ny risik’aina madinidinika, ary raha ny tokony hoizy dia mialefy tsikelikely rehefa efatra na dimy taona aty aoriana. Olona manana karazan-koditra matavy no tena hitrangan’izay ka tsy azo atao mihitsy ny mikitikitika azy fa tokony manantona mpitsabo hoditra avy hatrany mba tsy hampihitatra azy ho tonga amin’ilay antsoina hoe “acnés sévères”.
Reportage
Sahanala est une entreprise sociale œuvrant dans 5 grandes filières : la vanille, les noix, la transformation, l'hôtellerie et la pêche. Les bénéfices reviennent directement aux paysans membres et ils ont pu construire des infrastructures. Dans l'éducation par exemple, deux écoles et des points d'eau ont été construits dans les villages de Madirobe et Mosorobe, Vohemar, grâce à la filière vanille. Ainsi les élèves ne font plus des kilomètres de route pour aller à l’école. Les résultats scolaires s'améliorent.
Interview
Le club Vintsy est une organisation rassemblant les jeunes et les étudiants. Sa mission principale est d’inciter et d’éduquer les citoyens à la conservation de l’environnement. Il est implanté dans les écoles primaires, secondaires, lycées et universités. L’ « Amis de Vintsy » est actuellement mis en place pour les jeunes qui n’étudient plus mais veulent contribuer au développement et à la préservation de l’environnement. Concernant le magazine Vintsy, son édition s’est arrêtée depuis 2016 afin de réduire la coupure des arbres pour la fabrication de papier.
Astuces : Découvrons ensemble comment faire des engrais naturels avec le marc de café, la peau de banane et les coquilles d’œufs.
Reportage
Sahanala dia orinasan'ny tantsaha misehatra amin'ny seha-pihariana dimy: ny lavanila, ny voamaina, ny fizahan-tany, ny famadihana ny akora ho vokatra azo aondrana ary ny jono. Miverina mivantana amin'ireo tantsaha ny tombony ka efa nahavitan'izy ireo nanangana fotodrafitr’asa maro. Raha ny lafiny fampianarana: sekoly roa sy fatsakan-drano ho an'ny mpianatra no najoro tao Madirobe sy Mosorobe, Vohemar, noho ny vokatra lavanily ka tsy mandeha alavitra sy miampita rano toy ny teo aloha intsony ny mpianatra. Mihatsara ny voka-panadinana.
Interview
Ny club Vintsy dia fikambanana mampivondrona ireo ankizy sy tanora hitia sy hiaro ny tontolo. Mipetraka eny anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina ny club Vintsy. Misy azy avokoa ny ambaratonga fototra, ny ambaratonga faharoa, ny lisea sy ireo oniversite. Ny fitaomana ny mpiara-belona hikajy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo no tena atao anatin’izany fikambanana izany. Ho an’ireo tanora tsy mianatra kosa dia efa misy ilay antsoina hoe « Amis de Vintsy » azon’izy ireo hidirana raha te handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolo iainana. Mahakasika ilay Boky Vintsy indray dia efa tsy misy intsony ny fanontana azy nanomboka ny taona 2016 ho fanenana ireo hazo tapaka hanaovana boky raha ny fanazavan’i Rafanomezantsoa Hordega izay tompon’andraikitry ny seraseran’ny Univers Vintsy Tana.
Astuces : Fikafika fanamboarana zezika amin’ny alalan’ireo akora tsy ampiasaina ao an-tokantrano toy ny tain-kafe, ny hoditr’akondro ary ny koran’atody.
L’angine se déclenche souvent pendant l’hiver. Lorsqu’elle se manifeste, on a du mal à avaler et à manger. Pour y remédier, on peut faire du gargarisme pendant 5 minutes par jour avec un mélange de citron et miel pour atténuer la douleur. On peut aussi utiliser du thym, soit on le boit comme un thé soit pour un gargarisme. L’automassage avec des huiles essentielles sur la partie du cou est également efficace. Et pour la nourriture, il est déconseillé de manger des produits trop acides pour la simple raison que ça accentuera encore plus la douleur à la gorge.
L’ascite est une maladie caractérisée par un ventre gonflé et rempli d’eau plus que le normal. Selon le Dr RAMANANTSOA Tahiana, l’ascite est la manifestation d’une autre maladie comme la maladie du foie, du cœur, ou des reins. Il faudrait alors identifier l’organe malade et la soigner, avant de traiter l’ascite. L’ascite pourrait être fatale si on ne la diagnostique pas à temps. Plus le corps est rempli d’eau, plus la personne a du mal à respirer et pourrait mourir suffoquée.
Anisan’ny tena mpahazo ny areti-tenda na ny angine rehefa mangatsiaka ny andro. Tsy mahatelin-kanina mihitsy isika indraindray. Azo ampiasaina hanalana izany ireto vokatra natoraly ireto : ny voasary makirana sy ny tantely izay anavaona gararaka isan’andro mandritin’ny 5 minitra eo. Eo ihany koa ny ditaha na ny thyn izay sady afaka anaovana gararaka no atao dite sotroina isan’andro. Anisan’ny azo hanalana ilay marary koa ny fanorana ny tenda amin’ny lohamenaka na huiles essentielles. Safidiana ihany koa ny sakafo hohanina rehefa mihetsika ilay angine, fadiana ny sakafo be asidra na sakafo marikivy, toy ny voasary ohatra na mananasy, ary ny sakafo be menaka.
Ny aretin’ny fivontosan’ny kibo na ny « ascite » dia ny fisian’ny rano mihoatran’ny tokony ho izy anatin’ny vatana. Nambaran’i DR RAMANANTSOA Tahiana anefa fa tsy aretina manokana ny fivontosan’ny kibo na ny « ascite » fa vokatry ny aretina hafa toy ny aretin’ny voa, aretin’ny fo na ihany koa aretin’ny aty. Mila fantatra ilay taova marary ary iny no tsaboina, mety hitarika any amin’ny fahafatesana ihany koa ilay rano rehefa feno loatra ny vatana satria ho feno rano ny vatana ary hanempotra.
Alternative Madagascar est une association de jeune créée en 2020 pendant la période de COVID-19 par des jeunes engagés. Ils ont mis en place le projet Espoir 2.0 pour aider les professionnels de sexe à se retirer de cette profession en les formant à faire d’autres activités tels que la cuisine, la couture, etc… Plus de 140 jeunes femmes à travers 8 régions de Madagascar ont pu être formées, nous explique Matthieu Narendra.
Pour améliorer l’état de la sécurité à Madagascar et promouvoir la lutte contre la violence basée sur le genre, Midera Andriamalala et son équipe ont créé une application nommée « SHE’LD » qui veut dire « Bouclier pour femme ».
Fikambanana tanora niforona tamin’ny taona 2020 teo ny Alternative Madagascar. Tao anatin’ny fotoana nampafana ny Covid 19 no nananganan’izy ireo ny fandaharan’asa Espoir 2.0 mba hanampiana ireo tovovavy mpampanofa tena hiala amin’izany amin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo amina asa madinika toy ny zaitra, fikarakarana sakafo, sns… 140 izao ireo tovovavy manerana ny faritra 8 eto Madagasikara no efa nahazo fiofanana hoy i Matthieu Narendra, filoha mpanorina ny fikambanana.
Mitondra ny anjara birikiny amin’ny ady amin’ny herisetra mifantoka amin’ny mahalahy sy ny mahavavy i Midera Andriamalala sy ny ekipany amin’ny alalan’ny famoronana rafi-baiko mitondra ny anarana hoe « SHE’LD ».
CAF 2022 : Elgeco plus affronte le Marumo Gallants FC.
Musculation Antsohihy : des compétitions à venir pour 2022.
Rallye international de Madagascar : Plus de 193 km de route à parcourir.
Tennis : Sampras Rakotondrainibe participe au championnat régional interuniversitaire du Nord-Est des États-Unis.
CAF 2022 : Elgeco plus hifandona amin’ny Marumo Gallants FC.
Fanatanjahan-kozatra Antsohihy : Hisy amin’izay ny fifaninanana amin’ny taona 2022.
Rallye international de Madagascar : Lalana maherin’ny 193 km no hilalaovana.
Taranja tenisy : Mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Etazonia amin’ny faritra avaratra atsinanana i Sampras Rakotondrainibe.
Au cours de ces 7 derniers jours, entre la fin DU mois de septembre et le début du mois d'octobre, 5 pays ont signalé le plus grand nombre de nouveaux cas. Il s'agit de l'Allemagne, la Chine, la France, le Japon et la Federation de Russie. Les cas recensés varient entre 240 000 et 400 000 pour chaque pays.
Sur la même période, en Afrique, plus de 5 200 nouveaux cas ont été déclarés, repartis principalement dans la partie Sud et partie Est du continent. Ce qui représente une hausse de 15% par rapport a la Semaine précédente.
Aiza ny foiben'ny coronavirus amin'izao fotoana izao?
Firenena 5 no ahitana tranga vaovao betsaka indrindra amin'ny covid-19 tao anatin'ny herinandro izay. Izany hoe teo anelanelan'ny faran'ny volana septambra sy fiandohan'ny volana oktobra. Ireto izany : Allemagne, Sina, Frantsa, Japana sy ny federasionan'ny ny Rosia. Manodidina ny 240 000 hatramin'ny 400 000 avy ny tranga voamarina isaky ny firenena.
Aty Afrika indray, Raha tamin'iny herinandro lasa iny ihany, dia maherin'ny 5200 ny totalin'ny tranga vaovao. Miparitaka kokoa aty amin'ny tapany atsimo sy tapany atsinanan'ny Afrika ireo. Nahitana fiakarany 15% io Isa io Raha oharina tamin'ny tapa-bolana lasa.