Rakotondrainibe Hasina, Andrianantenaina Hoby Nomena et Randriamahery Myma Daddy sont nos jeunes invités de la semaine. Ils ont apporté leur point de vue sur trois actualités marquantes de la semaine, à savoir les marchés noirs de médicaments, l’enjeu du changement climatique et l’intérêt des jeunes malgaches à s’inscrire dans la liste électorale.
Vaovao telo nisongadina nandritra ity herinandro ity indray noresahana niaraka tamin’I Rakotondrainibe Hasina, Andrianantenaina Hoby Nomena ary i Randriamahery Myma Daddy tao anatin’ny fandaharana Ndao hilaoeky. Nitondran’izy ireo ny heviny sy ny fomba fijeriny ny momba ny fivarotam-panafody tsy manara-dalàna, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fahavitrihan’ny tanora Malagasy hiditra anaty lisi-pifidianana.
Jusqu’ici, deux pays ont approuvé l’utilisation d’un vaccin nasal comme dose de rappel : la Chine et l’Inde. Mais les essais cliniques sont nombreux un peu partout dans le monde : Hongrie, Pakistan, Malaisie, Argentine, Mexique, Royaume-Uni.
Au Royaume-Uni, des chercheurs de l'université d'Oxford ont menés l’expérience sur une trentaine de personnes, avec le vaccin nasal de AstraZeneca. Ils ont annoncé l’échec de ce premier essai au début du mois d’octobre. En effet, les patients avaient développé une moindre réponse immunitaire qu'avec une vaccination classique par injection. Ils pensent que le spray nasal est tout simplement avalé et détruit par l'estomac, avant même d’atteindre les poumons. En revanche, ce type de vaccin ne présente aucun effet secondaire majeur jusqu’ici. Malgré cet échec, les scientifiques continuent à explorer cette piste.
Hatramin’izao dia firenena roa no efa mampiasa vaksiny atete amin’ny orona atao vaksiny fanampiny amin’ny Covid-19 : Sina sy Inde. Fa maromaro ireo andrana efa mandeha amin’izao fotoana ireo : any Hongrie, Pakistan, Malaisie, Argentine, Mexique, Royaume-Uni.
Any Royaume-Uni izao, mpikaroka avy amin’ny oniversiten’ny Oxford no nanandrana izany tamina olona telopolo teo, tamin’ny vaksiny atete novokarin’ny AstraZeneca. Nanambara izy ireo ny volana oktobra teo fa tsy nahomby io andrana voalohany io. Hita fa kely kokoa ny hery fiarovana foronin’ny vatana raha oharina amin’ny vaksiny atsindrona mahazatra. Tsy tonga any amin’ny avokavoka hoy izy ireo ny fiasan’ilay vaksiny fa lasa levon’ny vavony. Mbola manohy mitrandraka sy manatsara ity endrika vaksiny vaovao ity noho izany ireo manam-pahaizana.
Antananarivo : 90% des marchandises touchées par l’incendie ont été réduites en cendre au marché d’Anosibe Namontana.
Mahajanga : Les premières pluies ont fait pas mal de dégâts.
Mananjary : Les maires, chefs fokontany et quartiers mobiles ont été formés dans le cadre de lutte contre l’insécurité.
Antananarivo : 90% tamin’ireo tsena may tao Anosibe Namontana no simba .
Mahajanga : Nanomboka nirotsaka omaly ny orana.
Nomena fiofanana nandritra ny roa andro ireo ben’ny tanàna sy sefo fokontany ary quartiers mobiles ao amin’ny distrikan’i Mananjary ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana.
Opération jugement supplétif : la quantité de papiers administratifs Insuffisante.
Produits artisanaux malgaches : seul 1 vendeur sur 10 peut exporter.
Les dépôts de médicaments assurent l’accès aux médicaments dans les milieux ruraux.
Tsy maharaka ny taratasy fanaovana sora-piankohonana.
Tsy marisika hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ireo tanora vao feno 18 taona ao Nosy Be.
Asa tanana malagasy: mpivarotra 1 amin'ny 10 ihany no afaka manondrana.
Ahafahan’ireo mponina eny ambanivohitra mahazo fanafody azo antoka ny fisiana tobim-panafody.
Inspiré du frigo du désert, VATA fonctionne grâce à un mécanisme d’évaporation d’eau. L’essence du projet est de permettre aux paysans de conserver plus longtemps leurs produits. La température moyenne que l’on peut obtenir est de 10°C. L’équipe prévoit de monter une entreprise et de faire une production à grande échelle. RAZAFIARIMBOLA Diane et Ratsiriharison Ny Haga, représentant du groupe nous en parle.
Vata-fampangatsiahana tsy miankina amin’ny herinaratra ny VATA. Mamaha ny olan’ny tantsaha amin’ny fitahirizana ny vokatra any ambanivohitra. Tsy miankina amin’ny herinaratra izy ity. Mahatratra 10°C ny maripana azo amin’ny fampiasana ity fitaovana ity. Mikasa hanangana orinasa izy ireo, hanamboatra VATA maromaro hoan’ny tantsaha sy ny orinasa manokana. Manazavazava momba izany i RAZAFIARIMBOLA Diane sy i Ratsiriharison Ny Haga, solontenan’ny ekipa.
Les cambriolages, les agressions qui virent aux meurtres. Ce sont les différentes formes d’insécurité causées par la consommation de drogue dans la région Bongolava, dans la commune urbaine de Tsiroanomandidy. Selon le commissaire Ravelomananjara Renaud, ce sont surtout les jeunes qui en consomment. Spécifiquement pour le chanvre, les marchandises viendraient des régions du sud et ce sont les gens de passage dans la région qui en fournissent aux jeunes habitants locaux. Plusieurs cas ont été rapportés auprès des jeunes membres de l’OBS Mada, explique Rasomelina Irintsoa Tiana. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
En tant que préfet de Tsiroanomandidy, Randriamboavonjy Tahiry Hasina affirme qu’il s’occupe de la coordination des autorités pour les actions à entreprendre pour réduire, voire éradiquer la consommation de drogue dans la région. Néanmoins, cela reste difficile, surtout pour le “toaka gasy”. Ce dernier est utilisé dans plusieurs rites culturels locaux comme le « famadihana ». Il précise quand même que tant que c’est interdit par la loi, les autorités se doivent de sanctionner ceux qui le commercialisent ouvertement. Au secrétaire général de la commune de Tsiroanomandidy, Andrianarivo Herisoa Alexandre de rappeler tout de même que la lutte contre la drogue passe avant tout dans l’éducation des jeunes.
Maro ireo endrika tsy fandriam-pahalemana hateraky ny fandraisana zava-mahadomelina, ka isan’izany ny famakiana trano, fanaovana herisetra amin’olona na famonoana olona mihitsy noho ny tsy fahafehezan-tena intsony. Ireo tanora no tena mandray izany hoy i ny kaomisera Ravelomananjara Renaud, Lehiben’ny Commissariat de police eto Tsiroanimandidy. Raha ny rongony manokana no resahana, avy any amin’ny faritra Atsimo any izy ireny no misy mitondra mankao amin’ny faritra. Arak’izany dia ireo mpiavy no mpamatsy ireo tanora eto an-toerana. Maro ireo tranga efa hitan’ireo tanora avy ao amin’ny OBS Mada, misy ihany koa ireo vaovao izay azon’izy ireo avy amin’ny mponina sy loharanom-baovao samihafa hoy i Rasomelina Irintsoa Tiana tanora olotenan’ny OBS MADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.
Ny fandrindrana ny hetsika tokony hatao mba hiadiana amin’ny fiparitahan’ireo zava-mahadomelina ireo no anjara andraikin’ny fiadidina ny tanàna hoy ny prefen’ny faritra, Randriamboavonjy Tahiry Hasina. Na izany aza, raha ny “toaka gasy” no resahana dia manahirana ny famehezana izany noho izy mifamatotra amina fomba malagasy maro samihafa ao amin’ny faritra, toy ny famadihana ohatra. Na izany aza nanamafy izy fa rehefa mbola voararan’ny lalàna aloha dia tsy maintsy saziana ireo izay mivarotra izany. Nilaza ny avy eo anivon’ny kaominina Tsiroanomandidy, Andrianarivo Herisoa Alexandre fa miainga amin’ny fanabeazana sy fanomezana fialam-boly hoan’ireo tanora ny fampihenana sy fanafoanana ny fanjifana ny zava-mahadomelina ao amin’ny faritra.
Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Andriamiarisoa Mandrindra Fitia, Razananivo Bakoliarisoa, étudiantes et Rafanomezantsoa Hasiniaina, membre du fan’s club Studio Sifaka, vont s’exprimer sur les questions liées à la commémoration du 13 Mai 1972. Ils vont aussi donner leurs avis sur les universités mortes et finalement ils vont débattre sur le forum des jeunes 2022.
Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba hahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio, i Andriamiarisoa Mandrindra Fitia, Razananivo Bakoliarisoa, mpianatra, sy i Rafanomezantsoa Hasiniaina, mpikambana ao amin’ny fan’s club Studio Sifaka no haneho hevitra mahakasika ny fahatsiarovana ny andron’ny 13 may 1972. Hiresaka mahakasika ireo anjerimanotolo maty ihany koa izy ireo. Amin’ny maha-tanora, tsy ho adino ny hiresaka momba ny fikaonan-dohan’ny tanora 2022.