- Covid-19 : Nitombo indray ny tranga vaovao vao miatomboka ny ririnina.
- Mifangaro amin’ny tsy fodian’ny tanora an-tranony ny tena trangana fakana an-keriny.
- Asa–tanana : mitombo ireo mpanjifa avy eto an-toerana.
- Fahaela velona : Fohy andro iainana ny Malagasy.
• Fort dauphin : création des associations et des écoles pour les personnes atteintes albinisme.
• Toamasina : circoncision de masse organisée par l’association SERUM.
• Melaky : inauguration de l’infrastructure « coin jeune » du projet TAFA.
• Ambilobe : SUCOMA produira 60.000tonnes de sucre pour 2022-2023.
• Fort dauphin : hananganana fikambanana sy sekoly manokana ireo olona varira.
• Toamasina : fanaovana fora zaza faobe iarahana amin’ny fikambanan’ny mpianatra mpitsabo.
• Melaky : fitokanana ny « coin jeune » Tanora Filamatra Aho.
• Ambilobe : taom-pamokarana 2022-2023 : hamokatra siramamy 60.000taonina ny SUCOMA.
- Hamporisihina ny fanjakana malagasy hankatoa ny fanomezana vaksiny miady amin’ny Covid-19 an’ireo tanora Malagasy 12 hatramin’ny 18 taona.
- Patricia Randria : varira misehatra amin’ny filatroana.
- Foire des investissements: tsy ampy fahaiza-manao amin’ny fampiroborobona ny tetikasany ny tanora malagasy.
- Tontolon’ny Lamaody, marisika amin’ny famoronana ireo tanora.
La plupart des informations que nous recevons quotidiennement circulent rapidement sur les réseaux sociaux. Ces derniers temps, l’affaire de kidnapping ciblant les jeunes filles remplissent les fils d’actualités sur Facebook. Comment savoir si ces informations sont vraies ou pas ? Le média d’actualité « Factivistes » donne des astuces pour détecter la crédibilité d’une information.
Ny ankamaroan’ny vaovao azontsika isanan’andro amin’izao dia hita any anaty tambazotran-tserasera avokoa. Ny resaka fakana an-keriny tovovavy indray no nameno ny tambazotra facebook tato ho ato. Ahoana araka izany no hamantarana na marina ny vaovao iray na tsia? Manome fikafika fijerena ny fomba firafitry ny fehezanteny hita amin’ny vaovao mety ho diso ny “Factivistes”.
Il est difficile pour certains Malgaches d’utiliser ou de parler la langue maternelle même au quotidien. Cela va jusque dans les textes législatifs. Presque la totalité des propositions de loi sont en français et ce n’est qu’à la publication de ladite loi dans les journaux officiels qu’elles sont traduites en Malgache. Selon le député Idéalison, la langue malgache devrait être la langue officielle utilisée pour les communications nationales et les lois. Il va nous éclairer à ce sujet.
Volan’ny teny Malagasy ny volana jona. Anisan’ireo mila hanaovana ezaka goavana eto amintsika ny fahafehezana ny teny Malagasy amin’ny ankapobeny fa indrindra ny hamadihana an’ireo taratasim-panjakana sy ny lalana amin’ny tenindrazantsika. Na voalazan’ny lalana, fa ny teny Malagasy no tokony hampiasaina amin’ny fifandraisana eto madagasikara eto amin’ny raharaham-panjakana rehetra sy ny fanaovan-dalana, mbola amin’ny teny frantsay hatrany anefa ny ankabeazan’ireo tolo-dalana voaray eny amin’ny Antenimierampirenena eny. Asan’ny tsirairay kanefa asan’ireo andrim-panjakana samihafa indrindra fa ny Akadémia Malagasy no manompana misimisy kokoa ny fotoanany hampianarana sy hanapariahana ny teny Malagasy hoy ny Solombavambahoaka Idéalison. Manolotra ny fahitany an’ity fandikan-teny sy fampiasana ny teny Malagasy ity izy.
Malgré les efforts d’explications de la part du Ministère du Travail de l'Emploi de la Fonction Publique des Lois Sociales, les grilles salariales portent toujours confusion parmi les salariés. Cela se fait ressentir lors des annonces d’augmentation salariale tous les ans. Pour faire court, la grille salariale des fonctionnaires se base sur le diplôme des salariés alors que dans le secteur privé tout est dans la négociation des deux parties. Seul le salaire de base de 250.000 ariary annoncé il y a quelques mois, mais qui n’est pas encore effectif, est régi par la loi. Balita Ambinintsoa, Directeur des ressources humaines dans un établissement privé va nous éclairer à ce sujet.
Samihafa ny famaritana ny karama eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Voafaritra avy amin’ny mari-pahaizana ananana ny an’ny fanjakana raha miankina amin’ny fahefan’ny mpampiasa sy ny fahaizana mifandresy lahatra ary ny asa sahanina no hamaritana azy ho an’ny tsy miankina. Isaky ny mahazo mari-pahaizana vaovao izany ny mpiasam-panjakana tsirairay avy dia afaka mangataka fampiakaran-karama na tsy mitombo aza ny asa sahaniny. Araky ny lalana kosa tsy maintsy miha mitombo ny karaman’ireo eny amin’ny sehatra tsy miankina arakaraky ny asa homena sahaniny. Ny karama farany ambany, ilay 250.000 ariary, izay mbola tsy mihatra aloha hatramin’izao, no tsy maintsy hajaina. Hanolotra ny andinindininy rehetra mahakasika an’ity resaka karama ity i Balita Ambinintsoa, tale misahana ny mpiasa eo anivona orinasa tsy miankina iray.
Presque catastrophiques, les chiffres démontrent que le respect des droits des enfants Malgache se détériore d’année en année. Les abus sexuels s’accroissent, des enfants se font maltraiter et s’occupent de tâches ou emplois qui ne leur sont pas encore dédiés. Certains sont même forcés de se marier à un très jeune âge. Les enfants de rue sont les plus vulnérables mais cette situation touche la majorité des enfants. La tâche est lourde mais une politique nationale pour la protection des enfants serait un grand pas pour Madagascar. Irène Razafindranovona, membre de la société civile nous en dit plus.
Mbola tsy tomombana ny fanatanterahana ny zon’ny ankizy eto amintsika. Maro ireo sehatra tena mbola hilana fanamboarana. Isan’ireo ny fihabetsahan’ny fanararaotrana ara-nofo, ny fampiasana zaza, ny fampanambadiana ny ankizy ary ny tsy fahatomombanan’ny fanabeazana. Ireo ankizin’ny lalana no isan’ireo mijaly indrindra amin’izany. Na eo aza ny ezaka izay ataon’ny minisitera sy ny fikambanana samihafa, tsy mihatsara loatra ny fanatanterahana ny zon’ny ankizy. Ilaina noho izany ny hamolavolana ny politika nasionaly fiarovana ny ankizy sy ny fanatsarana ny fampatsiam-bola ho an’ireo asa fiarovana ny ankizy. Hanazava misimisy kokoa mahakasika an’izany i Irène Razafindranovona avy ao amin’ny fikambanan’ireo firaisamonim-pirenena.
Encore un peu timide, la conception de jeux vidéo commence peu à peu à prendre sa place à Madagascar. Plusieurs jeux sont déjà en vente et les concours de conceptions s’organisent de plus en plus. Il n’y a pas encore de cursus universitaire spécifique ici à Madagascar pour que les jeunes se spécialisent à ce sujet. Ils acquièrent des compétences en surfant sur le web et en échangeant avec d'autres concepteurs. Malgré l'évolution incessante de ce domaine à Madagascar, on ne possède pas encore d’un espace virtuel ou non pour que ces concepteurs puissent rencontrer les acheteurs. Par contre, une plateforme est en cours de création par l’Association des développeurs de jeux vidéo à Madagascar. Mathieu Rabehaja, le président de l’association nous donne plus de détails sur l’évolution du jeu vidéo à Madagascar.
Miasa mangingina hatrany ireo mpikirakira lalao an-tsolosaina sy lalao am-pinday Malagasy. Efa maro anefa ireo vokatra izay azo jifaina sy ireo fifaninanana izay hanomezana vahana ny mpamorona. Tsy misy fianarana manokana rantovina eto amintsika raha te hiompana tanteraka amin’io famoronana lalao an-tsolosaina sy lalao am-pinday io. Mianatra eny amin’ny sehatra teknika ireo ankizy ary mampiana-tena tsikelikely any amin’ny aterineto any na ihany koa mifampizara amin’ireo namany mpamorona hafa. Na efa mivoatra be aza ity sehatra ity eto amintsika tsy mbola misy habaka na hifanatrehan-tava na an-tambajotra hahafahan’ireo mpamorona mihaona amin’ireo mpividy. Mikasa hamorona tambajotra hifampizarana kosa ny fikambanan’ireo mpamorona lalao an-solosaina sy lalao am-pinday eto Madagasikara. Hanolotra fanazavana misimisy kokoa ny tontolon’ny lalao an-tsolosaina na lalao am-pindaty eto Madagasikara I Mathieu Rabehaja filohan’ity fikambanana ity.
Le prix des crédits téléphones et de la connexion internet est fixé après entente entre les opérateurs téléphoniques à Madagascar. Une sorte d’oligopole pour contraindre l’entrée d’autres opérateurs sur le marché. En général, à part le profit, les dépenses d’un opérateur téléphonique satisfont 4 grandes lignes : le marketing, la mise en place du « Data Center », le cout de la licence d’exploitation, et les équipements réseaux. Le prix de crédit téléphonique et de connexion internet est encore cher par rapport à ceux dans d’autres pays d’Afrique. L’économiste Zo Andriatsitohaina donne les détails dans l’émission.
Ny fandrafetana ny vidin’ny fahana sy sandan’ny aterineto eto Madagasikara dia fifanarahana eo amin’ireo orinasam-pifandraisana. Izany dia mba ahafahan’izy ireo manasarotra ny tsy fidirana orinasam-pifandraisana hafa. Misy dimy lehibe ny lalan’ny vola ho an’ilay orinasam-pifandraisana : ny saran’ny fahazoan-dalana misokatra, ny vidin’ireo fitaovana momba ny tambazotra, ny fananganana trano « data center », ny fanaovana dokam-barotra ary ny tombony ho an’ilay orinasa. Lafo ny vidin’ny fahana finday sy sandan’ny aterineto eto amintsika raha mitaha amin’ny firenena hafa eto Afrika. Manazava izany ato anatin’ny fandaharana ny mpahay toe-karena Andriatsitohaina Zo.
- Anôsy : célébration de la journée internationale de la sensibilisation à l’albinisme à Fort Dauphin.
- Haute Matsiatra, Menabe, Ihorombe : distribution d’alevins pour les coopératives de pisciculteurs.
- SAVA : concours de jeunes talents pour la célébration de la fête de la musique.
- Anôsy : fankalazana ny andro iraisampirenena momba ny varira any Fort Dauphin.
- Matsiatra Ambony, Menabe, Ihorombe : fizarana zanatrondro ho an’ireo fikambanana mpiompy trondro.
-SAVA : fifinanana talenta ho fankalazana ny fetin’ny mozika.
Une université numérique utilise les outils informatiques comme support dans l’enseignement et dans les activités administratives. Les cours peuvent se faire en ligne ou en présentiel. Cela nécessite à la fois des infrastructures d’accueil pour les cours en présentiel et des centres informatiques pour les échanges en lignes. Chaque étudiant est supposé disposer d’un ordinateur et d’une connexion internet pour étudier et participer aux échanges.
A la différence d’une université en ligne qui fait tout à distance, les inscriptions, les cours ainsi que les examens. Andrianaja Holy, responsable de la formation à distance d’une université à Antananarivo explique.
Ny atao hoe oniveriste nomerika dia ampiasana fitaovana informatika amin’ny fampianarana sy ny fomba fiasa ao aminy. Mety hampiasana aterineto ihany koa ny fampianarana ao aminy ary ny mpianatra tsirairay dia tokony hanana solosaina sy « connexion » ahafahany mifandray amin’ny mpampianatra sy hanaovany fampiharana any an-trano. Misy fampianarana sy fanadinana anaty efitrano ihany izany. Ny oniversite ampitain-davitra kosa dia tsy mifanatri-maso fa amin’ny aterineto avokoa ny fisoratana anarana, ny handefasana ny fampianarana ary ny fanadinana. Hanazava momba izany i Andrianaja Holy, tompon’andraikitry ny fampianarana ampitain-davitra amina oniversite iray eto Antananarivo.
Il n’existe pas encore des maisons d’éditions de livre qui s’intéressent particulièrement aux personnes en situation de handicap visuel à Madagascar. Mais une collaboration entre les associations ou les projets qui accompagnent les personnes non-voyantes et quelques maisons d’édition est déjà en cours. Haingo Ratobimiarana, coordinateur du projet Voatra asa, un projet travaillant pour les non-voyants nous donne des détails.
Tsy mbola misy ny trano fanontana boky manokana ho an’ireo olona manana kilema amin’ny fahitana eto Madagasikara. Efa misy anefa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana na tetikasa miara-miasa amin’ny olona jamba sy ny trano fanontana boky sasany hanontana boky ho azy ireo. Manazava ny momba izany fiaraha-miasa izany i Haingo Ratobimiarana, mpandrindra ny tetikasa Voatra asa, tetikasa miasa ho an’ny jamba.
- Un nouveau pare feu de 1km a été installé.
- Sud-Ouest: Environ 500 tortues illégales ont été saisies en 2021.
- Lutte contre les criquets : l'IFVM appelle à s'entraider.
- Les étudiants de l'EPP Ivandry et Ankorondrano peuvent faire désormais des recherches sur internet.
- Aro afo mirefy 1km vaovao indray no napetraka.
- Atsimo Andrefana : Sokatra miisa 500 no tratra nahondrana na nohanina na nohazaina tamin’ny taona 2021.
- Ady amin’ny andiam-balala : Miantso ny vahoaka eny ifotony hifanome tanana ny IFVM.
- Analamanga : Efa afaka manao fikarohana amin’ny aterineto ny mpianatra ao amin’ny EPP Ivandry sy Ankorondrano ary Ambatobe.