Les progrès des sciences de la vie sont impressionnants. D’un côté, ils permettent de mieux traiter les maladies. D’un autre côté, ils modifient nos rapports à la vie quand on parle de clonage ou d’euthanasie. De ce fait, des réflexions sont nécessaires pour que les progrès restent au service des êtres vivants. Des réflexions fondent ce que l’on appelle la bioéthique. Herimampita RARIVOMANANTSOA, chef de la mention philosophie à l’Université d’Antananarivo et philosophe spécialiste en bioéthique nous explique ce que c’est.
Mahatalanjona ny fivoaran’ny siansa mikasika ny manan’aina. Mampahomby kokoa ny fitsaboana izy ireo. Manova ny fomba fahitantsika ny fiainana koa rehefa miresaka « clonage » na « euthanasie » ohatra. Noho izany dia ilaina ny mandinika mba hikendry ny tombotsoan’ny zava-manan’aina hatrany ireo fivoarana ireo. Ireo fandinihana ireo no mandrafitra ny atao hoe « bioéthique ». Manazava amintsika ny momba izany i Herimampita RARIVOMANANTSOA, filohan’ny sampana filôzôfia ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ary filôzôfa mpandinika manokana ny bioéthique.
Sur notre série chômage et recherche d’emploi, voici 3 autres conseils pour optimiser sa période de chômage
Ahoana ny hiatrehana ny fotoana tsy fananana asa ?
Vanimpotoana sarotra ho an’ny tanora ny tsy fananana asa sy fitadiavana asa. Ireto misy torohevitra telo afaka hanampy anao miatrika izany :
D’un point de vue économique, les jeunes sont les plus touchés par les pertes d’emploi liées au Covid-19, rapporte l’INSTAT dans le résultat de son enquête réalisée en 2021. Ces jeunes sont âgés de 25 à 40 ans et les individus ayant un niveau d’enseignement supérieur sont les plus concernés. C’est-à-dire, ceux qui ont terminé le niveau secondaire et les études supérieures.
La majorité de ces jeunes ont exercé des emplois liés aux activités scientifiques et techniques, dans le secteur d’hébergement et de restauration ou transport. 70% d’entre eux sont dans le salariat, d’autres sont autoentrepreneurs et d’autres encore travaillent pour une entreprise familiale.
Inona ny fiatraikan’ny valanaretina covid-19 teo amin’ny tanora ?
Raha ny lafiny ara-bola no jerena, dia ireo tanora no betsaka very asa indrindra vokatry ny valanaretina covid-19, araka ny fanadihadiana nataon’ny INSTAT ny taona 2021. Tanora eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 40 taona eo, ary ireo izay nahavita fianarana no voakasika kokoa amin’izany. Izany hoe nandalo ambaratonga faharoa sy ambaratonga ambony.
Ny ankamaroan’ireo tanora very asa ireo dia niasa tamin’ny sehatra siantifika sy teknika, na koa tamin’ny fandraisam-bahiny sy fisakafoana ary fitaterana. Ny ankabeazany niasa tamina orinasa, ny hafa nanana ny orinasany manokana ary tao koa ireo niasa tamina orinasam-pianakaviana.
Le système douanier à Madagascar a été amélioré, plus modernisé grâce à une coopération bilatérale Madagascar et la Corée. Une solution pour booster le système de contrôle des fraudes et contrebande. Ainsi la surveillance des côtes sera renforcée.
Ny fanatsarana ny fampitaovana eo anivon’ny fadin-tseranana hanatsarana ny fitiliana sy ny fanaraha-maso ny fidirana sy ny fivoahan’ny entana eto amin’ny Nosy fa indrindra ny mety ho fisian’ny hosoka. Ny fanatsarana ny fampitaovana sy fomba fiasa no laharam-pahamehana ao. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny sisintany.
Les paysagistes font des prestations par rapport à la commande des clients. Le prix des fleurs pour bordure est à partir de 1000 ariary chacune. Ils plantent les gazons par partiel et le prix varie du type de gazon.
La médecine du sport est une spécialisation comme tous les autres après la médecine générale. Le médecin du sport conseille ses patients sur la physiologie du sport, la diététique sportive etc ; fait une couverture médicale des athlètes lors d’un match ou d’une compétition.
Miankina amin’ny komandin’ny mpanjifa ny asa zaridaina atao ao an-tokotaniny. Manomboka amin’ny arivo ariary ny sisim-boninkazo. Isaky ny ampahany na « partiel » kosa ny fambolena bozaka ho an’i Christian Eric sy ny ekipany.
Sampana iray aorian’ny fianarana ho dokotera ny dokotera ara-panatanjahantena. Manoro ny ezaka tokony hatao anaty fanatanjahantena izy ireo. Mitsabo ny atleta rehefa misy lalao lehibe ireny ihany koa. Misy 10 eo izy eto Madagasikara.
REPORTAGE
Les engrais sont aussi nécessaires dans les petits jardins domestiques ou avec des petits pots de fleurs que dans les productions agricoles. C’est clairement la base en production agricole parce que l’engrais nourrit la plante avec ses matières minérales et organiques. Depuis la nuit des temps, même au début des productions agricoles de l’homme, on a utilisé les engrais naturels. Les agriculteurs témoignent les bienfaits des engrais naturels sur leurs productions mais surtout sur la préservation de l’environnement.
INTERVIEW
Les engrais chimiques sont de plus en plus utilisés dans les productions agricoles. Mais ces engrais chimiques nuisent l’environnement. L’ingénieur agricole, Mamy Razanakolona, nous parle de son utilisation et surtout ses conséquences à la production agricole mais surtout à l’environnement.
FANADIHADIANA
Zavatra ilaina foana raha vao miresaka fambolena, na ho an’ny zaridaina ao an-trano, na ny voninkazo amin’ireny tavim-boninkazo ireny, fa indrindra ny famokarana sakafo hoanina. Fototry ny fambolena ny zezika satria izy no mamahana ny zavamanan’aina amin’ny alalan’ny akora organika sy mineraly ao aminy. Hatrany amboalohany dia zezika natoraly avokoa ny nampiasaina tamin’ny fambolena. Mitantara ny tombony amin’ny fampiasana zezika natoraly ny tantsaha.
TAFATAFA
Miahamaro ny fampiasana ny zezika simika amin’ny famokarana ara-pambolena amin’izao fotoana. Manimba ny tontolo iainana anefa ny zezika simika. Manazava ny fampiasan’ny olona azy sy ny voka-dratsiny amin’ny fambolena fa indrindra amin’ny tontolo iainana ny manam-pahaizana amin’ny fambolena, Razanakolona Mamy.
Le festival inclusif pluridisciplinaire “MIARAKA” avec la Compagnie Lovatiana qui promeut l'intégration des artistes en situation d’handicap. La danse sera mise en avant pendant cet évènement. La danse contemporaine ouvre une occasion au partenariat.
Ny Festival Miaraka dia hetsika ara-java-kanto karakarain’ny compagnie Lovatiana, miangaly ny dihy ankehitriny. Omena vahana ao anatin’io hetsika io ny fiaraha-miasan’ny olona manana fahasembanana sy ny olo-tsotra ary misokatra ho an’ny taranja ara-java-kanto rehetra. Ny dihy no tena hisongadina ao anatin’io hetsika io. Ny traikefa azo dia mampiseho fa ny dihy ankehitriny dia manokatra varavarana amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa.
Chacun a sa propre condition physique et chacun a donc le sport qui lui convient. Pour certains, il peut s'agir simplement de marcher, pour d'autres, il peut s'agir d'un exercice plus intense. Mais comment savoir qu’on doit changer de sport ? Nous nous tournerons également vers le Docteur Rakotoherison Jimy Médecin du Sport à l'Académie Nationale des Sports Ampefiloha Antananarivo pour nous expliquer ce qu’est "Asthénie".
Samy manana ny toe-batany ny tsirairay ary samy manana ny fanatanjahantena mety sy sahaza azy. Ho an’ny sasany mety hoe mandeha tongotra ihany no vitany, ny an’ny hafa indray mety hoe fanazaran-tena mafimafy kokoa noho izay. Fa rehefa toy ny ahoana anefa no tokony hiova fanatanjahan-tena atao ? Hitodika amina ny dokotera Rakotoherison Jimy Médecin du Sport etsy amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha Antananarivo ihany koa isika hanazava mahakasika an’izany hoe “Asthénie” izany.