Pour le tourisme national, les exigences sont élevées. Le mauvais état des routes décourage les étrangers qui séjournent à Madagascar affirme Eliane Andrianjatovo, Directrice de Ariane tour. Ici, on parle d’Antananarivo jusqu’à Toamasina. De ce fait, les agences de voyage de la côte Est sont aussi dans une mauvaise passe, mais offrent tout de même d’autres circuits prisés pour contrebalancer. Comme la RN7, reliant Antananarivo et Toliara, une destination aux profits des Malagasy et des étrangers à la fois.
Avo ny fepetra takiana amin’ny fizahantany eto antoerana. Mahakivy ny vahiny mandalo eto Madagasikara ny faharatsian’ny lalana hoy Andrianjatovo Eliane, Talen’ny Ariane Tour. Ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina no voakasik’izany. Vokany, misedra olana ny orinasa misehatra amin’ny fizahantany, fa kosa manome tolotra hafa hanarenana an’izany. Toa ny lalam-pirenena faha fito, mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, izay efa manomboka hironan’ny mpizahantany Malagasy sy vahiny amin’izao fotoana.
Tout candidat exerçant une haute fonction publique, civile ou militaire, n’ayant pas respecté le délai de démission exigé par la loi encourt la disqualification. Pareil pour ceux qui ont fait des déclarations publiques tendant à discréditer l’administration électorale, ou tendant à faire des pressions sur elle. Les électeurs inscrits dans la liste électorale ont pleinement le droit de demander la disqualification d’un candidat, en adressant une lettre de plainte au niveau du tribunal administratif. Mais la décision finale doit être prononcée par la Haute Cour Constitutionnelle, celle-ci ne peut pas faire l’objet d’un recours.
Rehefa inona ny kandidà iray amin’ny fifidianana no voasazy tsy afaka mifaninana na « disqualifié » ?
Ireo mpiasam-panjakana na miaramila ambony mirotsaka kandidà ka tsy nanaja ny fe-potoana napetraky ny lalàna tokony hametraham-pialana dia voasazy avy hatrany tsy hifaninanana. Voasazy toy izany koa ireo kandidà izay manao kabary na fihantsiana imasom-bahoaka, manohintohina sy manao tsindry ny vaomiera mpikarakara fifidianana na mivantana na an-kolaka. Ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy dia afaka mangataka io sazy io ho ana kandidà iray. Alefa any amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana izany ary ity farany no mandray ny teny farany aorian’ny fitsaran’ny tribonaly misahana ny raharaham-panjakana. Tsy azo ihodivirana intsony ny fanapahan-kevitra mivoaka eo.
Cette semaine, l’Alliance Française organise comme chaque année le carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi. A la différence des éditions précédentes, cette septième édition se concentre plus sur l’orientation académique et professionnelle. Pour quelle raison ? Et pourquoi l’orientation académique et professionnelle est-elle si importante ? Et comment savoir où aller dans la vie ? Hasina Rakotondrazanany, responsable de communication à l’Alliance Française répond à ces questions dans l’émission Question A.
Toy ny isan-taona, dia mikarakara ny carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi ny Alliance Française amin’ity herinandro ity. Miavaka ity andiany 2023 raha hoarina amin’ireo andiany enina teo aloha, satria dia hifantoka kokoa amin’ny fanoroana ny tanora ny lalana tokony alehany eo amin’ny fianarana sy ny asa ireo mpikarakara. Inona no mahatonga azy ireo hifantoka eo amin’io lafiny io ? Fa maninona no zava-dehibe no mahalala ny fianarana ho arahina sy ny asa ho atao ? Ary ahoana no fomba ahafantarana izany ? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Alliance Française, Rakotondrazanany Hasina, ato amin’ny fandaharana Hono Ho Aho.
Le basket fund, aussi appelé « panier de fonds » est un mécanisme instauré par les Nations Unies. Il permet de rassembler des fonds en provenance des bailleurs afin de réaliser un financement au sein d’une institution ou d’un secteur. On l’utilise dans le cadre de préparation des élections, que ce soit présidentielle, législative ou municipale dans un pays en besoin de soutien financier. Chacun des bailleurs participants ont accès à l’ensemble des informations disponibles sur l’utilisation de ces fonds.
Pour le cas de Madagascar, la CENI, commission en charge des préparatifs des élections a déclaré un manque d’à peu près 100 milliards d’ariary pour les élections qui se tiendront dans le pays, notamment l’élection présidentielle de 2023. Le PNUD a alors mis en place le basket fund. L’union européenne, la France et l’Allemagne sont les premiers à y verser des sommes. Ce fond est géré par les partenaires techniques et financiers du PNUD, avec la CENI.
Inona ny atao hoe Basket fund rehefa amin’ny fotoam-pifidianana ?
Ny hoe basket fund na “panier de fond”, dia rafitra iray napetraky ny firenena mikambana. Natao hanangonana vola avy amin’ireo mpamatsy vola izy io mba ahafahana mamatsy sahan’asa iray. Ny fikarakarana fifidianana filoham-pirenena, solom-bavambahoaka na ben’ny tanana matetika no tena ilana azy io ary natao ho an’ireo firenena manana fahasahiranana ara-bola.
Ho an’i Madagasikara manokana izao, tsy ampy vola mitentina 100 miliara ariary eo isika hikarakarana ny fifidianana ho avy, araka ny fanambaran’ny CENI. Nosokafana araka izany ny Basket fund, izay iarahan’ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD sy ny CENI mitantana. Ny vondrona eropeanina, lafrantsa ary alemana no voalohany nandrotsaka tao amin’io Basket fund io.