COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

  • Soanierana Ivongo : une pirogue transportant 8 est encore introuvable
  • Kinga Show Antananarivo : 700 enfants de 10 à 13 ont passés la phase éliminatoire
  • Betsiboka : introduction d’alevin pour la coopérative Mahasoa

  • Soanierana Ivongo : sambo nitondra olona valo mbola karohina atramin’izao
  • Kinga show Antananarivo : ankizy 700 teo niatrika ny dingana voalohany
  • Betsiboka : miditra amin’ny fandefasana zana-trondro ny fikambanana mpanjono « MAHASOA »
mardi, 27 juin 2023 13:27

Le Journal du 27 Juin

  • Examen officiel : divergence d’opinion sur les cours préparatifs
  • Femmes diplomates : plus de recrues mais moins dans la représentation diplomatique
  • Marché de capitaux à Madagascar : une nouvelle source de financement pour les entreprises malgaches
  • Période hivernale : il fera moins froid que prévu

  • Fanadinana ofisialy : mizarazara ny fijerin’ny olona ireo Faradoboka
  • Diplaomasia : betsaka ireo vehivavy mandray anjara fa vitsy kosa ireo tena manatanteraka ny asa.
  • Tsenam-bola eto Madagasikara : fomba famatsiam-bola vaovao ho an’ireo orinasa Malagasy
  • Vanim-potoanan’ny ririnina : hafana kokoa nohon’ny mahazatra izy amin’ity

  • Région Bongolava : des jeunes bénéficient d’une formation pour les ventes en ligne
  • Région Anosy : baisse du prix du riz
  • Région Haute Matsiatra : reprise de la ligne Fianarantsoa Manakara

  • Faritra Bongolava : mitady lalam-barotra amin’ny tambanjotran-tserasera ireo tanora
  • Faritra Anosy : mihena ny vidim-bary
  • Faritra Matsiatra Ambony : niverina nisokatra ny zotra an-dalam-by Fianarantsoa Manakara
mardi, 27 juin 2023 12:38

Sifflet du 25 Juin 2023

  • Mondial FIBA U19 : Madagascar s’incline 139 à 69 face aux Américains à la première journée
  • Athletisme : médaille de bronze au Spécial Olympique World Game à Berlin pour Madagascar
  • Africa Cup : Laura Rasoanaivo remporte une médaille d’or à Niamey
  • Menabe : le championnat national de basket-ball N1B achevé
  • Futsal : tournoi corporative de foot en salle à Nosy Be

  • Mondial FIBA U19 : resin’ny Amerikanina 139 – 69 ny Ankoay ny Madagasikara tamin’ny lalao voalohany
  • Athletisma : medaly alimo iray tamin’ny Spécial Olympique World Game any Berlin ho an’ny Malagasy
  • Africa Cup : norombahin’i Laura Rasoanaivo ny medaly volamena tany Niamey
  • Menabe : vita ny fifaninanam-pirenena amin’ny basket-ball N1B tao anatin’ny 9 andro
  • Baolina kitra an’efitrano : nanao fifaninanana ara-pirahalahiana amin’ny taranja baolina kitra ny orinasa sy ny sehatrasa ao Nosy Be

Déjà, avant le scrutin, le bureau électoral, composé d’un bureau, d’un vice-président, de deux assesseurs, et d’un secrétaire reçoit une formation et des instructions conformément aux instructions relatives à l’application des lois électorales.

Le jour du scrutin, avant les votes : il transmet les documents nécessaires, tels que les bulletins et les listes électorales, aux bureaux de vote, puis s’assure que toute la logistique soit prête (l’urne, les cabines de réflexion, l’encre, les bulletins de vote etc). Il s’assure aussi du bon déroulement des votes, c’est-à-dire, vérifie s’il n’y a pas de fraude au niveau des bulletins, recense les plaintes ou protestations présentées par des électeurs ou des candidats concernant la conduite des élections. Deux membres sont votés par le bureau pour signer à l’endos du bulletin électoral afin de certifier que celui-ci soit valable.

À la fin des votes, ce même bureau s’assure de la confidentialité, la sécurité et le décompte correct des votes, conformément aux lois en vigueur. Fait un rapport détaillé, sécurise et remonte les voix vers le SRMV.

Inona moa no tena ataon’ny vaomieran’ny fifidianana (bureau électoral) amin’ny andron’ny latsa-bato ?

Mialohan’ny fifidianana aloha, mahazo fiofanana ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fifidianana, mahakasika ireo lalàna mifehy sy ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fifidianana.

Ny andron’ny latsa-bato indray, manamarina izy ireo, hoe tomombana tsara ve ny fitaovana rehetra rehetra, toy ny lisitry ny mpifidy, ny trano fisaintsainana, ny ranomainty, ny biletà sns. Mitandro ihany koa izy ireo mba hizotra tsara ny latsa-bato. Mandray ireo fitarainana avy amin’ny mpifidy na ireo antoko politika. Mifidy mpikambana roa io birao io, mba hanao sonia ao ambadiky ny bileta tokana ho fanamarinana fa tsy nisy hosoka ireto farany. Ny hariva indray, manakatona ny latsa-bato izy ireo, mirona amin’ny fanisana ny vato eo imason’ny rehetra. Manao tatitra an-tsoratra ary mampiakatra ireo vato eny amin’ny SRMV.

Il y a plusieurs formes de fraudes électorales. Certaines pourraient être commises par les candidats ou leurs partisans, comme le détournement des votes, et d’autres par l’électeur lui-même.

On va parler de cette dernière. Selon la Loi en vigueur, toute personne qui se fait passer pour une autre et s’inscrit sur la liste électorale, toute personne qui omet de faire inscrire un citoyen dans la liste électorale, ou qui raye délibérément une personne déjà inscrite seront punies. Pareil pour celle qui vote au nom d’une autre personne ou celle qui profite d’une inscription multiple pour voter plusieurs fois. Un emprisonnement allant de 2 ans à 5 ans, avec une amende de 400.000 ariary à 4.000.000 ariary pourrait s’appliquer à l’auteur et à ses complices.

Inona avy ireo karazana fandikan-dalàna mety hitranga ataon’ny mpifidy, mialoha na mandritra ny fifidianana ?

Misy endriny maro ny fandikan-dalàna mahakasika ny fifidianana. Ny voalohany, ny fanodinana vatom-pifidianana aorian’ny latsa-bato. Ny iray kosa ireo hosoka ataon’ny mpifidy mialoha na mandritra ny fifidianana. Ity farany no ndeha ho resahantsika. Araky ny lalana manakery, tsy azo atao ohatra ny manao fanahy iniana manova na mandiso ny mombamomba anao anaty lisitry ny mpifidy, na io anarana, na ny laharan’ny karapanondro na koa mampiasa anaran’olon-kafa, efa maty na mbola velona. Mahavoasazy koa ny minia tsy mampiditra olona iray ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, kanefa mahafeno ny fepetra rehetra (feno 18 taona, mbola tsy nisazy, salama tsara). Ny mamafa anaran’olona efa nisoratra, tao anaty lisitra, kanefa olona mbola afaka mifidy. Ny misoratra anarana indroa na imbetsaka amin’ny toerana samihafa.

Iharan’ny sazy izay tratra manao izany sy ireo miray tsikombakomba aminy, ka famonjana 2 hatramin’ny 5 taona sy lamandy efatra hetsy ariary hatramin’ny 4 tapitrisa ariary no mety ihatra aminy.

mardi, 27 juin 2023 05:18

Le Journal du 23 Juin 2023

  • La construction de l’Académie nationale des arts et de la culture reprend
  • QMM renouvèle son contrat pour 25 ans
  • Nouvelles technologies : l’outil pour la surveillance des ressources marines est opérationnel
  • Ranitratsilo Jimmy prépare trois projets pour les jeunes malgaches

  • Mitohy ny fanamboarana ny Akademiam-pirenen’ny kolontsaina sy ny zava-kanto
  • Manavao ny fiaraha-miasany eto Madagasikara 25 taona indray ny orinasa QMM
  • Teknolojia vaovao : efa am-perinasa ireo fitaovam-pitiliana an-dranomasina vaovao
  • Manomana tetikasa telo lehibe ho an’ny tanora i Ranitratsilo Jimmy

  • Région Boeny : 30 enfants moins de 15 ont bénéficié d’un examen ophtalmique au CHU Androva Mahajanga
  • Région Androy et Anosy : culture des dunes pour lutter contre la tempête de sable
  • Région Fitovinany : la communauté locale a bénéficié des tests gratuits et sensibilisation sur la drépanocytose

  • Faritra Boeny : ankizy 30 latsaky ny 15 taona nisitraka fizahana mombany maso
  • Faritra Androy sy Anosy : mitohy ny fambolena laloasy iadiana amin’ny fanotoran’ny fasika ny fambolena
  • Faritra Fitovinany : nisitraka fizahana ary nohentanina momba ny faingosela na drépanocytose

De nouveaux modules de formation seront intégrés dans le cursus des élèves magistrats dans le cadre de la lutte contre le trafic d’espèces sauvages, la corruption et le blanchiment d’argent dans ce secteur. Interview avec Faramalala Andriamparany, chef de projet environnement de TIMG avec la coalition CCWT financé par l’USAID, sur l’exploitation illégale des bois précieux.

Nampidirina anatin’ny fiofanana omena ireo mpianatra ho mpitsara ny lohahevitra mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo bibidia sy ny harena voajanahary eto amintsika, ny kolikoly ary ny famotsiam-bola amin’ity sehatra ity. Mitondra fanazavana mikasika ny fisehon’ny endrika kolikoly amin’ny fanondranana hazo sarobidy i Faramalala Andriamparany izay tonian’ny tetikasa tontolo iainana ao amin’ny TIMG  iarahana amin’ny fiombonana  tetikasa CCWT izay vatsian’ny USAID vola.

jeudi, 22 juin 2023 12:55

Le Journal du 22 Juin 2023

  • Malgré une suspension fréquente des cours, les élèves dans la région Fitovinany sont prêts à passer le BEPC
  • 1 315 communes sur 1 695 ont déjà reçu leurs subventions de fonctionnement
  • Sommet pour un nouveau pacte financier mondial : Madagascar met en avant le financement des infrastructures de production
  • USAID : les cas de paludisme réduits de 25 % grâce aux aides des Etats Unis

  • Vonona hiatrika ny fanadinana BEPC ny mpianatra ao faritra Fitovinany na dia niato matetika aza ny fampianarana
  • 1 315 kaominina amin’ireo 1 695 no efa naazo ny fanampiana ara-bolany
  • Fivoriana faratampony ho an’ny fifanarahana ara-bola vaovao maneran-tany : famatsiam-bola ireo foto-drafitrasa famokarana no tena ilain’i Madagasikara
  • Ady amin’ny tazomoka : nihena 25% ny tahan’ny tazomoka eto Madagasikara

Pour fabriquer du chocolat artisanal, il faut d’abord passer par la préparation du cacao. Après, le cacao est transformé en bonbon chocolat suivant des étapes selon les explications de Patricia Rasoanaivo, chef chocolatier. Pour devenir un artisan chocolatier, l’école Edénia chocolaterie propose des formations d’une semaine ou de 5 semaines. Il est possible de combiner chocolaterie et pâtisserie si l’on veut élargir ses compétences affirme Achille Rajerison, fondateur de l’école.

Mila mandalo amin’ny fikarakarana ny kakao raha te hanamboatra sokola tsy mila ahodina amin’ny milina. Mandalo dingana maro io kakao io vao tonga sokola araka ny fanazavan’I Rasoanaivo Patricia, chef chocolatier. Raha te ho lasa mpanamboatra sokola tsy mila fampiasana milina dia manome fiofanana herinandro hatramin’ny 5 herinandro ny sekoly Edenia mpanamboatra sokola. Azo atao ny manambatra ny fanamboarana mofomamy amin’ny fanamboarana sokola raha te hanitra ianao hoy ny mpanorina ny sekoly, Rajerison Achille.

Avant d’entrer en salle de sport, il faut avoir l’avis d’un médecin et suivre les conseils d’un nutritionniste. La prise de poids ou l’obtention de muscle oblige un traitement diététique spécial, qui n’est peut-être pas adapté à tout le monde. Même cas pour les protéines, qu’ils se présentent en poudre ou en liquide. Et ces produits chimiques utilisés par les bodybuilder, ne doivent pas remplacer les protéines naturelles comme la viande ou les œufs. Les efforts physiques associés à ces artifices peuvent en effet entraîner un cancer selon les explications du docteur Jimmy Rakotoherison.

Alohan'ny hidirana amin’ireny hefitrano fikotranana  ireny, dia tsy maintsy manaraka ny toro-hevitry ny mpitsabo, ary mandray ny toromarika ara-tsakafo omen’ny manam-pahaizana momba ny sakafo. Mitaky fanaraha-maso manokana ny fahazoana lanja na hozatra, izay tsy voatery ho azon’ny olona rehetra atao. Toy izany koa ny fihinanana hery fanorenana na protéine, na amin'ny endrika vovoka na ranon-javatra. Ireo vokatra simika ampiasain’ny mpanao bodubuilding ireo dia tsy tokony hanoloana ny vokatra voajanahary mitondra hery fiarovana toy ny hena na atody. Mety hitarika homamiadana ny ezaka ara-batana be loatra ampiana an’ireo protéine noforonina ireo raha ny fanazavan’ny dokotera Rakotoherison Jimmy.

Environ trois millions de personnes ne possèdent pas encore de copie de naissance à Madagascar, selon les derniers rapports du ministère de la justice. La Plateforme de la Société Civile pour l’enfance PSFCE se lance pour lutter contre ce fléau. Pour conscientiser les citoyens, des adolescentes Malala, Géniale et Stéphanie formées par cette plateforme nous rappellent l’importance de ce document. 

Olona manodidina ny telo tapitrisa no tsy mbola manana kopia nahaterahana eto Madagasikara, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fitsarana. Ny Vovonan’ny fiaraha-monim-pirenena ho an’ny ankizy na PSFCE dia miady ho amin’ny fanarenana izany. Entina hanentanana ny olom-pirenena ary, dia mampahatsiahy antsika ny maha zava-dehibe ity antontan-taratasy ity i Malala, Géniale ary Stéphanie, izay nahazo fihofanana avy amin’ity vovonana ity.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter