- 8000 personnes cibles pour l’obtention de copies et de cartes nationales d'identité à Antalaha, dans une opération massive gratuite.
- Salon d'orientation à Mananjary : le parcours de formation à suivre après avoir passé l'examen du baccalauréat doit être choisi dès le lycée.
- Les chauffeurs de taxis urbains et de motos-taxis d'Antsohihy ont partagé leurs expériences et ont cherché des moyens afin d'améliorer leur travail.
- Olona 8000 no kendrena hahazo kopia sy kara-panondrom-pirenena ao Antalaha, amin’ny hetsika fanaovana kopia faobe.
- Salon de l’Orientation ao Mananjary : Eny amin’ny lycée dia efa mila fantarina ny lalam-piofanana arahina rehefa afaka fanadinana bakalorea.
- Nifampizara traikefa sy nitady fomba hanatsarana ny asany ireo mpamily taxi ville sy taxi moto ao Antsohihy.
Payer les impôts est un devoir et une responsabilité de chaque citoyen comme prescrit dans le code général des impôts- CGI. On peut catégoriser 3 différents types d’impôts, à savoir les impôts sur le revenu, les impôts généraux et les impôts locaux, constituant chacun des sous-types. Le non –payement de ces derniers est puni par la loi.
Adidy tsy maintsy hefain’ny olom-pirenena ny fandoavan-ketra ary voarakitra ao anatin’ny code général des impôts- CGI ny mombamomba azy rehetra. Misy karazany telo lehibe izy io, ao ny hetra amin’ny fidiram-bola, ny hetra miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ary ny hetra hefaina amin’ny fananana. Mahavoasazy sy heverina ho tsy fanarahan-dalà na ny tsy fandoavan-ketra araka ny tokony ho izy.
Les jeux au bord de la mer de Mahajanga seront temporairement suspendus après un accident de manège.
Les étudiants regroupés dans le Grand Sud réclament des logements à l'université de Barikadimy Toamasina.
La plupart des organisations féminines de Mananjary ne prennent leurs responsabilités que le 8 mars.
Hampiatoana vonjimaika ireo kilalao manamorona ny sisin-dranomasina ao Mahajanga taorinan’ny fianjerana manège iray.
Nitaky ny fanomezana ny trano fonenana ao amin’ny anjerimanontolon’i Barikadimy Toamasina ireo mpianatra mivondrona ao amin’ny Grand Sud.
Rehefa 08 Marsa ihany vao mandray andraikitra ny ankamaroan’ny fikambanam-behivavy ao Mananjary.
- La famille des victimes de la collision entre un boutre de marchandises et d’une vedette transportant des passagers, survenue à Antsohihy attend la punition du pilote du bateau.
- Certains maires de la région Bongolava exigent la destitution du Prefet de Tsiroanomandidy.
- Le comité de base de Nosy Be encourage les jeunes à suivre une formation professionnelle.
- Miandry ny hanasaziana ny mpanamory ilay botry nitondra entana, nandona vedette nitondra olona tany Antsohihy ny fianakavian’ny maty.
- Mitaky ny hanalana ny lehiben’ny boriborin-tany ao Tsiroanomandidy ny sasany amin’ireo Ben’ny tanà na any amin’ny faritra Bongolava.
- Mamporisika ny tanora hiofana ara-kasa ny vondron’olona ifotony ao Nosy be.
Reportage
Nous sommes actuellement dans la période d’intersaison. Une période où les feux de brousse sont accrus.  Il fait chaud et très venteux, une petite étincelle peut se transformer en grand feu. Les directions régionales de l’environnement se préparent. Les régions Boeny et Menabe nous font part de leurs stratégies de lutte contre le feu. Les points communs : la sensibilisation et la dotation de matériels de chaque localité.
Interview
Alamino est une plateforme mis en place par INDRI. Elle regroupe plusieurs acteurs œuvrant dans le reverdissement et la reforestation à Madagascar. Depuis sa création en 2021, la plateforme Alamino a pu définir quelques solutions à mettre en œuvre pour la gestion des feux et pour assurer une reforestation réussi. Linjasoa Rakotomalala, chargée de mission et chercheur au sein d’INDRI.
DIY
Quelques astuces pour réutiliser les épluchures de fruits et légumes tels que les épluchures de pommes, pomme de terre, oignons et des peaux de banane.Â
Reportage
Anaty vanim-potoana antsoina hoe manasara-taona isika ankehitriny. Amin’izao no mahabe doro-tanety sy doro ala indrindra satria sady maina no mandrivotra. Na pitik’afo kely aza dia mety hahatonga afo lehibe. Efa samy manana ny paikady hiatrehana izany ireo fitaleavam-paritry ny tontolo iainana tsirairay, mizara ny paikady hampiharin’izy ireo ny avy ao Boeny sy Menabe. Ny fomba fiasa hiraisana dia miainga amin’ny fanentanana amin’ny endriny maro sy ny fampitaovana araka izay tratra. Â
Interview
Isan’ireo tetikasa niforona mba hanatrarana ny fanamaitsoana an’i Madagasikara ny fametrahana ny vovonana Alamino. Ny INDRI no nanangana izany tamin’ny taona 2021, mampivondrona ireo mpisehatra maro amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nisy tsoa-kevitra roa navoakan’izy ireo dia ny fomba fitantanana ny afo sy ny fomba fambolena hazo araka ny tokony ho izy mba hahazoana vokatra tsara. Resadresaka niarahana tamin’i Linjasoa Rakotomalala,  mpikaroka eo anivon’ny INDRI.Â
DIY
Fikafika azo hampiasana ireny hoditra legioma sy voankazo toy ny hoditra paoma, ovy, akondro ary tongolo.
La violence économique basée sur le genre s’explique par le partage inégal des biens ou de l’argent entre un couple. Cet acte de violence peut être perpétré par chacun d’entre eux. La cause peut être le complexe de supériorité de celui qui apporte plus d’argent par rapport à l’autre dans le foyer, l’envie de dominer, etc. La violence économique entraîne des conséquences physiques et morales sur le/la victime. Gilbert Mahazoarivo, responsable de « Men Engage » dans la Région Anosy, un projet de l’ONG Capacity Building for Communities, nous en dit plus sur le sujet.
Ny hoe herisetra ara-toekarena mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy dia fitanilana eo amin’ny fitsinjarana ny fananana iombonana eo amin’ny mpivady. Mety samy hanao an’io avokoa na ny andaniny na ny ankilany. Ny antony dia ny fiheveran-tena ho nampidi-bola misimisy kokoa sy fiheverana ny tena ho ambony noho ny vady ka afaka manapan-kevitra kokoa. Misy vokany ara-batana sy ara-tsaina eo amin’ilay iharany ny herisetra ara-toekarena izany. Manazava mikasika izany ny tompon’andraikitry ny « Men Engage » izay tetikasa iray tanterahin’ny ONG CFORC (Capacity Building for Communities) ao amin’ny Faritra Anosy, Mahazoarivo Gilbert.
Andrianirina Miharisoa Manitriniaina et Razafintsoa Tsihoarana Andrianina, tous les deux étudiants en communication vont aujourd’hui parler des sujets suivants :
Haneho hevitra momba ireo vaovao nisongadina nandritra ity herinandro ity indray i Andrianirina Miharisoa Manitriniaina sy Razafintsoa Tsihoarana Andrianina. Ireto avy ny lohahevitra ho resahina :
Raby Soanandrasana Pamela, Andrianavalomandimby Anjarasoa Finoana et Tovonantenaina Roméo vont discuter des thèmes suivants :
Raby Soanandrasana Pamela, Andrianavalomandimby Anjarasoa Finoana ary i Tovonantenaina Roméo no vahinin’ny fandaharana androany. Ireto avy ireo lohahevitra ho resahina :
Comme tous les vendredis, nous tendons de nouveau nos micros aux jeunes. Rakotondrasoa  Karen, Rasoanaivo  Fréderic et Rakotondrandria Alferi vont exprimer leur opinion sur la hausse des prix, la vaccination Covid-19 et les activités de vacances.
Haneho hevitra mikasika ny fiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fahavitrihana hanao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 sy ireo zavatra azo atao mandritra ny fialan-tsasatra ireo tanora vahinin-tsika androany. Hahenoana an’i Rakotondrasoa  Karen, Rasoanaivo  Frederic sy Rakotondrandria  Alferi.Â