Une grippe peut être traitée avec des antalgiques comme le paracétamol, tandis que le covid nécessite d’un test et d’une consultation chez un spécialiste. Ces deux maladies causées par un virus peuvent pourtant se ressembler au départ, avec des maux de tête et de la fièvre. Toutefois les symptômes du covid sont beaucoup plus intenses et incontrôlables selon Onja et Ando qui en parlent dans cette émission. Il est pourtant difficile de définir la forte grippe qui se propage actuellement. On ne saurait s’il s’agit d’une nouvelle maladie ou du covid selon le Docteur Reine Liliane.
Azo tsaboina amin’ny fanafody mahazatra toa ny paracétamol ny gripa, fa ny covid kosa dia tsy maintsy mandalo fitiliana aloha ilay marary, arahana fitsaboana mitokana. Samy avy amina otrik’aretina avokoa izy roa ireo, ary mitovy ny fisehony any amboalohany, ohatra ny aretina andoha sy ny tazo. Fa mampiavaka ny covid ny hamafin’ny fiatran’ilay aretina amin’ny vatana iray manontolo hoy i Onja sy Ando ato anatin’ity fanadihadiana ity. Sarotra anefa ny mamaritra ilay gripa mahery misy amin’izao fotoana. Tsy fantatra na aretina vaovao izy io na covid ihany hoy ny Dokotera Reine Liliane.
A la veille de la fête de l’indépendance, les divers lampions malgaches, notamment en papier plissé, ont connu leur moment de gloire. Mais depuis près de dix ans maintenant, ils ont été remplacés par les jouets lumineux chinois. C’est un pur déclin de modernité de notre côté affirme Evariste et Tahiry, tous deux journaliste. Pour l’historien Julien, c’est la tradition elle-même qui n’est plus considérée de la même façon qu’avant. Alors où mène cette concurrence ? On en parle dans Ndao hilaoeky.
Nanana ny lazany ny fitondrana ny harendrina malagasy, ilay vita amin’ny taratasy, rehefa andro iray mialohan’ny fetin’ny fahaleovantena. Efa ho folo taona anefa izao dia voasongon’ny kilalao misy jiro vita sinoa izy ireny. Miemotra ara-pivoarana isika noho izany, hoy i Evariste sy Tahiry, samy mpanao gazety. Ho an'i Julien mpahay tantara indray, dia ny fomban-drazana nanomezana lanja ny harendrina mihitsy no niova taty aorina. Dia mitondra aiza anefa ilay fifaninana ara-barotra ? Resahantsika ato anaty Ndao hilaoeky ny momba izay.
Rien de nouveau chez les fumeurs, ils savent que leurs ongles jaunes proviennent de la nicotine. Mais ils ne sont pas les seuls, un diabétique connait également ce changement. La jaunisse et le vernis à ongles ne sont pas à exclure non plus. Quoi qu’il en soit, sachez qu’avoir des ongles qui changent de couleur signifie que vous n’êtes pas en bonne santé. Mais seul un médecin peut vous le confirmer. En attendant, veillez à les garder toujours propres, et utilisez du bicarbonate de soude pour les nettoyer.
Tsy zava-baovao amin’ny mpifoka sigara ny fiovan’ny lokon’ny hohony ho lasa mavomavo. Fa tsy izy ireo ihany anefa, fa voakasik’izany koa ireo voan’ny diabeta. Ny jaunisse na tazovony sy ny fanosorana vernis koa dia mahatonga ny fiovan’ny lokon’ny hoho. Fantaro fa matoa miova ny lokon’ny hohonao dia tsy salama izay ianao. Ny mpitsabo ihany anefa no afaka manamarina ny mahazo anao. Fa ny azonao atao ao antrano aloha, dia ny manadio azy foana, ary mampiasà karbonetra amin’izany.
Quand on parle de morsure d’animaux, ce sont les chiens qui viennent en tête en premier. Mais même si nous n’en possédions pas, n’oublions pas que leurs attaques peuvent surgir à tout moment et n’importe où. Comme le cas de Ando attaquée par un chien errant, qui en témoigne dans ce reportage.
Et pour ceux qui sont fans de ces animaux, on vous rappelle quand même de les faire vacciner contre la rage une fois par an. Toutefois en cas de blessure, toujours se rendre à l’Institut Pasteur, et aussi pour vérifier si la personne mordue est atteinte du virus de la rage, de même pour le chien. A l’appui, l’explication du Docteur Ramanantsoa Tahina.
Rehefa miresaka kaikitra biby isika, dia ny kaikitry ny alika no tonga ao antsaina voalohany. Fa na tsy manana alika aza isika, dia tokony ho mahana foana rehefa mahita azy ireny mirenireny eny rehetra eny. Toy ny nahazo an’i Ando izay tsy nanampo fa voakaikitry ny alika nirenireny. Mitantara izy ato anatin’ity fanadihadiana ity.
Fa ho an’ireo tia itony biby itony indray, dia ampahatsiahivina ihany ianareo ny tokony hanaovana vaksiny miady amin’ny haromontana azy ireny in-dray isan-taona. Raha voakaikitra ary ny olona iray, dia manantona avy hatrany eny amin’ny Institut Pasteur, ary hamarinina eny ihany koa raha voan’ny haromontana ilay alika sy ilay olona. Manampy fanazavana ny Dokotera Ramanantsoa Tahina.
De la manipulation, au sadisme envers ses victimes, un pervers narcissique peut pourtant paraître innocent au premier abord. L’origine de ces actes purement réfléchis, provient souvent d’une maltraitance durant son enfance. Ce responsable inconscient s’en sert ensuite pour se venger sur son entourage. Son égoïsme démesuré provoque alors un sentiment de renfermement sur sa victime. La seule solution c’est de le fuir. Cependant, le pervers narcissique a besoin d’un soin psychique, selon le psychologue Holitiana Rajaonarivony.
Manomboka amin’ny fanodikodinana ny sain’ny hafa, hatramin’ny fanambaniana sy fanaovana tsinotsinona, ireo no hamantarana ny pervers narcissique, izay mazana tsy ety amin’ny endrika ivelany. Avy amin’ny herisetra nahazo azy fony fahakely no mahatonga azy hanao izany. Hainy fa mankarary ny hafa izany fihetsika ataony izany, fa tsy manana saina hanajanona izany izy fa vao maika ary mitondra fahafinaretana ho azy izany. Lasa miforotra anaty noho izany ilay olona hampiharany azy. Ny hany vahaolana dia ny miataka aminy. Mila fitsaboana ara-tsaina ny pervers narcissique hoy ny psychologue Holitiana Rajaonarivony.