COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ÉLECTIONS

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Une des étapes qui nous tient à cœur est d’avoir une maison où vivre, sans ne le louer ni la partager avec d’autres. Il y aura un profond sentiment de joie lorsque la maison sera terminée. Il existe de nombreuses méthodes et pratiques que l’on entend partout lorsqu’il s’agit d’inaugurer la maison.

Mais comment ? Miolampandry, orateur et traditionaliste, nous l'explique.

Isan’ny dingana iray manan-danja amintsika ny fananana trano honenana an’ny tena manokana tsy manofa na hitambarana amin’ny hafa. Hahatsapana hafaliana lalina rehefa hoe iny fa vita ilay trano. Marobe ny fomba sy fanao izay henontsika eny rehetra eny rehefa hoe hitokana an’ilay trano avy eo. Ahoana anefa no fomba? I Miolampandry, mpikabary no sady mpandala ny fomban-drazana no hanazava amintsika an’izany.

Construit dans l'obscurité de la lune, faite entièrement de pierre, vérifié si le moment où l’on construit la tombe n’entre pas en conflit avec la chance du propriétaire, il existe de nombreux rituels que les gens disent devoir faire lorsqu'ils construisent une tombe. Il y a aussi le fait de déposer un bananier en premier dans la tombe, sinon il y aura beaucoup de mort dans la famille.

Les familles malgaches ont leur propre vision et mise en œuvre des méthodes et traditions qui ont été laissées autour de la construction des tombes. Mais comment cela se passe-t-il réellement et historiquement ? Ranjatohery Harilala, professeur d'histoire et académicien nous expliquera.

Aorina maizim-bolana, atao amin’ny vato iray maontolo, jerena sao mifanipaka amin’ny vintan’ny tompony, maro ireo fombafomba izay lazain’ny olona ho fanao rehefa hanorina fasana. Eo ihany koa ilay hoe asiana vatan’akondro aloha eo amin’ny fandriana raha tsy izay misintona ny fasana ka lasa misy fahafatesana lavareny eo amin’ny fiaiannkaviana.

Samy manana ny fandraisany sy ny fanatanterahany ny fomba sy ireo izay lovan-tsofina tavela manodidina ny fanamboarana fasana ireo fianankaviana malagasy. Fa ahoana kosa ary no tena izy ara-tantara ?  Ranjatohery Harilala, mpampianatra tantara no sady akademisiana no hanazava amintsika ny mahakasika azy io.

Quand on dit « Rasta » ce qui vient à l’esprit des malgaches sont ceux qui portent des tresses ou des dreadlocks. Mais qu’est-ce que cela veut dire réellement « rasta » ou « Rastafari ? Le rastafari est un mouvement religieux et politique né en Jamaïque dans les années 1930 et adopté par de nombreux groupes à travers le monde. Il combine le christianisme protestant, le mysticisme et une conscience politique panafricaine. Kheman, un artiste adepte de cette culture nous en dit plus dans l’émission Sandrify.

Raha vao miteny hoe “rasta” dia matetika olona mirandrana na ilay manao dreadlocks ireny no ao an-tsaintsika. Fa inona marina anefa ilay atao hoe Rasta na Rastafari. Raha fintinina kely dia hetsika ara-pinoana sy ara-politika ny rastafari izay teraka tany Jamaika tamin’ny taona 1930 ary misy antokon’olona manaraka manerana an’izao tontolo izao. Atambany ao avokoa ny maha kristaina protestanta ny finoana manome vahana ny fihetseham-po sy tsindrimandry ary ny fahatsapan-tsaina ara-politika iraisan’i Afrika. I Kheman, mpanakanto no mandala an’io kolontsaina io ihany koa no hanazava misimisy kokoa amintsika ny mahakasika azy io ato amin’ny fandaharana Sandrify.

Il existe de nombreux et beaux endroits à Nosy Be, dont « l'Arbre Sacré » de Mahatsinjo un patrimoine qui regorge d'histoire et de culture.

Dès votre arrivée, les guides vous accueilleront, vous accompagnerons dans tous les rituels : les femmes devront porter le Salovana, tandis que les hommes porteront des lamba, il nous faut enlever nos sandales et entrer avec le pied droit en premier.

Si vous regardez d’un coup d’œil, cela ressemble à une forêt entière, mais elle provient d’un seul arbre. En plus de son caractère précieux, il a également une grande valeur religieuse car nombreux sont ceux qui y demandent des bénédictions.

Cependant, cet arbre ne représente pas uniquement de la foi, mais aussi l'identité culturelle de Nosy Be et de ses habitants. Il rappelle également l’importance de protéger le patrimoine et de le transmettre aux générations à venir. C'est exactement ce que nous explique Zegny Jacques, qui est le premier responsable de l'Arbre Sacré.

Maro ny toerana tsara sy mahafinaritra any Nosy Be any. Isan’izany ny “Arbre Sacré” ao Mahatsinjo izay mifono Vakoka, tantara ary kolontsaina.

Vao tonga ianao dia mandray anao ireo mpisera-dia, manoro anao ny fombafomba rehetra, ny vehivavy tsy maintsy manao salovana, ny lehilahy kosa manao kisaly, esorina ny kapa ary ny tongotra havanana no miditra voalohany.

Hazo iray izy io. Raha atao indray mijery dia toy ny hoe ala iray manontolo kanefa dia hazo iray ihany no niaviany. Ankoatran’ilay toetrany mankadiry, manana lanja ara-pinoana goavana ihany koa izy io satria dia maro ireo “mpijoro” mangata-pitahiana, mpanome hasina izay tonga eo aminy.

Tsy miankina amin’ny finoana fotsiny ihany anefa ity hazo ity fa maneho ny maha izy ara-kolontsaina an’i Nosy Be sy ny mponina ao aminy. Mampahatsiahy amin’ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny vakoka sy ny fampitana izany amin’ny taranaka mandimby ihany koa. Izay indrindra no nazavain’i Zegny Jacques izay tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Arbre Sacré amintsika.

vendredi, 23 février 2024 08:24

Le Journal du 22 Février 2024

  • Six centres de tri de valorisation des déchets seront mis en place par le Ministère de l’environnement et du développement durable d’ici 2025
  • Lever les tabous et promouvoir une meilleure compréhension de la sexualité chez les jeunes
  • Les scouts fêtent la journée des fondateurs aujourd’hui
  • Le prix des brèdes a doublé depuis le mois de décembre dernier par rapport à l’année dernière

  • Ivon-toerana fanodinana fako miisa 06 no hatsangan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy hatramin’ny taona 2025
  • Fananahana sy ny tanora : fifanakalozana iarahana amin’ny tanora momba ny resaka fananahana tetsy Antaninarenina
  • Ankalazaina androany ny andron’ny mpanorina ho an’ny skoto
  • Nitombo avo roa eny ny vidin’ny anana nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo

vendredi, 23 février 2024 08:11

Le Journal des régions du 21 Février 2024

  • Les pêcheurs qui ont été appréhendés sont placés en garde à vue au gymnase d'Antsiranana
  • Les cours ont repris à Toamasina
  • Plus de 60 % des éleveurs ont fini les vaccins bovins

  • Mbola atao fanadihadiana ao amin’ny kianja mitafo ao Antsiranana amin’izao ireo mpanjono miisa 164
  • Toamasina : efa niverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra tao
  • 60 isan-jaton’ny tantsaha tao amin’ny distrikan’ny Vavatenina no nahavita vaksiny tamin’ny omby
vendredi, 23 février 2024 07:46

Le Journal du 21 Février 2024

  • Jeunesse malgache à la COP28 : il est temps de passer à la concrétisation
  • Une requête demandant la réouverture d’une enquête sur l’assassinat du colonel Ratsimandrava a été déposé

  • Tanora Malagasy tany amin’ny COP 28 : fotoana hanatanterahana izay tapaka izao
  • Nisy fangatahana hanokatra fanadihadihana mahakasika ny famonoana ny kolonely Ratsimandrava napetraka

mercredi, 21 février 2024 08:48

La nouvelle année et le Havatse

Durant le mois de janvier, c’est le moment des présentations des vœux et des visites aux parents qui se succèdent. Cela se poursuit généralement jusqu'en février. Ce sont des moments de célébrations et des vœux pour la nouvelle année mais aussi l'occasion de rendre visite aux parents qui ne reçoivent peut-être pas souvent de visite. Mais il y a aussi le fait que les parents vont rendre visite à leurs enfants.

Mais au début de l'année dans la région Sud Est en Antemoro à Ambaive, ils ont profité de ce début d’année pour introniser le nouveau roi ou responsable du Tranombe. Barthélémy, professeur et praticien, fidèle à la tradition, nous en parle dans l’mission Sandrify.

Anatin’ny volana janoary no mifanesy avokoa ireo fifampiarahabana sy fitsidihana an’ireo ray aman-dreny. Mitohy hatramin’ny volana febroary aza izany matetika. Lanonana, fiaraha-mifaly ary firarian-tsoa ho an’ny taona vaovao no tena votoatiny ary fanararaotana hitsidihana an’ireo ray aman-dreny izay mety tsy voatsidika matetika. Misy ihany koa anefa ilay hoe ny ray aman-dreny indray no mandeha mitety ireo zanany.

Mbola mifandraika amin’izao fiandohan’ny taona izao ihany saingy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana an’ireo Antemoro any Ambaive indray. Ity volana janoary ity no nanararaotan’izy ireo nanolorana mpitantana tranobe na fananganana Mpanjaka vaovao. Barthelemy, mpampianatra no sady ray aman-dreny mpitazona ny fomban-drazana no hiaraka hitafa amintsika anatin’ny Sandrify.

Le tourisme est le gagne-pain de la plupart des habitants de Nosy Be. En juillet 2023, le nombre de touristes qui y venaient atteignait les 200 par semaine. Outre les lieux historiques et les plages très luxueuses, la visite des îles environnantes est également l’une des plus rentables.

Mais lorsque vous visitez les îles environnantes, vous pourrez voir des étoffes, des vêtements, des nappes faites de broderies exposées sur la plage. C’est exactement ce sur quoi nous avons enquêté. Si on le voit habituellement blanc, il est très coloré à Nosy Be et ses îles environnantes. Il y a du rouge, du jaune, du vert et du bleu. Dans le passé, il semble que les nappes, les sous plats ou les mouchoirs soient les seuls que l'on voit, mais maintenant ils confectionnent aussi des jupes et différents vêtements. Noro, une de ceux qui font de la broderie depuis des années à Nosy Komba, nous en parle.

Fizahantany no mamelona ny ankamaroan’ny mponina any Nosy Be any. Tamin’ny volana jolay 2023 dia nahatratra 200 isank’erinandro ireo mpizahatany tonga tany. Ankoatran’ireo toerana manan-tantara sy ny tora-pasika tena raitra dia isan’ireo tena mampidi-bola ihany koa ny fitsidihana an’ireo nosy manodidina.

Fa rehefa mitsidika an’ireo nosy manodidina dia hita miranty eny amoron-dranomasina eny ny lamba, akanjo, lamban-databatra izay vita Amboradara na Broderie. Dia izay mihitsy no fanadihadiana entina amintsika. Raha toa fotsy matetika no hitantsika dia maroloko izy aty Nosy be sy ny nosy manodidina azy. Ao ny mena, ny mavo, ny maitso sy ny manga. Taloha ihany koa toa ny lamban-databatra sy ireo fitoeram-bilia ambony latabatra na ny mosoara no tena fahitantsika atao amin’izy ity fa ankehitriny dia efa misy ihany koa ny zipo sy ny akanjo samihafa izay ataon’izy ireo. Hiresaka amintsika mahakasika an’izany i Noro, isan’ireo efa vonto taona tamin’ny fanaovana ny Amboradara na Broderie ity izay ao Nosy Komba ao.

Pour maîtriser une langue, il faut savoir la comprendre, la parler, savoir l’écrire et la lire. Voniary, auteure et professeur de malgache nous explique qu’il existe des pages facebook qui utilisent le malgache officiel, il est recommandé de les suivre pour lire et comprendre la langue. Et surtout, il faut la pratiquer, la parler à chaque fois qu’on le peut. Mais non pas qu’on trouve aucun terme adéquat en malgache et on fait recours au français. Il faut se forcer un peu. Pour ceux qui n’aiment pas lire, elle nous recommande d’écouter les théâtres radiophoniques. Pour Mose Njo, il conseille de lire à haute voix, de chercher la définition et la signification d’un mot et de l’utiliser dans la vie de tous les jours.

Mba hifehezana teny iray dia mila mahay manoratra, miteny, mihaino ary mahazo azy. Araka ny fanazavan’i Voniary, mpanoratra sady mpampianatra Malagasy, rehefa misy an’ireny pejy Facebook mampiasa ny teny Malagasy ofisialy ireny dia arahina sy vakiana izy ireny. Ilaina ihany koa ny miteny azy ary miezaka mba hiteny madio fa tsy afangaro teny hafa. Raha ho an’ny olona tsy zatra mamaky teny ohatra na mamaky boky dia tsara ihany koa ny mihaino tantara amin’ny radio. Nizara i Mose Njo, mpanoratra amin’ny teny Malagasy izy fa mila mamaky teny malagasy mafy, mitady ny dikan’ilay teny tsy azo na tsy fantatra dia hampiasaina amin’ny andavan’andro io teny vaovao vao azonao io.

Les Bédéistes malgaches comme Catmouse par exemple, brillent plus sur la scène internationale. Le problème du BD local c’est qu’il y a un manque de soutien et d’initiative. Selon les explications de Catmouse, il n’y a pas trop de solidarité pour faire avancer ensemble le BD. Il y aussi le manque de soutien venant de l’Etat. Quant à Riri, un autre bédéiste malgache, membre de l’association de jeune bédéiste Tantsary, une des associations qui ont organisé le festival de BD malgache, Gasy Bulle. Le festival a connu un déclin en 10 ans. Riri nous explique que les éditeurs n’osent pas se lancer dans la bande dessinée. Deuxièmement, la consommation pose un problème aussi parce que les livres coutent cher par rapport aux pouvoirs d’achat des malgaches. Et aussi, la technologie, le cinéma etc. dépassent la passion pour la lecture en général à Madagascar.

Mamiratra kokoa ny mpanao tantara an-tsary malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy an-dry Catmouse ohatra. Tsy misy mitantsoroka sy manohana ny tantara an-tsary eto an-toerana. Araka ny fanazavan’I Catmouse, tsy misy firaisan-kina mba hanosehina izany tantara an-tsary izany eto an-toerana. Eo ihany koa ny tsy fisian'ny tosika avy amin’ny fanjakana. Ao anaty fikambana Tantsary, fikambanana tanora mpanao tantara an-tsary I Riri. An’isan’ny nikarakara ny hetsika “festival Gasy bulle” momba ny tantara an-tsary izy ireo. Hita anefa fa nitotongana izany hetsika izany tao anatin’ny 10 taona. Manazava I Riri fa tsy sahy mamoaka tantara an-tsary ireo trano mpanota boky. Eo ihany koa hoy izy ny fahefa-mividin’ny Malagasy izay ambany dia ambany miohatra ireo vidin’ny boky. Etsy an-daniny ny teknolojia sy ny sinema sns izay nisongona ny fitiavana famakian-teny eto Madagascar.

mardi, 20 février 2024 13:31

Le Journal du 20 Février 2024

  • Révision annuelle de la liste électorale : les personnes en situation de handicap sont moins prises en charge
  • Madagascar va exporter de l’or à nouveau
  • Lutte contre le VIH/SIDA : faute de moyen financier, les activités ont été réduites
  • La justice sociale reste un engagement sur papier

  • Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana : tsy ampy fandraisana an-tànana manokana ireo olona manana olana ara-pahasembanana
  • Miverina indray ny fanondranana volamena
  • Ady amin’ny VIH/SIDA : nahena ireo hetsika natao noho ny tsy fahampiam-bola
  • Fanekena an-taratasy ihany hatreto ny rariny ara-sosialy

mardi, 20 février 2024 13:15

Le Journal des régions du 20 Février 2024

  • Le cyclone Eleanor continue son trajet vers l'Est
  • Jusqu'à présent, 12 personnes ont perdu la vie à cause de l'intempérie
  • Ramena, Antsiranana : les bateaux sont munis d'un numéro d'immatriculation

  • Manohy ny dia mianatsinana ny rivo-doza Eleanor
  • Rotsak’orana : 12 no fantatra fa namoy ny ainy
  • Ramena, Antsiranana : nametrahana laharana ireo lakana
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter