Deux ans après le lancement officiel du projet baromètre citoyen ou BAROCI par l'ONG IVORARY. A trois mois avant la date de l’élection présidentielle, ils ont consulté la société civile et le secteur privé pour évaluer la politique du gouvernement. Baroci est un outil utilisé pour mesurer l'efficacité des politiques gouvernementales. En d'autres termes, il sert à évaluer le mandat de nos élus et le gouvernement, y compris le président de la République. Interview avec Miantsa Andriamanantena, la chargée de projet BAROCI au sein de l'ONG IVORARY.
Roa taona izay no namoahana ilay tetikasa baromètre citoyen na BAROCI ataon’ny ONG IVORARY. Telo volana mialohan’ny fifidianana, nihaona tamin’ny firaisamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina izy ireo hanao tombana ny politikam-panjakana. Ity baroci ity dia fitaovana ampiasaina handrefesana ny fahombiazana na tsy ny politikam-panjakana. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia entina hanaovana tombana ny fotoana nandraisan’ny mpitondra ny fitantanana ny firenena, anisan’izany ny filohan’ny Repoblika. Resadresaka niarahana tamin’i Miantsa Andriamanantena, mpandrindra ny tetikasa BAROCI eo anivon’ny ONG IVORARY.
Un QG ou Quartier General d’un candidat est le lieu que son parti politique aura choisi pour piloter toutes les opérations autour de l’élection. Ça peut être le siège du parti politique lui-même ou un local loué pour une certaine période. Toutes les activités de préparation, de coordination et de stratégies sont concentrées au sein du QG : la campagne électorale, les descentes publiques, l’administration, la préparation des demandes d’autorisation, la relation presse, la coordination des éléments dans les régions, la gestion des matériels et des supports de communication etc. Après le scrutin, c’est là que le parti reçoit tous les rapports venant de ses membres implantés partout et suit les résultats de vote. Un candidat peut avoir plusieurs QG.
Inona no atao hoe Quartier General ho an’ny kandidà amin’ny fifidianana ?
Ny QG na quartier général ho ana kandidà iray dia ny birao hiasan’ny antoko politika manolotra azy. Mialoha ny fifidianana dia misy olona hatrany ao afaka mandray ireo izay te hiditra ho mpikambana. Ao ihany koa no hikarakarana ny fitantanan-draharaha amin’ny ankapobeny : ny fanomanana ny fihaonana amin’ny vahoaka, ny antotan-taratasy samihafa toy ny fangatahana fahazoan-dalana, ny fandrindrana ny asa isam-paritra, ny fifandraisana amin’ny mpanao gazety sy ny serasera rehetra, ny fitantanana ny fitaovana sns. Aorian’ny fandatsaham-bato kosa dia ao no handraisana ny tatitra avy amin’ny solotenany isam-paritra sy hanarahana maso ny vokatra. Mety hanana QG maromaro ny kandidà iray. Mety ho birao vonjimaika ihany izany, ohatra hoe manofa trano izy ireo ary miala rehefa tapitra ny fifidianana.
La pédopsychiatrie, avez-vous déjà entendu parler de cette spécialité médicale qui traite les troubles psychologiques chez les enfants ? Quels sont les symptômes associés à ces troubles ? Existe-t-il des moyens pour les prévenir ou les éviter ? Dr Ramamonjisoa Ignace, pédopsychiatre, nous explique en détails.
Ny fikorotanana eo amin’ny sain’ny zaza sy ny fitsaboana izany na pédopsychiatrie no entina aminao anatin’ny Hono ho aho. Mety ahoana ny fisehon’izy io eo amin’ny fiainana andravanandro, azo tsaboina sy sorohana ihany koa ve. Dr Ramamonjisoa Ignace, pédopsychiatre na mpitsabo manam-pahaizana manokana momba io fitsaboana io no hanazava amintsika misimisy kokoa ireo tsara ho fantatra.
Transparency International Initiative Madagascar organise un concours « Taratasy ho an’izay Filoham-pirenena ho voafidy » ou Lettre ouverte au futur Président destiné aux jeunes. Juana Malalasoa, chef du projet club Fongotra nous en dit plus sur ce concours.
Mikarakara fifaninana ho an’ny tanora « Taratasy ho an’izay Filoham-pirenena ho voafidy » ny Transparency International Initiative Madagascar. Juana Malalasoa, mpiandraikitra ny tetikasa Fongotra ivondronan’ireo tanora, mpianatra no hizara amintsika ireo tsara ho fantatra anatin’ny Hono ho aho.
Avant de prendre ces médicaments, nous devrions être curieux et bien vérifier le nom sur la boîte, et les dates de fabrication et de péremption. Ils doivent aussi être mentionnés sur la plaquette. Ne pas oublier non plus de regarder s’il y a le nom du laboratoire de fabrication. Alors pour ne pas être victime d’un médicament contrefait, toujours acheter ces produits à la pharmacie. En cas de doute, rassembler toutes les preuves comme la boite ou la plaquette, et les ramener au centre national de pharmacovigilance, au sein du ministère de la santé publique, selon le Docteur Samson Ralaiarinosy.
Alohan'ny hihinanana ny fanafody, dia tokony ho liana hijery tsara ny anarana eo amin'ny boaty isika, sy ny datin'ny nanamboarana ary ny tsy azo hinanana azy intsony. Tsy maintsy hita ao amin’ilay fonosana anatiny na plaquette koa ireo. Aza adinoina koa ny manamarina raha misy ny anaran'ny laboratoara mpamokatra azy ao. Noho izany, mba tsy ho sendran’ny fanafody sandoka, dia eny amin’ny toerana fivarotam-panafody ihany no tokony mividy izany. Raha misy fisalasalana dia angony avokoa ny porofo rehetra toy ny Boite sy ny fonosany hafa, ary ento eny amin’ny foibem-pirenena misahana ny fanaraha-maso an’izay mety ho voka-dratsy ateraky ny fanafody, eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Dokotera Ralaiarinosy Samson.