COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Les jeunes d’Antsiranana commencent à fumer de la cigarette à l’âge de 12 ans. Les plus âgés, autour de 16 ans, prennent du cannabis. Depuis le début de cette année jusqu’au mois de juin, 200 tonnes et 400 kg de cannabis ont été saisis par le groupement de la gendarmerie dans la région Diana. De ce fait, les cas de violences commises par ces jeunes ne cessent d’augmenter. IMBE Venance, sociologue et enseignante ; Marie Ancile, présidente de l’association Fanilon’i Madagasikara et le commissaire central RAMBAO Hugues Zo vont discuter de l’impact du cannabis dans la société à Diégo Suarez. 

Eo amin’ny faha 16 taonany eo amin’ny ankapobeny ny tanora ao Antsiranana no manomboka mifoka rongony raha vao 12 taona dia efa mifoka sigara raha ny tatitra avy amin’i commisaire central Antasiranana, RAMBAO Hugues Zo . Mihanaka izay tsy izy ao ihany koa ny rongony ka tamin’ity taona ity fotsiny ka hatramin’ny volana Jona teo dia rongony 200 taonina sy 400 kg no saron’ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny faritra Diana. Vokany dia tsy mitsaha-mitombo ny trangana herisetra izay ataon’ireo tanora ireo. Maneho ny heviny mahakasika ny fiantraikan’ny rongony amin’ny fiaraha-monina ao Antsiranana i IMBE Venance, izay mpampianatra sady Ray aman-dreny ao antoerana, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Madagasikara ary i Commisaire de police RAMBAO Hugues Zo.

Chaque année de juin à septembre, les baleines quittent les côtes polaires de l’Antarctique et migrent vers le large de Côte Nord Est et Ouest de Madagascar pour s’accoupler et mettre bas. Elles sont venues nombreuses cette année, selon l’océanographe, Toky Sylvestre.  Le phénomène d’échouage est alors plus ou moins normal. Certains, surtout les baleineaux ne surmontent pas la fatigue et s’échouent. 

Mikisaka mamonjy ny fari-dranomasin’i Madagasikara, miala any amin’ny ranomasinm-be Antarktika, ireo trozona rehefa volana jona hatramin’ny septabmra ka hiteraka ny antondian’izy ireo amin’izany. Tamin’ity taona ity dia maro ireo trozona tonga teto Madagasikara raha ny nambaran’ny Toky Sylvestre izay manam-pahaizana momban’ny ranomasina. Tsy dia zava-baovao loatra araka izany ny fahitana trozona maty amin’izao satria maro amin’izy ireo koa no mety ho reraka noho izay fifindra-monina izay.

Le 17 aout 2022, un post écrit sur twitter a été repris par des milliers d’utilisateurs. Il s’agit d’un lien d’article, écrit par Naomi Wolf, une auteure américaine, qui déclare que « la moitié des femmes enceintes ayant reçu le vaccin Pfizer auraient fait une fausse couche. » 

Des spécialistes des réseaux sociaux ont ainsi vérifier cette information, notamment un certain Phil Kerpen, journaliste et analyste politique. En remontant vers la base de données utilisée par Noami Wolf, il a pu détecter quelques erreurs d’interprétation. Premièrement, elle a compté 22 cas de fausse couche sur les 50 grossesses surveillées, alors qu’en réalité, il n’y a eu que 11 cas. Et sur ces 11 cas, 8 de ces femmes n’étaient pas encore enceintes au moment de recevoir le vaccin. Le taux de fausse couche sur cette population n’est donc pas plus élevé que le taux normal observé habituellement. Deuxièmement, certains paramètres ont été ignorés comme l’âge gestationnel, les anomalies de l’embryon ou la santé de la mère durant l’observation, rendant ces résultats non pertinents.

 

Covid-19 : atahorana ho an’ny vehivavy bevohoka tokoa ve ny vaskiny Pfizer ?

Ny 17 aogositra teo, nisy lahatsoratra iray niparitaka be tao amin’ny tambazotra twitter. Nosoratan’i Naomi Wolf izy io, izay mpanoratra amerikanina, nilazany fa « afa-jaza avokoa ny antsasamanilan’ireo vehivavy natao vaksiny tamin’ny Pfizer ».

Avy hatrany dia nitady izay hanamarinana io vaovao ny olona, ary isan’izany i Phil Kerpen, mpanao gazety sady mpandalina politika. Rehefa hitany ny antotan’isa niaingan’i Naomi Wolf dia nahatsikaritra izy fa misy diso ny fomba namakiany azy. Voalohany aloha, lazainy fa 22 tamin’ireo vohoka 50 narahi-maso no niafara tamin’ny fahafahanjaza, nefa rehefa tena nojerena dia 11 no isa marina. Ary amin’ireo 11 ireo, ny 8 dia tsy mbola bevohoka akory tamin’ny fotoana nanaovana vaksiny azy ireo. Tsy hoe ambony kokoa noho izany ny tahan’ny fahafahan-jaza teto fa mitovy amin’ny hita andavanandro ihany. Faharoa, tsy voalaza anatin’ny fanadihadiana natao ny toe-pahasalaman’ireo reny sy ny zaza tao ankibo, ka tsy ampy hilazana fa tena avy amin’yn vaksiny marina no nahatonga ny loza.  

 

Il s’agit d’un vaccin adapté pour le variant Omicron Andrea. Il sera commercialisé d’ici le mois d’octobre. Le laboratoire allemand s’allie avec le laboratoire américain Pfizer et a déposé une demande auprès de l’agence européenne des médicaments pour une formule de vaccin plus améliorée, contenant les premiers variants Omicron. Mais pour sa part, Moderna a déjà terminé ses essais d’efficacité contre ce variant.

Ce vaccin est dit « adapté », cela veut dire que son efficacité est plus élevée contre le sous variant d’Omicron BA.1. Par contre, l’impact est moindre pour le sous variant BA.5. Selon un biologiste, avec des anticorps réduits, cela raccourcit la durée de protection si le virus n’évoluerait plus.

Le vaccin fait l’objet d’une évaluation auprès de l’agence européenne des médicaments depuis mi-juillet.

 

 

Inona ity vaksiny BioNtech vaovao hivoaka amin’ny volana oktobra ity?

Vaksiny mety amin'ny endrika Omicron ity ry Andrea. Hamidy amin’ny volana oktobra izany. Ny laboratoara alemana dia miara-miasa amin'ny laboratoara amerikana Pfizer ary nandefa fangatahana tany amin'ny « agence européenne des médicaments » momba ny singa mandrafitra ny vaksiny izay nohatsaraina kokoa. Misy ny endrika Omicron izay nitranga voalohany manko izy ity. Etsy an-daniny anefa, i Moderna dia efa nahavita ny andrana mahomby ny vaksiny amin'ity edrika ity.

Voalaza fa “nohampifanarahan” ity vaksiny ity, midika izany fa ambony kokoa ny fahombiazany amin'ny endrika Omicron zanany BA.1. Kely kokoa anefa ny fiantraikany ho an'ny endrika zanany BA.5. Araka ny nohazavaina biolojista iray, ambany ny herifiarovana amin’ity vaksiny ity dia mihafohy izany ny faharetan'ny fiarovana omeny raha tsy mivoatra intsony ilay viriosy.

Efa eo am-pelantananan’ny agence européenne des médicaments ny vaksiny ho dinihina nanomboka ny tapaky ny volana jolay.

Nous avons déjà vu de nombreux effets du vaccin, Mampiana. Les autorités sanitaires françaises ont déclaré avoir reçu 11 000 notifications concernant les menstruations. D'autre part, le collège des gynécologues affirme que ces effets ne concernent que les troubles menstruels mais en aucun cas de la ménopause.

Un médecin du collège des gynécologues affirme qu'il existe différents types de troubles menstruels : de troubles d’ovulation ou des saignements abondant. Il est également difficile de dire que la femme est ménopausée qu'après un an d’absence de règle. Et puis, ce n'est pas toujours le vaccin qui en est la cause, mais le meilleur geste à faire est de toujours consulter un médecin lorsque les menstruations présentent des troubles.

Anisan’ny fiantraikan’ny vaskiny miady amin’ny Covid-19 ihany koa ve ny fitsaharan’ny fadimbolana aloha loatra ?

 

Efa betsaka ireo fiantraikan’ny vaksiny covid-19 efa hitantsika izay ry Mampianina. Nilaza ny tomponandraikitra amin’ny fahasalamana ao Frantsa fa fahampafantarana miisa 11.000 mahakasika ny fadimbolana sy ny manodidina izy no voarain’izy ireo. Esty an-daniny anefa milaza ny avy ao amin’ny fikambanan’ny manampahaizana momba ny vehivavy fa mahakasika fikorontanan’ny fadimbolana ihany izany fa tsy dia nisy fahampahafantarana fijanonana fadimbolana loatra. 

Ny dokotera avy amin’io fikambanan’ny manampahaizana momba ny vehivavy io nilaza fa misy karazany ny fikorontanan’ny fadim-bolana. Fikorontanan’ny andro mahalonaka sy ny fandehanan’ny rà be loatra. Tsy atahorana izany ary azo sitranina soamantsara nefa. Sarotra ny milaza fa tena fijanonan’ny fadimbolana aloha loatra tokoa no mahazo ilay vehivavy raha tsy aorian’ny erintaona any. Sady tsy voatery hoe ilay vaksiny foana no mahatonga izany fa ny tsara dia manantona mpitsaboa foana rehefa mijanona amin’ny tsy ara-dalana ny fadimbolana.

jeudi, 18 août 2022 13:07

Le Journal du 18 août 2022

  • Coopération bilatérale entre Madagascar et l’Union Européenne : comment se font les échanges commerciaux ?
  • CONCOURS POUR LE BOURSE YALI MANDELA WASHINGTON : la session pour le dépôt de dossier 2023 est de nouveau ouverte.
  • Le divorce par consentement mutuelle n’est pas valable à Madagascar.
  • Le compte à rebours est lancé pour une nouvelle édition de « Modus Mode, les métiers de la mode à AFT Antananarivo».

  • Fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina: ahoana ny fanatanterahana ny fifanakalozana ara-barotra?
  • Tsy misy fisaraham-panambadiana hifanarahana eto Madagasikara.
  • Politikam-panjakana ho an’ny fiahiana ara-tsosialy : 15 isan-jato amin’ireo tokantrano anaty fahantrana lalina no ho tratrarin’ny tetik’asa « Haraton’aina » hatramin’ny 2023.
  • Amidy fatiantoka ny tsaramaso ao Miandrivazo.

Cela a commencé ce 12 juillet dans la région de Boeny. Une série de campagnes de vaccination s’est succédé depuis avril 2021, pendant laquelle 4,5 % de la population malgache a pu recevoir un schéma vaccinal complet. Cette-fois, le ministère de la santé vise à atteindre 3 millions de personnes en plus sur les 114 districts. Les personnes désirant se faire vacciner peuvent se rendre dans les vaccinodromes et choisir entre les 5 vaccins disponibles à Madagascar : Pfizer ou Astrazeneca ou Covishield ou Johnson&Johnson ou SInopharm.

Comme l'explique l’OMS, il est très coûteux de réaliser des campagnes de vaccination dans notre pays car la population reste encore réticente. Il faudrait ainsi diversifier les stratégies à chaque fois. Les vaccins utilisés pendant cette campagne bénéficient d’une « Autorisation d'utilisation d'urgence », accordée par cet organisme onusien.

Ny 12 jolay teo no nanomboka tany amin’ny faritra Boeny ry Mampianina. Efa hatramin’ny volana aprily 2021 no nisy ireo karazana fanentanana amin’ny fanaovana vaksiny teto amintsika. 4,5 isan-jaton’ny mponina ihany anefa no vita vaksiny soamantsara nandritra izay fotoana izay. Olona eo amin’ny 3 tapitrisa eo no kasaina hatao vaksiny mandritra io zato andro io. Manerana ireo distrika 114 no hatao izany fanavam-bakisiny izany. Afaka manatona ireo toerana fanaovana vakisiny voatokana ho amin’izany ireo olona feno 18 taona rehetra. Misafidy amin’ireo vaksiny 5 efa misy eto : Pfizer na Astrazeneca na Covishield na Sinopharm na Johnson&Johnson.

Araka ny nazavain’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana, dia lafo ny manao io fanentanana amin’ny vaksiny io eto amintsika satria tsy dia mazoto ny olona noho izany mila paikady maro samihafa hanentanana ny mponina. Nohamafisin’ny mpisolotena maharitr’io sampandraharaha io eto Madagasikara ihany koa fa ao anatin’ny « Autorisation d’Utilisation d’Urgence » an’ny vondrona ireo vaksiny atsindrona mandritra io zato andro io, noho izany azo antoka tsara izy ireo.

La nationalité est décrite comme étant le lien juridique entre un individu et un Etat. C’est donc la preuve d’appartenance à un pays.  Elle peut être acquise d’une manière automatique lorsqu’on est natif d’un pays ou quand on y vit durant un certain temps ; d’une manière non-automatique à la suite d’un mariage ou d’une adoption ; ou encore par naturalisation avec l’autorisation de l’Etat. Une personne dépourvue de nationalité risque l’apatridie.

 

VM : Antsoina hoe zom-pirenena ny fifandraisana araka ny lalàna misy eo amin’ny olombelona iray sy ny firenena iray voafaritra. Io araka izany no manamarina ny maha olom-pirenena ny olona iray. Misy ny fomba fizakana zom-pirenena tsy mila angatahina ho an’ny olona tera-tany na nipetraka nandritra ny fotoana maro teo amin’ilay firenena. Misy ihany koa ny azo amin’ny alalan’ny fanambadiana na fananganan-jaza. Ao koa ny tsy maintsy angatahina, ilàna fahazoan-dàlana avy amin’ny fanjakana. Mitarika amina tranga tsy fananan-tsata ny tsy fananan’i olona iray zom-pirenena.

La liberté d’opinion et d’expression est un levier garantissant la démocratie dans un pays. Le droit à la manifestation en est de même tant que cela ne porte pas atteint à l’ordre public. Il existe également des procédures à respecter pour toutes manifestations. Lahatra Rakotondrazany, de l’ONG Ivorary nous l’explique dans Questions A.

 

Isan’ny fototra hahafantarana ny maha demokratika ny firenena iray ny fahafahana maneho hevitra malalaka. Toy izany ihany koa ny fahafahana manao fihetsiketsehana. Voafetra anefa izany mba tsy hiafara amin’ny korontana na hanohitohina ny fiaraha-monina. Misy dingana tokony arahina araka ny lalàna ihany koa ahafahana manao izany. Manazava i Lahatra Rakotondrazany, avy amin’ny ONG Ivorary.

Nous pensons généralement que les gens du sud migrent à cause du climat. C’en est peut-être la principale raison. Ces gens du sud sont presque tous des agriculteurs. La sècheresse nuit à la culture alors les migrants cherchent d’autres endroits favorables à leur activité principale. Mais d’un côté, la migration peut être aussi économique. Le besoin de trouver un autre emploi que celui de la terre conduit souvent les jeunes et les pères de famille à se déplacer dans d’autres villes selon les explications du Lieutenant-colonel Faly Haritiana Fabien, coordonnateur général de projet au sein du Bureau National de la gestion des risques et des catastrophes (BNGRC).

 

Ny olona avy any atsimo dia heverina fa mifindra monina noho ny toetrandro. Izay no tena antony voalohany. Saika mpamboly avokoa mantsy ireo avy any atsimo ireo. Manimba ny voly anefa ny hain-tany dia lasa mitady toerana hafa hampiroborobo ny voliny ireo mpifindra monina. Etsy andaniny, mety ho ara-toekarena ihany koa ny fifindra-monina. Ny fitadiavana asa sahaza ny zava-misy sy sahaza ny tenany no mety mahatonga olona avy any atsimo mifindra monina, araka ny fanazavan’ny Lieutenant-colonel Faly Haritiana Fabien, mpandrindra ankapoben’ny tetikasa eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza vaoajanahary (BNGRC).

Il y a un lien entre l'urgence et le développement pour les migrants du sud. Le lieutenant-colonel Faly Haritiana Fabien explique qu'il est possible de rallier le développement à l’urgence. Après avoir reçu de l'aide alimentaire, du matériel, etc. par exemple, on leur apprendra à utiliser l'équipement, on leur donnera du travail jusqu'à ce qu'ils atteignent un certain progrès dans leur niveau de vie. Il y a aussi la mise en place d'infrastructures telles que la construction des routes. Il est possible que les résidents locaux travaillent pour la construction de la route afin qu'ils puissent gagner de l'argent pour leurs familles.

Misy fifandraisany ary azo hampifandraisina ny hamehana sy ny fampadrosoana ho an’ireo mpifindra monina avy any atsimo. Ao anatin’ny fanampiana ireo mpifindra monina avy any atsimo noho ny hamehana no taritina ho fampandrosoana azy. Nanazava ny Lieutenant-kolonely Faly Haritiana Fabien fa azo atao ny manampy azy ireo handroso eo amin’ny toerana honenan’izy ireo any atsimo any. Rehefa avy nomena fanampiana ara-tsakafo, ara-pitaovana sns ohatra izy ireo dia hampianarina hampiasa ilay fitaovana, omena asa mandrapahatonga any amin’izay fandrosoana izay. Ao ihany koa ny fametrahana fotodrafitrasa toy ny fanamboaran-dalàna. Mety hoe ireo mponina ao an-toerana ihany no miasa ho an’ilay fanamboaran-dalana ka hahafahany mampidi-bola ho an’ny ankohonany izany.

 

La direction régionale du commerce et de l’industrie Toamasina a dû brûler 100 tonnes de riz périmés issues du vary Tsinjo. L’économiste Ralalason Jarius distingue deux catégories de produits d’importation. La première ce sont les « produits rares » pour les besoins fondamentaux d’un pays comme le gasoil. La seconde ce sont les produits de première nécessité comme le riz. Il ne devrait pas être importé, pour éviter un tel problème. La mauvaise gestion du stockage a aussi aggravé la situation. Plusieurs cas de ce genre pourraient entraîner une répercussion sur l’économie du pays. La meilleure solution serait d’améliorer et motiver la production locale.

 

 Ambina vary tsinjo teo amin’ny 100 taonina teo no voatery  nandraisana fanapaha-kevitra ka nodorana tao Toamasina. Araka ny fanazavan’ny mpahay toe-karena Ralalason Jarius mifandraika amin’io tranga io dia tsy tokony ho entana afarana any ivelany mihitsy ny vary. Misy karazany roa mantsy ny fanafarana entana : ao ireo tsy maintsy ilàna fanafarana toy ny soli-tany. Ao ihany koa anefa ireo efa misy eto an-toerana ka tsy tokony hafarana intsony, toy ny vary. Mety hisy fiantraikany amin’ny toe-karen’ny firenena iray ny toe-javatra toy ireny raha mitohy satria miteraka faty antoka. Ny fanavaozana ny famokarana eto an-toerana no hany vahaolana mba tsy hanafarana any ivelany intsony.

- Vakinankaratra : "Visite technique spéciale" exigée pour tous véhicules de transport en commun sous location. 

- Boeny : le festival Madagascourt se déroulera à Mahajanga à partir du 25 novembre.

- Anôsy : 14.000 boucles électroniques à poser jusqu’en fin d’année.

- Vakinankaratra : tsy maintsy hatao fitsirihana ara-teknika manokana ireo fiara manao « spécial ». 

- Boeny : ho tanterahina any Mahajanga ny Festival Madagascourt.

- Anôsy : 14.000 ireo kavin’omby elektronika ho hapetaka hatramin’ny faran’ny taona.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter