Quand une personne est cardiaque, elle est souvent hypertendue. Les veines sont reliées au cœur, ce qui explique cette relation. Par contre, une personne souffrante de tension artérielle peut ne pas être victime d’une maladie cardiaque. La consommation excessive de sel, de graisse, le stress et la cigarette peuvent être à l’origine de ces problèmes de santé. Pour les traiter, il faut surveiller systématiquement sa tension, et consulter un cardiologue en cas de palpitation ou d’autres symptômes comme la pâleur ou la nausée. Suivez les conseils du Docteur Ramanantsoa dans Santénaka.
Rehefa marary fo ny olona iray dia matetika misy tension na misy olana amin’ny tosidrà . Ny lalan-drà mantsy dia mifandray amin'ny fo. Fa ny olona voan’ny tosidrà nefa mety tsy voatery harary fo. Ny fihinanana sira be loatra, ny menaka, ny rarin-tsaina ary ny fifohana sigara no mety mahatonga ireo olana ara-pahasalamana ireo. Mba hitsaboana azy ireo, dia tsy maintsy haraha-maso matetika ny tosidra, ary manantona cardiologue na mpitsabo manokana momba ny aretim-po raha toa ka misy fidobodoboky ny fo haingana loatra na soritr'aretina hafa toy ny hoditra mia mazava na koa maloiloy. Araho ary ny toro-hevitry ny Dokotera Ramanantsoa ato anaty Santénaka.
La Bosse de bison peut paraître comme une maladie courante, mais si elle n’est pas traitée, la tumeur peut se transformer en cancer. Elle est due généralement à un travail excessif des muscles, comme porter des objets lourds sur la nuque. Mais elle peut être également d’origine congénitale. Cette déformation provoque souvent des maux de tête et du vertige. L’opération reste la solution la plus sure, mais avant il faudrait découvrir son origine selon le médecin Jaovita Barthélemy.
Mety ho toy ny aretina mahazatra ny fiheverana ny bosse de bison na fivontosana ao amin’ny hatoka, fa raha tsy voatsabo dia mety hivadika ho homamiadana izany. Ny fiasan’ny hozatra be loatra no mahatonga azy, toy ny fitondrana entana mavesatra eo amin’ny hatoka na lamosina. Mety ho efa hatrany am-bohoka koa anefa no nahazoana azy. Miteraka aretin'andoha sy fanina matetika io faritra mivonto io. Ny fandidiana no vahaolana, fa mila fantarina aloha ny nahazoana izany, hoy ny dokotera Jaovita Barthélemy.
Une personne allergique est susceptible d’avoir des crises d’asthme. Ces deux maladies apparaissent notamment pendant la saison de pluie, et peut affecter autant les enfants que les adultes. Les fortes odeurs comme celles de la cire, des fleurs ou du pétrole entrainent souvent des perturbations respiratoires. Certains crustacés sont aussi à l’origine de cette allergie, comme les crevettes et les crabes. Pour traiter l’asthme provoqué par l’allergie, il est préférable de consulter un allergologue ou un pneumologue. Le Docteur Elly apporte plus d’explication dans Santénaka.
Ny olona tratran’ny tsy fahazakan-javatra na allergie dia matetika voan'ny aretina sohika na asthme. Ireo aretina roa ireo dia miseho indrindra rehefa fotoanan'ny orana, ary mety ho voany avokoa na ny ankizy na ny olon-dehibe. Ny fofona mahery toy ny savoka, voninkazo na solitany dia matetika miteraka fikorontanan'ny taovam-pisefoana. Ny hazan-dranomasina sasany ihany koa dia miteraka allergie, toy ny makamba sy ny foza. Mba hitsaboana izay sohika vokatry ny tsy fahazakan-javatra izay, dia tsara kokoa ny manantona mpitsabo manokana momba ny allergie na ny allergologue izany, na pneumologue, mpitsabo manokana momba ny aretin-tratra. Manome fanazavana fanampiny ato anaty Santénaka ny dokotera Elly.
Les patients atteints d’une maladie évolutive grave, incurable ou dans une phase avancée ont besoin d’un accompagnement médical et psychologique. C’est le soin palliatif. Pr Rodrigue Hasniatsy, président de l’Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie de Madagascar (AROM) nous en dit plus.
Omena fikarakarana manokana ireo marary izay efa anaty dingana farany amin’ny aretina na koa tratran’ny aretina mahafaty na hoe maladie mortelle. Soins palliatifs no anaran’io fitsaboana io. Pr Hasiniatsy Rodrique Filohan’ny fikambanana (AROM) na Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie de Madagascar hitondra fanazavana sy izay tsara ho fantatra momba io fitsaboana io.
Pleurs intenses et soutenus accompagnés d’émissions de gaz, des caractéristiques des coliques du nourrisson. Un bébé sur quatre traverse cette phase vers les 3 premiers mois de vie selon l’organisation mondiale de la santé. Une mère de famille nous partage ses angoisses et Dr Tovohery, pédiatre nous dit plus sur ce cas.
Tomany maharitra arahana fanenana sy famoahana rivotra. Ireo no hahafantarana hoe misy « colique » ny zazakely iray. Zaza iray amin’ny efatra no tratran’io tranga io ao anatin’ny 3 volana nahaterahany raha ny tatitry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momban’ny fahasalamana. Hitantara amin-tsika ny fitaizan’ny zanany ny renim-pianakaviana iray ary hampafantatra an-tsika misimisy io tranga io Dr Tovohery, mpitsabo zaza.
La journée internationale des enfants en situation de rue a été célébrée le 12 Avril. Plusieurs évènements ont été organisés à cette occasion par la Plateforme de la Société Civile pour l’Enfance ou PFSCE. Une de leurs revendications est de renforcer les sensibilisations pour faire respecter les droits de ces enfants de rue.
Nous avons invité des enfants en situation de rue qui sont actuellement accueillis par des associations ou foyers.
Nankalazaina tamin’ny alarobia 12 aprily ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Nentina nanamarihana izany, nisy ireo hetsika maro nokarakarain’ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny zon’ny ankizy na ny PFSCE. Isan’ny antso avo nataon’ireto avy ao anivon’ny PFSCE ireto, nandritra ny fankalazana iny ny hanamafisana ny fanentanana ny amin’ny fampanajana ny zon’ireo ankizin’ny lalana ireo.
Ka izay indrindra no antony nisian’ny adi-hevitra izay niarahana tamina ankizin’ny lalana teo aloha izay efa tafiditra anatin’ireny akany mandray an-tanana azy ireny.
Il existe un lien entre le poids et la fertilité. Être en surpoids ou en manque de poids peut entraîner une difficulté dans la conception d’un enfant. Que ce soit pour la femme ou pour l’homme. Pour cela, il faut avoir une alimentation bien équilibrée et faire des exercices physiques. Entre autres des complications entraînées par le surpoids, le diabète gestationnel. Selon les explications de la sage-femme Landy, le diabète gestationnel qui survient lors de la grossesse peut disparaître à la naissance. Mais il se peut que la mère devienne diabétique même après l’accouchement.
Misy fifandraisany ny lanja sy ny fahazoana zaza. Raha ngeza loatra na kely loatra ianao dia mety ho sarotra vao mahazo zaza. Na ho an’ny lahy izany na ho an’ny vavy. Mila misakafo ara-pahasalamana sy manetsi-batana noho izany. An’isan’ny fahasarotana ateraky ny hangeza be loatra ny fisian’ny diabeta mandritra ny vohoka. Araka ny fanazavana omen’ny rasazy Landy, mety afaka io diabeta mandritra ny vohoka rehefa teraka ilay zaza. Mety hijanona anefa io diabeta io na efa teraka aza ilay zaza.
Le cycle électoral désigne le processus électoral dans son ensemble. Ce cycle est composé de trois grandes étapes qui se renouvellent sans cesse : la période pré-électorale, pendant l’élection, et celle de la post-électorale.
La CENI est appelée à organiser 3 élections au suffrage universel direct, dont les élections législatives, l’élection présidentielle, les élections communales et municipales ; 3 autres élections au suffrage universel indirect qui sont les élections sénatoriales ainsi que les élections régionales et provinciales.
C’est dans la première phase, c’est à dire avant l’élection que toutes les préparations ont lieu. Il s’agit de faire les suivis des cadres juridiques, des lois et textes concernant l’élection. Là aussi, la planification de mise en œuvre telle que le calendrier électoral, les budgets alloués aux élections, la refonte ou bien la révision annuelle de la liste électorale, l’éducation citoyenne, ainsi que la campagne électorale y sont comprises. Nous sommes actuellement dans la phase pré-électorale.
Les deux autres phases du cycle électoral seront évoquées dans les prochaines épisodes.
Inona avy no mandrafitra ny zotram-pifidianana na “cycle électoral » iray ?
Ny lalana rehetra diavina amin’ny fifidianana no resahina ao anatin’ny zotram-pifidianana. Misy foana izy io araka izany ary mitohy tsy misy fihatoany. Fifidianana enina no kirakirain’ny CENI ao anaty zotram-pifidianana na cycle électoral iray. Fifidianana mivantana ny telo amin’ireo, toy ny fifidianana solombavam-bahoaka, fifidianana filoham-pirenena ; ben’ny tanà na sy mpanolon-tsaina. Ny telo kosa fifidianana tsy mivantana, tafiditra ao ny fifidianana loholona ary koa ny fifidianana eny anivon’ny faritra sy renivohi-paritany.
Dingana telo lehibe no mandrafitra ny zotram-pifidianana : mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Ny dingana voalohany no horesahina androany.
Ao amin’ny dingana mialohan’ny fiidianana no atao ny fanomanana rehetra. Mandritra izany no hanaraha-maso na hikitihana ny lalà na sy andinin-dalà na mifehy ny fiidianana. Ao ihany koa no handaminana ny drafitra rehetra toy ny tetiandrom-pifidianana, ny teti-bola hampiasaina, ny fanavaozana tanteraka na ny fizahana isan-taona ny lisim-pifidianana, ny fanabeazana olom-pirenena, ary indrindra ny fampielezan-kevitra. Mbola tafiditra tanteraka ao anatin’io dingana voalohany io isika amin’izao fotoana izao.
Horesahina amin’ny fandaharana manaraka indray ireo dingana roa hafa.
Chez nous à Madagascar, c’est l’organisme qui se charge de la gestion et de la supervision des opérations électorales et des référendums, selon l’article 5 de la constitution. Petite historique. Nommée à l’époque commission Nationale électorale ou CNE, les élections étaient sous la charge de l’Etat, à travers le ministère de l’intérieur. La nouvelle version, devenue commission électorale Nationale Indépendante ou CENI est née de la crise politique de 2009 et reste jusqu’à présent.
Elle est composée de 19 commissaires électoraux, compétents en matière d’élection. Ils sont nommés par décret et exerce en tant que tel pour une durée de 7 ans. Parmi les 19, 10 membres viennent de la société civile, 2 de l’administration, c’est-à -dire venant du ministère de l’intérieur et celui de la décentralisation. Les 7 restant viennent des partis politiques existants. Les membres des institutions de la République, les membres du gouvernement ou d’un cabinet ministériel, les titulaires de hauts emplois de l’Etat, les autorités administratives, les candidats aux élections ainsi que les éléments des Forces armées ne sont éligibles à aucun des postes auprès de la CENI.
Ho antsika eto Madagasikara, dia izy io no misahana manontolo ny fampandehanana sy fanarahamaso ny raharaham-pifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, araka ny fehezan-dalà na faha 5 ao amin’ny lalà m-panorenana. Raha ampahatsiahy kely isika, ny vomiera nasionaly misahana ny fifidianana na CNE taloha no nandray an-tà nana ny fifidianana teto amin-tsika, teo ambany fiahian’ny fanjakana izay niandraketan’ny ministeran’ny atitany. Niova ho vomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na CENI kosa izy nanomboka taorian’ny krizy politika ny taona 2009, ary mandran-kankehitriny.
Mpikambana 19 manana trai-kefa manokana momba ny fifidianana no mandrafitra ny CENI. Didim-panjakana no manendry azy ireo hiasa mandritra ny 7 taona. 10 amin’izy ireo avy amin’ny firaisamonim-pirenena, ny 2 kosa mpitantana raharaham-panjakana, izany hoe avy ao amin’ny ministeran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Ny fito ambiny kosa dia avy amin’ireo antoko politika samihafa misy eto amin’ny firenena.
Tsy afaka miandraikitra ny asa ao anivon’ny CENI kosa ireo olona avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, mpiasam-panjakana ambony, mpirotsaka ho fidiana na ihany koa avy amin’ny tafika.