Nandray ny tanora avy amin’ny « plateforme jeunes et engagés » ao amin’ny delegasion’ny firenena mikambana eto Madagasikara ny fandaharana ‘Ndao Hilaoeky. Ao anatin’izay i Rabezatovo Haja avy any amin’ny faritr’Alaotra Mangoro, sy Andriatahiana Felana, mpikambana avy eto Antananarivo ary Hasimbola Tamy Fanja avy any Fianarantsoa no nandray anjara amin’ny ady hevitra mahakasika ny vaovao nisongadina teto amin’ny Studio Sifaka nandritra iny herinandro iny. Resahina voalohany amin’izany ny mahakasika ny fandraisana anjaran’ny malagasy any ivelany amin’ny fifidianana eto Madagasikara sy ny mahakasika ny tanora sy ny tranom-bakoka na ny mozea eto amintsika ary ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana amin’ny fanampiana ireo tanora malagasy mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
L’émission ‘Ndao Hilaoeky a accueilli les jeunes de la “plateforme jeunes et engagés" de la Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores. Haja Rabezatovo en provenance d’Alaotra Mangoro, Felana Andriatahiana, membre résident à Antananarivo et Tamy Hasimbola Fanja, jeune étudiante de Fianarantsoa ont donné leurs avis sur les actualités marquantes de la semaine. Il s’agit du vote de la diaspora aux prochaines élections à Madagascar, l’intérêt des jeunes aux musées à Madagascar et la prise en charge par l’Etat des jeunes participants à des compétitions intellectuelles au niveau international.
Miroborobo be eto amintsika ankehitriny ny fampianarana ampitain-davitra ary tsy azo hidivirana izany noho ny firoborobon’ny teknolojia. Betsaka amin’ireo tanora no misafidy ny hanaraka io sampam-piofanana io indrindra fa ireo sady te hiasa no te hanohy fianarana. Raha ny orinasa tantanan’I Soa Rarivoharimanana, talen’ny Air connector dia ireo tanora ireo no tena betsaka miasa ao. Araka ny heviny dia vahaolana ho an’ny tanora izy io. Miankina amin’ny enti-manana ara teknolojika sy ara-pitaovana ary ny finiavana hikaroka ihany koa ny hahazoana vokatra tsara na tsia amin’ny fampianarana ampitain-davitra ary mifameno amin’ny fampianarana atrehina izy io hoy ny fanehoan-kevitr’I Rakotomandroso Todisoa, mpanabe amina sekoly iray eto andrenivohitra. Misy sehatra izay tena mitaky fampianarana atrehina ka tsy ho voasolon’ ampitain-davitra kosa anefa raha ny fanehoan-kevitry ny profesora Julien Aimé.
Le télé-enseignement est incontournable au moment actuel où la technologie est en pleine expansion. Beaucoup de jeunes choisissent cette option pour des différentes raisons, il y en a ceux qui souhaitent à la fois travailler et continuer les études. Soa Rarivoharimanana, DG d’Air connector témoigne que la plupart des employés au sein de son entreprise sont à la fois des étudiants et que le système de télé-enseignement est une solution efficace pour les jeunes. La bonne ou mauvaise qualité de l’éducation issue du télé-enseignement dépend néanmoins des outils matériels, technologiques et requière une auto discipline de chaque étudiant, affirme le professeur Rakotomandroso Todisoa. Selon le professeur Julien aimé, il existe certaines catégories d’études qui ne peuvent aboutir qu’en présentiel et dont le télé-enseignement ne pourra jamais remplacer.
Telo taona teo izay no nanaovan’i Nadia fiompiana trondro an-tanimbary any amin’ny faritra Alaotra Mangoro any. Ny tilapia no ompiany ary amin’ny fotoam-panetsana izy no mandrotsaka ny zana-trondro sy manisy zezika izay sady sakafon’ireo trondro ihany koa. Afaka telo volana kosa ny trondro no azo Alaina. Nanomboka tamin’ny nanaovany ity fomba iray ity dia namokatra be ny variny ary mahazo tombony ihany koa izy satria sady mamarotra ny trondro azony avy ao. Efa ela no nisian’ny fiompiana trondro an-tanimbary teto amintsika saingy nanomboka tamin’ny fampidirana ireo fomba manara-penitra kokoa taty aoriana dia voa maika miroborobo izany. Raha oharina amin’ny fomba fiompiana hafa dia ny fiompiana trondro an-tanimbary no hahazoana tombony be indrindra hoy I Ramarokoto Andriamanohisoa, tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampana aquaculture. Hatramin’ny 400 kilao isaky ny hektara eo mantsy ny trondro azo anatin’ny enimbolana monja.
Nadia, une paysanne d’Alaotra Mangoro a commencé la rizipisciculture il y a maintenant trois ans. Elle fait entrer ses tilapias durant la période de semaille et en rajoute des engrais qui servent aussi d’alimentation pour les poissons. Trois ou quatre mois après, elle prend les tilapias et en rajoute à nouveau. Nadia a un double avantage dans cette pratique, la qualité de sa rizière s’améliore et son marché de poissons a un bon rendement. Selon Ramarokoto Andriamanohisoa, responsable du service aquaculture, la rizipisciculture était pratiquée chez nous depuis les années 90 et ne cesse de s’épanouir grâce aux techniques modernes. Comparés aux autres systèmes d’élevage de poissons, la rizipisciculture est plus efficace, avec une production de plus de 400 kg de poissons par hectare en 6 mois.
Isan’ireo antony mahatonga ny lozam-pifampivoizana kodiaran-droa ny tsy fahaizana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Nisy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana nankatoavin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny voalohan’ny volana may teo izay manambara fa tsy maintsy manana fahazon-dalana hamily avokoa ireo fitaovam-pitaterana misy motera rehetra. Ankoatra ny tsy maintsy fananana izany anefa dia tokony hatsaraina ihany koa ny fotodrafitr’asa mifanaraka amin’ny fifamoivoizana hoy i Nary Razafindrakoto, mpampianatra mamily. Maro ireo takelaby sy tsipika amin’ny tany izay tsy mifanaraka amin’ny lalana intsony ka tokony havaozina. Rehefa tsy maintsy hanana fahazoan-dalana daholo ny rehetra dia tokony halefahana ny fomba fangalàna izany, hoy ny filohan’ny fikambanana Rider Scoot Community, Tsiferana Andriamanamidona. Tokony beazina sy hampianarina ihany koa ireo mpitondra kodiaran-droa ny amin’ny toe-tsaina sy ny fomba fiainana tokony hanana mba ho « mpitondra moto mendrika ».
Les accidents mortels de circulation sont devenus très fréquents ces derniers temps, avec une variante, les deux roues. La méconnaissance du code de la route par bon nombre de conducteurs de moto figure parmi les principales causes de ces accidents. Après avis de la Haute cour constitutionnelle, le nouveau code de la route malgache préconise que la conduite de tous véhicules motorisés nécessite un permis de conduire. Ce qui implique le passage dans une école de conduite avant de pouvoir rouler. Selon le moniteur d’auto-école, Nary Razafindrakoto, il faudrait également améliorer et réviser les infrastructures tels que les panneaux, les marquages au sol et les routes en mauvais état. Si cette loi est effective, les conducteurs de deux-roues feront de leur mieux pour avoir leur permis. Mais il faudrait mettre en place des mesures d’accompagnement comme la facilitation des procédures d’obtention des permis, des séances de civisme et de bonne conduite sur la route, explique Tsiferana Andriamanamidona, président de l’association Rider Scoot Community.
Le foncier constitue l’une des causes de conflits à Madagascar. 25% des conflits sociaux observés dans les 23 régions sont d’origine foncière selon le rapport des jeunes du projet des jeunes observateurs promoteurs de la paix. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
La commune d’Ambohitrimanjaka est très connue par ses problèmes de litiges fonciers. Le Chef du Fokontany d’Ikopakely Ambohitrimanjaka Josefa Randriamboavonjy souligne la prépondérance de conflits fonciers liés à la succession. C’est le cas de Marie Virginie Rasoavoninkazo, qui a perdu son héritage à cause de la mise en vente de sa parcelle de terrain par un membre de la famille, ayant fait usage de faux documents. Sa famille a porté l’affaire au niveau du Fokotany, qui a ses propres méthodes de résolution de conflits, mais en vain. Ils ont alors porté l’affaire au tribunal mais faute de moyens, elle est suspendue.
La pédagogie avant les sanctions, sous la coordination des ainés sont les méthodes principales de résolution de conflits de la société d’antan souligne le Tangalamena Zafibotosoa Jules. Plus tard, ces modes de gestion ont été remplacés par la structure étatique qu’est le tribunal.
Tranga iray matetika miteraka disadisa eny amin’ny fiara-monina ny adin-tany. 25%n’ny disadisa eny amin’ny fiaraha-monina manerana ny faritra 23 eto madagasikara dia avy amin’ny adi-tany avokoa araka ny tatitra nataon’ireo tanora avy ao amin’ny tetik’asa Obsmada. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Voaresaka matetika momba ny adi-tany ny kaomininina Ambohitrimanjaka, resaka ady lova no mazàna mitranga eny araka ny nambaran’ny sefo Fokotany iray, Randriambovonjy Josefa. Ady tany, anjara lova no tantarain’i Rasoavonikazo Marie Virginie, mponina eny Ambohitrimanjaka. Novahana teo amin’ny Fokontany sy ny fianakaviana izany araka ny fomban’izy ireo eny saingy tsy nahitana vahaolana. Nentina teny amin’ny rafitra ara-pitsarana izany avy eo mba hitadiavam-bahaolana saingy naaton’ny fianakaviana noho ny olana ara-bola. Anisany mampahazo vahana ny adi-tany ny tsy fisian’ny politikan’ny fizarana tany sy ny tsy fisian’ny firindran’ny politikan’ny fanajariana ny tany sy ny fiarovana ny zon’ny tompon-tany araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny sehatra Iombonana ho an’ny fananan-tany na SIF Raparison Eric Herman.
Fomba iray nentina namahana disadisa fahiny ny fananarana sy fanasaziana avy amin’ny ray aman-dreny araka ny fanazavan’ny Tangalamena iray avy ao Toamasina, Zafibotosoa Jules. Nametraka fomba hafa ny fanjakana taty aorina ka lasa eny amin’ny Fokotany sy ny tribonaly no rafitra mamaha ireo olan’ny fiara-monina.
- BAREA : Niondrika nanoloana ny mpanao mondiale Ganeana fa traikefan’ny mpilalao zandriny ho an’ny lalao ho avy.
- Fizahantany mamoafady: Teratany Malagasy no betsaka amin’ireo mpanjifa.
- Malalaka manomboka izao ny fitondrana aro vava na tsia eny an-kalamanjana.
- Volan’ny Teny Malagasy: Tsy mbola tontosa ny lalàna hodinihina amin’ny teny Malagasy.
- Zon’olombelona : Manao tombana ny asan’ny fanjakana ny firaisamonim-pirenena.
- Andro eran-tany hiadiana amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky : Ilaina ny fanampian’ny mpitsabo hialana amin’ny sigara.
- Eo andalam-pandihanana ny tsy maintsy hiakaran’ny vidin-tsolika tokony hihatra alohan’ny volana jolay ny fitondram-panjakana.
- Toy ny fampiasana fahana amin’ny finday ihany koa ny fandoavana saran-dalana amin’ny taxi-be eto Antananarivo atsy ho atsy.
- La région Androy: la première région à débarasser de la défécation à l’air libre.
- Mahajanga: Un habitant sur quatre est fumeur.
- Nosy Be: Coup d’envoi du festival Donia 27ème édition ce jour.
- Ny faritra Androy no faritra voalohany naharesy ny ady amin’ny fangerena an-kalamanjana eto Madagasikara.
- Mahajanga: Olona iray amin’ny efatra no mpifoka sigara.
- Nosy be: Manomboka androany ny festival Donia andiany faha 27.
- Alaotra-Mangoro : les cultivateurs s’indignent face au prix dérisoire du kilo du paddy.
- Antsiranana: 30% des hôtels affichent complets pendant le festival “Festikite”.
- “Nosy Be Expo Tourisme”: pousser les natifs à mieux connaître les sites touristiques de leur région.
- Alaotra-Mangoro : mivarotra fatiantoka ireo tantsaha manoloana ny fahamoran’ny kilaon’ny vary akotry.
- Antsiranana: feno ny 30% amin’ireo trano fandraisam-bahiny nandritra ny “Festikite” andiany voalohany.
- “Nosy Be Expo tourisme”: hohatsaraina ny fahalalan’ny mponina ireo toeram-pitsangatsanganana misy ao aminy.
- BAREA: Lalao voalohany any ivelany manoloana an’i Ghana rahampitso, anatin’ny fifanintsanana ho amin’ny CAN 2023.
- Fifidianana 2023: Misy fiantraikany lehibe amin’ny voka-pifidianana ny fandraisan’ny tanora anjara.
- FARITRA MENABE: Tanora 104 nanao tombana ny sampan-draharaham-panjakana.
- Voly tsaramaso : tsy ampy ny masomboly ao Miandrivazo.
- Fiandohan’ny vanim-pitoana ririnina : Nihena lavitra noho ny tamin’ny taona 2021 ny trangana Covid 19 tamin’ity taona ity.
- Famaritan-karama: Tsy mitovy ny fandrefesana eo amin’ny miankina sy tsy miankina.
- Astrotourisme : Tolotra ara-pizahantany mbola azo trandrahina tsara.
- Tamatave II : l’acquisition des nouveaux certificats fonciers se fait par signature numérique.
- Région SAVA : la route nationale 5 note 25 accidents de bovins depuis début 2022.
- Ambatondrazaka : le CEG Razaka remet à neuf sa bibliothèque.
- Amoron’i Mania : quand la passion du scooter contribue à l’éducation.
- Toamasina II : amin’ny alàlan’ny sonia nomerika no nanomezana ireo kara-tany vaovao.
- Lalam-pirenena faha 5 : omby 25 no voan’ny lozam-pifamoivozana hatramin’ny voalohan’ny taona.
- Ambatondrazaka: nohavaozina ny tranombokin’ny CEG Razaka.
- Amoron’i Mania : azo itaizana ny tanora koa ny taranja kodiaran-droa.
- Autosuffisance alimentaire: l’agriculture, l’élevage et la pêche sont encore des secteurs à renforcer.
- Ankililaoka Toliara II : baisse considérable de la production rizicole.
- Antsiranana : Parmi les régions les plus touchées par la violence et harcèlement scolaire.
- Sécurisation foncière : Des nouvelles technologies en marche.
- Fahavitan-tena ara-tsakafo: mbola marefo ny sehatra fampandrosoana ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono;
- Ankililoaka Toliara II: nidina izay tsy izy ny voka-bary.
- Antsiranana: isan’ireo faritra tena hitrangan’ny herisetra any an-tsekoly.
- Fanan-tany : Ampiasana teknolojia vaovao ny fanaraha-maso azy.