COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

vendredi, 26 août 2022 12:55

Le Journal du 26 Août 2022

- Bilan du Salon de l’Etudiant et de l’Emploi 2022 : les jeunes bacheliers étaient plutôt Etudes.

- Refonte du code minier : Les parties prenantes suivent de près l’issue de la consultation nationale.

- Un district sur trois est doté d’un tribunal de première instance à Madagascar.

- Prise en charge des malades mentaux errants : les premiers soins pour l’hôpital et le reste pour la famille.

- Salon de l’Etudiant et de l’Emploi 2022 : Nirona betsaka tany amin’ny fianarana ny tanora.

- Fanavaozana ny fehezan-dalana mifehy ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara:  manara-maso akaiky ny tohin’ny raharaha ireo voakasika.

- Distrika iray amin’ny telo ihany no manana lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Madagasikara.

- Fikarakarana ireo marary saina mirenireny : ny fitsaboana voalohany no an’ny hopitaly fa ny ambiny an’ny fianakaviana. 

vendredi, 26 août 2022 12:49

Le Journal des régions du 26 Août 2022

- Bongolava : clôture du festival Tamaboa - TAnora Mirary Andrin'ny BOngolava Avaratra.

- Vakinankaratra : plantation de maïs dans la région de Vakinakaratra pour subvenir au besoin alimentaire des régions affectées par le kere.

- Toamasina : 16 fokontany pilotes bénéficieront chacun d’un petit projet de développement local. 

 

- Bongolava : nifarana androany ny festival TA.M.A.BO.A - TAnora Mirary Andrin'ny BOngolava Avaratra.

- Vakinankaratra : Hamokatra katsaka hamatsiana ny banki-tsakafo any Atsimo ny faritra Vakinankaratra.

- Toamasina : hisy fotodrafitrasa isam-pokontany hiarahana amin’ireo orinasa manerana ny kaominina.

Les hommes sont les principaux consommateurs et utilisateurs des produits aphrodisiaques. Il en existe plusieurs tel le cola, viagras, katy etc. D’après les consommateurs, c’est pour éviter l’éjaculation précoce lors d’un rapport sexuel. Mais ces produits peuvent être néfastes pour la santé parce qu’ils sont considérés comme trop stimulants. Ça augmente le risque d’une hypertension. En tout cas, il existe d’autres produits naturels pour renforcer la virilité comme les gingembres, les poivres, etc.

 

Il existe trois types de maladie de la prostate. Le premier c’est le gonflement de la prostate ou hypertrophie bégnine de la prostate. Le deuxième c’est le cancer de la prostate. Et le troisième c’est la prostatite : la prostate est affectée par des microbes. Selon le Dr RAZAFITAHIANJANAHARY Clarat Lucien, chirurgien urologue. Il a rajouté que la taille de la prostate grandit avec l’âge et qu’il n’existe pas de traitement particulier à faire, en dehors d’une bonne hygiène intime.

Ny lehilahy no tena anisan’ny mihinana sy mampiasa ireo vokatra sy/na sakafo mampientanentana na ireo « produits aphrodisiaques » amin’ny ankapobeny. Maro karazany izy ireny, toy ny katy, ny cola, ny viagra sns. Matetika dia ny mba hitazomana ela ny fahatongavan’ny ranon’aina na ny « sperme » eo ampanaovana firaisana ara-nofo no hihinanana azy ireny hoy ireo mpihinana. Mety hisy voka-dratsy ho an’ny fahasalamana anefa izy ireny noho izy diso mampientanentana loatra toy ny fiakaran’ny tosi-drà tampoka. Azo asolo azy ireo vokatra natoraly hafa toy ny sakamalaho, ny dipoavatra, sns.

 

Misy telo ny karazan’aretina mety hahazo ny prostate, mandrafitra ny taovam-pananahan’ny lehilahy. Eo ny fivontosan’ny prostates na ny « hypertrophie begnine ». Eo koa ny homamiadan’ny prostate. Ary ny farany dia ny prostatite izany hoe tratran’ny mikraoba ilay prostate hoy i DR RAZAFITAHIANJANAHARY Clarat Lucien, manam-pahaizana manokana momban’ny fananahana. Mitombo araka ny taona ny haben’ilay prostates, ary tsy dia misy fisorohana atao firy fa ny fitandroana tsara ny fahadiovana no tena ilaina.

vendredi, 26 août 2022 12:12

Sifflet du 24 Août 2022

 - Le championnat national de Volley Ball à Antananarivo entre dans la huitième et le quart de final.

- Barea CHAN s’envole pour Botwana pour affronter le deuxième tour du tournoi CHAN Algérie.

- Judo : les Malgaches ont remporté trois médailles d'or et une médaille de bronze à l'Open International de Saint-Paul, La Réunion.

- Hiditra amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana sy ampahefa-dalana ny fifaninanam-pirenena amin’ny Volley eto Antananarivo.

- Niazo an’i Botswana ny Barea CHAN hiatrika ny lalao mandroso amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanan’ny CHAN Algérie.

- Judo : nitondra medaly volamena telo sy medaly alimo iray ny malagasy tany amin’ny Open International de Saint-Paul, La Reunion.

On étudie tous les phénomènes physiques dans le monde dans la filière physique, que ce soit les éléments et  les mouvements autour de la terre, de l'air, de l'eau ou du ciel, etc. On étudie  l'électricité, les physiques appliquées à l'environnement, la physique nucléaire, la physique quantique, la production d'énergie, les énergies renouvelables, l'astronomie, les ondes sonores, etc. Les étudiants en physique se distinguent par leur capacité à créer des appareils électroniques et également à créer le système interne ou informatique, c’est-à-dire le logiciel. Les diplômés peuvent travailler dans la production d'énergie, le développement de la technologique, la télécommunication, les médias, les centres de recherche, etc. Le sortant Tia Nomena Rabemanantsoa nous parle de sa spécialité, il a obtenu un diplôme master 2 en systèmes électronique et informatique. Il s’est formé particulièrement dans la radioastronomie et a travaillé dans ce qu’on appelle le « data science ».

Mianatra mikasika ny trangan-javatra fizika rehetra eto amin’izao tontolo izao ny lalampiofannaa physique. Izay hetsika sy singa rehetra manodidina ny tany, ny rivotra, ny rano, ny eny amin’ny lanitra sns. Ao ohatra ny  fikarohana mikasika herinaratra, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fizika nokleary,  ny famokarana angovo, ny haikintana, ny angovo azo avaozina, ny onja toy ny feo sns. Mampiavaka ny mpianatra momba ny physique ny fahaizana mamorona fitaovana elektronika sy mamorona ihany koa ny rafitra anatiny na ny kajy mirindra mampandeha io fitaovana io. Afaka miasa amin’ny famokarana angovo, fampandrosoana ny teknolojia, ny asa manodidina ny fifandraisan-davitra,  ny haino amanjery, ny ivotoeram-pikarohana sns ireo mpianatra nivoaka avy amin’izany. Mitantara ny fiofanany manokana I Rabemanantsoa Tia Nomena, nahavita ny master 2 en système électronique et en informatique. Niofana manokana mikasika ny « radioastronomie », na ny fandinihana ny zavamisy eny amin’ny lanitra amin’ny alalan’ny onjampeo izy ary niasa tamin’ilay atao hoe « science de données » .

Le divorce par consentement mutuelle implique que les deux époux mettent fin à leur relation sans aucune faute commise. Il n’y a que le divorce pour faute, posé par la loi 2007-022 qui est applicable à Madagascar et qui nécessite que l’un des époux ait commit une violation des obligations du mariage pour qu’il y ait divorce. Selon les explications de l’avocate au barreau de Madagascar, Verohanta Ranaivoson, le consentement mutuel n’a pas été mise dans cette loi parce qu’elle doit tout d’abord être conforme aux traditions et aux mœurs de la société malgache. Et pour la changer il faut que les acteurs législatifs, comme les avocats par exemple, doivent interpeller la législation sur la non-conformité de la loi par rapport à la société actuelle. Le tribunal malgache n’accorde le divorce par consentement que pour les époux ayant contracté le mariage dans un pays où cette loi est appliquée.

 

 

 

Ny fisaraham-panambadiana hifanarahana midika fa tsy misy ny fahadisoana eo amin’ny iray amin’ny mpivady no hisarahana fa nifanaraka izy ireo. Ny lalana 2007-022 misahana ny fanambadiana eto Madagasikara dia tsy mandray an’izay karazana fisaraham-panambadiana izay fa fisarahana noho ny fisiana adisoana eo amin’ny iray amin’ireo mpivady no ekeny. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava eo anivon’ny Tribonalin’i Madagasikara, Verohanta Ranaivoson, dia tsy misy izany satria tsy maintsy mifanaraka amin’ny fomba amam-panao eo amin’ny fiaraha-monina malagasy ny lalàna mihatra eto amin’ny fiaraha-monina. Ary mba hanovana izany, ny mpampiasa lalàna, toy ny mpisolovava ohatra, dia tsy maintsy manamarika eo an’ivon’ireo mpanao lalàna fa tsy mifanaraka amin’ny fiaraha-monina ankehitriny intsony io lalàna io. Ny fitsarana malagasy dia manome alalana ny fisaraham-panambadiana hifanarahana hafa-tsy ho an'ireo mpivady nanao fanambadiana tany amin'ny firenena izay mampiharatra izany.

 

jeudi, 25 août 2022 13:35

Le Journal du 25 Août 2022

- Les nouvelles séries L, S, OSE ont apporté un surplus pour les étudiants à l’université.

- Code Municipal d’Hygiène : les clients de gargotes insalubres ne sont pas habitués à porter plainte.

- Carrière de portraitiste: un nouveau monde professionnel exploitable pour les jeunes talentueux malgaches.

- Chine-Taiwan : entre distorsion et réunification ?

- Liana amin’ny vatsim-pianarana any ivelany ny ankamaroan’ny mpianatra vao afaka Bakalorea ao Toamasina. 

- Fahadiovana ara-tsakafo eny amin’ny trano fisakafoana : tsy manana fahazarana mitaraina eny amin’ny kaominina ireo mpanjifa.

- Haiteny, azo hampanarahina vanin-potoana ny kabary.

- Chine-Taiwan : fifandirana sa fifanarahana ?

- Bongolava : pas de frais pour les  dépôts d’argent Mvola auprès des cash point.

- Toliara : recommandations pour la lutte contre la corruption et l’exploitation illégale des tortues radiées.

- Amoron’i Mania : un format livre du « dinam-paritra » sera distribué aux autorités concernés.

- Bongolava : tsy azo hangalàna sarany ny fametrahana vola na « dépôt » eny amin’ny Cash point.

- Toliara : soso-kevitra hampihenana trangana kolikoly miantraika any amin’ny fiarovana ny sokatra.

- Amoron’i Mania : ho hatonta boky ny dinam-paritra ary hamparitaka isaky ny mpisehatra. 

jeudi, 25 août 2022 11:42

Des conseils santé pour les vacances

Andry Tiana RAMAROSANDRATANA, naturopathe, donne quelques conseils à ceux qui ont le mal des transports. Pour éviter les vomissements dans la voiture, on peut utiliser du charbon végétal et de l’argile verte pour alléger l’estomac.  

Pendant les vacances, il faut des soins adaptés pour la peau selon la dermatologue DR Fandresena SENDRASOA. Ainsi, le bronzage est déconseillé du fait que le soleil vieillit rapidement la peau si on s’y expose trop souvent.

Elle explique également l’origine du vitiligo (dépigmentation de la peau) et rassure que celui-ci n’est pas contagieux. Cette maladie de la peau se manifeste surtout pendant la saison chaude.

Misy amintsika mety tsy mahazaka mandeha fiara lavitra rehefa hiala sasatra iny. Manome torohevitra momba izay i RAMAROSANDRATANA Andry Tiana, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry na naturopathe. Ny charbon végétal sy argile verte hoy izy dia manamaivana ny vavony, ka afaka misoroka na manala ilay maloiloy  na ilay te handoa iny.

Mila haintsika koa ny mikarakara ny hoditra rehefa mandeha amin’ny toerana. Araka ny fanazavan’i Dokotera SENDRASOA Fandresena, tsy dia tsara loatra ny fanaovana ireny bronzage ireny satria manafaingana ny fahanteran’ny hoditra. Tsy mitombona koa, hoy izy, hoe mifindra amin’ny samy olona ny aretin’ny hodi-potsy. Amin’ny andro mafana no tena miseho izy ity. Ny fanatonana mpitsabo ihany no tokony atao indrindra ho an’ireo olona tsembo-dava ohatra.

jeudi, 25 août 2022 11:24

Sifflet du 21 Août 2022

- CAN U23 : Madagascar affronte les Seychelles au premier tour du tournoi.

- BAREA CHAN : la liste des 23 joueurs qui rencontreront le Botswana a été publiée.

- Madagascar participera à la compétition Africaine de football scolaire.

- Trois compétitions nationales, U14, U16, Vétéran, se dérouleront dans trois régions différentes à Madagascar.

- Les tournois nationaux de volley-ball U14 hommes et femmes, U19 femmes et U21 hommes et la deuxième division Madagascar Cup sont en cours.

- CAN U23 : mifandona amin’i Seychelles i Madagasikara amin’ny lalao dingana voalohan’ny fifanintsanana.

- Barea CHAN : nivoaka ny lisitry ny mpilalao 23 hiaona amin’ny Botswana.

- Handray anjara amin’ny fifaninanana Afrikanina amin’ny baolina kitra an-tsekoly i Madagasikara.

- Basket Ball : Fifaninanam-pirenena telo, U14, U16, Vetéran, mandeha amin’ny faritra telo samy hafa eto Madagasikara.

- Ao anatin'ny fifaninanam-pirenena amin’ny volleyball ny U14 lahy sy vavy, U19 vehivavy sy U21 lehilahy ary ny amboaran’i Madagasikara divisiona faharoa.

jeudi, 25 août 2022 10:59

Sifflet du 17 Août 2022

- BAREA : 40 joueurs présélectionnés pour le regroupement au mois de septembre en vue de la préparation de la CAN 2023.

- Les BAREA CHAN joueront un match amical contre le CFFA Andoharanofotsy dimanche à 14h30.

- Le Championnat National de Basket U16 se déroulera à Fort Dauphin du 20 au 28 août.

 

- BAREA : Mpilalao 40 no voafantina mialoha amin’ny fampivondronana amin’ny septambra hanomanana ny fifanintsan’ny CAN 2023.

- BAREA CHAN : hanao lalao ara-pirahalahina amin’ny CFFA Andoharanofotsy amin’ny alahady amin’ny 2 ora sy sasany.

- Hatao any Fort Dauphin amin’ny 20 hatramin’ny 28 aogositra ny fifaninanam-pirenena amin’ny Basket-ball U16.

mercredi, 24 août 2022 13:14

Le Journal du 24 Août 2022

  • Il faut revoir un peu les leçons de l’année dernière pour se préparer à la prochaine rentrée.
  • Les habitants en région subissent la hausse des prix des PPN avec un niveau de vie relativement faible.
  • Festival 321, une opportunité à saisir pour les chorégraphes Malgaches.

  • Mila mamerin-desona kely ihany hanomanana ny fidirana mianatra manaraka.
  • Vatsim-pianarana : Manoka-baravarana ho an’ireo liana handranto fianarana maimaimpoana any ampitan-dranomasina ireo firenen-tsamihafa.
  • Mitokamonina tanteraka ny mponina ao nosy varika vokatrin’ny lalam-pirenena faha 11 tapaka.

mercredi, 24 août 2022 12:43

Le Journal des régions du 24 Août 2022

- Toliara : les étudiants de l’université de Toliara poursuivront leurs grèves jusqu’à ce que leurs demandes soient entendues et réglés.

- Moramanga : la plupart des plaintes reçues auprès de Centre d'écoute est liée à l’adultère.

- Diana : l’aire protégée de Galoko Kalobinono a été incendié hier, 20ha de forêt ont été réduit en cendre.

- Toliara : tsy hitsahatra ny fitakiana hataon’ireo mpianatra raha sy mivaly avokoa ny fangatahany rehetra. 

- Moramanga : Herisetra fampirafesana no maro an'isa voarain’ny  Centre d'écoute Moramanga.

- Diana : may ny alina teo ny faritra arovana Galoko Kalobinono.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter