COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

samedi, 25 mars 2023 06:40

Le Journal du 24 Mars 2023

  • CENI : Tous les acteurs politiques doivent partager une vision commune durant le processus électoral
  • Le thon de Madagascar à l’honneur du Bilbao en Espagne
  • Le prix du riz ne cesse d’augmenter
  • Lancement des jeunes dans le e-commerce : le risque d’impayé est le premier blocage

  • CENI : Mila mampitovy fomba fijery amin'ny zotram-pifidianana ny mpiantsehatra rehetra
  • Tsy mitsaha mitombo ny vidimbary eny antsena
  • Fihaonana any Bilbao Espagne : omena lanja ny Jono lamatra avy eto Madagasikara
  • e-commerce : ny mety hisian'ny tsy fandoavam-bola no sakana voalohany

samedi, 25 mars 2023 06:25

Le Journal du 23 Mars 2023

  • Suite aux tremblements de terre de Février : le gouvernement malgache va envoyer une aide à la Turquie
  • Un Etat d’exception ne doit pas porter atteintes aux droits fondamentaux selon l’ordre des avocats
  • Ressource forestière : Des particuliers connaissent du succès de l’exploitation des forets
  • Dénonciation des exploitations aurifères illégales : les autorités locales ont peu de pouvoir

  • Vokatry ny horohorontany mahery vaika : Hanampy an’i Torkia ny fanjakana malagasy
  • Fitorohana ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna : kely ny fahefana hananan’ireo tomponandraikitra eny ifotony
  • Tsy tokony hanohitohina ireo zo fototra ny Etat d’exception hoy ny holafitry ny mpisolo vava
  • Fihariana : Mbola maro ireo olon-tsotra mivelona amin’ny fitrandrahana ala

  • Riz local : la hausse du prix touche presque toutes les régions du pays
  • Mandritsara : les consommateurs diminuent, les zébus abattus aussi
  • Région Diana : réouverture de la pêche aux poulpes

  • Fiakaran’ny vidim-bary : saika mitovitovy avokoa ny any amin’ny ireo faritra maro samy hafa
  • Mandritsara : vitsy ireo mpanjifa ka mihena izay tsy izy ny isan’ireo omby vonoina ao an-toerana
  • Faritra Diana : naverina nosokafana ny jono orita
  • District de Mananjary : le cas de bilharziose s’accroit dans la commune de Mahavoky Nord
  • Région Bongolava : il reste 4% de terrains couverts de forêts
  • Analanjirofo : les jeunes de Fenerive Est sont nombreux à s’intéresser à la distribution gratuite de préservatifs

  • Distrikan’ny Mananjary : miakatra ny aretina bilharziose ao amin’ny kaominina Mahavoky avaratra
  • Efatra isanjato sisa ankehitriny ny velaran-tany misy ala eto amin’ny faritra Bongolava
  • Faritra Analanjirofo : Marisika amin’ny fampiasana fimailo ireo tanora ao Fenerive Atsinanana

Depuis que Madagascar a adopté le régime républicain après la période coloniale, la constitution suit les principes démocratiques et le système monarchique s’est dissout. Mais pas totalement car les ascendances royales tiennent toujours leur place dans les différentes régions et la société malgache actuelle. Quels rôles jouent-ils exactement dans un pays démocratique comme le nôtre ?

Isan’ny firenena tsy manaraka intsony ny fitondrana Andriamanjaka I Madagasikara hatramin’ny taona 1896. Natsahatra tanteraka araka izany io rafi-pitondrana io ka nosoloina ny fitondrana entina olom-boafidy. Tsy lefy anefa na izany aza ny lanja sy hasina omen’ny vahoaka ireo taranaka andriamanjaka amin’ny faritra maro eto amintsika. Inona ary no sehatra mbola ilàna ireo mpanjaka sy ampanjaka amina firenena demokratika toa an’I Madagasikara?

Bien que Madagascar ait gagné 4 rangs dans l’indice de perception de la corruption (IPC)2022, sa note reste la même que l’année précédente, 26/100. Ce n’est pas une surprise, affirme Transparency  International Initiative Madagascar. Selon cette dernière, la corruption dans le domaine sanitaire, foncier et judiciaire s’accroit constamment. Or, le budget alloué pour lutter contre ce phénomène ne fait que 0,12% du budget de l’Etat. Une des principales raisons de cette stagnation.

Nijanona toy ny tamin’ny taon-dasa, 26/100 ny naotin’i Madagasikara tamin’ilay mari-drefy famantarana ny kolikoly (IPC) 2022, na dia nanatombo laharana 4 aza izy. Mahazo vahana ny kolikoly avolenta eo amin’ny sehatry ny fitsarana, fahasalamana ary fananantany eto an-toerana. Tsy mifanaraka amin’izay anefa ny tetibola natokana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, izay 0,12% monja ao amin’ny tetibolam-panjakana. Antony iray mahatonga antsika tsy mihetsika amin’io naoty ratsy io izany, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar.

Madagascar sort finaliste de l’ « ICT Compétition » 2022-2023, organisé par Huawei sur une quinzaine de pays africains. Une équipe composée de six jeunes s’est battue pour en arriver à ces bons résultats, à travers deux disciplines clés : le « network computing » et le « cloud ». L'objectif est d'élever le niveau de la jeunesse malgache dans le domaine des nouvelles technologies, précise Quesiah Botoale, ambassadrice de Huawei en Afrique de l’Est et du Sud.

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana informatika « ICT Compétition » 2022-2023 isika malagasy. Tanora enina no nisolotena antsika nandritra izany ary taranja informatika roa no nifanintsanana. Firenena afrikanina 16 kosa no nifaninana tamin-tsika. Tanjona ny hampitomboana ny lentan’ny tanora malagasy amin’ny sehatry ny teknolojia vaovao hoy i Quesiah Botoale, masoivohon’ny Huawei aty Afrika Atsinanana sy Atsimo.

Madagascar accède aux huitièmes de finale du concours interuniversitaire de débat à La Haye. Les étudiants de l'Université Catholique de Madagascar nous représentent pour cela. Ils ont pris le dessus par rapport aux équipes concurrentes grâce à leur petite astuce : l’usage des métaphores, des proverbes et des poèmes pour mieux soutenir leur plaidoyer. Les sujets varient à chaque match et chaque équipe a une semaine pour se préparer. 32 pays sont en lice et tous les matchs sont diffusés en direct sur YouTube.

Tafakatra amin’ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fifaninanana ady hevitra iraisam-pirenena any La Haye i Madagasikara. Ireo mpianatry ny UCM no misolotena antsika amin’izany. Tombony ho azy ireo ny nahaizany nampiasa ireo teknika maro tamin’ny fandaharan-teny toy ny fanoharana, ohabolana sy tononkalo. Miovaova isaky ny dingana ireo lohahevitra ary manana herinandro izy hiomanana. Firenena 32 no mifanandrina, ary mandeha mivantana amin’ny Youtube avokoa ireo lalao.

La sanction à l’encontre de Madagascar dans la discipline pétanque, énoncée en mars 2022 tient toujours place. C’est ce qu’a réaffirmé la fédération internationale de pétanque au début de l’année.  Selon Andrialemirovason Amiroudine, président de la fédération de sports boules Malgaches (FSBM). Le problème remonte au niveau de la subvention ministérielle allouée pour ce sport. La fédération est également endettée, dit-il.

Mbola mitohy hatreto ny sazy mihatra amin’ny Madagasikara amin’ny taranja tsipy kanety be. Namerina nanamafy izany ny federasionina iraisam-pirenena tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Olana eo amin’ny famatsiam-bola no fototry ny olana hoy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanety be, Andrialemirovason Amiroudine. Mibaby trosa ihany koa hoy izy ny federasiona tantaniny ankehitriny.

Bien que le cas de paludisme ait considérablement diminué au cours des années à Madagascar, la région Sud Est n’en est pas épargnée. Le nombre de cas dans cette zone représente 17% de cas total en janvier. Les enfants et les femmes sont les plus vulnérables, selon le responsable auprès de la direction régionale de la santé à Atsimo-Atsinanana. Une autre épidémie encore menaçante dans cette région est la tuberculose. D’après les médecins, cette maladie, surnommée « maladie de la pauvreté » est surtout imminente dans les quartiers des plus démunis.

Mbola mitohy ny ady amin’ny tazomoka eto Madagasikara na dia efa nihena be aza ny tranga. Tsy misy fiovany anefa izany ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana satria izy hatrany no hahitana tranga betsaka indrindra. 17% n’ireo tranga manerana ny faritra no avy ao antoerana. Valan’aretina mbola tena mihanaka any an-toerana ihany koa ny raboka ka ireo tokantrano sahirana no lasibatra voalohany. Fahantrana, loto, sy ireo rehetra mahatonga ny vatana harefo mantsy no mampahazo vahana azy hoy ireo mpitsabo. Izay no hiantsoana azy hoe “maladie de la pauvreté”.

Souvent, lorsqu'un incident grave survient dans la vie d'une personne, cela peut entraîner une dépression mentale. Avant d'aider la personne, il est nécessaire de bien comprendre le véritable problème auquel elle est confrontée, a déclaré La psychologue Randriamanana Kolo. Mais ce processus peut prendre un long moment.

Les troubles de langage marquent un retard dans la capacité de l'enfant à s’exprimer avec des mots. Cette maladie peut être détectée dès le bas âge. Il existe de nombreux types de troubles  de langage, notamment des troubles de la parole et les troubles lexicaux.

Matetika rehefa misy trangan-javatra mafy iray miseho eo amin’ny fiainan’ny olona iray dia mety hitarika fahaketrahana ara-tsaina ho azy izany. Alohan’ny hanampiana an’ilay olona, mila fantarina  mazava ny tena olana mahazo azy hoy ny mpahay toetr’olona, Randriamanana Kolo. Mety haharitra fotoana elaela anefa izay fomba fandaminana ny saina izay.

Ny troubles de langages dia fahatarana eo amin’ny fahafahan’ny zaza miteny. Dieny kely izy dia efa azo fantarana hoe tratran’izay aretina izay ve sa tsia. Misy karazany maro ity olana amin’ny fahafahana miteny ity, anisan’izany ny fikorontanan’ny fitenenana sy ny tsy fahaizana mamaky teny.

L’addiction à la drogue dure est observée dès l’âge de 15 ans chez les jeunes malgaches. Depuis la pandémie COVID-19, l’addiction à la consommation de cette drogue n’a cessé d’augmenter chez les jeunes. Le traitement de sevrage est un des moyens pour aider les personnes avec des addictions. Docteur Ando Christian RAMPARANY, Médecin chef au Centre de santé mentale Saint Benoît Menni Imerintsiatosika nous en parle dans l’émission.

Manomboka eo amin’ny faha 15 taona dia efa ahitana tanora malagasy tratran’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika na ny drogue dure. Raha ny hita dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ireo tanora tratran’ny fiankinan-doha amin’ity drogue dure ity nanomboka tamin’ny nidiran’ny COVID-19 teto amintsika. Ny sevrage dia fomba iray ahafahana manampy ireo tratran’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Manazava izany amintsika ato anatin’ny fandaharana ny mpitsabo Ando Christian RAMPARANY, Tale mpikarakara ny lafin’ny ara-pitsaboana eny amin’ny Centre de santé mentale Saint Benoît Menni Imerintsiatosika.

L'une des causes profondes des conflits entre couple et peut même conduire à la séparation est le manque de communication. On ne le remarque pas mais la plupart le vie quotidiennement. Comment réagissent les jeunes face à cela ? Quatre jeunes en ont débattu. Parmi eux, ceux qui se sont mariés à la mairie et à l’église et ceux qui vivent juste ensemble. Un coach en amour les a aidés à trouver des solutions.

Anisan’ny fototry ny olona eo amin’ny adin’ny mpivady sy ny fisarahana mihintsy aza ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny serasera eo amin’ireo olon-droa. Tsy hita mibaribary izy io fa hianana andavanandro anefa. Ahoana ny fanehoan-kevitr’ireo tanora ? Tanora efatra no niady hevitra mahakasika an’izany. Ao ny efa manambady ara-dalana vita soratra vita mariazy tany am-piangonana, ao ny miara mipetraka fotsiny ihany ao ireo vita fomba ihany koa. Nanampy azy ireo nikaro-bahaolana ny mpanabe iray mpanolo-tsaina mahakasika ny fiaraha-miainan’ny mpifankatia.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter