COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

mardi, 07 juin 2022 12:06

Le Journal du 07 Mai 2022

- Fakana an-keriny misesisesy: Marary ny fiarahamonina malagasy ka marefo manoloana ny tranga toy izao.

- Mpisehatra mivantana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanora.

- Mahajanga: tanora namokatra arina fandrehitra bio misy hanitra natoraly.

- Fanondrahana sy fisafidianana ireo zavamniry hambolena amin’ny vanimpotoanan’ny  ririnina.

- Région Atsinanana : Les grenadilles d’Ampasimbe Onibe sont actuellement exportées vers l’Europe et les Etats-Unis.

- La production de haricot dans la région Menabe atteint les 22 000 tonnes.

- Université de Toamasina : Sensibilisation entre étudiants pour lutter contre la pollution.

- Le test d’aptitude militaire reprend à partir du 1er juillet.

- Faritra Atsinanana : Manondrana garanadrelina any Eropa sy Etazonia ny tantsaha ao Ampasimbe Onibe

- Faritra Menabe : Nahavokatra tsaramaso hatramin’ny 22 000 taonina.

- Oniversiten’ny Barikadimy : Hifampitaona ny samy mpianatra hiady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana.

- Ny 01 jolay izao no hanomboka ny fitsarana miaramila manerana an’i Madagasikara.

Dans quels endroits le port du masque est encore recommandé ?

Si le gouvernement malgache a décidé de mettre fin à l’obligation du port du masque en plein air, celui-ci reste encore en vigueur dans tout espace clos contenant plus de 200 personnes et dans les transports publics.  

Ayez quand même le réflexe de porter un masque quand vous vous trouvez dans un endroit clos, mal aéré où il est impossible de respecter la distanciation sociale. Par exemple, le bar, les boites de nuit, le restaurant, etc. Et bien évidemment dans les centres hospitaliers et les pharmacies.

En parallèle, l’OMS recommande à certaines catégories de personne de garder leur masque en tout temps. Il s’agit des personnes âgées, personnes immunodépressives ou toute autre personne vulnérable, des cas contacts ou des personnes récemment guéries de la COVID-19.

Amin’ny toerana tokony ahoana no tokony mbola anaovana aro vava orona ?

Na dia tsy terena intsony ary izao ny fanaovana aro vava orona eny andalambe, dia mbola mitoetra hatrany izany any amin’ny toerana mihidy hahitana olona maherin’ny 200 sy any amin’ny fiara fitateram-bahoaka.

Tsara foana koa anefa ny manao aro vava orona rehefa any amin’ny toerana mihidy sy tery, tsy misy rivotra mivevivezy, na hoe tsy voahaja ilay elanelana iray metatra. Ohatra hoe any amin’ny toerana fisotroana, toeram-pandihizana, toeram-pisakafoana. Anaovy ihany koa ny arovava orona rehefa mandeha any amin’ny toeram-pitsaboana na hopitaly na any amin’ny fivarotam-panafody.

Ankoatr’izay, ireto sokajin’olona ireto dia tsy tokony hiala aro vava orona : ireo efa zokiolona, ireo manana hery fiarovana marefo kokoa, ireo olona ahiahiana ho voan’ny COVID-19 na vao sitrana vao haingana.

Hiver et covid-19 : où en sommes-nous par rapport à l’année dernière ?

Depuis le mois d’avril de cette année, le pays a enregistré en moyenne 40 nouveaux cas de covid-19 par semaine. Ce chiffre a été légèrement en hausse vers la moitié du mois de mai, avec 20 nouvelles contaminations en plus.  

Mais rappelons que l’année dernière, à peu près à la même période, on a eu en moyenne 200 cas par jour sur 1000 tests effectués. C’est-à-dire 1 test sur 5 était positif, contre 1 test sur 66 actuellement.

Cette amélioration s’explique par la campagne de vaccination contre la covid-19, explique le ministère de la santé publique. Jusqu’ici, plus d’un million de malgaches ont pu avoir un schéma vaccinal complet.

Ririnina sy covid-19 : aiza ho aiza isika amin’izao raha mitaha amin’ny taona lasa ?

Nanomboka ny volana martsa teo, dia manodidina ny 40 ny isan’ny tranga vaovao voamarina isan-kerinandro. Niakatra kely izy io teo anelanelan’ny volana may teo, nanatombo 20 isa eo.

Fa tamin’ny herintaona izao anefa, dia 200 mahery ny isan’ny tranga vaovao hita isan’andro, tamina fitiliana arivo mahery natao. Izany hoe filitiana 1 amin’ny 5 no miabo, raha 1 amin’ny 66 izany amin’izao.

Vokatry ny fanaovam-baksiny faobe izay mitohy hatramin’izao no mampihena io isa io, hoy ny avy ao anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto dia malagasy miisa iray tapitrisa mahery no efa vita vaksiny covid-19 feno.

mardi, 07 juin 2022 09:15

Le Journal du 03 Mai 2022

- Niverina amin’ny daty teo aloha ny tetiandrom-pampianarana.
- Tanora sady mitaiza no mianatra : tsy tokony ahilikilika izy ireny.
- Miandrivazo, Fampiofanana tanora momban’ny, fahaizana miatrika ny fiainanana sy ny fitantanana ara-bola.
- Fiakaram-bokatra Ambatondrazaka : betsaka ny hetsika ara-kolotsaina mandritra ity volana ity.

- Loky-Manambato: le braconnage de lémuriens reprend de plus belle. 

- Les jeunes de Sainte-Marie et de Tamatave : finalistes du rugby beach lors de l’« Esprit Beach Festival».

- Les cinq districts du Menabe renforcent leur sécurité.

- Loky-Manambato: mirongatra indray ny fihazàna gidro.

- Tanora avy ao Sainte Marie sy Toamasina : tafakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’ny «Esprit Beach Festival ».

- Amafisina ny fandriam-pahalemana amin’ireo distrika dimy ao Menabe.

 

- Betsiboka: la plantation de roseaux “phragmites” dans le lac Ambariasa comme geste pour l’environnement.

- Antsohihy: 700 enfants bénéficient d’une copie de naissance.

- Menabe: les nouvelles techniques agricoles augmentent le rendement en arachide.

- Fianarantsoa: le vin malgache se voit améliorer sa qualité.

 

 

- Betsiboka : novolena bararata tao amin’ny ranovory Ambariasa ho fiarovana ny tontolo iainana.

- Antsohihy: zaza manodidina ny 700 no nahazo kopia nahaterahana.

- Menabe: mitombo ny vokatra voanjo noho ny teknikam-pambolena vaovao.

- Fianarantsoa : hatsaraina ny kalitaon’ny divay vita Malagasy.

Reportage : Une école dans la capitale a choisi de valoriser les plantes endémiques de Madagascar à travers des peintures faites par les élèves en classe de seconde et première. 30 élèves qui suivent la matière « art plastique » ont choisi chacun une plante qui l’inspire pour en faire un tableau. C’est pour les inciter à connaitre les plantes endémiques et faire connaitre aux visiteurs leurs spécificités. L’exposition a eu lieu à l’Alliance Française Andavamamba du 23 au 25 mai.

Reportage : A Paris, les responsables de la ville encouragent les habitants à utiliser des bicyclettes ou des trottinettes afin de réduire la pollution. Ils encouragent également le covoiturage.

Interview : Le 20 mai est la journée mondiale des abeilles. C’est un agent pollinisateur qui existe à Madagascar en plus des autres tels que les papillons, les guêpes, les abeilles et quelques types de fourmis. Les 80% des végétaux dans le monde sont pollinisés par les abeilles, qui constituent d’ailleurs le plus grand nombre de pollinisateurs à Madagascar. A part leurs prédateurs naturels, les abeilles sont menacées par la déforestation et l’usage des insecticides.

Astuces : Pour attirer les abeilles dans le jardin, la page Estragon.be conseille de diversifier les plantes. Poser un point d’eau pour les abeiller. Cultiver des plantes qui fleurissent à la même saison. Les plantes à fleurs violettes, bleues et vertes sont favorables pour attirer les abeilles.

Reportage : Nisafidy ny hanao sary ireo zava-maniry tsy fahita afatsy eto Madagasikara ny sekoly iray manana taranja « Art plastique ». Mpianatra kilasy « seconde » sy « première » 30 mianadahy no nanao izany sary izany sy nampiranty azy teny amin’ny Alliance Francaise Andavamamba ny 23 hatramin’ny 25 may. Izany dia namporisika ireo ankizy hitia ny zava-maniry. Nampahafantatra tamin’ny mpitsidika ireo zava-maniry ireo sy ny soa entiny ihany koa.

Reportage : Any Parisy dia mamporisika ny mpampiasa lalana handeha bisikileta sy « trotinette » ny mpitondra mba ampihenana ny fiara be loatra ka manimba ny tontolo iainana. Amporisihina toraka izay ihany koa ny fampiasana fiara iombonana na « covoiturage »

Interview : Ny 20 may dia andro maneran-tany ho an’ny tantely izay isan’ireo « Agent pollinisateur ». Manana « Agent pollinisateur » maro isika toy ny vitsika, fangaraka, lolo ary tantely. Ny 80 isan-jaton’ny zava-maniry maneran-tany no nampitsimohan’ny tantely ary ny tantely ihany koa no betsaka manao izany eto Madagasikara. Ankoatra ny fahavalo natoraly dia ireo biby mpihaza ny « pollinisateur » dia manimba azy betsaka ihany koa ny olombelona, ny fahasimban’ny ala, ny fampiasana fanafody famonoana bibikely sns.

Astuces : Ny tantely dia biby mpihaza sy mampitsimoka vony. Raha te hisarika tantely ao an-jaridaina dia tsara ny mamboly zava-maniry isan-karazany sy mamoa amin’ny fotoana samy hafa. Ny voninkazo volomparasy, manga ary maintso no tena manintona ny tantely.

En hiver ou en été, nombreux sont les bienfaits d’un bain chaud.  Se poser 20 minutes dans l’eau d’une température de 36°C à 39°C et avec quelques gouttes d’huile essentielle ne peut que vous faire du bien. Cela permet de réduire le stress et de gagner un bon sommeil réparateur. Il renforce notre système immunitaire et supprime les bactéries accrochées à la peau. Un bain chaud apaise également la douleur en cas d’hémorroïde.

Le SPA est généralement constitué d’un sauna, d’un jacuzzi, d’une séance massage et d’une balnéothérapie. Les bienfaits d’une séance de SPA sont nombreux. Il élimine les toxines du corps et dans la peau, revitalise, apaise les muscles et réduit les douleurs chronique. Zo Rabarioelina, Directeur général du Green Ressort & Spa Vontovorona nous en dit plus.

Mitondra voka-tsoa maro ho an’ny vatana ny mandro sy milona anaty rano mafana. 20 minitra ihany ary eo amin’ny 36°C hatramin’ny 39°C eo ny maripana tsara indrindra rehefa hanao izany. Mamerin’aina ary mampitony ny saina aman-batana, manatsara ny fikorian’ny ra sy ny fiasan’ny fo,  mampitombo ny hery fiarovana, ary mamono ireo otrik’aretina miraikitra amin’ny hoditra ihany koa ny filomana anaty rano mafana.  

“Sauna », « jacuzzi », « balnéothérapie » ary fanorana, ireo no tena atao rehefa mandalo SPA. Maro ny vokatsoa entin’izany toy ny fanalana ireo karazana loto anaty vatana sy amin’ny hoditra, manome erijika, mampitony ireo fanaintanana any amin’ny hozatra ary mampihena rarin-tsaina.  Isan’ireo toerana mampifandray ny SPA amin’ny fitsaboana ny Green Ressort & Spa Vontovorona. Hanazava misimisy kokoa momba izany I Zo Rabarioelina, tale jeneraly ao an-toerana.

La Coalition Nationale de plaidoyer environnemental est venue en aide aux planteurs de vanilles pour faire entendre leur voix. Cette dernière constate une augmentation des exploitations illicites dans les milieux protégés dues aux problèmes rencontrés par ces planteurs. En outre, le seuil de prix imposé par l’Etat n’est pas respecté au niveau du marché de vanilles et par conséquent, ils ne bénéficient pas plus de 6% des retours de la production. De même, le calendrier prescrit pour la récolte est inconforme à la réalité au terrain ; d’où la mauvaise qualité des produits qui provoque une grande perte sur le marché local et international.

Nanome tan-tsoroka ireo tantsaha mpamokatra lavanila ny firaisamonim-pirenena misahana ny tontolo iainana amin’ny fitarainana ataon’izy ireo. Betsaka amin’ireo tantsaha no manao fitrandrahana tsy ara-dalàna eny amin’ny faritra arovana izay mahatonga fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny olana misy amin’ny famokarana lavanila. Tsy voahaja ny vidiny farany ambany napetraky ny fanjakana  hamarotana ny kialon’ny vanila ary tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-toerana ihany koa ny famoahana ny tetiandro fakam-bokatra . Lasa ratsy araka izany ny kalitao azo ka miteraka faty antoka lehibe ho an’ny tsena eto an-toerana sy iraisam-pirenena.

Les bouchons de cérumen sont dus à une surproduction de cérumen, les glandes sécrétant une matière onctueuse et jaune de la peau du conduit auditif. Il a pour fonction de piéger les particules étrangères et d'en débarrasser le conduit. Certaines personnes sont de nature à produire beaucoup plus de cérumen que la normale. Pour d’autres, cette surproduction résulte aussi d’une utilisation trop fréquente de matériels étrangers dans les oreilles. Par exemple, les  cotons tiges. Les bouchons entrainent également une baisse de l’audition, explique, Dr Randrianarisoa Théodore, spécialiste en ORL. Seuls les médecins spécialistes peuvent retirer et nettoyer ces bouchons.

Les acouphènes sont généralement des sifflements dans les oreilles. Pour certains, cela peut aussi être des bourdonnements. Une personne ayant vécu un moment trop bruyant est souvent atteinte d’un acouphène passagère. A part cela, l’acouphène peut être le symptôme d’autres maladies comme l’hypertension, le début d’une crise diabétique, l’intolérance à un médicament ou une baisse d’audition liée un âge avancé. L’acouphène est généralement bénin.  S’il est lié à d’autres maladies, il guérit à travers le traitement de la maladie d’origine, poursuit le Dr Ramiandrisoa Théodore.

Mitarika famokarana tain-tsofina mihoatra ny tokony ho izy ny fikitikitihana sofina matetika. Izay famokarana mihoatra izay dia miteraka fahatsentseman’ny sofina na ilay hoe « bouchon de cérumen » hoy i Dr Randrianarisoa Théodore. Eny amin’ny tobim-pahasalamana irery ihany no afaka manadio ny sofina tsentsina.

Ny horitsim-peo na « acouphène » dia ny fahenoana siotsioka ao anaty sofina. Matetika, olona avy anaty tabataba be no hitrangan’izy io. Ankoatra izay anefa dia mety ho fambaran’aretina hafa ihany koa izy io, toy ny fiakaran’ny tosi-drà, fiantombohana krizy hoan’olona diabetika, na ihany koa vokatry ny tsy fahazakana fanafody iray. Azo tsaboina ny horitsim-peo, sitrana ihany izy rehefa voatsabo ny aretina mahatonga azy.

Teo amin’ny rafi-piarahamonina malagasy, samy nanana ny toerany sy ny lanjany ny vehivavy sy ny lehilahy. Ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana, ny lehilahy dia natao hahery. Ny vehivavy kosa dia nosokajiana ho fanaka malemy.  Ankehitriny dia efa maro ireo fomba na pratika hametrahana ny lanja mitovy ny lahy sy ny vavy, amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, amin’ny fizarana andraikitra, sns. Indraindray anefa mbola tsy azon’ny fiarahamonina tsara izay fomba izay ka misy ireo tsy manaiky ny vehivavy hisehatra mihitsy na ihany koa lasa misy fanilihana ny lehilahy indray, hoy ny filohan’ny fikambanana Move On Androy, sy mpanentana ao amin’ny MenEngage Madagascar, Sorotombake Mbola. Mila mifarimbona sy mifanampy hoy izy ny vehivavy sy ny lehilahy mba handrindrana ny fiainam-piarahamonina. Mila hajaina kosa ny safidin’ny tsirairay amin’ny fandrindrany ny fiainany, ohatra amin’ny asa tiany atao hoy ny mpanolokevitra ao amin’ny Move One Androy ary mpanentana ihany koa, Mamenosoa Mampitombo. Anisan’ny sosokevitra nentin’ ny mpanolokevitra avy ao amin’ny Groupe d’hommes, Ambovombe, Fafirano Ny Soanjanahary Mamenosoa, ny firesahana azy ity eo anivon’ireo olobe noho izy ireo to-teny, mba hankatoavan’ny fiaramonina izay lanja mitovy ho an’ny lahy sy ny vavy izay. Fa eo ihany koa ny fametrahana azy avy hatrany anaty fanabeazana ny ankizy sy ny tanora,  indrindra eny ifotony, hoy izy ireo.

Dans la société malgache, les femmes et les hommes ont chacun leur statut. L’homme est  le chef de famille et il représente la force. Les femmes, en revanche, sont considérées comme faibles et fragiles. Mais de nos jours, de nombreuses pratiques accordent une valeur égale au genre, que ce soit dans la prise de décision ou dans la répartition des responsabilités, etc. Cependant, la société ne comprend pas pleinement le processus. Soit, elle n’est pas encore prête à accorder une place importante à la femme, soit on marginalise à leur tour les hommes, a déclaré Sorotombake Mbola, président de Move One Androy et animateur de MenEngage Madagascar. Selon lui, les hommes et les femmes doivent travailler ensemble et s'entraider pour une harmonisation de la société. Les choix de chacun doivent être respectés, par exemple dans leur choix de métier, s’exprime Mamenosoa Mampitombo, conseiller de Move One Androy et animateur de MenEngage Madagascar. Le conseiller au sein du Groupe d'homme Ambovombe, Fafirano Ny Soanjanahary Mamenosoa, pense qu’il faut aborder ce sujet avec les notables de chaque village parce qu'ils ont leur notoriété au sein d’une société. Mais selon nos trois intervenants, la sensibilisation au niveau local et l’intégration de cette cause dans l’éducation de base pour les enfants et les jeunes, sont aussi à prioriser.

vendredi, 03 juin 2022 08:24

Le Leadership : inné ou acquis ?

Niroborobo teto Madagasikara efa am-polo-taonany mahery ny fiofanana momban’ny hai-tarika. Tamin’ volana martsa iny , ohatra, no nisokatra ny andiany faha-18 amin’ny YLTP (Youth  Leadership training program) izay efa nanofana tanora maherin’ny 400. Ao amin'ny fandaharam-panofanana ivelan'ny fampianarana ihany koa ohatra izao ny lasy ,ny fanatanjahantena ,na  eny amin’ireny fampiofanana  fikambanana ireny  dia voaresaka foana ny ny hai-tarika sy fifandraisana. Ahafahana mamolavola mpitarika ve ny fiofanana teorika sa efa fahaiza manaony manokana no mahatonga azy ho mpitarika?Hianarana tokoa  ve izany leadership izany sa efa voajanahary?.Tsy amin’ny alalan’ny fiofanana no maha-pitarika olona iray fa efa voajanahary, ilay fahaizana mitarika efa ananao rehefa amin’ny fotoana iray manomboka sahy ianao mandray andraikitra sahy manapa-kevitra  hoy RAKOTOARISON Hentsoa mpianatra momban’ny toe-karena ,mila traikefa ny olona ho leader fa tsy fiofanana teorika fotsiny raha hoan’ny mpandraharaha RANDRIAMAHERY Djena  , na dia efa ao anaty ilay mpitarika  dia tsy maintsy mila fiofanana ianao hampianatra anao ny tena fampiasana azy  hoy kosa i RAKOTOMALALA Emile Northon mpianatra momban’ny fitantanana.

Les formations sur le leadership fleurissent à Madagascar depuis plus d'une décennie. Par exemple, ce mois de mars a vu l'ouverture de la 18e édition du YLTP (Youth Leadership training program), Dans les canevas de formation extrascolaires de jeunes, le volet leadership et communication sont toujours présents. Fabriquons-nous des leaders via des formations théoriques, ou avons-nous déjà des leaders expérimentés sur le tas ? Le leadership est-il inné ou acquis ? on ne devient pas leader en suivant des formations, il est déjà en nous, lorsque nous commençons à prendre des responsabilités, des décisions, a déclaré RAKOTOARISON Hentsoa étudiante en économie, Être un leader n'est pas seulement de suivre des formations théoriques, mais exige aussi de l'expérience réplique l'entrepreneur RANDRIAMAHERY Djena, pour l’étudiant en gestion RAKOTOMALALA Emile Northon même si le leadership est innée, on a besoin de formation pour savoir comment s'en servir.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter