La corruption sexuelle dans le milieu scolaire est observée dès la classe de sixième ou au collège, rapporte l’ONG Tolotsoa et Transparency International Initiative Madagascar. Souvent, elle est utilisée dans le but d’avoir une meilleure note ou pour passer en classe supérieure. L’étude a démontré que sur les 8501 personnes questionnées, 62 % d’entre eux reconnaissent avoir su l’existence de la corruption sexuelle ou a déjà pratiqué ce type de corruption au moins une fois dans leur vie. Liantsoa Rakotoarivelo, responsable du projet de lutte contre la corruption au sein de Transparency International Initiative Madagascar, donne les détails dans l’émission.
Manomboka any amin’ny taona faha enina, eny amin’ny ambaratonga faharoa, dia efa isehoana trangana kolikoly ara-pananahana, araka ny fanadihadiana nataon’ny ONG Tolontsoa sy ny Transparency International Initiative Madagascar. Matetika dia mba hahazoana naoty tsara na hifindrana kilasy ambony no anton’izany. Fantatra ihany koa tamin’ireo olona 8501 nametrahana fanontaniana, ny 62% tamin’izy ireo dia nilaza fa efa naheno na efa nanao an’ity karazana kolikoly ity farafahakeliny indray mandeha tamin’ny fiainany. Hitondra fanazavana mahakasika izany ato anatin’ny fandaharana, i Liantsoa Rakotoarivelo, mpiandraikitra mahakasika ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar.
La CLRE, ou commission Locale de recensement des électeurs est une structure créée au niveau de chaque fokontany. Son rôle principal est d’établir les listes électorales qui vont servir pendant le scrutin.
En ce sens, elle se charge donc de recenser tous les citoyens ayant acquis les qualités exigées par la loi pour pouvoir voter. La CLRE est composée du premier responsable du Fokontany, c’est-à-dire le chef fokontany et de deux à quatre autres représentants du Fokontany, chacun nommé par le démembrement de la CENI au niveau de chaque district.
Toujours sous la responsabilité du démembrement de la CENI, les membres auprès de cette structure font en sorte de recenser les électeurs en visitant chaque ménage pour collecter des données individuelles sur chaque électeur, comme son nom complet, date et lieu de naissance, date et lieu de délivrance de CNI, etc.
Mandritra ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana, inona no andraikitra sahanin’ny CLRE?
Ny vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy na CLRE dia rafitra iray apetraka eny anivon’ny isam-pokontany. Adidy lehibe hiandraketany ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izay hampiasaina mandritra ny fotoam-pifidianana.
Manisa ireo olom-pirenena rehetra mahafeno ny fepetra tokony hifidy izy araka izany. Ny tompon’andraikitra voalohany eny anivon’ny fokontany, izany hoe ny sefo fokontany, miaraka amin’ireo solontena 2 hatramin’ny efatra, tendren’ny rantsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika tsirairay no mandrafitra ny CLRE.
Eo ambany fiahian’ny CENI hatrany, midina ifotony ireo mpikambana ao amin’ny CLRE ireo mitsidika isan-tokantrano ary maka ny mbombamomba ny mpifidy rehetra, toy ny anarany feno, ny daty sy toerana nahaterahany, ny daty sy toerana nanaovana ny karapanondro sy ny sisa.
Au sens propre du terme, la liste des électeurs contient donc le nom de tous les citoyens remplissant les conditions pour être électeurs. Un citoyen apte de voter se doit d’y être inscrit. C’est-à-dire âgé de 18 ans et plus, et jouissant de leurs droits civils et politiques.
Pour le cas de Madagascar, la liste provisoire est actuellement disponible pendant 20 jours au niveau des fokontany afin que les citoyens puissent vérifier leurs noms et apporter des modifications si nécessaires. Passé ce délai, les dernières modifications sont transmises à la commission Nationale Electorale Indépendante ou CENI.
A son tour, la CENI prend en charge les dernières retouches. Dès le 30 juin, date de l’arrêtage définitive, on ne peut plus apporter aucune modification à cette liste, qui devient donc la liste électorale. C’est celle qu’on va utiliser tout au long du scrutin.
Inona no maha samihafa ny lisitry ny mpifidy amin’ny lisi-pifidianana ?
Ny lisitry ny mpifidy, araka izany anarany izany, dia lisitra ahitana ny anarana sy mombamomban’ireo olom-pirenena mahafeno ny fepetra ahafahana mifidy. Izany hoe feno 18 taona mihoatra, ary mbola manana zo hifidy. Izany hoe, ao anatin’io lisitra io ny anaran’ireo olom-pirenana afaka mifidy raha te hanao izany izy. Ho an’i Madagasikara manokana, misokatra ho an’ny daholo be amin’izao ny fanamarinana eny anivon’ny fokontany isanisany raha tafiditra na tsia ao anatin’ny lisitra vonjimaikan’ny mpifidy ny olona iray.
Maharitra 20 andro izay, miaraka amin’ireo fanitsiana raha ilaina izany. Rehefa tapitra io fe-potoana io dia alefa eny amin’ny birao mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI ny lisi-pifidianana. Ity farany indray no mitondra fanitsiana farany mialohan’ny fikatonana tanteraka amin’ny 30 Jiona. Tsy misy azo kitihina intsony izany manomboka amin’io daty voatondro io. Iny no antsoina hoe lisi-pifidianana ofisialy izay hampiasaina mandritra ny fifidianana.
L'éducation nationale enfin améliorée 30 ans après à Madagascar. De ce fait, le système éducatif et les outils tels que les manuels scolaires sont mis à jour. Pour le moment, les ouvrages de SVT, de français et de physique-chimie sont les premiers à être réformés. Selon Rakotoarisoa Zo Lala, du ministère de l'Éducation nationale, l'objectif est d'améliorer la qualité de l’enseignement. Les livres déjà utilisés par les écoles privées et publiques à Madagascar sont revus un à un, niveau par niveau, suivant les recommandations des experts. Une nouvelle méthode et de nouveaux ouvrages seront ensuite vulgarisés, en livres physiques, numériques ou radiodiffusés, selon les régions afin que les élèves soient traités équitablement. La restitution du rapport lié à cette réforme a eu lieu les 17 et 18 Avril 2023 à Antananarivo.
Hatsaraina ny fanabeazam-pirenena 30 taona aty aoriana. Ny fanavaozana ireo rafitra sy ireo fitaovana toy ny boky fampianarana no natao tamin’izany, izay natomboka tamin’ny taranja 4 toy ny siansa, ny frantsay sy ny fizika simia. Tanjona hoy i Rakotoarisoa Zo Lala, avy ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny hanatsarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra. Miainga amin’ireo boky efa ampiasain’ny mpianatra ihany no nanaovan’ireo manam-pahaizana fikarohana ka nanaovana fanavaozana. Samy hafa ny fomba fanapariahan’ny fitondram-panjakana ireo boky sy fomba fampianarana an-drenivohitra sy eny ambanivohitra mba hitovy tantana ireo mpianatra. Natao ny 17 sy 18 Aprily 2023, teto Antananarivo, teo ny tatitra mahakasika izany.
REPORTAGE :
Ricky et sa famille sont producteurs de biogaz dans la commune de Mananasy, à Soavinandriana. Du gaz propre, stockable et respectueux de l'environnement. Déchets de fruits et légumes, herbes et crottes d’animaux, tout peut être transformé en biogaz. Une énergie abondante et gratuite d’après Ricky. Selon lui, agir ainsi évite l'utilisation du charbon de bois et la coupe des forêts. Aujourd’hui, le Biogaz de Ricky a de plus en plus de demandeurs, ce qui lui a permis de monter son entreprise « Maitso Angovo » (Énergie Verte).
INTERVIEW :
Herilaza Thierry, responsable au sein de l'association Planète Urgence parle de leurs projets menés à Madagascar pour répondre à la dégradation de l'environnement. La sauvegarde des forêts de tapia dans la région d'Itasy, habitat naturel des vers à soie sauvages, figure parmi l’une de leurs priorités. L’association apprend aussi les communautés locales (VOI) comment mieux protéger les forêts de tapia à travers des activités communes et des formations.
DIY : Comment fabriquer une dentifrice écologique ? Mélangez argile, bicarbonate de sodium, arôme menthe avec un peu d’eau suivant la dose prescrite. Gardez dans un endroit frais et appliquez sur une brosse à dent.
FANADIHADIANA :
Mpamokatra entona fandrehitra ao Mananasy, Soavinandriana i Ricky sy ny fianakaviany. Entona madio, azo tehirizina ary miaro ny tontolo iainana. Ireo akora hita eo an-tanàna (voankazo, ahitra sy taim-biby…) ihany no avadika ho entona. Maimaim-poana. Misoroka ny fampiasana arina fandrehitra sy ny fanapahana ala hoy izy ny firosoana amin’izany. Mitombo isa ireo voasarika hampiasa ity angovo ity ao amin’ny kaominina Mananasy sy any amin’ny tanana hafa ka nanosika an’i Ricky hanangana ny orinasa “Maitso Angovo”.
RESADRESAKA :
Mampahafantatra ireo tetikasa ataony eto Madagasikara manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana ny fikambanana Planète Urgence. Ny famerenana amin’ny laony ireo ala tapia simba ao amin’ny faritra Itasy, izay fonenan’ireo landibe, no isan’ny imasoany. Mampianatra sy mampiofana ireo vondron’olona ifotony hikajy ireo ala koa ity fikambanana ity. Miresadresaka ny momba izany ny tompon’andraikitra iray, Herilaza Thierry.
DIY : Fikafika fanamboarana « dentifrice », tsy mampiasa akora simika. Afangaro ny tanimanga, karibonetra, lohamenaka misy hanitra solila (menthe) sy rano kely, araky ny fatrany avy. Tehirizina amin’ny toerana mangatsiaka. Ahosotra amin’ny borosy nify toy ny « dentifrice » mahazatra.
Toutes les femmes quel que soit leur travail doivent bénéficier du même droit. Très peu de travailleuses du sexe et des personnes vivant avec le VIH/SIDA connaissent leurs droits et elles sont souvent victimes de stigmatisation. Des associations prennent en charge les activités de vulgarisation de leurs droits à l’égard de ces personnes comme l’association SISAL. A part des séances d’informations sur les droits fondamentaux, intégrant la prévention de la violence, 33 femmes bénéficiaires du projet PISSCA ont reçu une formation sur l’autonomisation à travers les atouts de chacune. Parmi ces 33 femmes, 25 d’entre elles continuent toujours de travailler dans leurs domaines respectifs. Le projet PISSCA intervient dans 2 zones par la présence de dispensaires implantés à Antananarivo dans le quartier de 67ha et à Toliara dans le quartier de Tsimenatse I. Intervention du coordonnateur national de l’association SISAL, Docteur Olivier Randrianarivelo.
Manan-jo mitovy amin’ny olon-drehetra ny vehivavy na inona na inona asa ataony. Vitsy ireo vehivavy mpampanofa tena sy miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA no tsy mahafantatra ny zony. Matetika izy ireo no voahilikilika. Misy ireo fikambanana mandray an-tanana ny fampahafantarana ny zon’izy ireo, toy ny fikambanana SISAL. Ankoatra ireo fampahafantarana ny zo fototra, indrindra ireo fiarovana amin’ny herisetra, vehivavy 33 no raisin’ny tetikasa PISCCA an-tanana. Nahazo fampiofanana mba hahazaka tena izy ireo amin’ny alalan’ny fahaiza-manao ananan’ny tsirairay. 25 tamin’ireo vehivavy 33 no mbola manohy izay asany izay ihany hatramin’izao. Misy tobim-pahasalaman’ny tetikasa PICSSA ao 67ha, Antananarivo sy Tsimenatse I – Toliara no misy ny tetikasa PISCCA. Ireo izany no toerana tena iasany. Manazava ny mpandrindra nasionalin’ny association SISAL, dokotera Randrianarivelo Olivier.
Les citoyens font recours à l’arrangement à l’amiable parce qu’ils ont peur du tribunal et la corruption selon René Rakotondrasoa, président du fokontany Ankadilalana. D’un autre côté, ils ne connaissent pas leur droit dixit Heriniaina Jean Eric de la CRAAD-OI, acteur des droits de l’Homme. Porter plainte au niveau du tribunal fait partie du Droit des citoyens. L’arrangement à l’amiable n’est valable que pour une affaire civile. Par contre pour une affaire de droit pénal, recourir à l’arrangement enfreint la loi. Les citoyens ont donc besoin d’être éduqués.
Manao raharaham-pihavanana ny olom-pirenena noho ny tahotra ny hiditra tribonaly sy ny fisiana kolikoly hoy Rakotondrasoa René, sefo fokontanin’Ankadilalana. Etsy an-daniny, tsy mafantatra ny zony izy ireo hoy kosa i Heriniaina Jean Eric avy ao amin’ny CRAAD-OI, mpisehatra eo amin’ny zon’olombelona. Zon’ny olom-pirenena ny mametraka fitoriana eny amin’ny tribonaly. Mety ilay raharaham-pihavanana raha resaka sivily no anaovana izany. Mandika lalana kosa raha heloka be vava no hanaovana ny raharaham-pihavanana. Mila beazina noho izany ny olomp-pirenena.