Le bateau Logos Hope accostera le port de Toamasina à partir ce vendredi jusqu’au 12 décembre. Pour cette année, c’est la première fois qu’un roman en malgache Diary Nofy y sera vendu et disponible pour la lecture également. Nous allons en parler dans notre émission Question A d’aujourd’hui et c’est Mioraniaina Johane, Story Time Manager qui est notre invité.
Handalo ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina manomboka amin’ny zoma izao ilay sambo fivarotana sy famakiana boky Logos Hope. Hijanona ao hatramin’ny 12 desambra. Miavaka kely ny fandalovany amin’ity indray mitoraka ity satria sambany ahitana boky amin’ny teny malagasy ao, ilay amboaran-tantara Diary Nofy, izay ho fantarintsika ato amin’ny fandaharana Hono Ho Aho androany. Ka i Mioraniaina Johane, Story Time Manager no vahinintsika amin’izany.
Le nombre de personne atteint par la grippe intestinale est en hausse à Antananarivo par rapport à l’année dernière. 7 sur 10 des malades consultant le cabinet sont affectés par cette maladie selon un médecin qui préfère garder l’anonymat. Nombreuses sont les causes et tous les âges sont concernés. RAZAFIARIVELO Lova, un médecin d’une association médicale va nous apporter plus d’explications concernant cette infection dans notre émission d’aujourd’hui.
Mitombo ny olona voan’ny grippe intestinale eto Antananarivo amin’izao raha oharina ny tamin’ny herintaona. Saika voany avokoa manko ny 7 amin’ireo marary 10 tonga eny amin’ny toeram-pitsaboina, raha ny nambaran’ny mpiatsabo iray. Tsy mifidy taona fa tratran’ity gripa ity avokoa ny rehetra. Antony maro moa no fantatra fa mahatonga izany. Ampahafantatra antsika bebe kokoa mahakasika izay RAZAFIARIVELO Lova, mpitsabo eny amin’ny fikambanana ara-pahasalamana iray eto antananarivo.
Red Shalk deuxième édition est un événement créé par Passion For Humanity du 10 au 12 Novembre 2023 à la Cité Platon Ambaranjana. Mais quel est cet événement ? Quels sont les résultats de la première édition ? Quels sont les objectifs pour cette édition et pour quoi ce projet vise seulement les femmes entrepreneures ? Johanna Mananjean, responsable impact factory Passion 4 humanity va nous apporter plus d’éclaircissement sur ces questions dans notre émission d’aujourd’hui.
Red Shalk dia hetsika iray andihany faha 2 karakarain’ny Passion For Humanity ny 10 ka hatramin’ny 12 Novambra 2023 ho avy izao ao amin’ny Cité Platon Ambaranjana. Inona tokoa moa io hetsika io ? Nanao ahoana ny vokatra tamin’ny andihany voaloha ? Ny tanjon’ny hetsika sy ny antony nisafidianana manoka oe ny vehivavy mpandraraha no nofidiana. Hitondra fanazavana mahakasika izany i Johanna Mananjean, responsable impact factory Passion 4 humanity ato anaty fandaharana Hono Ho’a.
Dans notre émission d’aujourd’hui, nous allons nous focaliser sur un nouveau jeu « Trimobe », créé par un jeune malgache. Il va nous donner les raisons qui l’ont poussées à créer ce jeu. Il va nous donner également le déroulement du jeu et sa manipulation. RAMANOHISOA Tahina Avotra Kenny, le concepteur du jeu est notre invité aujourd’hui.
Anio isika dia hiresaka mahakasika ny kilalao iray antsoina hoe “Trimobe” noforonina tanora malagasy iray antsoina hoe RAMANOHISOA Tahina Avotra Kenny. Izy indrindra moa no vahinintsika ato amin’ny fandaharana ary anazava ny antony namoronany ity lalao ity izy. Iresaka ihany koa ny fizotran’izany rehefa milalao. Araho ary ny tafatafa niarahana taminy.
La préparation d’une élection nécessite beaucoup d’argents et de matériels. C’est pour cela, qu’on a besoin de partenaires techniques et financiers pour le bon déroulement d’une élection. Par contre, il faut remplir quelques conditions pour avoir le financement. Nous allons écouter Arnel Rakotobe dans notre émission Question A pour en savoir davantage concernant cela.
Maro ny vola sy fitaovana hikarakarana fifidianana. Izay indrindra no ilana mpiara-miombon’antoka hamatsy vola sy fitaovana mba hizotra tsara ny fifidianana. Misy nefa fepetra maromaro takiana mba azahoana izany fanampiana izany. Ny mahakasika izany indrindra no hiaraha-mitafa amin’i Arnel Rakotobe, avy ao amin’ny ONG Ivorary, ato anaty fandaharana Hono Ho’a.
L'Assemblée nationale est composée de 151 membres élus pour une durée de cinq ans au suffrage universel direct. Cette institution politique est dirigée par un président et compte six vice-présidents ainsi que deux questeurs.
Conformément à l'article 70 de la constitution de la IVème République, un décret pris en Conseil des Ministres détermine le nombre de membres de cette institution. En effet, ce décret permet également de déterminer la répartition des sièges sur l'ensemble du territoire national ainsi que le découpage des circonscriptions électorales. Il s'agit de redresser une carte électorale en fonction des nombres d’électeurs. C'est à partir de cela que le nombre de députés pour la circonscription est déterminé.
Manahoana ny firafitry ny antenimieram-pirenana ?
151 ny isan'ny dépiote mandrafitra ny Antenimieram-pirenena amin'izao, izay voafidy hiasa mandritry ny 5 taona. Mitantana io Andrim-panjakana io ny filohan'ny antenimieram-pirenena, filoha lefitre 6 ary kestiora 2.
Arakan'ny andininy faha 70 ny lalàm-panorenan’ny Repoblika faha 4, ny filankevitry ny minisitra no mamoaka ny didim-panjakana mamaritra ny isan'ny solombavambahoaka.
Io didim-panjakana io ihany koa no mamaritra ny isan'ny toerana sy ny isan'ny depiote amin'ny faripiadidina iray. Ny isan'ireo mpifidy no hamaritana ny isan'ny solombavam-bahoaka fidiana amin'ny toerana iray.
Une motion de censure est un moyen de contrôle du gouvernement par l'Assemblée nationale. Elle peut être déposée par au moins 10% des députés (soit 15) et doit être votée à la majorité absolue (soit 151 voix) pour être adoptée. Si la motion de censure est adoptée, le gouvernement doit démissionner.
Les causes qui pourraient mener à la motion de censure sont généralement liées à un désaccord politique entre le gouvernement et une partie de l'Assemblée nationale, le manque de confiance au gouvernement par exemple. La motion de censure est généralement initiée par les députés de l'opposition, ou de la majorité.
À savoir que notre Assemblée Nationale actuelle est composée de 151 députés élus pour un mandat de cinq ans. Dont 84 sont pro-régime, 21 venant de l’opposition et les 46 autres se disant indépendants ou sans partis. Les dernières tentatives de motion de censure menées à Madagascar ont eu lieu en 2016, 2018 et le dernier en 2022.
Fitsipaham-pitokisana (motion de censure) : inona marina izy io ?
Ny fitsipaham-pitokisana dia fomba iray hifehezan’ny Antenimieram-pirenena ny governemanta. Manan-danja izy io raha ny 10%-n'ny solombavambahoaka fara fahakeliny no mametraka izany (izany hoe 15 eo) ary mihatra kosa raha lanin’ny maro an’isa (izany hoe vato 151). Raha ekena ary lany io fitsipaham-pitokisana io dia tsy maintsy mametra-pialana ny governemanta.
Ny antony mety hitarika ny fitsipaham-pitokisana matetika dia ny tsy fifanarahana ara-politika eo amin'ny governemanta sy ny ampahany amin'ny Antenimieram-pirenena, izay miainga amin’ny tsy fifampitokisan’ny roa tonta ohatra. Amin'ny ankapobeny dia ireo solombavambahoaka mpanohitra, na ny maro an'isa no manao izany.
Raha ny Antenimierampirenentsika izao dia ahitana solombavambahoaka miisa 151 nofidiana hiasa dimy taona. Ny 84 amin’ireo dia mpomba ny fitondrana, ny 21 dia avy amin’ny mpanohitra ary ny 46 hafa milaza ho mahaleotena na tsy manana antoko.
Raha ny teto Madagasikara manokana, ny taona 2016 sy 2018 sy 2022 no nisy tranganà fitsimpahampitokisana farany nataon’ireo solombavambahoaka sasany.