Débat des jeunes sur les actualités marquantes de cette semaine. Les menaces face à l’avancée de l’intelligence artificielle à Madagascar, l’interdiction des manifestations politiques et les harcèlements publics. Des sujets au cœur de la discussion de nos trois jeunes invités, RAZAFINDRAMIHARANA Santatriniaina Marie Aimée, Rakotosolofo Toky Nirina et Randriambololona Rija Michael.
Ady hevitra hiarahana amin’ireo tanora momba ny songadim-baovao tamin’ity herinandro ity. Lafy ratsin’ny intelligence artificielle amin’ny fampianarana eto Madagasikara, fandrarana ny hetsika politika ary fanaovana fihetsika mamoafady amin’ireo tovovavy eny an-kalamanjana, ireo no lohahevitra noresahin’i RAZAFINDRAMIHARANA Santatriniaina Marie Aimée, Rakotosolofo Toky Nirina ary Randriambololona Rija Michael, vahinin’ny fandaharana.
L’enseignement supérieur est un problème préoccupant dans la région Bongolava. Chaque année, la circonscription scolaire basée à Tsiroanomandidy enregistre près d’un millier de bacheliers. Or, seulement moins de la moitié ont accès aux universités locaux qui ne comptent qu’au nombre de trois au maximum. D’ailleurs, les filières existantes ne laissent pas beaucoup de choix aux jeunes. Ravaoarimalala Ralison Hanta, responsable au sein de l’université CNTEMAD Tsiroanomandidy, Ramarosandratana Yvon, jeune employé et Fanomezantsoa Tolojanahary Patrick, universitaire de Tsiroanomandidy en discutent.
Olana goavana sedrain’ny tanora ao amin’ny faritr’i Bongolava ny sehatry ny fampianarana ambony. Mpianatra maherin’ny arivo eo isan-taona no afaka baccalauréat ao an-toerana. Zara raha ny antsasany amin’ireo anefa no afaka manohy fianarana noho ny fahavitsian’ny sekoly ambony, izay miisa telo eo farafahabetsany. Etsy an-kilany, vitsy ny taranja azon’ireo tanora safidiana. Miady hevitra momba io zava-misy io i Ravaoarimalala Ralison Hanta, tompon’andraikitra eo anivon’ny CNTEMAD Tsiroanomandidy, Ramarosandratana Yvon, tanora misehatra amin’ny asa ary i Fanomezantsoa Tolojanahary Patrick, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony ao Tsiroanomandidy.